Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Fiasan’ny Fanahy Tamin’ny Taonjato Voalohany sy Ankehitriny

Ny Fomba Fiasan’ny Fanahy Tamin’ny Taonjato Voalohany sy Ankehitriny

Ny Fomba Fiasan’ny Fanahy Tamin’ny Taonjato Voalohany sy Ankehitriny

‘Tontosain’ny fanahy iray ihany izany asa rehetra izany.’—1 KOR. 12:11.

1. Inona no hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity?

MAMPAHATSIAHY antsika zava-nitranga niavaka ny hoe Pentekosta taona 33. (Asa. 2:1-4) Nilatsaka tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny fanahy masina tamin’izay, ka niova tanteraka ny fomba nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny mpanompony. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny fomba niasan’ny fanahy tamin’ny mpanompon’i Jehovah talohan’ny andro kristianina, ka nahafahan’izy ireo nahavita asa sarotra sy be pitsiny. Inona anefa no tsy mampitovy ny asan’ny fanahy masina talohan’ny andro kristianina sy tamin’ny taonjato voalohany? Inona no soa raisin’ny Kristianina avy amin’ny fanahy masina ankehitriny? Andeha isika handinika an’ireo.

“Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah!”

2. Ahoana no niasan’ny fanahy masina tamin’i Maria?

2 Anisan’ireo nilatsahan’ny fanahy masina, tao amin’ilay trano ambony rihana, tao Jerosalema i Maria. (Asa. 1:13, 14) Efa niasa taminy tamin’ny fomba niavaka anefa ny fanahin’i Jehovah, 30 taona mahery talohan’izay. Nafindran’i Jehovah tao an-kibon’i Maria ny ain’ilay Zanany tany an-danitra, na dia mbola virjiny aza i Maria. Ny “fanahy masina” no nampiasainy tamin’izany.—Mat. 1:20.

3, 4. Inona no toe-tsaina nasehon’i Maria, ary ahoana no hanahafantsika azy?

3 Nahoana i Maria no nomen’i Jehovah an’izany tombontsoa niavaka izany? Satria nanana toe-tsaina tsara izy. Izany no nahatonga azy hiteny toy izao, rehefa nilaza taminy ny anjely hoe izy no hiteraka ny Zanak’Andriamanitra: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!” (Lioka 1:38) Tsy nisalasala izy namaly, ka hita hoe vonona hanao ny sitrapon’i Jehovah izy. Tsy nieritreritra izy hoe ahoana no hiheveran’ny olona azy raha bevohoka izy, na koa hoe inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny fofombadiny. Ny filazany hoe ‘mpanompovavy’, dia ahitana hoe nihevitra an’i Jehovah ho Tompony izy ary natoky tanteraka azy.

4 Mety ho sarotra amintsika koa indraindray ny manatontosa ny andraikitsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsara amin’izay ny mieritreritra hoe: ‘Matoky tanteraka ve aho fa tsy maintsy ataon’i Jehovah izay hahatanteraka ny sitrapony? Tena vonona hanao an’izay asa asain’i Jehovah ataoko ve aho?’ Matokia fa omen’i Jehovah ny fanahiny izay olona mitoky aminy amin’ny fo manontolo sy manaiky ny sitrapony.—Asa. 5:32.

Nampian’ny fanahy masina i Petera

5. Ahoana avy no niasan’ny fanahy masina tamin’i Petera, talohan’ny Pentekosta taona 33?

5 Efa niasa tamin’ny apostoly Petera koa ny fanahy masina, talohan’ny Pentekosta taona 33. Nomen’i Jesosy fahefana handroaka demonia izy sy ny apostoly hafa. (Mar. 3:14-16) Toa nampiasa an’izany fahefana izany i Petera, na dia tsy misy tsipiriany momba izany aza ao amin’ny Soratra Masina. Niasa taminy koa ny fanahin’Andriamanitra, rehefa nasain’i Jesosy nanatona azy izy, teny ambony Ranomasin’i Galilia. Afaka nandeha teny ambony rano izy. (Vakio ny Matio 14:25-29.) Niantehitra tamin’ny fanahy masina àry i Petera mba hanampy azy hanao asa mahagaga. Nanampy an’i Petera sy ny namany mba hanao zavatra hafa koa anefa ny fanahy masina, tsy ela taorian’izay.

6. Nanampy an’i Petera hanao inona ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta taona 33 sy taorian’izay?

6 Nahazo fahaizana mahagaga i Petera sy ny namany tamin’ny Pentekosta taona 33, ka nahay ny fitenin’ireo vahiny nitsidika an’i Jerosalema. Lasa sahy nitory i Petera tamin’izay, ka niteny tamin’ny vahoaka be. (Asa. 2:14-36) Olona taitaitra sy matahotra i Petera indraindray nefa lasa be herim-po, noho ny fanampian’ny fanahy masina. Lasa sahy nitory izy na dia teo aza ny fandrahonana sy ny fanenjehana. (Asa. 4:18-20, 31) Nanampy azy hamantatra zavatra miafina koa ny fanahy masina. (Asa. 5:8, 9) Afaka nanangana ny maty mihitsy aza izy.—Asa. 9:40.

7. Inona no fampianaran’i Jesosy tsy takatr’i Petera, raha tsy efa voahosotry ny fanahy izy?

7 Maro ny fampianaran’i Jesosy nazava tamin’i Petera talohan’ny Pentekosta taona 33. (Mat. 16:16, 17; Jaona 6:68) Tsy takany anefa ny fampianarana sasany raha tsy tatỳ aoriana. Tsy nazava taminy, ohatra, taloha ny hoe hatsangana ho lasa vatana ara-panahy i Kristy amin’ny andro fahatelo, sy ny hoe any an-danitra ilay Fanjakana. (Jaona 20:6-10; Asa. 1:6) Vaovao taminy ilay hevitra hoe hisy olona hahazo vatana ara-panahy, ary hanjaka any amin’ilay Fanjakana any an-danitra izy ireo. Tsy nazava tamin’i Petera ireo fampianaran’i Jesosy ireo, raha tsy rehefa avy natao batisa tamin’ny fanahy masina izy tamin’ny Pentekosta, ary voafidy ho any an-danitra.

8. Inona no fahalalana azon’ny voahosotra nefa azon’ny “ondry hafa” koa?

8 Lasa nazava tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny fampianarana tsy takatr’izy ireo taloha, rehefa avy nilatsahan’ny fanahy masina izy ireo. Nazava tamin’ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina ireo zavatra sasany mahavariana momba ny fikasan’i Jehovah, ka nosoratan’izy ireo mba hahasoa antsika. (Efes. 3:8-11, 18) Samy afaka mianatra sy mahatakatra an’ireny fahamarinana ireny ankehitriny, na ny voahosotra na ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Sarobidy aminao ve ireo fahalalana ara-baiboly azonao noho ny fanampian’ny fanahy masina?

Nanjary “feno fanahy masina” i Paoly

9. Inona no nataon’i Paoly, noho ny asan’ny fanahy masina?

9 Nisy olon-kafa koa lasa voahosotry ny fanahy, herintaona teo ho eo taorian’ny Pentekosta taona 33. Tsy iza izany fa i Saoly izay lasa nantsoina hoe Paoly. Mahasoa antsika ny fomba niasan’ny fanahy taminy. Nahazo herin’ny fanahy masina izy ka nanoratra boky 14 ao amin’ny Baiboly. Toy ny nanampian’ny fanahy masina an’i Petera, dia nampiany izy hahatakatra momba ny fiainana any an-danitra, ary hanoratra momba izany. Nohazavainy fa tsy ho faty intsony ireo voahosotra lasa any an-danitra, ary tsy ho lo intsony ny vatana vaovao ho azon’izy ireo. Afaka nanasitrana koa i Paoly, namoaka demonia, ary nanangana ny maty mihitsy aza. Nanampy azy koa anefa ny fanahy masina mba hanao asa iray lehibe kokoa. Manao an’io asa io isika, ary manampy antsika koa ny fanahy masina na dia tsy amin’ny fomba mahagaga aza.

10. Ahoana koa no nanampian’ny fanahy masina an’i Paoly?

10 “Feno fanahy masina” i Paoly, ka sahy niteny mba hanoherana ny mpilalao ody iray. Nanatrika ny resak’izy ireo ny governoram-paritra tao Sipra, ary nisy vokany taminy izany. Nanaiky ny fahamarinana ilay governora, “satria talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah.” (Asa. 13:8-12) Fantatr’i Paoly tsara àry fa tena ilaina ny fanahy masina, rehefa hiresaka momba ny fahamarinana. (Mat. 10:20) Niangaviany hivavaka ho azy ny fiangonan’i Efesosy, tatỳ aoriana, mba ho sahy “hiteny” izy.—Efes. 6:18-20.

11. Ahoana no nitarihan’ny fanahy masina an’i Paoly?

11 Tsy hoe nanampy an’i Paoly mba hiteny fotsiny anefa ny fanahy masina, fa nisakana azy tsy hiteny koa tany amin’ny toerana sasany. Ny fanahy masina no nitarika ny dia misionera nataony. (Asa. 13:2; vakio ny Asan’ny Apostoly 16:6-10.) Mbola mitarika ny asa fitoriana koa i Jehovah ankehitriny, amin’ny alalan’ny fanahiny. Miezaka ny ho sahy sy ho be zotom-po toa an’i Paoly ny mpanompon’i Jehovah rehetra, rehefa mitory ny fahamarinana. Marina fa tsy miharihary be toy ny tamin’ny andron’i Paoly ny fitarihan’i Jehovah ankehitriny. Afaka matoky anefa isika fa mampiasa ny fanahiny i Jehovah, mba handrenesan’ireo tso-po ny fahamarinana.—Jaona 6:44.

Maro ny asan’ny fanahy masina

12-14. Mitovy ve ny asan’ny fanahy masina eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra tsirairay? Hazavao.

12 Tena mampahery ny mahalala fa notahin’i Jehovah ireo voahosotra tamin’ny taonjato voalohany. Nomen’i Jehovah ny fanahiny izy ireo, ka nanjary nahazo fahaizana mahagaga. Niresaka momba izany i Paoly, tamin’izy nanoratra ho an’ny fiangonan’i Korinto. Hoy izy: “Misy fanomezana maro samihafa, nefa iray ihany ny fanahy. Ary misy fanompoana maro samihafa, nefa iray ihany ny Tompo. Misy asa maro samihafa, nefa iray ihany no Andriamanitra manatontosa azy rehetra amin’ny olona rehetra.” (1 Kor. 12:4-6, 11) Maro karazana ny asan’ny fanahy masina, ka mety ho samy hafa ny asan’izy io eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra, arakaraka izay ilana azy. Samy mahazo fanahy masina, na ny “ondry vitsy” na ny “ondry hafa.” (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Na izany aza, dia tsy voatery hitovy ny asan’izy io eo amin’ny olona tsirairay eo anivon’ny fiangonana.

13 Voatendrin’ny fanahy masina, ohatra, ny anti-panahy. (Asa. 20:28) Tsy ny voahosotra rehetra anefa no mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana. Inona no azontsika tsoahana avy amin’izany? Samy hafa ny asan’ny fanahy masina amin’ny olona tsirairay eo anivon’ny fiangonana.

14 Ilay fanahy masina nananganana an’i Jesosy ho any an-danitra ihany, no ampiasain’i Jehovah mba ‘hananganana’ ny voahosotra ho zanany. (Vakio ny Romanina 8:11, 15.) Io fanahy io no nampiasain’i Jehovah mba hampisy an’izao rehetra izao. (Gen. 1:1-3) Mbola io fanahy io koa no nanatsara ny fahaizan’i Bezalila, rehefa nanao asa manokana momba ny tranolay masina izy. Io koa no nanome hery be dia be an’i Samsona, sy nanampy an’i Petera handeha teny ambony rano. Tsy tokony hafangarontsika àry ny hoe manana ny fanahy masina sy ny hoe voahosotry ny fanahy masina. Asa manokana ataon’ny fanahin’Andriamanitra ny fanosorana an’ireo olona hanjaka hiaraka amin’i Kristy. Miankina amin’ny safidin’Andriamanitra izy io.

15. Haharitra mandrakizay ve ny batisa amin’ny alalan’ny fanahy masina? Hazavao.

15 Efa nanao asa maro samihafa tamin’ny mpanompon’Andriamanitra ny fanahy masina, an’arivony taona talohan’ny nanosorana an’ireo ho any an-danitra. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 io fanosorana tamin’ny fanahy masina io, nefa tsy hitohy mandrakizay. Hitsahatra ny batisa amin’ny alalan’ny fanahy, fa ny fanahy masina kosa hiasa amin’ny vahoakan’Andriamanitra foana mba hanaovan’izy ireo ny sitrapon’i Jehovah mandrakizay.

16. Inona no tena ataon’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, noho ny fanampian’ny fanahy masina?

16 Inona no tena asa ataon’ny fanahin’i Jehovah ankehitriny? Mamaly izany ny Apokalypsy 22:17. Hoy izy io: “Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ Ary aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” Mandrisika ny Kristianina ny fanahy masina ankehitriny mba hanasa an’izay olona “maniry” hisotro ny ranon’aina. Ny voahosotra no mitarika an’io asa io, ary manampy azy ireo ny ondry hafa. Fanahy masina iray ihany no miasa amin’izy ireo mba hahavitany an’io asa io. Samy nanokan-tena ho an’i Jehovah izy ireo, ka natao batisa ‘tamin’ny anaran’ny Ray sy tamin’ny anaran’ny Zanaka ary tamin’ny anaran’ny fanahy masina.’ (Mat. 28:19) Samy manaiky ny tari-dalan’ny fanahy masina izy ireo, ka manana ny vokatry ny fanahy. (Gal. 5:22, 23) Samy manaiky ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra koa izy ireo, ka miezaka mafy mba ho masina araka izay takin’i Jehovah.—2 Kor. 7:1; Apok. 7:9, 14.

Aza mitsahatra mangataka fanahy masina

17. Ahoana no azonao anaporofoana fa manana ny fanahin’Andriamanitra ianao?

17 Na manantena ho any an-danitra àry ianao na ho eto an-tany, dia matokia fa hanome anao “hery fanampiny” i Jehovah mba hanampiana anao tsy hivadika sy hahazo ny valisoanao. (2 Kor. 4:7) Mety hisy haneso ianao, noho ianao mitory ny vaovao tsara. Raha tsy mitsahatra manao an’io asa io anefa ianao, dia porofoinao amin’izany fa manana ny fanahy masina ianao. Tadidio fa ‘sambatra ianao raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy, satria mitoetra aminao ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra.’—1 Pet. 4:14.

18, 19. Ahoana no hanampian’i Jehovah anao amin’ny alalan’ny fanahy masina? Ary inona no ataonao vokatr’izany?

18 Omen’Andriamanitra fanahy masina maimaim-poana izay olona mangataka azy io amin’ny fony manontolo. Tsy hoe hanatsara ny fahaizanao fotsiny izy io, fa hampitombo koa ny fanirianao hanao izay tsara indrindra eo amin’ny fanompoana azy. ‘Andriamanitra mantsy no miasa ao anatinao, satria izany no mahafinaritra azy. Amin’izay dia sady maniry ianao no manatanteraka.’ Misy ‘ezaka mafy foana ataontsika mba hahazoana famonjena.’ Ho vitantsika izany noho ny fanampian’ny fanahy masina, ary raha miezaka “mitana mafy ny tenin’ny fiainana” isika.—Fil. 2:12, 13, 16.

19 Matokia fa hanohana anao ny fanahin’Andriamanitra, ka miezaha mafy hanatanteraka an’izay asa anendrena anao, ataovy izay hahaizana an’ilay asa, ary mitadiava ny fanampian’i Jehovah. (Jak. 1:5) Hanampy anao i Jehovah mba hahatakatra ny Teniny, sy hiatrika olana, ary hitory ny vaovao tsara. Hoy ny Baiboly: “Mangataha foana dia homena ianareo, mitadiava foana dia hahita ianareo, dondòny foana dia hovohana ianareo.” (Lioka 11:9, 13) Azonao ampiharina koa izany mba hahazoana fanahy masina. Mitalahoa foana àry amin’i Jehovah, raha tianao ny hotarihin’ny fanahiny toa an’ireo olona tsy nivadika fahiny sy ankehitriny.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no toe-tsain’i Maria tokony hotahafintsika ka hahasoa antsika?

• Ahoana no nitarihan’ny fanahin’Andriamanitra an’i Paoly?

• Ahoana no itarihan’ny fanahy masina ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Nampian’ny fanahy masina i Paoly, ka sahy niteny mba hanoherana ny mpilalao ody iray

[Sary, pejy 26]

Ampian’ny fanahy masina daholo ny Kristianina ankehitriny, na ireo manantena ho any an-danitra na ireo ho eto an-tany