Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

• Iza i Olivétan, ary nahoana no tokony hahaliana antsika ny zavatra nataony?

Nantsoina hoe Olivétan ny lehilahy frantsay atao hoe Pierre Robert. Nandika ny Baiboly ho amin’ny teny frantsay izy, tamin’ny andron’ny Fanavaozana Protestanta, tamin’ny taonjato faha-16. Naleony nampiasa ny hoe “mpiandraikitra” fa tsy “eveka”, ary “Jehovah” no nandikany ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny andininy sasany.—1/9, pejy 18-20.

• Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah tamin’ny Levita hoe: “Izaho no anjaranao”?

Nomena anjara tany ny foko rehetra teo amin’ny Israely, fa ny Levita kosa i Jehovah no ‘anjarany.’ (Nom. 18:20) Tsy nomena anjara tany izy ireo ho lovany, fa nomena zava-tsarobidy hafa. Nomena asa tena tsara izy ireo. Nikarakara izay nilain’izy ireo anefa i Jehovah. Afaka matoky koa àry ireo manana tombontsoa hampandroso ny asan’ilay Fanjakana, fa hahazo izay ilainy izy ireo.—15/9, pejy 7-8,  13.

• Ahoana no ahafantarantsika hoe oviana i Jerosalema no resin’ny Babylonianina?

Samy manana ny heviny ny mpahay tantara, ary mifanohitra ny tsipiriany omen’izy ireo momba an’ireo mpanjakan’i Babylona sy ny fotoana nanjakan’izy ireny. Samy manaiky kosa anefa izy ireo hoe nandresy an’i Babylona i Kyrosy II tamin’ny 539 T.K., daty manan-tantara. Nafahana ny Jiosy, ary tafaverina tany an-tanindrazany tamin’ny 537 T.K. Milaza ny Baiboly fa 70 taona izy ireo no tany an-tsesitany. Noho izany, dia tamin’ny 607 T.K. i Jerosalema no rava. (2 Tan. 36:21, 22; Jer. 29:10; Dan. 9:1, 2)—1/10, pejy 26-31.

• Ahoana no ahafantarana raha mahasoa ny fialam-boly iray na tsia?

Ilaina ny mieritreritra an’ireto fanontaniana ireto, mba hahafantarana raha mahasoa sy mampifaly an’i Jehovah ny fialam-boly iray: Inona no tafiditra amin’ilay izy? Rahoviana aho no hanao an’ilay izy, ary manao ahoana ny fotoana lany amin’izany? Iza no tiako hiaraka hiala voly amiko?—15/10, pejy 9-12.

• Nahoana no tsy mety ny manala zaza?

Masina ny aina amin’Andriamanitra, ka na ny tsaika aza dia efa olona aminy. (Sal. 139:16) Mamono olona izay manala zaza. Teo ambany Lalàna mantsy, dia natao ampamoaka izay mandratra zaza mbola any am-bohoka. (Eks. 21:22, 23)—1/11, pejy 6.

• Nahoana ilay tantara ao amin’ny Ohabolana 7:6-23 no manampy antsika tsy hijery sary vetaveta?

Resahina ao hoe nisy tovolahy iray nandehandeha teny akaikin’ny tranon’ny vehivavy ratsy fitondran-tena, ka voatarik’io vehivavy io hanao firaisana. Mila mitandrina isika mba tsy hijery boky na filma na zavatra ao amin’ny Internet misy sary vetaveta. Tena ilaina koa ny mivavaka, alohan’ny hieritreretana hijery na hanokatra zavatra misy sary vetaveta.—15/11, pejy 9-10.

• Inona no manaporofo fa tsy ho potika ny tany amin’ny 2012?

Mino ny olona sasany hoe ho potika amin’ny 2012 ny tany, noho ny fe-potoana voalaza ao amin’ny kalandrien’ny foko maya fahiny. Tsy hitranga anefa izany, satria noforonin’i Jehovah mba honenana ny tany. Milaza ny Baiboly fa haharitra mandrakizay ny tany. (Mpito. 1:4; Isaia 45:18)—1/12, pejy 10.

• Iza ny mpanoratra Baiboly nanatrika ny Pentekosta taona 33?

Nisy enina tamin’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina angamba nanatrika azy io. Anisan’izany ireo apostoly telo atao hoe Matio sy Jaona ary Petera. Teo koa i Jakoba sy Joda, izay samy rahalahin’i Jesosy. Azo inoana fa teo koa ilay tovolahy atao hoe Marka.—1/12, pejy 22.