Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mpivahiny” eto Amin’ity Tontolo Ratsy ity Isika

“Mpivahiny” eto Amin’ity Tontolo Ratsy ity Isika

“Mpivahiny” eto Amin’ity Tontolo Ratsy ity Isika

‘Nanambara ampahibemaso ireo rehetra ireo, fa vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany izy.’—HEB. 11:13.

1. Inona no toerana tanan’ny Kristianina eto amin’ity tontolo ity?

NILAZA i Jesosy fa miaina eo “amin’izao tontolo izao” ny mpianany. Hoy koa anefa izy: ‘Tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.’ (Jaona 17:11, 14) Nasehon’i Jesosy mazava tsara tamin’izany ny toerana tanan’ny Kristianina eto amin’ity tontolo ratsy ity. I Satana mantsy no andriamanitr’ity tontolo ity. (2 Kor. 4:4) Tsy tokony ho anisan’ity tontolo ity isika, na dia miaina eto aza. Tokony ho “vahiny sy mpivahiny” kosa isika.—1 Pet. 2:11.

Niaina toy ny “mpivahiny” izy ireo

2, 3. Nahoana no lazaina fa niaina toy ny “vahiny sy mpivahiny” i Enoka, Noa, Abrahama ary Saraha?

2 Tsy nitovy tamin’ireo olona tsy tia an’Andriamanitra nanodidina azy ny mpanompon’i Jehovah fahiny. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra”, ohatra, i Enoka sy Noa, izay niaina talohan’ny Safodrano. (Gen. 5:22-24; 6:9) Be herim-po izy ireo ka nitory sy nilaza ny didim-pitsaran’i Jehovah momba an’ilay tontolo ratsy fahiny. (Vakio ny 2 Petera 2:5; Joda 14, 15.) “Nahazo sitraka tamin’Andriamanitra” i Enoka, ary ‘tsy nisy tsiny teo amin’ny mpiara-belona taminy’ i Noa, satria samy niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy ireo.—Heb. 11:5; Gen. 6:9.

3 Niadana i Abrahama sy Saraha tamin’izy nipetraka tany Oran’ny Kaldeanina. Nanaiky hiala tany anefa izy ireo noho ny didin’Andriamanitra, ka lasa mpifindrafindra monina. (Gen. 11:27, 28; 12:1) Hoy ny apostoly Paoly: “Finoana no nankatoavan’i Abrahama rehefa nantsoina izy. Nankatò tokoa izy ka nandeha ho any amin’ny toerana voatendry ho lovany. Ary nandeha izy, na dia tsy fantany aza hoe ho aiza. Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany voalazan’ny fampanantenana, ka toy ny tany an-tanin’olona izy, ary nitoetra an-tranolay izy niaraka tamin’i Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova aminy an’io fampanantenana io.” (Heb. 11:8, 9) Hoy ihany i Paoly: “Maty tamim-pinoana [ireny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ireny], na dia tsy hitany aza ny fahatanterahan’ny fampanantenana, fa tazany lavitra kosa, ka faly niandrandra izany izy ireo, ary nanambara ampahibemaso fa vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany.”—Heb. 11:13.

Fampitandremana ho an’ny Israelita

4. Inona no fampitandremana nomena ny Israelita, talohan’ny nipetrahan’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina?

4 Rehefa nihamaro ny Israelita taranak’i Abrahama, dia lasa firenena, ary nanana lalàna sy tany onenana. (Gen. 48:4; Deot. 6:1) Tokony hotadidin’izy ireo foana anefa fa i Jehovah no tena Tompon’ilay tany. (Lev. 25:23) Toy ny hoe mpanofa trano izy ireo, ka tsy maintsy nanaraka izay lazain’ny tompon-trano. Nila nitadidy koa ny Israelita hoe “tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona”, ka tsy tokony hanadino an’i Jehovah izy ireo, na betsaka aza ny harenany. (Deot. 8:1-3) Nampitandremana toy izao izy ireo, talohan’ny nipetrahany tao amin’ilay tany: “Rehefa hoentin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany, izay efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao ianao, ka hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao, sy trano feno ny zava-tsoa rehetra izay tsy ianao no nameno azy, sy lavaka fanangonan-drano izay tsy nohadinao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, sy hazo oliva tsy nambolenao, ary hihinana ianao ka ho voky, dia tandremo sao hadinoinao i Jehovah.”—Deot. 6:10-12.

5. Nahoana no nolavin’i Jehovah ny Israelita, ary iza ilay firenena vaovao nankasitrahany?

5 Tsy nanaraka ny fampitandreman’i Jehovah anefa ny Israelita. Menatra mihitsy ny Levita sasany tamin’ny andron’i Nehemia, rehefa nahatsiaro izay nataon’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nipetraka tao amin’ny trano tsara tarehy izy ireo, ary nanana sakafo sy divay be dia be. “Nihinana izy ireo ka voky ary nihanatavy.” Nikomy tamin’Andriamanitra anefa izy ireo, ary namono ny mpaminany nampitandrina azy ireo. Natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny fahavalony àry ny Israelita. (Vakio ny Nehemia 9:25-27; Hosea 13:6-9) Mbola namono an’ilay Mesia nampanantenaina indray izy ireo tatỳ aoriana, rehefa lasa zanatany romanina ny Jiosy. Nolavin’i Jehovah tanteraka àry ny Israelita, ka firenena vaovao indray no nankasitrahany, dia ny Israely ara-panahy.—Mat. 21:43; Asa. 7:51, 52; Gal. 6:16.

“Tsy anisan’izao tontolo izao”

6, 7. a) Ahoana no hanazavanao ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 15:19? b) Nahoana no tsy tokony ho anisan’ity tontolo ity ny Kristianina, araka ny tenin’i Petera?

6 Efa hitantsika teo fa nilaza i Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana, hoe tsy anisan’ity tontolon’i Satana ity ny mpianany. Hoy koa izy, talohan’ny nahafatesany: “Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.”—Jaona 15:19.

7 Ary ahoana rehefa nitombo ny mpianatr’i Jesosy, ka nisy Kristianina tany amin’ny tany maro? Tokony hanaraka ny fanaon’ny manodidina azy ve izy ireo, ka ho lasa anisan’ity tontolo ity? Tsia. Tokony hiavaka foana izy ireo, na taiza na taiza nisy azy. Nanoratra ho an’ny Kristianina nanerana ny faritany romanina ny apostoly Petera, 30 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Hoy izy: “Ry malala, mananatra anareo vahiny sy mpivahiny aho mba hifadianareo hatrany ny fanirian’ny nofo. Izany faniriana izany indrindra no misakana anareo tsy hahazo ny fiainana. Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao.”—1 Pet. 1:1; 2:11, 12.

8. Inona no nolazain’ny mpahay tantara iray, ka manaporofo fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Kristianina voalohany?

8 Niaina toy ny “vahiny sy mpivahiny” ny Kristianina voalohany, na dia teo ambany fahefan’ny Romanina aza. Manamarina izany ny tenin’i Kenneth Latourette, mpahay tantara. Hoy izy: ‘Be mpahafantatra ny hoe niharan’ny fanenjehana mafy sy matetika ny Kristianina, nandritra ireo taonjato telo voalohany nisian’izy ireo. Niovaova ny fiampangana azy ireo. Noho izy ireo tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomban’ny mpanompo sampy, dia nolazaina hoe tsy mino an’Andriamanitra. Nisy koa nilaza hoe mpankahala olona izy ireo, satria tsy nanao ny fanaon’ny besinimaro, ohatra hoe ny fetin’ny mpanompo sampy, sy ny fialam-boly fanaon’ny olona. Hitan’ny Kristianina mantsy fa be zavatra nifandray tamin’ny finoan’ny mpanompo sampy, na feno fitondran-tena ratsy, ny fialam-bolin’ny olona.’

Tsy revo tanteraka amin’ity tontolo ity

9. Ahoana no ampisehoantsika fa tsy “mpankahala olona” ny tena Kristianina?

9 Ahoana ny amintsika ankehitriny? Tsy anisan’ity “tontolo ratsy” ity isika, toa an’ireo Kristianina voalohany. (Gal. 1:4) Maro ny olona tsy mahatakatra izany, ary misy aza tena tsy tia antsika mihitsy. Tsy “mpankahala olona” velively anefa isika. Tia olona isika, ka miezaka mafy mitory ny ‘vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra’ amin’ny olona tsirairay isan-trano. (Mat. 22:39; 24:14) Manao an’izany isika satria resy lahatra hoe tsy ho ela dia horinganin’ilay Fanjakana tarihin’i Kristy ny fitondran’olombelona, ka hosoloany tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana.—Dan. 2:44; 2 Pet. 3:13.

10, 11. a) Ahoana no ampiasantsika an’ity tontolo ity? b) Ahoana avy no hampisehoan’ny Kristianina fa malina izy ary tsy revo tanteraka amin’ity tontolo ity?

10 Efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ity, ka takatsika mpanompon’i Jehovah fa tsy izao no fotoana tokony hanatsarana fiainana. Arahintsika kosa ny tenin’i Paoly hoe: ‘Izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa kely sisa ny fotoana tavela. Manomboka izao, dia aoka izay mividy ho toy ny tsy manana, ary izay mampiasa an’izao tontolo izao, ho toy ireo tsy revo tanteraka aminy, fa miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.’ (1 Kor. 7:29-31) Mampiasa kely an’ity tontolo ity isika, ka mampiasa ny teknolojia sy fitaovana maoderina mba hampielezana ny hafatra ara-baiboly amin’ny fiteny an-jatony. Miasa sy mitady vola koa isika mba hivelomana, ary mividy an’izay zavatra ilaintsika eo amin’ny fiainana. Miezaka anefa isika mba tsy ho revo tanteraka amin’ity tontolo ity, ka tsy ny harena na ny asa no zava-dehibe indrindra amintsika.—Vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.

11 Tsy revo tanteraka amin’ity tontolo ity ny Kristianina malina, ka tsy mieritreritra hoe ilaina ny manao fianarana ambony. Maro no mihevitra fa tena ilaina ny fianarana ambony mba hahazoana toerana ambony sy vola be. Miaina toy ny mpivahiny anefa isika Kristianina, ka hafa ny tanjontsika. Tsy “mikatsaka zavatra lehibe” ho an’ny tenantsika isika. (Jer. 45:5; Rom. 12:16) Ankatoavintsika ity tenin’i Jesosy ity: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Ampirisihina àry ny tanora mba hanatratra tanjona ara-panahy. Tsara raha izay fianarana tena ilaina no hatao, dia izay ampy mba hahitana fivelomana. Ho afaka hanompo an’i Jehovah ‘amin’ny fo sy ny saina ary ny hery manontolo’ izy ireo amin’izay. (Lioka 10:27) ‘Hanan-karena eo imason’Andriamanitra’ koa izy ireo.—Lioka 12:21; vakio ny Matio 6:19-21.

Aza manahy be loatra momba ny fiainana

12, 13. Nahoana no manampy antsika tsy hitovy amin’ity tontolo ity ny fanarahana ny Matio 6:31-33?

12 Manahy be momba izay ilainy eo amin’ny fiainana na izay hahazoany vola sy harena ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tsy tokony ho toy izany kosa ny mpanompon’i Jehovah. Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Mat. 6:31-33) Hitan’ny mpanompon’i Jehovah maro fa nanome izay nilain’izy ireo foana ilay Rainy any an-danitra.

13 ‘Hahazoan-tombony be ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana.’ (1 Tim. 6:6) Mifanohitra tanteraka amin’ny fiheveran’ny olona eto amin’ity tontolo ity izany. Rehefa hanambady, ohatra, ny tanora dia maro no manantena hoe ho azony daholo izay rehetra tiany rehefa manam-bady izy. Manantena izy ireo hoe hahazo trano sy fanaka ary fitaovana elektronika isan-karazany na fitaovana maoderina nivoaka farany. Miaina toy ny mpivahiny anefa ny Kristianina, ka tokony hahay handanjalanja fa tsy hitady zavatra tafahoatra na tsy ho voavidiny mihitsy. Mendri-piderana ny Kristianina maro, satria nanapa-kevitra tsy hanana zavatra sasany mampiadana, mba hananana fotoana sy hery hanompoana bebe kokoa. Misy koa mirotsaka ho mpisava lalana, na manao ny asa misionera, mpiandraikitra mpitety faritany, na Betelita. Tena ankasitrahantsika ny fanompoana amin’ny fo manontolo ataon’ireny mpiara-manompo amintsika ireny.

14. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy?

14 Nanao fanoharana momba ny mpamafy i Jesosy, ary nilaza fa mety hangeja ny tenin’Andriamanitra ao am-pontsika ny “fanahiana eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena.” Hahatonga antsika tsy hamoa izany, izany hoe tsy hazoto hanompo. (Mat. 13:22) Tsy hanjo antsika anefa izany, raha mahay mianina isika ka miaina toy ny mpivahiny. Hanjary hanana maso “tsotra” foana kosa isika, izany hoe ‘hifantoka amin-javatra iray’, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io no hataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana.—Mat. 6:22, fanamarihana ambany pejy.

“Mandalo izao tontolo izao”

15. Inona no tenin’ny apostoly Jaona tokony hisy vokany eo amin’ny fomba fihevitsika sy ny fitondran-tenantsika?

15 Ny tena mahatonga antsika hiaina toy ny “vahiny sy mpivahiny” eto amin’ity tontolon’i Satana ity, dia satria miaiky isika fa efa hifarana ity tontolo ity. (1 Pet. 2:11; 2 Pet. 3:7) Tena matoky an’izany isika, ka ataontsika mifanaraka amin’izay daholo ny safidy ataontsika sy ny faniriantsika ary ny tanjontsika. Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Jaona mba tsy ho tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, satria “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:15-17.

16. Ahoana no ampisehoantsika fa firenena voatokana sy miavaka isika?

16 Nilaza i Jehovah fa ‘hofidiny avy amin’ny firenena rehetra’ ny Israelita raha mankatò, ary ho lasa ‘fananany manokana.’ (Eks. 19:5) Niavaka tokoa ny Israelita rehefa tsy nivadika. Tsy nitovy tamin’ny an’ny firenen-kafa ny fivavahany sy ny fomba fiainany. Nifidy antsika vahoakany koa i Jehovah ankehitriny ary miavaka amin’ity tontolon’i Satana ity isika. Mampirisika antsika àry ny Baiboly mba ‘handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao, ary mba hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity. Izany no ataontsika eo am-piandrasana an’ilay zavatra mahafaly antenaintsika sy ny fisehoana be voninahitr’ilay Andriamanitra lehibe sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika. Nanolotra ny tenany ho antsika izy, mba hanafahany antsika amin’ny karazana fandikan-dalàna rehetra, sy mba hanadiovany firenena iray ho azy manokana, dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.’ (Tit. 2:11-14) Tsy iza io “firenena” io, fa ny Kristianina voahosotra miaraka amin’ireo “ondry hafa” an-tapitrisany manohana azy.—Jaona 10:16.

17. Nahoana no tsy hanenina ny voahosotra sy ny ondry hafa hoe niaina toy ny mpivahiny izy teto amin’ity tontolo ity?

17 Ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra no “zavatra mahafaly” antenain’ny voahosotra. (Apok. 5:10) Ny hiaina mandrakizay eto an-tany kosa ny an’ny ondry hafa. Tsy ho mpivahiny eto amin’ity tontolo ity intsony ny ondry hafa amin’izay. Hanana trano tsara tarehy sy sakafo sy zava-pisotro be dia be izy ireo. (Sal. 37:10, 11; Isaia 25:6; 65:21, 22) Tsy ho sahala amin’ireo Israelita nanadino an’i Jehovah izy ireo, fa hahatsiaro foana hoe avy amin’ilay “Andriamanitry ny tany manontolo” ireo zava-tsoa rehetra azony. (Isaia 54:5) Tsy hanenina, amin’izay fotoana izay, na ny voahosotra na ny ondry hafa hoe niaina toy ny mpivahiny izy teto amin’ity tontolo ratsy ity.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ahitana fa niaina toy ny mpivahiny ireo mpanompon’i Jehovah fahiny?

• Ahoana no nampisehoan’ny Kristianina voalohany fa tsy anisan’ity tontolo ity izy ireo?

• Ahoana no ampisehoantsika fa na dia mampiasa an’ity tontolo ity aza isika, dia tsy revo tanteraka aminy?

• Nahoana no tsy hanenina mihitsy isika hoe miaina toy ny mpivahiny eto amin’ity tontolo ity?

[Fanotaniana]

[Sary, pejy 18]

Tsy nijery na nanao fialam-boly misy herisetra sy fitondran-tena maloto ny Kristianina voalohany