Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Herim-po Izy Ireo Rehefa Nitory

Be Herim-po Izy Ireo Rehefa Nitory

Be Herim-po Izy Ireo Rehefa Nitory

Be herim-po ny tena Kristianina rehefa misy fanoherana, araka ny hita ao amin’ny boky ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’ sy ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Miantehitra amin’i Jehovah, toa an’ireo Kristianina voalohany, isika, ka mivavaka mba hahazo fanahy masina sy ho sahy hitory foana.—Asa. 4:23-31.

Hoy ny rahalahy iray, momba ny fitoriana nandritra ny Ady Lehibe I: “Nazoto be ny mpitory nizara an’ilay boky hoe Ilay Mistery Fantatra. Io no fahafito amin’ireo boky mitondra ny lohateny hoe Fianarana ny Soratra Masina. Mbola tsy nisy boky niely be hoatr’izany hatramin’izay! Nivoaka tamin’ny 1918 ilay taratasy mivalona hoe Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 1. Nivoaka tatỳ aoriana ny laharana faha-2, izay nanazava hoe nahoana no noraran’ny manam-pahefana ilay boky Mistery Fantatra. Mbola nivoaka koa ny laharana faha-3 taorian’izay. Nizara an’ireny boky sy taratasy mivalona ireny hatraiza hatraiza ireo voahosotra tsy nivadika. Tsy maintsy nanana finoana matanjaka sy be herim-po izy ireo mba hamoahana an’ilay taratasy mivalona.”

Ampiofanina ny mpitory vaovao ankehitriny, kanefa tsy toy izany foana taloha. Hoy ny rahalahy poloney iray any Etazonia, nitantara ny fotoana nitoriany voalohany tamin’ny 1922: “Nandeha irery aho tamin’izay, ary nandondòna teo am-baravaran’ny dokotera iray. Izaho amin’io sady tsy mahay mametraka boky sy gazety, no zara raha mahay teny anglisy! Mpitsabo mpanampy no nanokatra ny varavarana. Mbola tadidiko foana ilay izy, satria natahotra aho sady taitaitra be. Vao nosokafako ny kitapoko, dia nilatsaka teo an-tongotr’ilay olona ny boky rehetra. Tsy tsaroako intsony izay noteneniko, fa dia nandray boky izy. Lasa nanana herim-po anefa aho, ary tsapako hoe notahin’i Jehovah. Nahapetraka bokikely be dia be teo amin’ilay faritra be toeram-piasana aho, tamin’iny andro iny.”

Nilaza ny anabavy iray fa maro tamin’izy ireo no nampiasa fiara misy fanamafisam-peo, tamin’ny 1933 tany ho any, rehefa nitory. Nitory tany amin’ny faritra be tendrombohitra tany Kalifornia, any Etazonia, izy sy ny mpivady iray, indray mandeha. Hoy izy: “Izahay roa vavy nijanona tao an-tanàna, fa ilay ranadahy nitondra an’ilay fiara teny an-tendrombohitra, ary nandefa an’ilay hafatra noraisim-peo. Hoatran’ny hoe avy any an-danitra ilay feo! Notadiavin’ny olona ny fiavian’ilay feo, nefa tsy hitany. Rehefa tapitra ilay hafatra, dia nandeha nitety trano izahay ary nitory. Efa nisy fotoana roa hafa koa niarahako nitory tamin’ny mpitory nampiasa fiara, ka hitako hoe tsy te hihaino ny ankamaroan’ny olona fa voatery, satria nanakoako tao an-tranony ilay izy. Tsapanay tamin’izany hoe ataon’i Jehovah foana izay hahitan’ireo mpitory fomba fitory mety tsara, amin’ny fotoana mety tsara. Marina fa nitaky herim-po ny fampiasana fiara misy fanamafisam-peo, kanefa nety tamin’ny nilana azy, ary nanome voninahitra an’i Jehovah.”

Grafofaonina indray no nampiasaina, teo anelanelan’ny 1930 sy 1940 tany ho any. Hoy ny anabavy iray: “Nitory isan-trano ny rahavavy tanora iray, indray mandeha. Nisy lehilahy tao amin’ny trano iray, ary niresaka taminy teo am-baravarana ilay rahavavy. Rehefa nanomboka nandefa an’ilay lahateny tamin’ny grafofaonina anefa izy, dia tezitra be ilay lehilahy ary nodakany ilay grafofaonina ka nipitika. Tsy nisy potika anefa ny diska tao anatiny. Nahatazana ny zava-nitranga ny lehilahy telo nisakafo tao anaty kamiao. Nangataka hihaino an’ilay lahateny izy ireo, ary naka boky tamin’ilay anabavy. Nivadika ho fifaliana ilay zavatra nahasosotra teo.” Nitaky herim-po ny zava-tsarotra toy izany.

Hoy ihany ilay anabavy: “Tsaroako fa tamin’ny 1940 isika no nizara gazety voalohany teny an-dalana. Tadidiko koa anefa fa nilahatra teny amin’ny sisin’arabe ny mpitory talohan’izay, ka sady nizara taratasy mivalona no nitondra takelaka nisy soratra hoe ‘Fandrika sy Fanambakana ny Fivavahana’ sy hoe ‘Manompoa An’Andriamanitra sy Kristy Mpanjaka.’ Tsy maintsy be herim-po ianao vao mahavita an’izany. Tena tsara anefa ilay izy, satria nanasongadina ny anaran’i Jehovah sy ny vahoakany.”

Hoy koa ny anabavy iray: “Rehefa nizara gazety teny amin’ny tanàna kely izahay no tena nisy nanohitra. ... Nijoro teny an-joron-dalana mantsy izahay, ka sady nitazona an’ilay gazety, no niantsoantso namerina an’izay teny efa asaina tenenina. Raha tsy be herim-po tsy mahavita an’izany! Nandeha foana anefa izahay isaky ny asabotsy. Sendra olona sariaka izahay indraindray, fa tojo vahoaka romotra indraindray, ka voatery miala tsimoramora sao rotahan’ny olona.”

Mafy ny fanenjehana nandritra ny Ady Lehibe II (1939-1945), kanefa be herim-po foana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy ezaka manokana natao tany Etazonia, nanomboka ny 1 Desambra 1940 hatramin’ny 12 Janoary 1941. Mpitory 50 000 teo ho eo no nandray anjara, ary bokikely efa ho valo tapitrisa no voazara.

Maro ny mpanompon’i Jehovah efa ela, mahatadidy fa niatrika olana izy ireo taloha, ka nila herim-po. Nanana teny filamatra mihitsy izy ireo nampiseho izany herim-pony izany, dia ilay hoe: Tsy hanaiky ho resy isika fa hitory foana! Mbola tsy fantatsika hoe ahoana no ho fomba fitorintsika alohan’ny hifaranan’ity tontolo ity. Hanam-pinoana sy ho be herim-po foana anefa isika, noho ny fanampian’i Jehovah, ka tsy hitsahatra hitory.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Nila herim-po foana ny mpanompon’i Jehovah mba hitoriana momba ilay Fanjakana