Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Tantarantsika

Arovantsika Ireo Lovantsika Sarobidy

Arovantsika Ireo Lovantsika Sarobidy

TENA mahaliana ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah. Manampy antsika hahalala azy ireny ireo bokintsika, sy ireo zavatra voatahirintsika misy ifandraisany amin’ny fivavahantsika. Ohatra hoe sary, na fitaovana nampiasaina fahiny, na taratasin’olona mitantara ny fiainany. Nampirisihina ny raim-pianakaviana israelita mba hiresaka amin’ny zanany an’ireo lalàna sy zavatra miavaka nataon’i Jehovah, mba hahatonga azy ireo “hatoky an’Andriamanitra.” Toy izany koa fa tena mahasoa antsika ny mamantatra ny lasa sy mitahiry an’ireny zavatra taloha ireny.—Sal. 78:1-7.

Efa hatry ny ela no nilaina ny nikaroka sy namantatra ny lasa, mba hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah. Hita izany rehefa nisy nanakana ny fanorenana ny tempoly tao Jerosalema. Nisy fikarohana natao tany amin’ny fitehirizan-taratasy tany Ekbatana, renivohitr’i Media, ka hita tao fa efa nahazo alalana tamin’i Kyrosy Mpanjaka ny Jiosy mba hanorina indray ny tempoly. (Ezra 6:1-4, 12) Nanao fikarohana koa i Lioka, rehefa hanoratra ny Filazantsara, mba hahafantarany ny tantara taloha. ‘Nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady nohamarininy.’—Lioka 1:1-4.

Zava-dehibe amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah. Nilaza ny rahalahy iray anisan’izy io fa tsy tokony hohadinoina ny lasa, ary mila resahina amin’ny taranaka any aoriana. Hoy izy: “Ilaina ny mitodika ny lasa mba hiatrehana ny hoavy.” Misy sampan-draharaha vaovao noforonina àry any Brooklyn, any New York, mba hahalalantsika kokoa ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah. Antsoina hoe Sampan-draharahan’ny Fitehirizana izy io, ary ny Komitin’ny Fanoratana no miandraikitra azy.

SARY SY ZAVA-TSAROBIDY HAFA

Hadinodino ny lasa rehefa mandeha ny fotoana, ka mety hiteny isika hoe: ‘Tahaka izay izahay mianakavy nitahiry sary betsabetsaka, mba hahatsiarovana ny fahiny!’ Toy ny fianakaviana iray isika vahoakan’i Jehovah, ka miezaka mafy ny Sampan-draharahan’ny Fitehirizana, mba hitahiry sy hanao lisitra an’ireo zavatra hahatsiarovana ny tantarantsika. Ohatra hoe sary, na bokintsika taloha, na fitantarana niavaka, na zava-tsarobidy hafa. Manampy antsika hahalala ny tantaran’ny fandaminana ireny lovantsika ireny, sady manome toky antsika hoe hahavita hiatrika ny hoavy isika vahoakan’i Jehovah.

Hisy lahatsoratra hoe “Fantaro ny Tantarantsika” àry hivoaka tsindraindray ato amin’ity gazety ity. Ho hitanao ao hoe inona avy ny zavatra voatahiry ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fitehirizana. Hiresaka momba ny valizy hafakely nampiasaina taloha, ohatra, isika. Hohazavaina hoe iza no nampiasa azy io, ary oviana ilay izy no nampiasaina. Haseho ao koa ny sariny.

Rehefa handinika ny zavatra voatahiry ao amin’io sampan-draharaha io isika, dia ho hitanao fa tena manam-pinoana sy be herim-po isika Vavolombelon’i Jehovah. Ho hitanao koa fa faly manompo an’ilay Raintsika any an-danitra isika na dia misy fitsapana aza, ary manampy sy manome tari-dalana antsika foana i Jehovah. (Deot. 33:27) Mino izahay fa hotahiny ny ezaka atao mba hampahafantarana ny tantarantsika. Hampahery antsika izany, ka ho vonona foana hanao ny sitrapony isika, sady vao mainka hiray saina.

[Efajoro/Sary, pejy 31]

Inona no Ataon’ny Sampan-draharahan’ny Fitehirizana?

Manana mpanoratra sy mpanao sary ary mpanao fikarohana isika, any amin’ny foibe. Izay sary na zavatra voatahirin’ny Sampan-draharahan’ny Fitehirizana no ampiasainy, rehefa hamoaka boky na gazety na DVD. Avy amin’ny Betela maneran-tany, na fiangonana, na olon-tsotra, na fikambanana no ahazoan’io sampan-draharaha io an’ireny zavatra ireny. Ireto avy ny asa ataon’ilay sampan-draharaha:

Manangona sy mampitaha: Mitady sary na zavatra hafa tena miavaka ry zareo, ary tehiriziny. Fanomezana ny sasany, fa ny hafa indramina amin’ny olona nanana fianakaviana nanompo an’i Jehovah am-polony taona maro. Dinihina sy ampitahaina ireny zavatra ireny, ka lasa misy zava-baovao fantatra momba ny tantarantsika sy ireo mpiara-manompo amintsika niaina taloha.

Manao lisitra: An’arivony ny zavatra efa voangona, ary efa naharitra zato taona mahery ny sasany. Isan-karazany izy ireo, ka mila atao lisitra tsara mba ho hita rehefa ilaina.

Manamboatra sy manatsara: Amboarina na hatsaraina izay boky na zavatra mora potika, ary arovana mba tsy ho simba. Ampidirina ao anaty ordinatera, ohatra, ilay izy, raha lahatsoratra, na sary, na vaovao an-gazety, na filma, na zavatra noraisim-peo. Iny avy eo no ampiasaina, ka tsy atahorana ho simba ilay tena izy.

Mitahiry: Efa manana ny toerany avy ny zavatra rehetra, ary arovana tsara mba tsy ho very, na ho bobongolo, na ho simban’ny hazavana. Atao lisitra ao anaty ordinatera ny toerana misy an’ireny lovantsika sarobidy ireny, mba ho mora ny mitady azy.

[Sary, pejy 32]

1. Peta-drindrina milaza ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” 2. Lisitr’ireo manao famandrihana gazety. 3. Fiara misy fanamafisam-peo. 4. Fonon’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1912. 5. Taratasy fanamelohana an’i J. Rutherford. 6. Mikrôn’ny radio WBBR. 7. Grafofaonina. 8. Fitondrana boky. 9. Fandraisana an-tsoratra. 10. Telegrama ho an’i J. Rutherford.