Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Faly Foana na Marary Aza

Miezaha ho Faly Foana na Marary Aza

Miezaha ho Faly Foana na Marary Aza

VAO mifoha angamba ianao ny maraina, dia efa miferinaina be. Efa fantatrao mantsy fa hanaintaina indray ianao na ho kivy. Mety hiteny toa an’i Joba mihitsy aza ianao hoe ‘aleonao maty’ toy izay hijaly be. (Joba 7:15) Ahoana anefa raha efa an-taonany maro ianao no narary na kivy?

Izany no nanjo an’i Mefiboseta, zanak’i Jonatana naman’i Davida Mpanjaka. “Nianjera” i Mefiboseta tamin’izy dimy taona, “ka lasa nalemy tongotra.” (2 Sam. 4:4) Azo antoka fa nijaly izy. Tsy vitan’izay fa mbola nendrikendrehina izy tatỳ aoriana hoe namadika ny mpanjaka. Nomena olona koa ny fananany avy eo. Nahavita nizaka an’ireo anefa izy, ka modely ho antsika. Tsy nalahelo be izy na dia kilemaina sy nendrikendrehina ary diso fanantenana aza.—2 Sam. 9:6-10; 16:1-4; 19:24-30.

Nijaly koa ny apostoly Paoly. Nilaza izy hoe nisy ‘tsilo tao amin’ny nofony’, ary tsy maintsy nozakainy ilay izy. (2 Kor. 12:7) Inona ilay “tsilo”? Angamba takaitra nahazo azy, na ireo olona tsy nanaiky hoe apostoly izy. Tsy nety afaka io tsilo io, ka tsy maintsy niaretany teny foana.—2 Kor. 12:9, 10.

Misy mpanompon’Andriamanitra mijaly koa amin’izao, satria manana aretina mitaiza na kivy be foana. Voan’ny aretina atao hoe lupus, ohatra, ny anabavy iray antsoina hoe Magdalena, nanomboka tamin’izy 18 taona. Mampalahelo fa ny hery fanefitra ao amin’ny vatany indray no manimba tsikelikely ny taova ao anatiny. Hoy izy: “Natahotra be aho. Vao mainka aho narary tatỳ aoriana, sady lasa tsy nahalevon-kanina no narary tenda. Nisy fery koa tao amin’ny vavako.” Ny anabavy iray atao hoe Izabela kosa tsy tonga dia hita be hoe marary. Hoy izy: “Kivy be foana aho hatramin’ny mbola kely, ary aretina ilay izy. Lasa mitebiteby be aho, dia sempotra, dia marary kibo. Vizana be aho avy eo.”

Amboary ny sainao na dia tsy mora aza izany

Kivy ianao rehefa marary. Inona no tsara hatao amin’izay? Diniho amin’ny saina tsy miangatra ilay mahazo anao, ary amboary ny sainao avy eo. Mila atao izany na dia tsy mora aza. Hoy i Magdalena: “Miharatsy foana ny fahasalamako. Matetika aho no tsy tafarina eo am-pandriana fa vizana be. Indraindray mba misy zavatra eritreretiko hatao nefa amin’iny mihitsy no mihetsika tampoka ny aretiko, dia tsy afaka manao an’ilay izy indray aho. Fa ny tena tsy tiako, dia izaho tsy afaka manompo firy intsony.”

Hoy i Zbigniew: “Marary vanin-taolana aho, dia mihareraka foana. Mihapotika tsikelikely ny vanin-taolako. Na zavatra tsotra kely aza tsy vitako rehefa manaintaina be ilay izy. Tena kivy mihitsy aho.”

Efa aman-taonany kosa ny anabavy iray atao hoe Barbara no voan’ny kanseran’ny atidoha. Hoy izy: “Tsy hoatran’ny taloha intsony aho, satria reraka be foana. Marary foana koa ny andohako sady tsy mahavita mifantoka aho. Tsy maintsy nandinika àry aho hoe ahoana no hitondrako ny fiainako.”

Miantehitra tanteraka amin’i Jehovah anefa ireo olona rehetra ireo, ka karakarainy. (Ohab. 3:5, 6) Manompo an’i Jehovah sy manao ny sitrapony mantsy izy ireo, ary tena zava-dehibe amin’izy ireo izany.

Manampy anao i Jehovah

Aza mieritreritra hoe tsy tian’i Jehovah ianao matoa marary. (Fitom. 3:33) I Joba aza mantsy olona ‘tsy nanan-tsiny, sady marina’, nefa nijaly be. (Joba 1:8) Tsy fitsapana avy amin’Andriamanitra ny zava-dratsy manjo antsika. (Jak. 1:13) Nolovantsika avy tamin’i Adama sy Eva ny aretina rehetra, na aretina mitaiza io na hakiviana.—Rom. 5:12.

Ampian’i Jehovah sy Jesosy foana anefa ny olo-marina. (Sal. 34:15) Tena tsapantsika hoe ‘fialofana sy fiarovana mafy’ ho antsika Andriamanitra, indrindra rehefa mafy ny mahazo antsika. (Sal. 91:2) Inona àry no hanampy anao ho falifaly foana, na dia toa tsy mety sitrana aza ianao?

Vavaka: Manaova toa an’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, ka resaho amin’ilay Rainao any an-danitra izay manavesatra anao. (Sal. 55:22) ‘Hiambina ny fonao sy ny sainao ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.’ (Fil. 4:6, 7) Nivavaka tamin’i Jehovah i Magdalena, ka nahavita nizaka ny aretiny. Hoy izy: “Maivamaivana sy falifaly aho rehefa avy milaza ny ao am-poko amin’i Jehovah. Hitako izao hoe tena ilaina ny miantehitra amin’i Jehovah isan’andro.”—2 Kor. 1:3, 4.

Mamaly vavaka i Jehovah. Mampahery anao amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny Teniny ary ny mpiara-manompo izy. Marina fa tsy hanao fahagagana hanasitranana anao i Jehovah, nefa afaka manome fahendrena sy “hery fanampiny” anao, ka ho zakanao izay mahazo anao.—Ohab. 2:7; 2 Kor. 4:7.

Fianakaviana: Hahavita hiaritra ianao, raha tsara fanahy ny fianakavianao sady tena tia anao. Tadidio anefa fa tsy mora amin-dry zareo koa ilay ianao marary. Tsy afa-manoatra toa anao koa izy ireo. Manohana anao foana anefa ry zareo, na dia amin’ny fotoana tena sarotra aza. Tsara raha miara-mivavaka ianareo, satria mampitony izany.—Ohab. 14:30.

Hoy i Barbara: “Ampian’ny zanako sy ny tanora hafa aho rehefa manompo. Mazoto be ry zareo ka tena mampahery ahy.” Tena faly koa i Zbigniew satria ampian’ny vadiny. Hoy izy: “Ny vadiko no manao ny ankamaroan’ny raharaha ao an-trano, sady izy koa no mampiakanjo ahy. Mbola izy koa matetika no mitondra ny kitapoko rehefa hivory na hanompo izahay.”

Mpiara-manompo: Mampahery sy mampionona antsika ny mpiara-manompo rehefa miaraka aminy isika. Ahoana anefa raha tsy afaka mivory ianao? Hoy i Magdalena: “Raisin’izy ireo feo ny fivoriana, dia iny no henoiko avy eo. Miantso ahy matetika koa ry zareo, dia manontany hoe sao dia misy zavatra ilaiko. Andefasany taratasy mampahery koa aho. Lasa tsy mafy be amiko ny aretiko, rehefa mba misy olona mahatsiaro ahy sy te hanampy ahy.”

Hoy i Izabela, ilay anabavy tratran’ny fahakiviana: “Hoatran’ny hoe fianakaviako mihitsy ny olona any am-pivoriana, satria mihaino sy mangoraka ahy. Manana ‘Dada’ sy ‘Neny’ be dia be aho any. Milamin-tsaina sy faly aho miaraka amin-dry zareo.”

Tsy tokony ‘hitokantokana’ ianao, na inona na inona fitsapana mahazo anao. Tena mila miaraka amin’ny fiangonana kosa ianao. (Ohab. 18:1) Hampahery azy ireo ianao amin’izay. Menatra angamba ianao amin’ny voalohany hiresaka hoe mila an-dry zareo. Fantaro anefa fa aleony aza ianao mitsotra aminy. Afaka manampy anao izy ireo amin’izay, ka hampiseho “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.” (1 Pet. 1:22) Mila alaina ve, ohatra, ianao rehefa hivory? Mila namana ve ianao hiara-manompo aminao, na mila olona hiresahana? Aza misalasala miteny amin’izy ireo àry. Aza sarotiny anefa rehefa ampiany, fa ankasitraho kosa izay ataony.

Mifantoka amin’izay zavatra mampahery: Tianao ve raha mba falifaly foana ianao, na dia manana aretina mitaiza aza? Miankina aminao ihany ilay izy. Raha tsy miezaka ny ho falifaly mihitsy ianao fa kivy foana, dia tsy hahita afa-tsy izay zavatra mampalahelo eo amin’ny fiainanao. Hoy ny Ohabolana 18:14: “Zakan’ny olona ihany izay aretina mahazo azy, fa iza kosa no mahazaka fahakiviana?”

Hoy i Magdalena: “Miezaka aho tsy hieritreritra be ny olana mahazo ahy. Manao zavatra mahafinaritra aho rehefa mba salamalama. Mampahery ahy ny mamaky tantaran’olona manana aretina mitaiza nefa tsy mivadika amin’i Jehovah.” I Izabela kosa miezaka mitadidy hoe sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoany, ary tena tian’i Jehovah izy. Hoy i Izabela: “Lasa tsapako hoe ilain’i Jehovah aho. Mbola te ho velona aho satria mbola misy tia ahy. Manantena koa aho fa ho lasa tsara be ny fiainana any aoriana any.”

Hoy i Zbigniew: “Lasa mahay manetry tena sy mankatò aho hatramin’izay naharariako izay. Lasa mahay mandinika sy manapa-kevitra koa aho sady tsy mitana lolompo. Miezaka tsy hitsetra tena aho, fa ataoko izay hahafaly ahy rehefa manompo. Vao mainka aza aho te hanatsara ny fanompoako an’i Jehovah.”

Tsarovy fa tena hitan’i Jehovah hoe miaritra ianao. Mangoraka sy mikarakara anao izy. Tsy ‘hanadino izay nataonao, sy ny fitiavana nasehonao ho an’ny anarany’ izy. (Heb. 6:10) Tadidio koa fa raha matahotra an’i Jehovah ianao, dia “tsy handao anao mihitsy” izy, ary “tsy hahafoy anao velively.”—Heb. 13:5.

Raha sendra kivikivy ianao, dia eritrereto ilay fiainana mahafinaritra miandry anao ao amin’ny tontolo vaovao. Efa kely sisa dia hahita an’ireo zava-tsoa hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ianao!

[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]

Mitory Foana Izy Ireo na Marary Aza

“Tsy afaka mandeha irery intsony aho, dia ny vadiko na ny rahalahy sy anabavy no miaraka amiko eny amin’ny fanompoana. Iezahako tadidina izay andinin-teny sy zavatra horesahiko eny.”—Jerzy, tsy dia mahita tsara.

“Sady mitory an-telefaonina aho no mitory an-taratasy. Efa misy olona vitsivitsy mifanoratra amiko foana aza. Asiako Baiboly sy bokintsika koa eo an-doham-pandrianako, rehefa any amin’ny hopitaly aho. Afaka mitory aho amin’izay, ary efa be dia be ny olona nihaino tsara ahy.”—Magdalena, voan’ny “lupus.”

“Tia mitory isan-trano aho, fa mitory an-telefaonina koa aho rehefa tsy mahavita mivoaka ny trano.”—Izabela, tratran’ny fahakiviana.

“Tia manao fiverenana mitsidika sy miara-mampianatra Baiboly amin’ny olona aho. Mandeha mitory isan-trano koa aho, rehefa tsaratsara.”—Barbara, voan’ny kanseran’ny atidoha.

“Kitapo kely no entiko manompo, dia gazety fotsiny no ataoko ao. Rehefa manaintaina be aho vao mody.”—Zbigniew, marary vanin-taolana.

[Sary, pejy 30]

Samy afaka mampahery ny marary daholo, na ankizy na olon-dehibe