Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Amin’ny Fo Manontolo ny Sorona ho An’i Jehovah

Ataovy Amin’ny Fo Manontolo ny Sorona ho An’i Jehovah

“Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah.”—KOL. 3:23.

1-3. a) Ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ve midika fa tsy mitaky sorona amintsika intsony i Jehovah? Hazavao. b) Inona no fanontaniana mety ho tonga ao an-tsaintsika momba ny sorona ataontsika ankehitriny?

NAHARIHARIN’I Jehovah tamin’ny mpanompony, tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy manan-kery intsony ny Lalàn’i Mosesy rehefa novonoina i Jesosy mba ho sorom-panavotana. (Kol. 2:13, 14) Tsy nila nanao an’ireo sorona rehetra nataony nandritra ny taonjato maro ny Jiosy nanomboka teo. Nahavita ny asany ny Lalàna, dia ny hoe ho “mpitaiza” ka hitarika ny Israelita “ho amin’i Kristy.”—Gal. 3:24.

2 Tsy midika anefa izany hoe tsy manao sorona intsony ny Kristianina. Nilaza ny apostoly Petera fa ilaina ny ‘manolotra sorona ara-panahy ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.’ (1 Pet. 2:5) Nohazavain’i Paoly koa fa toy ny hoe manao “sorona” ny fiainany ho an’i Jehovah ny olona nanokan-tena ho azy, ka tafiditra amin’izany ny lafim-piainany manontolo na inona izany na inona.—Rom. 12:1.

3 Manao sorona ho an’i Jehovah àry ny Kristianina iray, rehefa manome zavatra ho azy, na rehefa mahafoy zavatra mba hanompoana azy. Ahoana anefa no hahazoantsika antoka fa eken’i Jehovah ny sorona ataontsika, rehefa dinihina ireo zavatra notakina tamin’ny Israelita?

EO AMIN’NY FIAINANA ANDAVANANDRO

4. Inona no tokony hotadidintsika momba ireo zavatra fanaontsika andavanandro?

4 Maro ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainana andavanandro, ohatra hoe manao raharaha ao an-trano, manao entimody, miasa, miantsena. Mety tsy ho hitanao izay ifandraisan’izany amin’ny hoe manao sorona ho an’i Jehovah. Raha nanokan-tena ho an’i Jehovah anefa ianao, na mieritreritra ny hanao an’izany tsy ho ela, dia tsara ny itadidianao fa misy vokany eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah ny zavatra ataonao andavanandro. Kristianina isika na andro na alina, ka ilaintsika ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Izany no nahatonga an’i Paoly hiteny hoe: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.”—Vakio ny Kolosianina 3:18-24.

5, 6. Inona no tokony hoeritreretintsika momba ny fitondran-tenantsika sy ny fomba fitafintsika andavanandro?

5 Marina fa tsy anisan’ny fanompoana masina ataontsika ireo zavatra ataontsika andavanandro. Mampieritreritra anefa ilay tenin’i Paoly hoe “ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah.” Mampirisika antsika izany mba hieritreritra hoe ahoana no hitondrantsika ny fiainantsika manontolo. Azontsika dinihina, ohatra, hoe tsara fitondran-tena foana ve isika isan’andro, ary manao fitafiana mendrika? Sa ve menatra isika mampahafantatra ny tenantsika hoe Vavolombelon’i Jehovah, rehefa manao an’ireo asa andavanandro, satria isika manao fitafiana tsy mendrika na tsy mitondra tena tsara? Tsy tokony hitranga mihitsy izany! Tsy tiantsika ny hanao zavatra manala baraka ny anaran’i Jehovah.—Isaia 43:10; 2 Kor. 6:3, 4, 9.

6 Irintsika ny hanao zavatra “amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah”, ka hodinihintsika hoe inona no vokatr’izany eo amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainantsika. Eo am-pandinihana izany, dia tadidio fa ny tsara indrindra no tsy maintsy nomen’ny Israelita ho an’i Jehovah, rehefa nanao sorona izy ireo.—Eks. 23:19.

EO AMIN’NY FANAPAHAN-KEVITRA RAISINTSIKA

7. Inona no nampanantenaintsika an’i Jehovah tamintsika nanokan-tena ho azy?

7 Nanao fanapahan-kevitra tena tsara ianao tamin’ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah. Nampanantena ianao hoe omenao azy ny fiainanao manontolo. Inona no dikan’izany? Midika izany hoe ny sitrapon’i Jehovah no hataonao voalohany, eo amin’izay rehetra ataonao. (Vakio ny Hebreo 10:7.) Tsy isalasalana fa voamarikao hoe tsara ny vokany, rehefa nitady ny toro lalan’i Jehovah ianao teo amin’ny zavatra nataonao ary niezaka hanaraka an’ilay izy avy eo. (Isaia 48:17, 18) Masina isika vahoakan’i Jehovah, sady falifaly foana, satria manahaka an’i Jehovah, ilay Mpampianatra antsika.—Lev. 11:44; 1 Tim. 1:11.

8. Inona no tokony hataontsika, raha mitadidy isika hoe masina ny sorona nataon’ny Israelita?

8 Masina ireo sorona nataon’ny Israelita ho an’i Jehovah. (Lev. 6:25; 7:1) Ny teny hebreo nadika hoe “masina” dia midika hoe tafasaraka, voatokana ho an’i Jehovah irery ihany. Tokony hohalavirintsika àry izay zavatra rehetra maloto eto amin’ity tontolo ity, raha tiantsika hankasitraka ny sorona ataontsika i Jehovah. Tsy tokony ho tiantsika ny zavatra halan’i Jehovah. (Vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Midika izany hoe mila halavirintsika ireo olona na zavatra mety hahatonga antsika tsy hadio eo anatrehan’Andriamanitra. (Isaia 2:4; Apok. 18:4) Midika koa izany hoe tsy tokony hijery zavatra misy fitondran-tena maloto isika, na hieritreritra zava-dratsy toy izany.—Kol. 3:5, 6.

9. Nahoana no tena zava-dehibe ny fomba itondrantsika ny hafa?

9 Misy zavatra hafa koa anefa mila ataontsika. Hoy i Paoly: “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Heb. 13:16) Manao sorona ankasitrahan’i Jehovah àry isika, rehefa manao ny tsara foana sy manampy ny hafa. Tia sy miahy ny hafa isika rehefa manao izany, ka hita hoe tena Kristianina.—Jaona 13:34, 35; Kol. 1:10.

LAFINY SAMIHAFA AMIN’NY FANOMPOANA

10, 11. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny asa fitoriana, ary inona no tokony ho vokatr’izany amintsika? Inona no takin’i Jehovah amintsika, ary tokony handrisika antsika hanao inona izany?

10 Manao soa ho an’ny hafa isika, rehefa ‘manambara ampahibemaso ny fanantenantsika.’ Manararaotra ny fotoana rehetra àry ve ianao mba hitoriana? Nilaza i Paoly fa anisan’ny “sorona fiderana” io asa tena lehibe io. Nilaza izy hoe manolotra “ny vokatry ny molotra” isika, rehefa ‘manao fanambarana ampahibemaso momba ny anaran’Andriamanitra.’ (Heb. 10:23; 13:15; Hosea 14:2) Marina fa ilaina ny mandinika ny habetsaky ny fotoana itoriantsika, sy manatsara ny fanompoantsika. Manampy antsika amin’izany ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Tokony hotadidintsika anefa fa amin’i Jehovah, dia “sorona fiderana” ny fanompoana eny amin’ny saha sy ny fitoriana tsy ara-potoana, ka tokony hanome ny tsara indrindra isika rehefa manao an’ireo. Tsy mitovy ny toe-javatra misy antsika, kanefa raha tena mankasitraka ny fanompoana an’i Jehovah isika, dia hisy vokany amin’ny habetsaky ny fotoana hitoriantsika izany.

11 Manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah foana isika, na ao an-trano, na eo anivon’ny fiangonana. I Jehovah mihitsy no mitaky an’izany. Marina fa tsy voatery mitandrina ny Sabata isika, na manao dia lavitra mba hanao an’ireo fety fanao tany Jerosalema. Andraisantsika lesona anefa ireny lalàna fahiny ireny. Mbola tian’i Jehovah hiato kely amin’ny asantsika andavanandro isika, mba hahafahantsika mianatra ny Teniny sy mivavaka ary manatrika fivoriana. Mila mitarika Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana koa ny raim-pianakaviana. (1 Tes. 5:17; Heb. 10:24, 25) Mila misaintsaina àry isika hoe: ‘Ahoana no azoko hanatsarana an’ireo lafiny samihafa amin’ny fanompoana ireo?’

12. a) Azo oharina amin’ny inona ny emboka manitra natolotra fahiny? b) Inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny vavaka ataontsika?

12 Hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Jehovah: “Enga anie ny vavaka ataoko ka ho voaomana tsara toy ny emboka manitra eo anatrehanao.” (Sal. 141:2) Tsara ny misaintsaina hoe impiry isika no mivavaka, ary inona no tena angatahintsika. Ampitahain’ny bokin’ny Apokalypsy amin’ny emboka manitra ny “vavaky ny olona masina.” Voalaza ao fa miakatra any amin’i Jehovah toy ny hanitra mamerovero sy mani-pofona ny vavaka ankasitrahany. (Apok. 5:8) Tsy maintsy nokarakaraina tsara ny emboka manitra natolotra teo amin’ny alitaran’i Jehovah, tamin’ny andron’ny Israely. Tsy neken’i Jehovah ilay izy, raha tsy nifanaraka tamin’ny toromarika nomeny. (Eks. 30:34-37; Lev. 10:1, 2) Toy izany koa fa hanaiky ny vavaka vokatry ny fo ataontsika i Jehovah, raha omanintsika tsara izay holazaintsika ary arahintsika ny toromarika omeny momba ny vavaka.

SADY MANOME ISIKA NO MANDRAY

13, 14. a) Inona no nataon’i Epafrodito sy ny fiangonana tany Filipy ho an’i Paoly, ary ahoana no fiheveran’i Paoly ny zavatra nataon’izy ireo? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Epafrodito sy ny Filipianina?

13 Toy ny sorona koa ny vola omentsika mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany, na betsaka izany na kely. (Mar. 12:41-44) Naniraka an’i Epafrodito nankany Roma ny fiangonana tao Filipy, tamin’ny taonjato voalohany, mba hikarakara izay nilain’i Paoly. Azo inoana fa nampitondra vola homena an’i Paoly izy ireo. Tsy vao voalohany io apostoly io no nampian’ireo Filipianina. Tsy tian’izy ireo ho sahirana amin’ny olana ara-bola i Paoly, mba hananany fotoana bebe kokoa hanompoana. Ahoana no fiheveran’i Paoly an’ilay fanomezana? Nilaza izy hoe “hanitra mamerovero sady sorona ankasitrahan’Andriamanitra” ilay fanomezana, ary “tena mahafaly” an’i Jehovah. (Vakio ny Filipianina 4:15-19.) Tena nankasitraka ny hatsaram-panahin’ireo Filipianina i Paoly, ary nankasitraka an’izany koa i Jehovah.

14 Tena ankasitrahan’i Jehovah koa ankehitriny ny fanomezana ataontsika mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. Mampanantena izy fa homeny izay ilaintsika isika, na eo amin’ny lafiny ara-nofo na ara-panahy, raha ataontsika loha laharana foana ny asan’ilay Fanjakana.—Mat. 6:33; Lioka 6:38.

ANKASITRAHO I JEHOVAH

15. Nahoana isika no tokony hisaotra an’i Jehovah?

15 Manana antony maro isaorana an’i Jehovah isika, ary tsy ho voatanisa eto daholo izany. Tsy tokony hisaotra azy ve isika isan’andro, noho izy manome aina antsika? Manome izay rehetra ilaintsika koa izy mba hahavelona antsika, ohatra hoe sakafo, fitafiana, fialofana, ary na dia ny rivotra iainantsika aza. Tsy velom-pisaorana an’i Jehovah koa ve isika, noho izy manome antsika fahalalana marina tsara, izay mahatonga antsika hanana finoana sy fanantenana? Tokony hanompo an’i Jehovah sy hanao sorona fiderana ho azy isika, noho izy namorona antsika sy manao soa be dia be ho antsika.—Vakio ny Apokalypsy 4:11.

16. Ahoana no hataontsika raha mankasitraka ny sorom-panavotan’i Kristy isika?

16 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa fanomezana tena sarobidy avy amin’Andriamanitra ny sorom-panavotan’i Kristy. Porofo izy io hoe tena tia antsika izy. (1 Jaona 4:10) Inona àry no tokony hataontsika ho setrin’izany? Hoy i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra ... Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.” (2 Kor. 5:14, 15) Te hilaza i Paoly hoe hampiasa ny fiainantsika isika mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ny Zanany, raha ankasitrahantsika izay nataon’Andriamanitra ho antsika. Maniry hitory sy hampianatra isika, raha tena tia sy mankasitraka azy ireo. Hankatò izay lazainy koa isika.—1 Tim. 2:3, 4; 1 Jaona 5:3.

17, 18. Ahoana no ataon’ny olona sasany mba hampitomboana ny sorona fiderana ataony? Manomeza ohatra.

17 Azonao hatsaraina ve ny sorona fiderana ataonao ho an’i Jehovah? Maro no nisaintsaina ny soa rehetra ataon’i Jehovah aminy, ka nandamina ny fotoanany sy ny asany, mba hahafahany mitory bebe kokoa na manao asa kristianina hafa. Misy, ohatra, manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, mandritra ny iray volana na volana maromaro isan-taona. Misy koa mirotsaka ho mpisava lalana maharitra. Ny hafa indray mandray anjara amin’ny fanorenana trano ampiasaina amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Fomba tena tsara azontsika ampisehoana fankasitrahana ireo. Anisan’ny fanompoana masina ireny asa ireny, ary ankasitrahan’i Jehovah raha tsara ny antony anaovantsika azy, izany hoe raha ataontsika mba hisaorana azy.

18 Maro no tena velom-pisaorana an’i Jehovah, ka nanao zavatra ho setrin’izany. Anisan’izany i Morena. Nanana fanontaniana maro momba an’Andriamanitra izy, ary te hahafantatra hoe inona no dikan’ny fiainana. Katolika izy, nefa tsy nahavaly an’izany ny fivavahany. Nianatra filozofia aziatika koa izy, nefa mbola tsy afa-po. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, vao voavaly ny fanontaniany. Tena velom-pisaorana an’i Jehovah i Morena, satria nanampy azy hahita ny tena fahasambarana ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Te hampiasa ny heriny rehetra izy mba hanompoana an’i Jehovah, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy avy hatrany taorian’ny batisany. Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra koa izy raha vao nety ny toe-javatra. Efa tamin’ny 30 taona lasa izany no nitranga, ary mbola manompo manontolo andro izy izao.

19. Inona no sorona azonao omena an’i Jehovah?

19 Marina aloha fa maro ny Kristianina tsy mivadika, tsy afaka mirotsaka ho mpisava lalana. Azontsika rehetra atao foana anefa ny manao sorona eken’i Jehovah. Afaka miezaka ho tsara fitondran-tena isika, ka manaraka tsara ny fitsipiky ny Baiboly, ary mitadidy fa solontenan’i Jehovah foana isika. Afaka miezaka hanana finoana koa isika, ka hatoky fa ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Afaka manao asa tsara koa isika, ka mandray anjara amin’ny fampielezana ny vaovao tsara. Ataovy amin’ny fo manontolo àry ny sorona ataonao ho an’i Jehovah, mba hampisehoanao fa mankasitraka ny zava-drehetra ataony ianao.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 25]

Tsy mandrisika anao hanatsara ny sorona fiderana ataonao ve ny fieritreretanao ny soa ataon’i Jehovah ho anao?

[Sary, pejy 23]

Manararaotra mitory ve ianao isaky ny misy hirika hanaovana izany?