Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Tantarantsika

“Lasa Voamariky ny Olona Aho”

“Lasa Voamariky ny Olona Aho”

Mpitory manontolo andro i Charlotte White. Gaga be ny olona tao Louisville, any Etazonia, rehefa nahita azy nitondra valizy misy kodiarana.

TAMIN’NY 1908 io no nitranga, ary vaovao tamin’ny olona ilay valizy. Tsy inona izy io fa valizy fitondrana an’ilay boky hoe Fiandohan’ny Arivo Taona (anglisy). Hoy ny Anabavy White: “Lasa voamariky ny olona aho tamin’ilay valizy, ary niresaka be momba an’ilay izy ry zareo.”

Mpianatra ny Baiboly no niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany, ary maro tamin’izy ireo no nahita ny fahamarinana tamin’ny alalan’ireo boky enina antsoina hoe Fiandohan’ny Arivo Taona. * Takatr’izy ireo fa tokony horesahiny amin’ny hafa ny fahamarinana sarobidy nianarany, ka nanao dia lavitra izy ireo nitety tanàna sy nankany ambanivohitra, mba hizara an’ireny boky ireny.

Nazoto nizara an’ireo boky ireo ny Anabavy White sy ny mpitory hafa, ary 1,65 dolara (3 300 ariary eo ho eo) no vidin’izy enina. Tsy tonga dia nomena ny olona anefa ny boky, fa noraisina an-tsoratra ny anaran’izay te hahazo. Amin’ny andro fandraisan-karama matetika no aterina ny boky. Vidin’ny fanaovana pirinty fotsiny anefa ilay vola, raha ny marina. Izany no nahatonga ny mpanohitra iray hitaraina hoe mora loatra ilay izy!

Tsaroan’i Malinda Keefer fa nahatratra 200 na 300 ny boky nohafaran’ny olona taminy isan-kerinandro. Maro be no te hahazo an’ilay izy, ka niteraka olana izany. Ny boky fahenina fotsiny no efa nisy 740 pejy! Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa “18 kilao no lanjan’ny boky 50”, ka “namizana be” ny nitondra an’ilay izy, indrindra fa ho an’ny anabavy.

Namorona valizy vaovao àry ny Rahalahy James Cole, mba hanamora ny fitondrana an’ireo boky. Azo asiana kodiarana izy io, ka asiana visy ny andaniny roa amin’ilay valizy rehefa hametaka azy. Tsy voatery nibata baoritra mavesatra intsony ny Rahalahy Cole, ka nananihany hoe: “Tsy tapaka intsony izao ny hatoko.” Nolazain’ny Rahalahy Cole tamin’ny fivoriambe tany Cincinnati, any Ohio, tamin’ny 1908, ny fisian’io valizy io, ka faly erỳ ny mpanatrika nandre an’ilay izy. Nisy bokotra vy ny andaniny roa amin’ilay vy mitsivalana, ary nisy soratra kely teo amin’ilay izy mba hampahafantarana fa valizy fitondrana ny boky Fiandohan’ny Arivo Taona izy io. Zaka tanan’ila ilay valizy feno boky, rehefa avy nizatra kely fotsiny ilay mpitory. Azo amboarina ny haavon’ilay valizy, ary afaka mandeha amin’ny lalana mikitoantoana izy io. Azo aforitra koa ilay kodiarana rehefa avy manompo, mba ho mora ny mitondra azy rehefa mandeha an-tongotra na mandeha bisy.

Nahazo an’ilay valizy maimaim-poana ny anabavy manompo manontolo andro, fa nandoa 2,50 dolara (5 000 ariary eo ho eo) kosa ny hafa. Tena nahay nitondra azy io ny Anabavy Keefer (sary eo ankavia). Afaka nitondra azy io tanan’ila izy, sady nitondra kitapo feno boky tamin’ny tanany ilany. Be olona liana tao amin’ny tanàna iray fitrandrahana arintany, tany Pennsylvanie, ka nivezivezy intelo na inefatra eo amin’ny tetezana iray izy ao anatin’ny iray andro, mba hanaterana an’ireo boky.

Namorona valizy misy kodiarana ny mpanamory fiaramanidina iray tamin’ny 1987, ary efa mahazatra ny mahita valizy toy ireny ankehitriny. Ireo mpianatra ny Baiboly mazoto anefa efa nampiasa azy ireny 100 taona lasa izay, ary faly erỳ izy ireo satria nanintona ny mason’ny olona rehefa nivezivezy namafy ny voan’ny fahamarinana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nantsoina hoe Fianarana ny Soratra Masina izy io tatỳ aoriana.

[Teny notsongaina, pejy 32]

Nivezivezy intelo na inefatra eo amin’ny tetezana iray ny Anabavy Keefer, ao anatin’ny iray andro, mba hanaterana an’ireo boky

[Teny notsongaina, pejy 32]

Tsy nanahirana intsony ny nitondra an’ireo boky