Nohatsaraina Ity Gazetintsika Ity!
Nohatsaraina Ity Gazetintsika Ity!
Novana ny endrik’ity gazety ity mba hahafinaritra anao kokoa ny mijery azy, sady mba ho mora aminao ny mianatra an’ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’i Jehovah.—Sal. 1:2; 119:97.
Efa efa-taona izao no nisy Tilikambo Fiambenana karazany roa. Ny iray ho an’ny besinimaro, fa ny iray kosa ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny mpianatra efa mandroso.
Hoy ny rahalahy iray efa ela, tamin’ny vao nivoaka ny gazety fianarana: “Tsara be ilay gazety sady mampisaintsaina. Nanohina ny foko ny fomba anazavany an’ireo fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly. Misaotra betsaka fa tena tsara ilay izy.” Hoy ny rahalahy iray hafa: “Tsy andriko izay hamakiana ny gazety fianarana. Ianarako tsara izay gazety tonga, sady mampiasa ny Baiboliko aho rehefa manao izany.” Mino izahay fa mahatsapa toy izany koa ianao.
Tsy ho nahavita namoaka ny gazety Tilikambo Fiambenana isika, raha tsy teo ny fanahin’i Jehovah sy ny fitahiany. Efa tamin’ny 1879 mantsy io gazety io no nivoaka voalohany, nefa mbola misy hatramin’izao. (Zak. 4:6) Efa niova imbetsaka ny fonony nandritra izay 133 taona izay, ary novana indray izany tamin’ity taona ity. Nasiana sarina olona mitory eo amin’ny fonony, mba hampahatsiahivana antsika fa nirahin’i Jehovah hitory momba ilay Fanjakany isika. (Asa. 28:23) Sary namboarina izy io, fa ao amin’ny pejy 2 ny sary tena izy sy ny fanazavana hoe inona no ataon’ilay mpitory sy ny toerana misy azy. Hiova foana ireo sary, mba hampahatsiahy antsika fa mitory ny vaovao tsara “maneran-tany” ny vahoakan’i Jehovah.—Mat. 24:14.
Nisy zavatra hafa koa niova. Nafindra eo am-piandohan’ny lahatsoratra fianarana ny fanontaniana famerenana, ka ho hitanao avy hatrany ny hevi-dehibe tokony hotadiavinao rehefa mamaky sy manomana ianao. Toy ny hatramin’izay ihany anefa, dia tokony hametraka an’ireo fanontaniana ireo ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, isaky ny vita ny fianarana. Nohalehibeazina koa ny nomeraon’ny fehintsoratra mba ho mora hita kokoa.
Hazavaina ao amin’ny faran’ity gazety ity fa hisy lahatsoratra vaovao hoe “Fantaro ny Tantarantsika” amin’ny gazety fianarana. Hiresaka an’izay zavatra niavaka teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah io lahatsoratra io. Ho hitanao tsindraindray ato koa ny lahatsoratra vaovao iray hoe “Nahafoy Tena Izy Ireo.” Hotantaraina ao ny zavatra hitan’ireo rahalahy sy anabavy manitatra faritany, sy ny fifaliana tsapan’izy ireo.
Enga anie ka hahafinaritra anao ny hianatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ity gazety ity.
Ny Mpampanonta
[Sary, pejy 3]
1879
[Sary, pejy 3]
1895
[Sary, pejy 3]
1931
[Sary, pejy 3]
1950
[Sary, pejy 3]
1974
[Sary, pejy 3]
2008