Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Afaka mba Maka Sary Anay ve Ianao?”

“Afaka mba Maka Sary Anay ve Ianao?”

“Afaka mba Maka Sary Anay ve Ianao?”

Avy nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra i Josué, Betelita any Meksika, indray asabotsy hariva, ka nandehandeha niaraka tamin’ny namany nankao Querétaro, any Meksika ihany. Nisy mpivady mpizaha tany avy any Kolombia nifanena tamin’izy ireo, ary nangataka an’i Josué haka sary azy. Javier sy Maru no anarany. Hitan’ilay mpivady fa nanao akanjo tsara ry Josué sady nisy karatry ny fivoriambe teny aminy, ka nanontaniany raha avy namonjy fizarana diplaoma na fotoan-dehibe hafa izy ireo. Nohazavain’i Josué fa avy namonjy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nasainy hanatrika izany izy mivady ny ampitson’iny.

Nilaza izy mivady hoe menatra izy ho any, satria tsy nanana akanjo nifanentana tamin’ilay izy. Nomen’i Josué azy ireo ihany anefa ny anarany, sy ny nomeraon-telefaonin’ny Betela nisy azy.

Gaga be i Josué fa niantso azy i Javier, efa-bolana tatỳ aoriana. Nilaza izy fa nanatrika an’ilay fivoriambe izy mivady, ary maniry hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tao Mexico ry zareo tamin’izay, ary tsy ela dia nianatra Baiboly. Nivory avy hatrany izy ireo, ary lasa mpitory folo volana tatỳ aoriana. Nandroso tsara foana izy ireo ary natao batisa, na dia nifindra tany Toronto, any Kanada aza.

Nanoratra ho an’i Josué i Javier tatỳ aoriana, ary nanazava hoe nahoana izy no nanaiky ny fahamarinana. Hoy izy: “Talohan’ny nihaonantsika dia efa nifampiresaka izahay mivady hoe tena mila ny tari-dalan’Andriamanitra izahay. Rehefa hitanay hoe nanao akanjo tsara ianao sy ny namanao, dia nieritreritra izahay hoe nisy fivoriana hafa kely natrehinareo. Nanatrika an’ilay fivoriambe àry izahay. Gaga be izahay rehefa tonga tany, satria nisy olona tsara fanahy nitady toerana ho anay, ary nanampy anay hahita an’ireo andinin-teny. Variana koa izahay fa nilamina tsara daholo ny mpanatrika. Tsy nampaninona azy ireo koa na dia nanao akanjona mpizaha tany aza izahay.”

Marina tokoa ny tenin’i Solomona Mpanjaka, raha jerena izay nitranga tamin’i Josué. Hoy i Solomona: “Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro, satria tsy fantatrao izay ho vanona, na itsy na irỳ, na samy ho vanona izy roa.” (Mpito. 11:6) Afaka mamafy voa koa ve ianao, ka manasa ny olona hanatrika fivoriambe na lahateny ho an’ny besinimaro? Mety hampiasa anao i Jehovah mba hanampy an’ireo olona noana sy mangetaheta ny fahamarinana, toa an’i Javier sy Maru.—Isaia 55:1.

[Sary, pejy 32]

Ankavia miankavanana: Alejandro Voeguelin, Maru Pineda, Alejandro Pineda, Javier Pineda, ary Josué Ramírez, tao amin’ny Betelan’i Meksika