Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Mahafinaritra sy Mahasoa Kokoa ny Fianaranao

Ataovy Mahafinaritra sy Mahasoa Kokoa ny Fianaranao

Ataovy Mahafinaritra sy Mahasoa Kokoa ny Fianaranao

Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fianarantsika Baiboly hahafinaritra sy hahasoa kokoa? Handray soa faran’izay betsaka isika, raha manaraka an’ireto dingana telo lehibe ireto:

1 MIVAVAKA: Io no dingana voalohany, satria anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny fianarana ny Teniny. (Sal. 42:8) Mila mangataka amin’i Jehovah isika mba hanokatra ny saintsika sy ny fontsika, ary hanome antsika ny fanahy masina. (Lioka 11:13) Hoy i Barbara, misionera efa ela: “Mivavaka foana aho isaky ny hamaky na hianatra Baiboly. Tsapako avy eo hoe manampy ahy i Jehovah, sady mankasitraka ny fianarana ataoko.” Rehefa mivavaka isika alohan’ny hianatra, dia manjary misokatra tsara ny saintsika sy ny fontsika, ka vonona handray ny sakafo ara-panahy be dia be omena antsika.

2 MISAINTSAINA: Tery ny fotoana, ka lasa mamaky Baiboly fotsiny ny olona sasany fa tsy mianatra tsara azy io. Matiantoka anefa izy ireo, satria mahasoa ny fianarana Baiboly. Efa nanompo an’i Jehovah 50 taona mahery i Carlos, ary tsapany fa mandray soa kokoa izy, rehefa manokana fotoana hisaintsainana. Hoy izy: “Nahenako izao ny vaky Baiboly ataoko. Pejy roa eo ho eo isan’andro no vakiko. Lasa manam-potoana kokoa aho hisaintsainana ny zavatra vakiko, ka mandray lesona tena lehibe.” (Sal. 77:12) Lasa mahalala kokoa ny sitrapon’Andriamanitra isika, rehefa maka fotoana hisaintsainana.—Kol. 1:9-11.

3 MAMPIHATRA: Mahasoa kokoa matetika ny zavatra iray, rehefa azo ampiharina eo amin’ny fiainana. Hoatr’izany mihitsy ny fianarana Baiboly. Hoy i Gabriel, rahalahy tanora mianatra Baiboly tsy tapaka: “Manampy ahy hiatrika ny olana mahazo ahy isan’andro ny fianarana Baiboly. Iezahako ampiharina eo amin’ny fiainako izay rehetra ianarako.” (Deot. 11:18; Jos. 1:8) Mahazo fahalalana be dia be avy amin’Andriamanitra isika, ary azo ampiharina izy ireny.—Ohab. 2:1-5.

FAMERENANA: Manana tombontsoa tokoa isika, satria afaka mandalina ny fahalalana avy amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny fahendrena rehetra! (Rom. 11:33) Rehefa hianatra Baiboly àry ianao amin’ny manaraka, dia mivavaha aloha amin’i Jehovah. Mangataha aminy mba hanokatra ny sainao sy ny fonao, ary hanome anao ny fanahy masina. Mijanòna kely eny anelanelan’ny fianarana, ary saintsaino izay vakinao. Ampiharo eo amin’ny fiainanao andavanandro izay ianaranao. Raha manao an’ireo ianao, dia ho hitanao fa tena hahafinaritra sy hahasoa anao ny fianaranao Baiboly.