Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampandroso ny Fivavahana Marina i Natana

Nampandroso ny Fivavahana Marina i Natana

Nampandroso ny Fivavahana Marina i Natana

Sarotra ny milaza amin’ny manam-pahefana iray hoe tsy mety ny ataony ary mila miova izy. Ahoana anefa raha namono olona izy io mba hiarovana ny lazany, sahinao ve ny mananatra azy?

Nijangajanga tamin’i Batseba i Davida mpanjakan’ny Israely, ka bevohoka i Batseba. Nasainy novonoina ny vadin’i Batseba taorian’izay ary nalainy ho vady i Batseba mba hanafenany ny fahotany. Mbola nanohy ny asan’ny mpanjaka ihany anefa izy nandritra ny volana maromaro, ary tsy niteniteny mihitsy. Tsy navelan’i Jehovah tamin’izao anefa ilay izy, ka naniraka an’i Natana mpaminany izy mba hanitsy an’i Davida.

Ahoana raha ianao no Natana? Tena sarotra ny iraka nampanaovina azy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa izy ary vonona hanaraka ny fitsipiny, ka nandeha nananatra an’i Davida. Ahoana no nataony mba hahatonga an’ilay mpanjaka hiaiky hoe mila mibebaka izy?

MPAMPIANATRA NAHAY NANDANJALANJA

Nahoana raha vakina vetivety ny 2 Samoela 12:1-25? Alao sary an-tsaina hoe ianao no Natana, ary milaza an’izao tantara izao amin’i Davida ianao: “Nisy lehilahy roa tao amin’ny tanàna iray, ka ny iray manankarena, ary ny iray mahantra. Nanana ondry sy omby maro be ilay mpanankarena. Fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavy kely iray monja izay novidiny. Ary nokolokoloiny izy io, ka nitombo tao an-tranony niaraka tamin’ny zanany lahy. Tamin’ny sombin-tsakafony no nihinanan’ilay ondrivavy, tamin’ny kaopiny no nisotroany, ary teo an-tratrany no natoriany, ka nanjary toy ny zanany vavy mihitsy ilay izy. Tatỳ aoriana, dia nisy vahiny tonga tao amin’ilay mpanankarena. Tsy ny ondriny sy ny ombiny anefa no nakany, mba hokarakaraina ho an’ilay olona nanao dia lavitra izay tonga tao aminy, fa ny ondrivavy kelin’ilay mahantra.”—2 Sam. 12:1-4.

Mpiandry ondry i Davida taloha, ka mety ho nieritreritra izy fa zavatra tena nisy no notantarain’i Natana. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Nihevitra angamba i Davida fa hiangavy fanampiana aminy no nahatongavan’i Natana, satria efa fanaon’i Natana izany rehefa misy olona niharan’ny tsy rariny ka tsy afa-nanoatra.” Na ahoana na ahoana, dia tsy maintsy nisikina herim-po sy tsy nivadika tamin’i Jehovah i Natana, vao afaka nananatra ny mpanjaka. Tezitra be i Davida raha vao nandre an’ilay tantara, ka hoy izy: “Raha mbola velona koa i Jehovah, dia mendrika ny ho faty ilay lehilahy nanao izany!” Notsorin’i Natana taminy anefa avy eo fa izy ilay lehilahy.—2 Sam. 12:5-7.

Nahoana i Natana no nampiasa fanoharana, vao niteny an’i Davida? Matetika ny olona no tsy mandinika tsara, rehefa tia olona iray. Raiki-pitia tamin’i Batseba mantsy i Davida. Tsy izay ihany fa mora mitady fialan-tsiny ny olombelona. Rehefa nandre an’ilay fanoharana anefa i Davida, dia nanjary nanameloka ny tenany, na dia tsy tsapany aza izany. Hitany mantsy fa tena ratsy ny nataon’ilay mpanankarena. Efa avy nanameloka an’ilay olona izy, vao nilaza i Natana hoe izy ilay mpanankarena. Izany no nanampy an’i Davida hahatakatra fa nanao fahotana lehibe izy. Nanampy azy hanaiky fanitsiana izany. Niaiky i Davida fa “naniratsira” an’i Jehovah izy, ka mila hahitsy.—2 Sam. 12:9-14; Salamo faha-51 sy ny teny mampiditra azy.

Inona no ianarantsika avy amin’izany? Inona tokoa moa no tanjontsika rehefa mampianatra Baiboly? Ny hanampy olona hahatakatra hoe inona no tokony hataony. Nanaja an’i Davida i Natana, ka nahay nandanjalanja rehefa niresaka taminy. Fantany fa tia rariny i Davida, ka io no toetra nasongadiny tao amin’ilay tantara. Afaka manao toy izany koa isika, mba hanampiana ny olona hahatakatra ny fomba fihevitr’i Jehovah. Mahalala ny mety sy ny tsy mety ny olona amin’ny ankapobeny, ka azontsika ampiasaina izany mba hampisaintsainana azy ireo. Mila mitandrina anefa isika mba tsy hiseho ho ambony noho izy, na hibaikobaiko azy amin’izay tokony hataony. Tsy ny hevitsika manokana no anampiantsika azy hahalala ny tsara sy ny ratsy, fa ny Baiboly.

Ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah anefa no tena nanampy an’i Natana hanitsy an’ilay mpanjaka mahery. (2 Sam. 12:1) Raha tsy mivadika koa isika, dia hanana herim-po ka tsy hampandefitra ny fitsipik’i Jehovah.

NAMPANDROSO NY FIVAVAHANA MARINA IZY

Toa mpinamana be i Davida sy Natana, satria nataon’i Davida hoe Natana no anaran’ny zanany lahy iray. (1 Tan. 3:1, 5) Mifampiresaka koa izy roa lahy, ao amin’ny fitantarana voalohany momba an’i Natana ao amin’ny Baiboly. Samy tia an’i Jehovah izy ireo. Natoky i Davida hoe afaka manampy azy i Natana, matoa naborany tamin’io mpaminany io ny faniriany hanorina tempoly ho an’i Jehovah. Hoy izy: “ ‘Jereo fa izaho mipetraka amin’ny trano sedera, nefa ny Vata masin’Andriamanitra mipetraka anaty tranolay.’ Dia hoy i Natana taminy: ‘Mandehana ka ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa momba anao i Jehovah.’ ”—2 Sam. 7:2, 3.

Mpanompon’i Jehovah tsy nivadika i Natana, ka nanohana ny fikasan’i Davida. Sambany mantsy vao hisy trano hatao foiben’ny fivavahana marina teto an-tany. Na izany aza, dia ny heviny manokana no noteneniny tamin’i Davida, fa tsy ny hevitr’i Jehovah. Niseho taminy àry i Jehovah ny alin’iny, ary nasainy nilaza tamin’i Davida izy hoe tsy i Davida no hanorina ny tempoly, fa ny zanany. Nasain’i Jehovah niteny koa anefa izy hoe hataony ‘mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’i Davida.’—2 Sam. 7:4-16.

Nihevitra i Natana hoe tokony hanorina tempoly i Davida. Rehefa hitany anefa fa tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah izany, dia tsy nimonomonona izy fa nanetry tena ary nanaraka ny tari-dalan’i Jehovah. Modely ho antsika tokoa i Natana, rehefa ahitsin’i Jehovah koa isika! Mbola nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah foana izy tatỳ aoriana, matoa mbola nampiasainy ho mpaminany. Toa nirahin’i Jehovah hiaraka tamin’i Gada izy, mba hanoro an’i Davida ny fomba handaminana an’ireo mpitendry zavamaneno 4 000, hanompo ao amin’ny tempoly.—1 Tan. 23:1-5; 2 Tan. 29:25.

NIARO NY FANJAKAN’NY ISRAELY IZY

Fantatr’i Natana fa i Solomona no tokony handimby an’i Davida Mpanjaka, izay efa antitra tamin’izay. Nanao zavatra avy hatrany àry izy rehefa nitady handrombaka ny fahefana i Adonia. Mbola nahay nandanjalanja sy tsy nivadika ihany anefa i Natana tamin’izay. Nasainy nankao amin’i Davida aloha i Batseba mba hampahatsiahy azy an’ilay fampanantenany hoe i Solomona no hatao mpanjaka. Niditra tao amin’i Davida izy taoriana kelin’izay, ary nanontany azy raha efa nanendry an’i Adonia izy mba handimby azy. Takatr’i Davida fa olana lehibe ilay izy, ka naniraka an’i Natana sy ireo mpanompony tsy nivadika izy, mba hanosotra an’i Solomona ho mpanjaka. Tsy nahomby àry ny tetik’i Adonia.—1 Mpanj. 1:5-53.

MPAHAY TANTARA NANETRY TENA

Manaiky ny olona maro fa i Natana sy Gada no nanoratra ny 1 Samoela toko faha-25 ka hatramin’ny faha-31 sy ny 2 Samoela 1-24. Izao no voalazan’ny boky hafa ao amin’ny Soratra Masina momba an’ireo boky ireo: “Ary ny tantaran’i Davida Mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia voarakitra ao amin’izay nosoratan’i Samoela mpahita sy Natana mpaminany ary Gada mpahita fahitana.” (1 Tan. 29:29) Milaza koa ny 2 Tantara 9:29 fa anisan’ny nanoratra ny “tantaran’i Solomona” i Natana. Mety ho mbola nanompo tao an-dapa àry i Natana, taorian’ny nahafatesan’i Davida.

Toa i Natana ihany no nanoratra ny ankamaroan’ny zavatra fantatsika momba azy. Tsy nilaza zavatra betsaka momba ny tenany anefa izy. Hita avy amin’izany fa mpahay tantara nanetry tena izy, ary tsy nitady laza. Hoy ny diksionera ara-baiboly iray: “Tsy misy fanazavana momba an’i Natana na ny firazanany ao amin’ny toerana voalohany ahitana ny anarany ao amin’ny Baiboly.” Tsy fantatsika ny fiainany manokana.

NY TSY FIVADIHANA TAMIN’I JEHOVAH NO TENA NIBAIKO AZY

Hitantsika avy amin’ny fanazavana vitsivitsy momba an’i Natana ao amin’ny Soratra Masina fa nanetry tena izy, nefa koa nazoto nanohana ny fandaharan’i Jehovah. Hitantsika koa fa nanankinan’i Jehovah andraikitra lehibe izy. Tsy izay ihany fa tsy nivadika izy, tia ny fitsipik’Andriamanitra, ary nanana toetra tsara hafa. Saintsaino ireny toetrany ireny, ary miezaha hanahaka azy.

Marina fa tsy asaina hanao toa an’i Natana ianao, ka hasaina hananatra mpanjaka nijangajanga, na hampandamòka ny tetika fanonganam-panjakana. Noho ny fanampian’Andriamanitra anefa, dia afaka ny tsy hivadika aminy ianao ary tsy hampandefitra ny fitsipiny. Afaka ny ho be herim-po sy hahay handanjalanja koa ianao, rehefa mampianatra. Afaka mampandroso ny fivavahana marina koa ianao.

[Sary, pejy 25]

Nahay nandanjalanja i Natana rehefa niaro ny fanjakan’ny Israely, ka niresaka tamin’i Batseba aloha izy