Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy ho Kilemaina Mandrakizay Aho!’

‘Tsy ho Kilemaina Mandrakizay Aho!’

‘Tsy ho Kilemaina Mandrakizay Aho!’

Notantarain’i Sara Van Der Monde

Miteny amiko ny olona matetika hoe: “Mahafinaritra ny mahita anao mitsikitsiky. Fa nahoana ianao no falifaly be foana?” Dia mamaly aho hoe manana fanantenana tena miavaka aho. “Kilemaina aho izao, nefa tsy hoe ho kilemaina mandrakizay!”

TERAKA tamin’ny 1974, tao Paris, any Frantsa aho. Nisy fahasarotany teo amin’ny fiterahana ahy, ka lasa voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha aho. Zara raha afa-nihetsika ny tanako sy ny tongotro, ary tsy mora azo ny teniko. Nanjary voan’ny androbe aho tatỳ aoriana, ary mora andairan’aretina.

Nifindra tany Melbourne, any Aostralia izahay tamin’izaho roa taona. Nandao anay anefa i Dada, roa taona taorian’izay. Tamin’izay aho no nanomboka nahatsiaro hoe akaiky an’Andriamanitra. Vavolombelon’i Jehovah i Neny, ka nentiny nivory foana aho. Nianarako tany fa tia ahy sy miahy ahy i Jehovah. Nanampy ahy tsy hanana ahiahy izany, na dia niova aza ny fiainanay. I Neny koa moa tia ahy sy nampahery ahy.

Nampianarin’i Neny hivavaka tamin’i Jehovah koa aho. Mora kokoa amiko ny mivavaka noho ny miresaka, satria tsy misahirana manonona teny aho rehefa mivavaka, nefa reko tsara ao an-tsaiko ao izay lazaiko. Sarotra azo ny teniko, ka mampahery ahy ny mahalala hoe mahazo izay rehetra tiako hambara i Jehovah, na teneniko ao an-tsaina ilay vavaka, na lazaiko amin’ny fiteniko miakanakana.—Sal. 65:2.

Nahavita niatrika olana

Nihombo ilay aretin-kozatra rehefa dimy taona aho, ka nanao kiraro manokana aho sady nasiana vy ny andaniny roa amin’ny tongotro, mba hanampy ahy handeha. Navesatra anefa ireo zavatra ireo, ka nivilambilana be aho rehefa namindra. Tsy afa-nandeha intsony aho tamin’izaho 11 taona. Nampiasa fitaovana elektrika aho tatỳ aoriana, mba hampakatra sy hampidina ahy avy eo am-pandriana, mankeo amin’ny seza mikorisa. Misy maotera io seza io, ka izaho ihany no mitondra azy.

Kivy ihany aho indraindray, nefa tadidìko ny teny filamatray sy Neny hoe: “Aza mieritreritra be an’izay zavatra tsy ho vitanao. Izay vitanao ihany atao!” Nahavita nitaingina soavaly aho, noho izany. Nahavita nitondra sambolay koa aho, nitondra lakana, nandeha nilasy, ary nitondra fiara teny amin’ny lalana tsy be mpandeha. Asehoko amin’ny asa tanako koa ny fitiavako zavakanto. Manao hoso-doko aho, manamboatra zavatra vita amin’ny karazana bakoly, manjaitra zavatra isan-karazany, ohatra hoe manao lambam-pandriana sy peta-kofehy.

Nisy olona nieritreritra hoe tsy afaka misaina tsara aho noho ny aretiko, ka tsy hahavita hanompo an’i Jehovah. Nisy mpampianatra anay tamin’izaho 18 taona, ohatra, nilaza fa tokony hiala ao an-tranonay aho ary hiala amin’ny fivavahan-dreniko. Vonona hanampy ahy hitady trano mihitsy aza izy. Nolazaiko anefa izy fa tsy hiala amin’ny fivavahako mihitsy aho, ary rehefa mahaleo tena kokoa aho vao hiala ao an-trano.

Natao batisa aho tsy ela taorian’izay, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nifindra tao amin’ny trano kely iray aho roa taona tatỳ aoriana, ary faly aho mipetraka ao satria mahaleo tena kokoa, sady mahazo ny fanampiana ilaiko.

Fangatahana tsy nampoizina

Niatrika fitsapana hafa koa aho. Taitra be aho, indray andro, fa nangataka ahy ho vadiny ny mpiara-mianatra tamiko iray, izay kilemaina koa. Tena faly aho satria mba te hanambady toy ny ankamaroan’ny ankizivavy. Tsy hoe rehefa samy kilemaina anefa no mivady dia hoe ho sambatra ny fanambadiany. Sady tsy Vavolombelon’i Jehovah koa ilay ankizilahy! Samy hafa be ny zavatra inoanay sy ataonay ary ny tanjonay, ka ahoana no hahafahanay hiaraka? Tapa-kevitra aho fa hankatò ny didin’i Jehovah hoe manambady ao amin’ny Tompo ihany. (1 Kor. 7:39) Noresahiko tamin-katsaram-panahy àry ilay ankizilahy hoe tsy hanambady azy aho.

Tsy anenenako mihitsy iny safidy nataoko iny. Azoko antoka fa ho sambatra aho ao amin’ny tontolo vaovao. (Sal. 145:16; 2 Pet. 3:13) Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah aho mandra-pahatongan’izany, ary hiezaka ho afa-po amin’ny fiainako.

Efa tsy andriko ilay fotoana hitsambikinako avy eto amin’ity seza mikorisa ity, ka hihazakazaka mafy be aho hirifatra toy ny tadio! Hikiakiaka aho amin’izay hoe: “Kilemaina aho taloha, fa sitrana aho izao, ary ho sitrana mandrakizay!”