Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miambena Foana toa An’ireo Apostoly

Miambena Foana toa An’ireo Apostoly

‘Miambena foana.’—MAT. 26:41.

1-3. Inona no mampiseho fa tsy niambina ny apostoly? Ahoana no ahalalantsika fa nandray lesona tamin’ny fahadisoany izy ireo?

ERITRERETO izay nitranga tamin’ny alina farany niainan’i Jesosy teto an-tany. Niaraka tamin’ireo apostoliny tsy nivadika izy, ary nankany amin’ilay toerana tena tiany, dia ny zaridainan’i Getsemane. Any atsinanan’i Jerosalema izy io. Betsaka ny zavatra nampiady saina azy tamin’izay, ka nila nitokana izy mba hivavaka.—Mat. 26:36; Jaona 18:1, 2.

2 Nitsofoka kokoa tao amin’ilay zaridaina izy, niaraka tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona. Niteny tamin’izy ireo izy hoe: “Mijanòna eto ka miaraha miari-tory amiko.” Nihataka kely izy avy eo mba hivavaka. Hitany natory anefa ireo namany ireo rehefa niverina izy, ka niangavy indray izy hoe: ‘Miambena foana.’ Mbola natory indroa anefa izy ireo taorian’izay! Nandroso nihalina ihany ny andro, ary hita fa ny apostoly rehetra mihitsy no tsy vonona hiatrika izay hitranga. Tsy niambina izy ireo. Nandao an’i Jesosy mihitsy aza izy ireo, ka nandositra.—Mat. 26:38, 41, 56.

3 Azo antoka fa nanenina ireo lehilahy tsy nivadika ireo, ary nandray lesona tamin’ny fahadisoany. Voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa niambina tsara foana izy ireo taorian’izay, ary nanahaka azy ireo koa ny Kristianina hafa. Ary ahoana ny amintsika? Vao mainka mila miambina hatrany isika ankehitriny. (Mat. 24:42) Handinika lesona telo ao amin’ny Asan’ny Apostoly isika izao, izay hanampy antsika hiambina hatrany.

NANARAKA NY TARI-DALANA MOMBA NY FARITANY HITORIANA IZY IREO

4, 5. Ahoana no nitarihan’ny fanahy masina an’i Paoly sy ny namany?

4 Voalohany, nanaraka an’izay tari-dalana nomena momba ny faritany hitoriana ireo apostoly. Izany no nitranga nandritra ny dia iray tena niavaka nataon’ny apostoly Paoly sy ny namany. Nampiasa ny fanahy masina nomen’i Jehovah azy i Jesosy tamin’izay, mba hitarihana azy ireo. (Asa. 2:33) Hodinihintsika izay nitranga.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:6-10.

5 Niainga tao Lystra, any amin’ny faritra atsimon’i Galatia, i Paoly sy Silasy ary Timoty, ka tonga teo amin’ny lalambe romanina iray rehefa afaka andro vitsivitsy. Io no lalana miankandrefana mankany amin’ny toerana be mponina indrindra tany Azia. Nikasa handeha tamin’io lalana io izy ireo, satria nisy olona an’arivony nila nandre momba an’i Kristy tany. Nisy zavatra nanakana azy ireo anefa. Hoy ny andininy faha-6: ‘Tsy navelan’ny fanahy masina hitory tany amin’ny faritr’i Azia izy ireo, ka nandeha nitety an’i Frijia sy ny faritr’i Galatia.’ Tsy hay hoe ahoana no fomba nisakanana azy ireo, fa dia nosakanan’ny fanahy masina izy ireo. Azo antoka fa te hitarika an-dry Paoly ho any an-toeran-kafa i Jesosy, ka nampiasa ny fanahin’Andriamanitra.

6, 7. a) Inona no nitranga, rehefa nanakaiky an’i Bitynia i Paoly sy ny namany? b) Inona no nataon-dry Paoly taorian’izay, ary inona no vokatr’izany?

6 Ho aiza àry ireo mpitory mazoto ireo, rehefa tsy navela ho any Azia? Nianavaratra izy ireo, ary nikasa hitory tany Bitynia. Rehefa nanakaiky an’i Bitynia anefa izy ireo, dia nampiasa ny fanahy masina indray i Jesosy mba hanakanana azy ireo. Hoy ny andininy faha-7: “Rehefa nidina tany Mysia izy ireo, dia niezaka hankany Bitynia, kanefa tsy navelan’ny fanahin’i Jesosy.” Azo antoka fa gaga ry Paoly noho izany. Fantany ny hafatra hotorina sy ny fomba hitoriana, nefa tsy fantany hoe aiza izy no hitory. Toy ny hoe nandondòna varavarana hahafahana hankany Azia izy ireo, nefa tsy navela. Nandondòna varavarana ho any Bitynia indray izy ireo, nefa mbola tsy navela ihany. Tsy handondòna intsony àry ve izy ireo? Mbola nandondòna foana ireo mpitory mazoto ireo!

7 Nanao zavatra somary hafahafa izy ireo taorian’izay. Hoy ny andininy faha-8: “Nolalovany fotsiny i Mysia, ka nidina nankany Troasy izy ireo.” Midika izany hoe nandeha 550 kilaometatra teo ho eo niankandrefana izy ireo, ka nolalovany fotsiny ny tanàna teny an-dalana, mandra-pahatongany tany amin’ny seranan’i Troasy. Io seranana io no nahafahana nankany Makedonia. Nandondòna fanintelony i Paoly teo, ary io fa nivoha nidanadana ny varavarana. Hoy ny andininy faha-9: “Nisy fahitana hitan’i Paoly tamin’ny alina, dia lehilahy makedonianina anankiray nijoro ka niangavy azy hoe: ‘Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.’ ” Fantatr’i Paoly ihany tamin’ny farany hoe aiza izy no hitory. Avy hatrany dia nandray sambo nankany Makedonia ry zareo.

8, 9. Inona no ianarantsika avy amin’ny dia nataon’i Paoly?

8 Inona no ianarantsika avy amin’io fitantarana io? Mariho fa efa niainga ho any Azia i Paoly, vao nanao zavatra ny fanahy masina. Efa nanakaiky an’i Bitynia i Paoly, vao nanome toromarika azy i Jesosy. Ary efa tonga tao Troasy i Paoly, vao nitarika azy ho any Makedonia i Jesosy. Mety hanao toy izany amintsika koa i Jesosy, Lohan’ny fiangonana. (Kol. 1:18) Eritrereto, ohatra, hoe te hirotsaka ho mpisava lalana, na hanitatra faritany ianao. Mety tsy hampiasa ny fanahy masina anefa i Jesosy mba hitarihana anao, raha tsy efa tena manao zavatra ianao mba hanatratrarana ny tanjonao. Nahoana? Diniho izao: Rehefa mandeha ihany ny fiara vao azon’ny mpamily entina miankavia na miankavanana. Toy izany koa rehefa mikasa hanitatra fanompoana isika. Mety tsy hitarika antsika i Jesosy, raha tsy efa manao zavatra isika ka miezaka hanatratra ny tanjontsika.

9 Ahoana anefa raha tsy tonga dia mahomby ny ezaka ataonao? Ho kivy ve ianao ka hanatsoaka hevitra fa tsy mitarika anao ny fanahin’Andriamanitra? Tadidio fa tojo vato misakana koa i Paoly. Tsy nitsahatra nikaroka sy nandondòna anefa izy, mandra-pahitany varavarana nisokatra. Hovalian-tsoa koa ianao raha tsy mitsahatra mikaroka, mandra-pahitanao ‘varavarana lehibe misokatra ho amin’ny asa.’—1 Kor. 16:9.

MAILO IZY IREO KA TSY NANAO TSIRAMBINA NY VAVAKA

10. Inona no mampiseho fa mila mivavaka foana isika raha te hiambina hatrany?

10 Faharoa, mailo ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ka tsy nanao tsirambina ny vavaka. (1 Pet. 4:7) Tena ilaina ny mivavaka raha te hiambina hatrany. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ireo apostoly telo, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane: “Miambena sy mivavaha foana.”Mat. 26:41.

11, 12. Nahoana i Heroda no nampijaly ny Kristianina, anisan’izany i Petera? Ary ahoana no fomba nampijaliany azy ireo?

11 Teo i Petera tamin’io fotoana io, ary tsapany tatỳ aoriana fa mahery tokoa ny vavaka. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:1-6.) Hitantsika eo am-piandohan’ny Asan’ny Apostoly toko faha-⁠12 fa nanomboka nampijaly ny Kristianina i Heroda, mba hahazoana sitraka tamin’ny Jiosy. Angamba fantatr’i Heroda hoe apostoly i Jakoba sady tena akaiky an’i Jesosy, ka nasainy novonoina “tamin’ny sabatra.” (Andininy faha-2) Namoy apostoly tena tiany ny fiangonana tamin’izay, ary fitsapana mafy ho azy ireo izany!

12 Tsy nijanona teo anefa ilay mpanao politika tena fetsy. Hoy ny andininy faha-3: “Hitany fa nahafaly ny Jiosy izany, ka nosamboriny koa i Petera.” Efa nisy apostoly anefa afaka tao am-ponja tamin’ny fomba mahagaga, ary anisan’izany i Petera. (Asa. 5:17-20) Fantatr’i Heroda angamba izany, ka tsy nasiany hirika hahafahan’io apostoly io handositra. Rehefa voasambotra àry i Petera, dia natolony ‘mba hambenan’ny antoko-miaramila efatra nifandimby, izay nisy miaramila efatra avy. Nikasa hampiseho an’i Petera tamin’ny vahoaka mantsy izy taorian’ny Paska.’ (Andininy faha-4) Eritrereto ange e! Nasain’i Heroda nofatorana rojo vy teo anelanelan’ny mpiambina roa i Petera. Mpiambina 16 no nifandimby niambina azy andro aman’alina, mba tsy hahafahany hitsoaka. Tian’i Heroda haseho vahoaka izy taorian’ny Paska, ary hovonoina mba hampifaliana ny vahoaka. Inona no azon’ny mpiray finoana natao, tamin’izany zava-tsarotra izany?

13, 14. a) Inona no nataon’ny fiangonana rehefa nogadraina i Petera? b) Inona no ianarantsika avy amin’ireo mpiray finoana tamin’i Petera?

13 Nahafantatra tsara ny tokony hatao ny fiangonana. Hoy ny andininy faha-5: “Notanana am-ponja i Petera, fa ny fiangonana kosa naharitra nivavaka mafy tamin’Andriamanitra ho azy.” Nivavaka mafy tamin’ny fony manontolo, ho an’ilay rahalahy tena tiany, izy ireo. Tsy nampamoy fo azy ireo ny nahafatesan’i Jakoba, ary tsy nahatonga azy ireo hihevitra hoe tsy manan-kery ny vavaka. Fantatr’izy ireo kosa fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny vavaka ataon’ny mpanompony tsy mivadika. Mamaly ny vavaka toy izany i Jehovah, rehefa hitany hoe mifanaraka amin’ny sitrapony.—Heb. 13:18, 19; Jak. 5:16.

14 Inona no ianarantsika avy amin’ireo mpiray finoana tamin’i Petera? Tsy mivavaka ho an’ny tenantsika fotsiny isika, raha miambina hatrany, fa mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika koa. (Efes. 6:18) Misy mpiray finoana ve fantatrao hoe miaritra ny mafy? Enjehina angamba izy, na voarara ny fitoriana ao amin’ny taniny, na tratran’ny loza voajanahary ny faritra misy azy. Nahoana raha mivavaka amin’ny fo manontolo ho azy ireo? Mety ho tsy dia miharihary be anefa ny olana manjo ny sasany. Manana olana ara-pianakaviana angamba izy ireo, na kivy, na marary. Nahoana raha manonona anaran’olona voafaritra tsara, rehefa mivavaka amin’ilay Andriamanitra “Mpihaino vavaka”?—Sal. 65:2.

15, 16. a) Ahoana no nanafahan’ny anjely an’i Petera? (Jereo ny sary eo ambany.) b) Nahoana no mampahery ny mieritreritra ny fomba nanafahan’i Jehovah an’i Petera?

15 Nanao ahoana kosa i Petera? Nisy zava-mahagaga nitranga tamin’ny alina farany nijanonany tao am-ponja. Natory teo anelanelan’ny mpiambina roa izy tamin’izay. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 12:7-11.) Nisy hazavana nanjelanjelatra tampoka tao amin’ilay efitra nisy azy. Nisy anjely nijoro teo, nefa tsy hitan’ireo mpiambina. Nofohaziny haingana i Petera, ary nilatsaka ho azy ny rojo vy namatotra ny tanany! Nitondra azy nivoaka ilay anjely, nandalo an’ireo mpiambina teo ivelany, ary nivoaka an’ilay vavahady vy lehibe, izay “nisokatra ho azy.” Nanjavona ilay anjely raha vao tafavoaka ny fonja izy. Afaka i Petera!

16 Tsy manatanjaka ny finoantsika ve ny mieritreritra hoe manana hery tsy voafetra i Jehovah mba hamonjena ny mpanompony? Marina fa tsy manantena isika hoe hanafaka ny mpanompony amin’ny fomba mahagaga i Jehovah ankehitriny. Mino tanteraka anefa isika fa mampiasa ny heriny mba hanampiana ny vahoakany izy. (2 Tan. 16:9) Tena mahery ny fanahy masina, ary afaka mampiasa azy io i Jehovah mba hanampiana antsika hiatrika fitsapana, na inona izany na inona. (2 Kor. 4:7; 2 Pet. 2:9) Tsy ho ela koa i Jehovah dia hanome hery ny Zanany, mba hanafahana an’ireo olona an-tapitrisany voagadra ao amin’ny fahafatesana. (Jaona 5:28, 29) Ho be herim-po isika, ka ho afaka hiatrika fitsapana, rehefa mino ny fampanantenan’i Jehovah.

TSY NITSAHATRA NITORY IZY IREO NA DIA NISY VATO MISAKANA AZA

17. Inona no mampiseho fa namela ohatra miavaka i Paoly teo amin’ny fitoriana?

17 Inona no lesona fahatelo ianarantsika avy amin’ny apostoly? Tsy nitsahatra nitory izy ireo, na dia nisy vato misakana aza. Tokony hazoto hitory isika raha te hiambina hatrany, sady mila mahatsapa fa tena maika ny asa fitoriana. Ohatra niavaka tamin’izany ny apostoly Paoly. Nazoto sy niezaka mafy izy, ary nanao dia lavitra sy nanorina fiangonana maro. Niaritra fitsapana be dia be izy, nefa tsy nihena mihitsy ny zotom-pony, ary tsy hadinony mihitsy fa maika ny asa fitoriana.—2 Kor. 11:23-29.

18. Ahoana no nataon’i Paoly mba hitoriana foana, tamin’izy nigadra tany Roma?

18 Hodinihintsika ny resaka farany momba an’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly, araka ny voalazan’ny toko faha-28. Tonga tao Roma izy, ary hiseho eo anatrehan’i Néron, mpanjaka romanina. Notanana am-ponja izy, ary angamba nofatorana rojo vy tamin’ny mpiambina azy. Tsy nahasakana azy tsy hitory anefa ny rojo vy! Nitady fomba hitoriana foana izy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 28:17, 23, 24.) Nampiantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy tao Roma izy, telo andro taorian’ny nahatongavany, ary nitory tamin’izy ireo. Mbola nitory tamin’ny Jiosy maro kokoa izy taorian’izay. Milaza ny andininy faha-23 fa “nanome fotoana an’i Paoly” ireo lohandohan’ny Jiosy, “ka maro kokoa no tonga tao an-tranony.” Nitory tamin’izy ireo i Paoly nanomboka tamin’ny maraina ka hatramin’ny hariva. ‘Nohazavainy ilay raharaha, ka sady nanazava tsara [izany hoe nitory tamin’ny fomba feno] momba ny fanjakan’Andriamanitra izy, no nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesosy, avy tamin’ny lalàn’i Mosesy sy tamin’ny Mpaminany.’

19, 20. a) Nahoana no tena nahomby ny fitorian’i Paoly? b) Ahoana no nataon’i Paoly rehefa hitany hoe tsy ny olona rehetra no nandray ny vaovao tsara?

19 Nahoana no tena nahomby ny fitorian’i Paoly? Misy antony maromaro eo amin’ny andininy faha-23: 1) Nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy momba an’i Jesosy Kristy izy. 2) Niezaka “nandresy lahatra” an’ireo mpihaino azy izy. 3) Nampiasa ny Soratra Masina izy mba hampisaintsainana ny olona. 4) Nahafoy tena izy, satria nitory “nanomboka tamin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.” Tena nahay nandresy lahatra i Paoly rehefa nitory, nefa tsy ny rehetra no nandray. Milaza ny andininy faha-24 fa ‘nino izay voalazany ny olona sasany, fa ny sasany kosa tsy nino.’ Tsy nifanara-kevitra ny olona, ka niala tsikelikely.

20 Kivy ve i Paoly satria tsy ny rehetra no nandray ny vaovao tsara? Tsy izany mihitsy! Hoy ny Asan’ny Apostoly 28:30, 31: ‘Nipetraka roa taona ngarangidina tao amin’ny trano nohofany i Paoly, ary nandray tsara an’izay rehetra tonga tao aminy. Nitory ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo izy, ary nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamim-pahasahiana, sady tsy nisy fanakantsakanana.’ Ireo teny mampahery ireo no mamarana ny Asan’ny Apostoly.

21. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly?

21 Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly? Nambenana tao amin’ny trano iray izy, ka tsy afaka nitory isan-trano. Nanana toe-tsaina tsara foana anefa izy, ka nitory tamin’izay tonga tao aminy. Maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra koa ankehitriny no faly foana ka tsy mitsahatra mitory, na dia gadraina tsy ara-drariny noho ny finoany aza. Tsy afaka mivoaka ny trano koa ny rahalahy sy anabavy sasany, na angamba mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra, satria marary na efa be taona. Manao araka izay vitany anefa izy ireo, ka mitory amin’ny dokotera sy ny mpitsidika ary izay olona mankao aminy. Tena tian’izy ireny ny mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Ankasitrahantsika tokoa ny ohatra tsara avelan’izy ireny!

22. a) Ahoana no andraisantsika soa amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly? (Jereo ny efajoro etsy ambony.) b) Tapa-kevitra hanao inona ianao, eo am-piandrasana ny faran’ity tontolo ity?

22 Niana-javatra betsaka momba ny hoe miambina hatrany isika, rehefa nandinika ny tantaran’ireo apostoly sy Kristianina hafa, voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Aoka isika ho tapa-kevitra hanahaka azy ireo, ka hazoto sy ho sahy hitory foana, eo am-piandrasana ny faran’ity tontolo ity. Tsy misy tombontsoa lehibe noho ny hoe ‘mitory amin’ny fomba feno’ ny Fanjakan’Andriamanitra!—Asa. 28:23, fanamarihana ambany pejy.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 13]

‘LASA MAZAVA KOKOA AMIKO NY VOALAZAN’NY ASAN’NY APOSTOLY’

Nilaza toy izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, rehefa avy namaky ny boky ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’: “Tena faly aho nahazo an’io boky io. Lasa mazava kokoa amiko izao ny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Efa imbetsaka aho no namaky azy io taloha, nefa tsy azoko tsara. Tsapako hoe mandray soa kokoa aho izao rehefa mamaky azy io.”

[Sary, pejy 12]

Nitarika an’i Petera hivoaka an’ilay vavahady vy lehibe ny anjely