Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niaro ny Fivavahana Madio i Jeho

Niaro ny Fivavahana Madio i Jeho

Niaro ny Fivavahana Madio i Jeho

NAZOTO niaro ny fivavahana madio i Jeho. Navitrika, kinga, be fikirizana, ary be herim-po izy rehefa nanatontosa ny andraikiny. Nanana toetra tsara tokony hotahafintsika izy.

Ratsy ny toe-piainana nisy teo amin’ny firenen’Israely tamin’ny fotoana nanirahana an’i Jeho hanao asa manokana. I Jorama no nanjaka, ary nitaona ny olona hanao ratsy i Jezebela reniny, izay vady navelan’i Ahaba. Nampirisika ny olona hivavaka tamin’i Bala i Jezebela, ary namono ny mpaminanin’i Jehovah. ‘Nijangajanga’ sy ‘nilalao ody’ koa izy, ka nahatonga ny olona hanao ratsy. (2 Mpanj. 9:22; 1 Mpanj. 18:4, 13) Nilaza àry i Jehovah fa tsy maintsy ringanina ny ankohonan’i Ahaba rehetra, anisan’izany i Jorama sy Jezebela. I Jeho no nirahiny hanao izany.

Izao no voalaza voalohany momba ny tantaran’i Jeho ao amin’ny Soratra Masina: Niara-nipetrapetraka tamin’ireo lehiben’ny tafiky ny Israely izy. Tany an’ady izy ireo tamin’io, ary tao Ramota-gileada, niady tamin’ny Syrianina. Manamboninahitra tao amin’ny tafika i Jeho, ary angamba mpitari-tafika mihitsy. Tamin’io izy nipetrapetraka io no tonga ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany, izay nirahin’i Elisa. Nanosotra azy ho mpanjaka izy io, ary nandidy azy mba hamono ny lehilahy rehetra ao amin’ny ankohonan’i Ahaba.—2 Mpanj. 8:28; 9:1-10.

Nanontanian’ireo lehiben’ny tafika namany i Jeho hoe inona no anton-dian’ilay zanaky ny mpaminany. Somary niahotra kely i Jeho, nefa noteneniny ihany ny marina rehefa noporetin’ireo namany izy. Nanao tetika hanoherana an’i Jorama izy avy eo, ary nanampy azy ny namany. (2 Mpanj. 9:11-14) Azo inoana fa efa tezitra tamin’ny fitondrana sy tamin’ny nataon’i Jezebela ny miaramila tamin’izay, sady efa te hanohitra. Na izany na tsy izany anefa, dia nitady ny fomba tsara indrindra hanatanterahana ny iraka nampanaovina azy i Jeho.

Naratra tany an’ady i Jorama Mpanjaka tamin’izay, ary nankany Jezirela. Nieritreritra hijanona tany izy mandra-pahasitrany. Raha tian’i Jeho hahomby àry ny tetiny, dia tsy tokony ho re any Jezirela izay zavatra hataony. Hoy izy: “Aza avela hisy olona hiala avy eto an-tanàna, mba hanao tatitra any Jezirela.” (2 Mpanj. 9:14, 15) Tsy tian’i Jeho hahita hirika hanoherana azy, ireo miaramila tsy nivadika tamin’i Jorama.

NIRIOTRA MAFY I JEHO NITONDRA KALESY

Te hanampoka ny fahavalony i Jeho, ka nandeha haingana nankany Jezirela, izay 72 kilaometatra avy eo Ramota-gileada. Nandeha mafy be tamin’ny kalesiny izy. Tazan’ny mpitily teny ambony tilikambo izy rehefa nihananatona an’i Jezirela. Tazan’ilay mpitily koa ireo “andian’olona niaraka taminy.” (2 Mpanj. 9:17) Azo inoana fa miaramila be dia be ireo nentin’i Jeho ireo, mba ho azony antoka fa ho tanteraka ny fikasany.

Fantapantatr’ilay mpitily io lehilahy be herim-po io, ka hoy izy: “Miriotra mafy hoatran’ny adala izy.” (2 Mpanj. 9:20) Raha efa mpandeha mafy i Jeho tamin’ny andavanandro, dia azo antoka fa mbola niriotra mafy kokoa noho izany izy tamin’io.

Nisy iraka roa nalefa hanontany an’i Jeho nefa tsy namaly izy. Nandeha nitsena an’i Jeho àry i Jorama. Nentiny koa i Ahazia, mpanjakan’ny Joda, ary samy nitondra ny kalesiny avy izy ireo. Nanontanian’i Jorama i Jeho, rehefa tafahaona izy ireo hoe: “Fihavanana ve, ry Jeho?” Namaly i Jeho hoe: “Ahoana no hisian’ny fihavanana raha mbola mijangajanga sy fatra-pilalao ody i Jezebela reninao?” Natahotra i Jorama, ka nandositra. Nahery nandeha be anefa i Jeho, ka tratra izy! Notifirin’i Jeho tamin’ny tsipìka izy ka voa teo amin’ny fony. Nianjera tao amin’ny kalesiny ilay mpanjaka, ka maty. Tafatsoaka i Ahazia nefa tratran’i Jeho, ary nasainy novonoina.—2 Mpanj. 9:22-24, 27.

Nanohy ny diany nankany Jezirela i Jeho avy eo, mba hamono an’i Jezebela. Nantsoin’i Jeho hoe “voahozona” izy io. Hitany nitsirika teny am-baravarankelin’ny lapa io mpanjakavavy ratsy fanahy io, ka nandidy an’ireo tandapa izy mba hanjera azy. Nazeran’izy ireo tokoa io vehivavy nanimba ny Israely manontolo io, ary nohitsakitsahin’i Jeho tamin’ireo soavaly nentiny. Nisy olona maro anisan’ny ankohonan’i Ahaba koa novonoin’i Jeho taorian’izay.—2 Mpanj. 9:30-34; 10:1-14.

Marina fa tsy mahafinaritra ny mandre vonoan’olona. Tokony hotadidintsika anefa fa nampiasa ny mpanompony i Jehovah tamin’izany, mba hanatanteraka ny didim-pitsarany. Hoy ny Baiboly: ‘Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazia, noho izy nankany amin’i Jorama. Rehefa tonga tany izy, dia niara-nivoaka tamin’i Jorama mba hankeny amin’i Jeho zafikelin’i Nimsy izay nohosoran’i Jehovah mba handringana ny ankohonan’i Ahaba.’ (2 Tan. 22:7) Avy amin’i Jehovah koa ny fahafatesan’i Jorama. Nilaza izany i Jeho, tamin’izy nanome baiko hoe esorina tao anaty kalesy ny fatin’i Jorama ary hatsipy tao amin’ny sombin-tanin’i Nabota. Takany fa sazy vokatry ny namonoan’i Ahaba an’i Nabota ilay izy. Nahazo baiko ihany koa i Jeho mba ‘hamaly ny ran’ireo mpanompon’i Jehovah’, novonoin’i Jezebela.—2 Mpanj. 9:7, 25, 26; 1 Mpanj. 21:17-19.

Tsy miady amin’ny fahavalon’ny fivavahana madio ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Milaza Andriamanitra hoe: “Ahy ny famaliana.” (Heb. 10:30) Tokony ho be herim-po toa an’i Jeho anefa ny anti-panahy, rehefa misy olona mitady hitaona ny hafa hanao ratsy. (1 Kor. 5:9-13) Tokony ho tapa-kevitra koa ny Kristianina rehetra mba tsy hifanerasera amin’ny voaroaka.—2 Jaona 9-11.

TSY NILEFITRA TAMIN’NY FANDRAFIANA AN’I JEHOVAH I JEHO

Hita tamin’ny tenin’i Jeho tamin’i Jonadaba hoe nahoana izy no nanao ny iraka nampanaovin’i Jehovah azy. Hoy izy: “Andao hiaraka amiko, ary jereo fa tsy leferiko mihitsy ny fandrafiana an’i Jehovah.” Nanaiky hanaraka azy i Jonadaba, ka niakatra tao amin’ny kalesin’i Jeho izy, ary nankany Samaria izy ireo. Nampiasa hafetsena i Jeho rehefa tonga tany, ‘mba handringanana ny mpivavaka tamin’i Bala.’—2 Mpanj. 10:15-17, 19.

Nampandre ny olona i Jeho fa hanao “sorona lehibe” ho an’i Bala. (2 Mpanj. 10:18, 19) Hoy ny manam-pahaizana iray: “Tena mety ilay kilalaon-teny nampiasain’i Jeho tamin’io. Marina fa adika matetika hoe ‘sorona’ ilay teny hebreo nampiasainy teo, kanefa nampiasaina koa izy io mba hilazana ‘famonoana’ mpivadi-pinoana ‘be dia be.’ ” Tian’i Jeho ho tonga tamin’ilay sorona ny mpivavaka tamin’i Bala rehetra, ka novoriny tao an-tranon’i Bala izy ireo sady nasainy nanao akanjo miavaka. Nasainy nandringana an’ireo mpivavaka tamin’i Bala ny miaramila 80 mitam-piadiana, raha vao vita ilay “fanatitra dorana.” Nasainy noravana sy natao kabine koa ny tranon’i Bala, ka tsy azo nivavahana intsony.—2 Mpanj. 10:20-27.

Marina fa nandatsa-dra be i Jeho. Resahin’ny Soratra Masina anefa fa nanafaka ny Israely tamin’ny fampahorian’i Jezebela sy ny fianakaviany io lehilahy be herim-po io. Tsy ho nahavita izany ny mpitarika teo amin’ny Israely, raha tsy nanana herim-po sy fikirizana ary zotom-po. Hoy ny diksionera ara-baiboly iray: “Tena sarotra ilay asa, nefa notanterahina an-tsakany sy an-davany. Azo inoana fa tsy ho foana ny fivavahana tamin’i Bala, teo amin’ny Israely, raha nalefadefaka ny fepetra noraisina.”

Mila manana ny toetra sasany nananan’i Jeho isika Kristianina, mba hiatrehana olana. Ahoana, ohatra, no hataonao raha misy fakam-panahy mahazo anao, ka te hanao ny zavatra raran’i Jehovah ianao? Tokony hanao zavatra haingana ianao, ho be herim-po, ary hanohitra mafy an’ilay izy. Tsy milefitra mihitsy isika, na iza na iza mandrafy an’i Jehovah, ary na inona na inona mitarika antsika hanao izany.

ARAHO TSARA NY LALÀN’I JEHOVAH

Tena tokony ho fantatsika ny niafaran’i Jeho. Hoy ny 2 Mpanjaka 10:29: ‘Tsy mba nialany ny fivavahana tamin’ilay zanak’omby volamena tany Betela sy ilay tany Dana.’ Ahoana no nahatonga an’i Jeho ho nilefitra tamin’ny fanompoan-tsampy, nefa tena nazoto niaro ny fivavahana madio izy?

Nihevitra angamba i Jeho hoe raha tian’izy ireo ny hahaleo tena foana fa tsy ho eo ambany fahefan’ny firenen’ny Joda, dia tokony hatao samy hafa ny fivavahana narahina tany Joda sy tany Israely. Navelany hitohy àry ny fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena mba hiarovana ny fahaleovan-tenan’izy ireo, toy ny nataon’ireo mpanjakan’ny Israely teo alohany ihany. Hita tamin’izany fa tsy natoky an’i Jehovah izy, dia ilay nanao azy ho mpanjaka.

Nidera an’i Jeho i Jehovah, noho izy ‘nanao izay mahitsy teo imasony.’ Niova anefa i Jeho, ka ‘tsy nanaraka tsara ny lalàn’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo.’ (2 Mpanj. 10:30, 31) Mety ho gaga na halahelo isika mandre izany, rehefa eritreretintsika ny zava-drehetra efa nataon’i Jeho. Andraisantsika lesona anefa izany. Hitantsika avy amin’izany hoe tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mianatra ny Teniny isika isan’andro, mba hanampy antsika tsy hivadika aminy. Mila misaintsaina izay ianarantsika koa isika, ary mivavaka amin’ny fo. Aoka àry isika hiezaka mafy hanaraka tsara foana ny lalàn’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo.—1 Kor. 10:12.

[Efajoro, pejy 4]

Olona Tena Nisy ve i Jeho?

Matetika no tsy tena mino ireo mpanao tsikera hoe tena nisy ireo olona resahin’ny Baiboly. Ahoana ny amin’i Jeho? Misy porofo ankoatra ny Baiboly ve mampiseho fa tena nisy izy?

Misy zavatra telo, fara fahakeliny, ahitana ny anaran’io mpanjakan’ny Israely io. Tany Asyria fahiny no nahitana azy ireo. Misy sarin’olona mandoa hetra, miankohoka eo anoloan’ny mpanjaka asyrianina ny iray amin’izy ireo. I Salmanesera III io mpanjaka io, ary mety ho i Jeho na ny solontenany ilay olona miankohoka. Misy soratra toy izao miaraka amin’ilay sary: ‘Ireto ny hetra naloan’i Jeho (Ia-o-a), zanak’i Omry (Ho-om-ri): Volafotsy, volamena, vilia baolina volamena iray, vazy volamena iray matsokotsokovody, kaopy volamena maromaro, siny volamena maromaro, firapotsy, tehina iray ho an’ny mpanjaka, ary zavatra vita amin’ny hazo.’ Tsy tena hoe “zanak’i Omry” i Jeho. Nampiasaina mba hilazana an’ireo mpanjakan’ny Israely nandimby an’i Omry ilay teny hoe “zanak’i Omry”, angamba satria nalaza i Omry ary izy no nanorina an’i Samaria, renivohitr’i Israely.

Tsy azo antoka raha tena nanome an’ireo zavatra resahin’ny mpanjaka asyrianina ireo i Jeho. Misy tenin’io mpanjaka io koa anefa amin’ny tsangambato iray, sy amin’ny sarivongan’i Salmanesera, ary amin’ny tantaran’ny fanjakana asyrianina. Samy misy ny anaran’i Jeho ireo zavatra telo ireo. Tsy isalasalana àry fa tena nisy io olona resahin’ny Baiboly io.