Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hanaiky ny Tari-dalan’ny Fanahy Masina?

Nahoana Isika no Tokony Hanaiky ny Tari-dalan’ny Fanahy Masina?

Nahoana Isika no Tokony Hanaiky ny Tari-dalan’ny Fanahy Masina?

“Ianao no Andriamanitro. Tsara ny fanahinao, ka enga anie izy io hitarika ahy.”—SAL. 143:10.

1. Olona manao ahoana no tianao hitari-dalana anao, raha ho any amin’ny toerana mbola tsy nalehanao ianao?

AHOANA raha ho any amin’ny toerana lavitra mbola tsy nalehanao ianao, ary vonona hanampy anao ny olona iray atokisanao? Tsy vitan’izany fa efa tany amin’ilay toerana izy, sady fantany tsara ny lalana mankany. Azo antoka fa tsy ho very ianao, raha manaraka tsara ny tari-dalana omeny.

2, 3. a) Inona ilay hery lehibe nampiasain’i Jehovah taloha ela be? b) Inona no mampiseho fa tena ilaintsika eo amin’ny fiainana ny fanahy masina?

2 Misy hery tsy hita maso koa afaka mitari-dalana antsika, ary tena ilaintsika ny tari-dalan’izy io. Inona io hery io? Ilay hery voaresaka ao amin’ireo andininy voalohandohany ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao fa rehefa “namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra” taloha ela be, dia ‘nivezivezy teny ambonin’ny rano ny hery ampiasainy.’ (Gen. 1:1, 2) Ny fanahy masina io hery io. Nampiasa azy io i Jehovah mba hamoronana ny zava-drehetra, anisan’izany isika.—Joba 33:4; Sal. 104:30.

3 Tena ilaintsika eo amin’ny fiainana ve anefa ny fanahy masina? Izany tokoa, satria hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: ‘Hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra ny fanahy.’ (Jaona 16:13) Inona àry ny fanahy masina, ary nahoana isika no tokony hanaiky ny tari-dalan’izy io?

Inona ny fanahy masina?

4, 5. a) Ahoana no fiheveran’ny olona sasany ny fanahy masina? b) Inona marina ny fanahy masina?

4 Mino Andriamanitra telo izay iray ny olona sasany, hitantsika eny amin’ny fanompoana. Mihevitra izy ireo fa Andriamanitra koa ny fanahy masina, mitovy amin’ny Andriamanitra Ray ihany. (1 Kor. 8:6) Misy koa mpandika Baiboly mihevitra toy izany, ka nataony sora-baventy ny teny hoe fanahy masina ao amin’ny Baiboly. Mora anefa ny manaporofo hoe tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny hoe Andriamanitra ny fanahy masina.

5 Inona àry ny fanahy masina? Avy amin’ny teny hebreo hoe roah ny teny hoe fanahy. Araka ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Genesisy 1:2, dia azo adika hoe hery io teny hebreo io. Azo adika koa hoe rivotra anefa izy io. (Gen. 3:8; 8:1) Toy ny rivotra àry ny fanahy masina, ary manan-kery izy io na dia tsy hita maso aza. Hery avy amin’Andriamanitra izy io, ary ampiasainy amin’ny olona na zavatra mba hanatanterahana ny sitrapony. Sarotra inoana ve ny hoe avy amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra io hery lehibe io? Tsy izany mihitsy!—Vakio ny Isaia 40:12, 13.

6. Inona no fiangaviana nataon’i Davida tamin’i Jehovah?

6 Afaka mampiasa ny fanahiny ve i Jehovah mba hitari-dalana antsika? Izany tokoa. Nampanantena an’i Davida izy hoe: “Hataoko izay hahatonga anao ho malina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao.” (Sal. 32:8) Naniry hahazo an’izany tari-dalana izany i Davida, matoa niangavy an’i Jehovah hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho, fa ianao no Andriamanitro. Tsara ny fanahinao, ka enga anie izy io hitarika ahy!” (Sal. 143:10) Tokony haniry hotarihin’ny fanahy masina koa isika, sady tokony ho vonona hanaraka ny tari-dalan’izy io. Nahoana? Handinika antony efatra isika.

Tsy mahay mitondra samirery ny fiainantsika isika

7, 8. a) Nahoana isika no tsy mahay mitondra samirery ny fiainantsika? b) Hazavao amin’ny ohatra hoe nahoana isika no mila tari-dalana mba hahafahantsika mamakivaky an’ity tontolo ity.

7 Voalohany, tokony hanaiky hotarihin’ny fanahy masina isika, satria tsy haintsika ny mitarika samirery ny diantsika. Ny hoe “mitarika” dia midika hoe “manoro ny lalana tokony haleha.” Tsy noforonin’i Jehovah hahay hifidy samirery izay lalana tokony haleha anefa isika, sady isika rahateo tsy lavorary. Hoy i Jeremia mpaminany: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.” (Jer. 10:23) Fa nahoana tokoa isika no tsy natao hitondra samirery ny fiainantsika? Nohazavain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia ny antony. Hoy izy: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny aminy?”—Jer. 17:9; Mat. 15:19.

8 Eritrereto hoe misy olona handeha hanavatsava ala mampidi-doza mbola tsy nalehany, nefa tsy hitondra olona hitari-dalana azy izy. Tsy hadalana ve izany? Mety ho faty any izy, satria tsy hainy ny fomba hiatrehana ny olana mety hitranga any, sady tsy hainy hoe aiza ny lalana tsy mampidi-doza. Toy izany koa fa mety hahita loza ny olona iray, raha mihevitra hoe mahavita mamakivaky samirery an’ity tontolo ratsy ity izy, fa tsy mila ny tari-dalan’Andriamanitra. Tsy ho tafavoaka velona amin’ity tontolo ity isika, raha tsy mitalaho amin’i Jehovah toa an’i Davida hoe: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô, ampianaro ahy ny lalanao.” (Sal. 25:4; 23:3) Ahoana àry no hahazoantsika ny tari-dalan’i Jehovah?

9. Ahoana no hanampian’ny fanahy masina antsika? (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 17.)

9 Hanome antsika ny fanahiny i Jehovah mba hitari-dalana antsika, raha manetry tena sy vonona hiantehitra aminy isika. Ahoana anefa no hanampian’ny fanahy masina antsika? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:26) Rehefa mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra isika, anisan’izany ireo zavatra nampianarin’i Kristy, sady mivavaka isika rehefa manao izany, dia hanampy antsika ny fanahy masina mba hahatakatra ny fahendren’Andriamanitra. Ho afaka hanao ny sitrapon’i Jehovah isika amin’izay. (1 Kor. 2:10) Manoro antsika izay tokony hatao koa ny fanahy masina, rehefa misy zava-mitranga tsy ampoizina eo amin’ny fiainantsika. Ampahatsiahiviny antsika ny toro lalan’ny Baiboly efa nianarantsika, ary ampiany isika hahafantatra ny fomba hampiharana an’ilay izy, mba handraisantsika fanapahan-kevitra tsara.

Nitari-dalana an’i Jesosy ny fanahy masina

10, 11. Inona no fantatr’i Jesosy momba ny fanahy masina, talohan’ny hahatongavany tetỳ an-tany? Ary ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana momba azy?

10 Faharoa, mila ny tari-dalan’ny fanahy isika, satria nitari-dalana ny Zanany tamin’ny alalan’izy io i Jehovah. Efa fantatr’i Jesosy talohan’ny hahatongavany tetỳ an-tany, ny faminaniana momba azy ao amin’ny Isaia 11:2. Izao no voalaza ao: “Hitoetra eo aminy ny fanahin’i Jehovah, dia fanahy manome fahendrena sy fahiratan-tsaina sy torohevitra sy hery sy fahalalana, ary tahotra an’i Jehovah.” Efa fantatr’i Jesosy fa tsy ho mora ny fiainany rehefa tonga etỳ an-tany izy, ka naniry mafy hahazo ny fanahin’Andriamanitra izy mba hanampy azy.

11 Tanteraka tokoa ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Isaia. Izao no voalazan’ny Filazantsara fa nitranga, raha vao vita batisa i Jesosy: “Feno fanahy masina i Jesosy rehefa niala avy tao amin’ny Reniranon’i Jordana. Ary nentin’ny fanahy masina nankany an-tany efitra izy.” (Lioka 4:1) Nifady hanina sy nivavaka ary nisaintsaina i Jesosy tany. Nanome toromarika azy angamba i Jehovah tamin’izay sady nampiomana azy hiatrika izay hitranga. Niasa tamin’ny fo sy ny sain’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra, ka nanampy azy hieritreritra tsara sy handray fanapahan-kevitra. Hainy foana àry izay tokony hatao, ka nanao ny sitrapon’ny Rainy foana izy.

12. Nahoana isika no mila mangataka ny tari-dalan’ny fanahy masina?

12 Tsapan’i Jesosy fa tena nahasoa azy ny fanahy masina, ka nampirisika mafy ny mpianany izy mba hangataka fanahy masina sy hanaiky ny tari-dalan’izy io. (Vakio ny Lioka 11:9-13.) Tena ilaintsika izy io, satria afaka manova ny saintsika mba hitovy amin’ny sain’i Kristy. (Rom. 12:2; 1 Kor. 2:16) Hitovy fomba fisaina amin’i Kristy sy hanahaka azy isika, raha manaiky ny tari-dalan’ny fanahy masina.—1 Pet. 2:21.

Mitarika amin’ny lalan-diso ny fanahin’izao tontolo izao

13. Inona ny atao hoe fanahin’izao tontolo izao, ary mandrisika ny olona hanao inona izy io?

13 Fahatelo, mila ny tari-dalan’ny fanahy masina isika, raha tsy izany dia mety hitarika antsika any amin’ny lalan-diso ny fanahin’izao tontolo izao, izay mifehy ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Fa inona io fanahin’izao tontolo izao io? Toe-tsaina mitaona ny olona hanao zavatra mifanohitra amin’ny tari-dalan’ny fanahy masina izy io, ary manana hery lehibe eo amin’izao tontolo izao. Tsy ampirisihiny hanana ny toe-tsain’i Kristy ny olona, fa taominy hanahaka an’i Satana sy ny fomba fisainany. (Vakio ny Efesianina 2:1-3; Titosy 3:3.) Loza ny vokany rehefa manaiky hotarihin’ny fanahin’izao tontolo izao ny olona iray, ka manao ny asan’ny nofo. Lasa tsy afaka mandova ny Fanjakan’Andriamanitra izy.—Gal. 5:19-21.

14, 15. Inona no azontsika atao mba hahafahantsika manohitra ny fanahin’izao tontolo izao?

14 Manampy antsika hahatohitra ny fanahin’izao tontolo izao i Jehovah. Mampirisika antsika ny apostoly Paoly mba hiezaka “hahazo hery mandrakariva amin’ny alalan’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny tanjaky ny heriny”, mba hahafahantsika hanohitra, amin’izao “andro anjakan’ny faharatsiana” izao. (Efes. 6:10, 13) Manatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah, mba hahafahantsika hanohitra ny ezaka ataon’i Satana hamitahana antsika. (Apok. 12:9) Mahery ny fanahin’izao tontolo izao, ary tsy azontsika ialana tanteraka. Afaka manohitra azy io anefa isika. Mbola mahery noho izy io mantsy ny fanahy masina, ary tena hanampy antsika.

15 Mampalahelo fa voafitaky ny fanahin’izao tontolo izao ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka “nandao ny lala-mahitsy” ary niala tamin’ny fivavahana marina. (2 Pet. 2:15) Tena faly kosa isika hoe ‘nandray ny fanahy avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny fanahin’izao tontolo izao.’ (1 Kor. 2:12) Mila manaiky ny tari-dalan’izy io isika, sady mandray ny fanampiana rehetra omen’i Jehovah mba hijanonantsika eo amin’ny lala-mahitsy. Hahatohitra ny toe-tsain’i Satana miely eto amin’ity tontolo ity isika, raha manao izany.—Gal. 5:16.

Mamokatra voa tsara ny fanahy masina

16. Inona no soa azontsika noho ny fanampian’ny fanahy masina?

16 Fahefatra, mila ny fanahy masina isika, satria afaka manampy antsika hanana toetra mahafinaritra izy io. (Vakio ny Galatianina 5:22, 23.) Iza amintsika no tsy te ho be fitiavana, sy ho falifaly, ary hanana fiadanana kokoa? Iza no tsy maniry hahari-po sy ho tsara fanahy, ary hanana hatsaran-toetra bebe kokoa? Iza no tsy mba te handray soa amin’ny hoe manana finoana sy fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena kokoa? Manampy antsika hanana toetra tsara ny fanahin’Andriamanitra, ary mahasoa antsika sy ny fianakaviantsika ary ny fiangonana misy antsika izany. Mila miezaka foana isika mba haneho ny vokatry ny fanahy, satria tsy misy fetrany ny habetsaky ny vokatry ny fanahy ilaintsika. Isika rahateo afaka mamokatra vokatry ny fanahy be dia be.

17. Inona no azontsika atao, raha misy toetra mila ananantsika bebe kokoa?

17 Ilaina ny mandini-tena hoe: ‘Hita amin’ny zavatra lazaiko sy ataoko ve fa manaraka ny fitarihan’ny fanahy masina aho, ary maneho ny vokatry ny fanahy?’ (2 Kor. 13:5a; Gal. 5:25) Raha hitantsika fa tsy tena maneho an’ireo toetra sasany anisan’ny vokatry ny fanahy isika, dia mila miezaka kokoa isika hanaraka ny tari-dalan’ny fanahy mba hananantsika an’ilay toetra. Manao izany isika, raha mianatra momba an’ilay izy amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny bokintsika. Ho fantatsika ny fomba hanehoana an’ilay toetra eo amin’ny fiainana andavanandro, ka ho afaka hiezaka bebe kokoa isika mba hanana an’ilay izy. * Hiaiky isika hoe tena ilaina ny tari-dalan’ny fanahy masina, rehefa hitantsika fa misy vokany eo amin’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny mpiara-manompo amintsika izy io.

Manaiky ny tari-dalan’ny fanahy ve ianao?

18. Nahoana i Jesosy no modely ho antsika?

18 Hita ao amin’ny Baiboly fa nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’i Jesosy ny fanahin’Andriamanitra. Naniry hotarihin’ny fanahy masina izy, ary rehefa nitarika azy hanao zavatra io fanahy io, dia nankatò izy ka nanaraka ny tari-dalan’izy io. (Mar. 1:12, 13; Lioka 4:14) Manahaka an’i Jesosy ve ianao?

19. Inona no tokony hataontsika mba hahazoantsika ny tari-dalan’ny fanahy masina?

19 Miasa ao amin’ny fo sy ny sain’ny olona koa ny fanahy masina ankehitriny. Manampy an’izay vonona hanaiky ny tari-dalany izy io. Inona àry no azonao atao mba hahazoana ny tari-dalan’ny fanahy masina? Mivavaha foana amin’i Jehovah mba hanomezany anao fanahy masina, sy hanampiany anao hanaraka ny tari-dalan’izy io. (Vakio ny Efesianina 3:14-16.) Manaova zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataonao, izany hoe mitadiava torohevitra ao amin’ny Baiboly, satria boky nosoratana tamin’ny alalan’ny fanahy masina izy io. (2 Tim. 3:16, 17) Araho ny torohevitra feno fahendrena ao anatin’izy io, ary ekeo ny tari-dalan’ny fanahy masina. Matokia fa hain’i Jehovah ny mitari-dalana anao, mba hanampiana anao hamakivaky an’ity tontolo ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Raha te hianatra bebe kokoa momba an’ireo toetra anisan’ny vokatry ny fanahy ianao, dia jereo ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo ambanin’ny lohateny hoe “Vokatry ny Fanahin’Andriamanitra.”

Tadidinao ve ny Hevi-dehibe?

• Nahoana no tena ilaina eo amin’ny fiainana ny fanahy masina?

• Inona avy ireo antony efatra tokony hanekentsika ny tari-dalan’ny fanahy masina?

• Inona no azontsika atao raha te hahazo ny tari-dalan’ny fanahy masina isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nisy heriny lehibe teo amin’ny fiainan’i Jesosy ny fanahy masina

[Sary, pejy 17]

Miasa ao anatin’ny fo sy ny sain’ny olona ny fanahin’Andriamanitra mba hitari-dalana azy