Niezaka Nanamboatra ny Fiainanay Izahay ka Notahin’i Jehovah
Niezaka Nanamboatra ny Fiainanay Izahay ka Notahin’i Jehovah
Notantarain’i James Thompson
Teraka tamin’ny 1928 aho, tatỳ amin’ny faritra atsimon’i Etazonia. Tsy nahazo nifanerasera ny fotsy hoditra sy ny mainty hoditra tamin’izany. Nogadraina na nofaizina mafy kokoa izay tratra.
TSY maintsy nisaraka fiangonana sy fivoriambe ny Vavolombelon’i Jehovah mainty hoditra sy fotsy hoditra tamin’izany, tany amin’ny faritra sasany teto Etazonia. Lasa mpikarakara ny fiangonan’ny mainty hoditra (na anti-panahy mpandrindra) tany Chattanooga, any Tennessee ny dadako, tamin’ny 1937. I Henry Nichols kosa no mpikarakara ny fiangonan’ny fotsy hoditra.
Tadidiko hoe nipetrapetraka tao ambadiky ny tranonay izy roa lahy rehefa alina. Niresadresaka ry zareo hoe inona no hatao mba hahafahana hitory foana, na dia sarotra aza ilay izy tamin’izany. Mba nankeo koa aho, na dia tsy azoko tsara aza ny resany. Nahafinaritra ahy fotsiny ny nihaino an-dry zareo.
Nampalahelo fa vao 20 taona ny mamanay dia maty, tamin’ny 1930. Efa-taona i Doris tamin’izany, ary izaho vao roa taona. Ny dadanay irery sisa no nitaiza anay. Nazoto nanompo an’i Jehovah izy, na dia vao haingana aza no vita batisa.
Ray aman-dreny modely
Nihaona tamin’ny anabavy iray mahafinaritra atao hoe Lillie Thomas ny dadanay, tamin’ny 1933. Natao mariazy ry zareo taoriana kelin’izay. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy roa, ka modely ho anay sy Doris.
Nanapa-kevitra ny foibe any Brooklyn, any New York, tamin’ny 1938 hoe tsy hofidin’ny fiangonana intsony ny anti-panahy,
fa ny foibe no hanendry azy ireo. Nasaina nanohana an’io fanapahan-kevitra io ny fiangonana rehetra. Tsy tena nanaiky an’ilay izy ny rahalahy sasany tao Chattanooga. Ny dadanay kosa tonga dia nankatò, ary nanohana azy ny mamanay. Ohatra tsara ho ahy izy mivady, ary nanampy ahy hatramin’izao izany.Batisa sy fanompoana manontolo andro
Maromaro izahay tao amin’ny fiangonana no nanofa fiara, tamin’ny 1940, mba hamonjy fivoriambe tany Detroit, any Michigan. Natao batisa tamin’io ny sasany taminay. Nisy gaga hoe tsy natao batisa aho, nefa vao dimy taona dia efa nitory sady nazoto be.
Rehefa nanontanian-dry zareo aho, dia namaly hoe: “Izaho ange mbola tsy tena mahay momba ny batisa e!” Henon’ny dadanay aho, ka gaga be izy. Niezaka nampianatra ahy àry izy taorian’izay hoe inona no dikan’ny batisa ary nahoana izy io no ilaina. Natao batisa aho efa-bolana taorian’izay, tamin’ny 1 Oktobra 1940. Tao amin’ny dobo iray tany akaikin’i Chattanooga ilay izy no natao, ary nangatsiaka be ny andro tamin’izay.
Vao 14 taona aho, dia nanao mpisava lalana rehefa vakansy. Nitory tany amin’ireo tanàna kely tany Tennessee sy tany Géorgie (Etazonia) aho. Nifoha maraina be aho, dia nitondra sakafo, ary namonjy lamasinina na fiara fitaterana tamin’ny enina maraina. Tamin’ny enina hariva tany ho any aho vao nody. Mbola tsy antoandro akory matetika dia efa laniko ny sakafoko. Nisy vola tany amiko, nefa tsy nahazo nividy zavatra tao amin’ilay faritaniko aho satria mainty hoditra. Mba nividy gilasy aho, indray mandeha, nefa noroahin’ny olona tao amin’ilay fivarotana. Soa ihany fa nisy vehivavy fotsy hoditra nalahelo ahy, ka nanatitra gilasy teny amiko.
Vao mainka nafana fo tamin’ny ady ho an’ny mainty hoditra ny olona tatỳ aminay, tamin’izaho tany amin’ny lise. Nisy fikambanana natsangana mihitsy aza, anisan’izany ny NAACP (Fikambanana Miaro ny Zon’ny Mainty Hoditra). Nampirisihina hiditra tamin’ireny ny mpianatra. Ny ankizy rehetra mihitsy no nasaina nanao izany tany amin’ny sekoly maro, anisan’izany ny anay. Notenenina aho hoe tokony “hiady ho an’ny mainty hoditra rahalahiko”, hono. Tsy nety anefa aho, ary nanazava hoe tsy manavakavaka Andriamanitra fa tiany daholo ny olona na mainty na fotsy, ary izy ihany no antenaiko hanafoana ny tsy rariny.—Jaona 17:14; Asa. 10:34, 35.
Vao vita kely ny fianarako teny amin’ny lise, dia tapa-kevitra aho fa ho any New York. Nivily tany Philadelphie anefa aloha aho. Nisy namako hitako tany amin’ny fivoriambe mantsy tany. Tany Philadelphie aho vao nivory tao amin’ny fiangonana nisy fotsy hoditra sy mainty hoditra. Nitsidika an-dry zareo ny mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izay. Nomeny anjara aho mba hataoko amin’ny fivoriana manaraka. Nanapa-kevitra àry aho hoe: ‘Aleoko mijanona eto fa tsy ho any New York indray aho.’
Nahazo namana iray atao hoe Geraldine White aho, tany Philadelphie. Gerri no fiantsoako azy. Nahay Baiboly izy ary tena nahay
nitory. Samy te ho mpisava lalana izahay, ary izay no tena nitiavako azy. Natao mariazy izahay tamin’ny 23 Aprily 1949.Nanao Sekolin’i Gileada
Te hanao Sekolin’i Gileada sy ho lasa misionera any an-tany hafa izahay roa. Nataonay àry izay hahatratraranay an’io tanjona io. Nanaiky hanitatra faritany tany amin’ireto toerana ireto izahay: Lawnside sy Chester ary farany tany Atlantic City. Feno roa taona ny mariazinay tamin’izahay tany Atlantic City, ka afaka nangataka hanao Sekolin’i Gileada izahay. Nisy olana indray anefa.
Maro ny ankizilahy voantso ho miaramila, tamin’ny 1950 tany ho any, mba hiady any Korea. Noterena hanao miaramila koa aho. Tsy tia antsika Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny mpitsara miaramila tany Philadelphie, satria tsy mandeha miady isika. Soa ihany fa nanadihady momba ahy ny FBI (Birao Federaly Momba ny Famotorana), ka voaporofo fa tena marina ny teniko hoe tsy mandray anjara amin’ny ady aho. Nekena tsy hanao miaramila àry aho ny 11 Janoary 1952.
Voantso hanao Sekolin’i Gileada ihany izahay ny Aogositra. Kilasy faha-20 no nisy anay, ary Septambra ilay izy no nanomboka. Nanantena izahay hoe halefa any an-tany hafa. Nanatrika ny kilasy faha-13 mantsy i Doris, ka voatendry tany Brezila. Taitra be izahay sy Gerri fa teto Etazonia ihany no voatendry. Nasaina hanao mpiandraikitra ny faritra tany amin’ny fiangonana mainty hoditra any Alabama izahay. Nalahelo kely izahay satria efa nieritreritra hoe ho any an-tany hafa.
Fiangonana tany Huntsville no notsidihinay voalohany. Vao tonga izahay, dia nivantana tany amin’ny anabavy iray. Renay izy niresaka tamin’ny telefaonina hoe: “Efa tonga ao ny ankizy.” Nataony hoe “Ny Ankizy” izahay satria vao 24 taona sady hoatran’ny hoe mbola kely noho izany no fijery anay. Lasa hoe “Ny Ankizy” no fiantsoana anay tao amin’io faritra io.
Nantsoina hoe Faritanin’ny Baiboly ny faritra atsimon’i Etazonia tamin’izany, satria tia Baiboly ny ankamaroan’ny olona tatỳ. Izao àry no fanaonay rehefa nitory izahay:
1) Miresaka kely momba ny olana fahita matetika.
2) Manazava ny fampanantenan’ny Baiboly.
3) Manoro hoe inona no asain’ny Baiboly atao.
Nomenay boky na gazety ilay olona avy eo. Nahomby io fomba fitory io, ka nasaina nataoko fampisehoana tamin’ny fivoriambe iray tany New York, tamin’ny 1953.
Voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra tany amin’ny fiangonan’ny mainty hoditra aho taoriana kelin’izay.
Floride sy Virginie manontolo no faritaninay, ka hatrany Alabama sy Tennessee. Tena nila niaina araka ny zava-misy izahay. Matetika, ohatra, no tsy nisy efitra fandroana ny trano nivantananay, fa koveta be tao an-dakozia no nandroana. Tianay ihany anefa ilay izy, satria teo akaikin’ny fatana. Eo no mba toerana nafana indrindra tao an-trano!Navakavahana izahay
Nila nitandrina sy nahay nitady hevitra izahay. Tsy nahazo nampiasa ny toerana fanasan-damba teo an-tanàna, ohatra, ny mainty hoditra. Rehefa nanasa lamba tany àry i Gerri, dia mody niteny hoe an’i “Madama Thompson” ny lamba hosasany. Nihevitra ny olona fa mpiasan’olona fotsy hoditra izy. Izy ihany anefa ilay “Madama Thompson.” Nila fitaovana fandefasana filma koa izahay tamin’izany, satria te hampiseho an’ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa. Fotsy hoditra no nanana an’ireny fitaovana ireny, ka tsy maintsy nindrana tany aho. Niantso an’ilay olona àry aho, ary mody niteny hoe ho an’i “Ramose Thompson” ilay izy. Taorian’izay aho vao naka an’ilay fitaovana. Nahalala fomba foana izahay, ka tsy dia nahita olana rehefa nanompo.
Navakavahan’ny olona tatỳ atsimo koa ny olona avy tany avaratra. Nisy gazety nilaza, ohatra, hoe: ‘Hanao lahateny amin’ny fivoriambe iray i James Thompson avy amin’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York.’ Nisy nihevitra àry hoe avy any New York aho, ka tsy navela hampiasainay indray ny sekoly iray efa noeritreretinay hanaovana fivoriambe. Nila nanazava tany amin’ilay sekoly aho hoe avy any Chattanooga, vao nahazo nampiasa an’ilay izy.
Vao mainka nihamafy ny fanavakavahana tamin’ny 1954 tany ho any, ary nisy nifamono mihitsy aza. Nisy mpiara-manompo tezitra koa tamin’ny fivoriambe sasany, satria tsy nisy mainty hoditra nasaina nandaha-teny. Nampirisihinay izy ireo mba hanam-paharetana. Voatendry handaha-teny aho taoriana kelin’izay. Nihamaro koa avy eo ny rahalahy mainty hoditra nahazo anjara tamin’ny fivoriambe.
Nilamindamina tatỳ aminay rehefa nandeha ny fotoana, ka nanomboka niara-nivory ny fotsy sy ny mainty. Nasaina nifindra fiangonana àry ny mpitory sasany. Namboarina koa ny faritany ary novana ny andraikitry ny rahalahy sasany. Nisy tsy tia an’izany fanovana izany anefa, na ny mainty hoditra na ny fotsy hoditra. Na izany aza, dia tsy nanavakavaka toa an’i Jehovah ny ankamaroan’ireo rahalahy. Maro no mpinamana be nefa fotsy sy mainty. Ary na dia tamin’ny mbola kely aza aho, dia efa nahita an’izany, satria nanana namana fotsy hoditra izahay.
Fanendrena vaovao
Faly izahay mivady tamin’ny Janoary 1969 fa voatendry tany Guyana, any Amerika Atsimo. Nankany Brooklyn aloha izahay, satria mbola nila nampiofanina aho mba hiandraikitra ny asa fitoriana tany Guyana. Tonga tany Guyana izahay tamin’ny Jolay 1969. Mbola nila nizatra an’ilay hoe mijanona
amin’ny toerana iray izahay, satria nandehandeha foana nandritra ny 16 taona. Nanompo teny amin’ny saha no tena nataon’i Gerri, fa izaho kosa niasa tao amin’ny Betela.Be asa aho tamin’izany satria nanapaka bozaka, nikarakara boky sy gazety halefa any amin’ny fiangonana niisa 28, ary nifanoratra tamin’ny foibe any Brooklyn. Adiny 14 na 15 isan’andro aho no niasa. Marina fa mafy ilay izy, nefa tianay. Vao 950 ny mpitory tany Guyana, tamin’izahay tonga tany, fa izao kosa efa 2 500 mahery.
Antonony ny hafanana any Guyana. Tsara koa ny voankazo sy legioma any. Ny tena tianay tany anefa, dia ny nahita olona te hianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Olona 20 matetika no nampianarin’i Gerri isan-kerinandro. Maro tamin’ireo nampianarinay no natao batisa. Lasa mpisava lalana ny sasany na anti-panahy, ary nisy aza nanao Sekolin’i Gileada ka lasa misionera.
Olana hafa
Nila nokarakaraina ny ray aman-dreniko, nanomboka tamin’ny 1983. Niara-nidinika àry izahay mivady sy Doris. Nanapa-kevitra i Doris hoe aleo izy no hikarakara an-dry zareo. Efa 35 taona izy tamin’izay no misionera tany Brezila. Aleo, hoy izy, misionera iray no miala, toy izay roa be izao. Nijanona tany Chattanooga i Doris, rehefa maty ny ray aman-dreninay. Mpisava lalana manokana izy izao.
Voan’ny kanseran’ny prostaty aho tamin’ny 1995, ka nody teto Etazonia. Mipetraka eto Goldsboro, eto Caroline Avaratra, izahay izao. Sady akaikin’ny fianakaviako any Tennessee mantsy eto no akaikin’ny fianakavian’i Gerri any Pennsylvanie. Tsy nihetsika firy ny aretiko tato ho ato. Voatendry ho mpisava lalana manokana eto àry izahay, nefa tsy voatery mameno ora intsony.
Efa 65 taona mahery izao no nanompoako manontolo andro. Faly aho satria notahin’i Jehovah izahay mivady. Niezaka nanamboatra ny fiainanay mantsy izahay mba hanompoana azy. Tena marina ilay tenin’i Davida hoe: ‘Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihan’i Jehovah.’—2 Sam. 22:26.
[Sary, pejy 3]
Modely ho ahy ny dadanay sy Rahalahy Nichols
[Sary, pejy 4]
Izaho sy Gerri tamin’izahay ho any Gileada, 1952
[Sary, pejy 5]
Voatendry tatỳ amin’ny faritra atsimon’i Etazonia izahay rehefa avy any Gileada
[Sary, pejy 6]
Mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny talohan’ny fivoriambe iray niarahan’ny mainty sy fotsy, 1966
[Sary, pejy 7]
Nahafinaritra ny nanompo tany Guyana