Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampisy Toe-tsaina Tsara eo Anivon’ny Fiangonana ve Ianao?

Mampisy Toe-tsaina Tsara eo Anivon’ny Fiangonana ve Ianao?

Mampisy Toe-tsaina Tsara eo Anivon’ny Fiangonana ve Ianao?

“Ho amin’ny toe-tsaina asehonareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompo!”—FIL. 4:23.

TADIAVO NY VALIN’IRETO:

Raha tiantsika hanana toe-tsaina tsara ny fiangonana, inona no azontsika atao rehefa any am-pivoriana, ary inona no azontsika atao ho an’ny mpiara-manompo?

Inona no soa azon’ny fiangonana, raha be zotom-po amin’ny fanompoana isika?

Inona no vokany eo amin’ny fiangonana, raha mitatitra momba ny fahotana lehibe isika?

1. Nahoana ny fiangonana tany Filipy sy Tyatira no nahazo teny fiderana?

NAHANTRA ireo Kristianina tany Filipy, nefa nalala-tanana ary naneho fitiavana tamin’ny mpiray finoana taminy. (Fil. 1:3-5, 9; 4:15, 16) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza tamin’izy ireo hoe: “Ho amin’ny toe-tsaina asehonareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompo!” (Fil. 4:23) Nanana toe-tsaina nitovy tamin’izany koa ireo Kristianina tany Tyatira, ka nidera azy ireo i Jesosy Kristy hoe: “Fantatro izay ataonao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa be kokoa noho ny tany aloha ny nataonao tatỳ aoriana.”—Apok. 2:19.

2. Inona no vokatry ny toe-tsaintsika eo amin’ny fiangonana misy antsika?

2 Samy manana ny toe-tsaina mampiavaka azy koa ny fiangonana ankehitriny. Be fitiavana, ohatra, ny fiangonana sasany. Ny hafa indray mazoto manohana ny asa fitoriana sy tia ny fanompoana manontolo andro. Mampiray saina sy mampahatanjaka ny fiangonana isika tsirairay, rehefa manana toe-tsaina tsara. (1 Kor. 1:10) Mifanohitra amin’izany kosa no hitranga raha tsy dia manana toe-tsaina tsara isika. Mety hanjary ho rendremana na ho matimaty ara-panahy ny fiangonana, na hilefitra amin’ny fanaovan-dratsy mihitsy aza. (1 Kor. 5:1; Apok. 3:15, 16) Manao ahoana àry ny fiangonana misy anao? Inona no azonao atao mba hanampiana ny fiangonanao hanana toe-tsaina tsara?

AMPIO HANANA TOE-TSAINA TSARA NY FIANGONANA

3, 4. Ahoana no azontsika ‘ankalazana an’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana’?

3 Hoy ny mpanao salamo: “Hankalaza anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho, ary eo anivon’ny olona maro be no hiderako anao.” (Sal. 35:18) Nidera an’i Jehovah teo anatrehan’ny mpiara-manompo taminy ilay mpanao salamo. Afaka mampiseho ny zotom-pontsika sy ny finoantsika koa isika, rehefa mamaly mandritra ny fivoriana isan-kerinandro, anisan’izany ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Tokony hieritreritra isika rehetra hoe: ‘Mamaly imbetsaka araka izay azo atao ve aho? Manomana tsara ve aho mba hanomezako valin-teny tsara?’ Tokony hieritreritra toy izao koa ny raim-pianakaviana: ‘Ampiako hanomana valin-teny ve ny zanako ary ampianariko hamaly amin’ny fomba fiteniny?’

4 Hoy koa i Davida mpanao salamo: “Tsy miovaova ny foko, Andriamanitra ô! Tsy miovaova ny foko. Hihira sy hanandra-peo hidera anao aho.” (Sal. 57:7) “Hihira sy hanandra-peo” ho an’i Jehovah koa isika, raha tsy miovaova ny fontsika, izany hoe tsy mivadika isika. Afaka manararaotra manao izany isika any am-pivoriana. Raha mbola tsy hainao àry ny hira sasany, nahoana raha mianatra azy ireny mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Enga anie isika ka ho tapa-kevitra ny ‘hihira ho an’i Jehovah mandritra ny androm-piainantsika, ary hihira fiderana ho azy raha mbola velona koa.’—Sal. 104:33.

5, 6. Ahoana no hampisehoantsika fa tia mandray vahiny sy malala-tanana isika? Inona no vokatr’izany eo amin’ny fiangonana?

5 Manampy ny fiangonana hifankatia koa isika, raha tia mandray vahiny. Hoy i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo: “Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy. Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny.” (Heb. 13:1, 2) Ahoana no ampisehoantsika hoe tia mandray vahiny isika? Azontsika asaina hisakafo ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, na ireo mpanompo manontolo andro eo anivon’ny fiangonana. Eritrereto koa ireo maty vady, fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, na ny olon-kafa. Handray soa izy ireo, raha asaintsika hisakafo, na hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amintsika.

6 Nilaza tamin’i Timoty i Paoly mba hampirisika ny hafa “hanao soa, sy hanan-karena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ho vonon-kizara, ka hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.” (1 Tim. 6:17-19) Nampirisihin’i Paoly halala-tanana ny mpiray finoana taminy. Afaka ny halala-tanana koa isika, na dia sarotra aza ny fiainana. Mety hisy mpiara-manompo, ohatra, hitantsika hoe sahirana rehefa mandeha mivory na manompo. Afaka mitondra azy ireny amin’ny fiarantsika isika, na mitady fomba hafa hanampiana azy. Ary inona no tokony hataon’ilay olona nampiana, mba ho setrin’izany? Hampisy toe-tsaina tsara eo anivon’ny fiangonana izy ireo, raha mahay mankasitraka. Azony atao, ohatra, ny manome vola kely araka izay ananany, mba ho fandraisana anjara amin’ny lasantsy. Hahatsiaro ho tiana sy hilaina koa ireo rahalahy sy anabavintsika, raha manokana fotoana hiarahana amin’izy ireo isika. Rehefa manao soa amin’ny “mpiray finoana amintsika” isika, ka mampiasa ny fotoanantsika sy ny fananantsika mba hanampiana azy ireo, dia ho lasa tiantsika kokoa izy ireo. Tsy izay ihany fa hifankatia kokoa ny fiangonana sady hanana toe-tsaina tsara.—Gal. 6:10.

7. Inona no vokany eo amin’ny fiangonana, raha mahay mihazona tsiambaratelo isika?

7 Manamafy ny fifankatiavantsika koa isika, raha miezaka ho namana tsara ary mihazona tsiambaratelo. (Vakio ny Ohabolana 18:24.) Tsy milazalaza tsiambaratelo ny tena namana. Ahoana, ohatra, no hataonao raha mamboraka aminao ny eritreriny sy ny fihetseham-pony ny rahalahy iray, ary mahazo antoka izy fa tsy horesahinao amin’ny olona ilay izy? Hifankatia kokoa ianareo raha tsy lazainao amin’ny hafa ny tsiambaratelony. Ho toy ny fianakaviana iray mifankatia tsara ny fiangonana, raha miezaka isika mba ho namana mendri-pitokisana sy mahay mihazona tsiambaratelo.—Ohab. 20:19.

AOKA IANAO HO BE ZOTOM-PO AMIN’NY FANOMPOANA

8. Inona no torohevitra nomena an’ireo Kristianina tany Laodikia? Nahoana izy ireo no nomena an’izany torohevitra izany?

8 Hoy i Jesosy tamin’ny fiangonana tany Laodikia: “Fantatro izay ataonao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao. Enga anie ianao mba hangatsiaka na hafana! Koa satria matimaty ianao ary sady tsy mafana no tsy mangatsiaka, dia haloan’ny vavako tsy ho ela ianao.” (Apok. 3:15, 16) Tsy nazoto nanompo ny Kristianina tany Laodikia, ary angamba nahatonga azy ireo tsy hifandray am-po tsara izany. Nanoro hevitra azy ireo àry i Jesosy hoe: “Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko sy faiziko. Koa aoka ianao hafana fo sy hibebaka.”—Apok. 3:19.

9. Inona no vokany eo amin’ny fiangonana rehefa mazoto manompo isika?

9 Tokony hazoto hanompo isika, raha tiantsika hanana toe-tsaina tsara ny fiangonana. Natao hitady an’ireo olona tso-po ny fiangonana, ka hampianatra azy ireny ny fahamarinana. Mila manahaka an’i Jesosy àry isika, ka ho be zotom-po amin’ny fanompoana. (Mat. 28:19, 20; Lioka 4:43) Hiray saina kokoa toy ny “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika, rehefa mazoto manompo. (1 Kor. 3:9) Rehefa miara-manompo amin’ireo rahalahintsika isika, ka mahita azy ireo miaro ny finoany sy mampiseho ny fitiavany an’i Jehovah, dia ho lasa tiantsika kokoa izy ireo ary hajaintsika kokoa. Hanjary hiray saina koa ny fiangonana.—Vakio ny Zefania 3:9.

10. Inona no vokany eo amin’ny hafa, rehefa miezaka hanatsara ny fanompoantsika isika?

10 Misy vokany eo amin’ny hafa koa ny ezaka ataontsika mba hanatsarana ny fanompoantsika. Rehefa miahy kokoa ny olona itoriantsika isika, ary miezaka hanohina ny fony, dia hitombo ny zotom-pontsika amin’ny fanompoana. (Mat. 9:36, 37) Ary rehefa mazoto isika, dia hazoto koa ny olona miaraka amintsika. Naniraka ny mpianany handeha tsiroaroa i Jesosy fa tsy hoe tsirairay. (Lioka 10:1) Tsy hoe nifampahery sy nifampizara traikefa fotsiny izy ireo tamin’izany, fa vao mainka lasa nafana fo tamin’ny fanompoana. Tiantsika ny miara-miasa amin’ny mpitory mazoto, sa tsy izany? Mampahery antsika ny zotom-pon’izy ireny sady mandrisika antsika hitory foana.—Rom. 1:12.

AZA MIMONOMONONA NA MANAFINA FAHOTANA

11. Nanao ahoana ny toetran’ny Israelita sasany tamin’ny andron’i Mosesy, ary inona no nataon’izy ireo vokatr’izany?

11 Tsy faly sy nimonomonona ny Israelita, herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nahalasa firenena azy. Nanjary nikomy tamin’i Jehovah sy ny solontenany izy ireo, vokatr’izany. (Eks. 16:1, 2) Tsy tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina àry ny ankamaroan’ny Israelita avy any Ejipta. Na i Mosesy aza tsy tafiditra, satria tezitra loatra tamin’ny toe-tsaina ratsin’ny Israelita! (Deot. 32:48-52) Inona no tokony hataontsika mba tsy hananantsika toe-tsaina ratsy toy izany?

12. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho lasa tia mimonomonona isika?

12 Mila mitandrina isika mba tsy ho lasa tia mimonomonona. Tsy ho lasa toy izany isika raha manetry tena sy manaja fahefana. Mila mahay mifidy namana koa anefa isika. Ho loza ny vokany raha manao fialam-boly ratsy isika, na mandany fotoana be loatra iarahana amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra. Tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah mantsy izy ireny, tia mimonomonona ary tsy tia manaraka toromarika. Hendry isika raha tsy mifanerasera be amin’izy ireny.—Ohab. 13:20.

13. Inona no mety ho voka-dratsin’ny fimonomononana eo anivon’ny fiangonana?

13 Manimba ny fimonomononana, nefa koa mbola miteraka voka-dratsy hafa. Manimba ny firaisan-tsaina sy ny fiadanan’ny fiangonana, ohatra, izy io. Raha mimonomonona momba ny mpiara-manompo koa isika, dia mety hampalahelo an’ilay mpiara-manompo amintsika. Isika kosa mety ho lasa mpanendrikendrika na mpanevateva. (Lev. 19:16; 1 Kor. 5:11) Nisy olona sasany tamin’ny taonjato voalohany aza nimonomonona nanohitra an’ireo mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana. Nanjary ‘tsy niraharaha an’ireo manana fahefana’ izy ireo ary ‘nanevateva an’ireo manana voninahitra.’ (Joda 8, 16) Azo antoka fa tsy nampifaly an’Andriamanitra izany.

14, 15. a) Inona no vokany eo amin’ny fiangonana raha tsy miraharaha ny fahotana lehibe nataon’ny hafa isika? b) Inona no tokony hataontsika raha fantatsika fa nanao fahotana miafina ny rahalahintsika?

14 Ahoana indray raha fantatsika fa nanao fahotana miafina ny rahalahintsika, angamba niboboka toaka, na nijery sary vetaveta, na naloto fitondran-tena? (Efes. 5:11, 12) Tsy hiasa eo anivon’ny fiangonana ny fanahin’i Jehovah, raha tsy miraharaha ny fahotana lehibe toy izany isika. Hanjary tsy hisy fiadanana eo anivon’ny fiangonana. (Gal. 5:19-23) Nila nanala ny faharatsiana teo anivon’ny fiangonany ireo Kristianina tany Korinto, ka mila manao toy izany koa isika, mba hiarovana ny toe-tsain’ny fiangonana. Inona no azonao atao mba hitandrovana ny fiadanan’ny fiangonana?

15 Hitantsika tetsy aloha fa tsy mety ny milaza tsiambaratelo, indrindra fa raha namboraka taminao ny eritreriny sy ny fihetseham-pony ilay olona ary matoky fa tsy horesahinao amin’olona ilay izy. Tena mandratra fo mantsy izany! Hafa mihitsy anefa rehefa misy olona nanao fahotana lehibe. Mila mahafantatra an’izany ny anti-panahy, satria izy ireo no lazain’ny Soratra Masina fa tokony handamina ny olana toy izany. (Vakio ny Levitikosy 5:1.) Raha fantatrao àry fa nanao fahotana lehibe ny rahalahy na anabavy iray, dia asaivo manatona ny anti-panahy izy mba hanampian’izy ireo azy. (Jak. 5:13-15) Omeo fotoana ampy tsara izy hanatonany ny anti-panahy, ka rehefa dila ilay fotoana nefa mbola tsy nankany izy, dia ianao no mila miteny amin’ny anti-panahy.

16. Nahoana no lazaina fa miaro ny toe-tsain’ny fiangonana isika, rehefa mitatitra momba ny fahotana lehibe?

16 Toy ny toeram-pialofana ny fiangonana, ka tsy maintsy mitatitra ny fahotana lehibe nataon’ny hafa isika mba hiarovana azy io. Tsy atahorana hanimba ny toe-tsain’ny fiangonana intsony ny olona iray, rehefa nahazo ny fanampian’ny anti-panahy, ka tonga saina sy manaiky ahitsy ary mibebaka. Ahoana anefa raha tsy nibebaka izy, ka tsy manaiky ny torohevitra feno fitiavana omen’ny anti-panahy? Horoahina izy, mba “handringanana” na hanesorana ny faharatsiana, sy hiarovana ny toe-tsain’ireo mpiara-manompo. (Vakio ny 1 Korintianina 5:5.) Mba hiarovana ny toe-tsain’ny fiangonana àry, dia mila manao zavatra ny tsirairay, rehefa mahafantatra olona nanao fahotana lehibe. Mila miara-miasa amin’ny anti-panahy koa isika, ary mitady izay hahasoa ny mpiray finoana amintsika.

AMPIO HIRAY SAINA NY FIANGONANA

17, 18. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fiangonana hiray saina foana?

17 “Nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly” ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ka nanampy ny fiangonana mba hiray saina izany. (Asa. 2:42) Sarobidy tamin’izy ireo ny tari-dalana araka ny Soratra Masina nomen’ireo mpiandraikitra. Toy izany koa ankehitriny. Manaraka ny tari-dalan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina ireo anti-panahy, ka manampy ny fiangonana mba hiray saina foana. (1 Kor. 1:10) Ilaintsika àry ny mankatò ny toromarika ara-baiboly omen’ny fandaminana sy manaiky ny tari-dalan’ny anti-panahy. Asehontsika amin’izany fa miezaka mafy isika ‘mitana ny maha iray ny fanahy’, izany hoe manao izay hampiray saina ny fiangonana “ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.”—Efes. 4:3.

18 Aoka àry isika hiezaka mafy mba hampisy toe-tsaina tsara eo anivon’ny fiangonana. Raha manao izany isika, dia azo antoka fa hirotsaka amintsika “ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompo.”—Fil. 4:23.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Miezaka hanomana valin-teny tsara ve ianao, mba hisian’ny toe-tsaina tsara eo anivon’ny fiangonana?

[Sary, pejy 20]

Mampisy toe-tsaina tsara eo anivon’ny fiangonana isika, raha miezaka hahay an’ireo hirantsika