Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ‘Hifoha Amin’ny Torimasony’ ny Olona

Ampio ‘Hifoha Amin’ny Torimasony’ ny Olona

Ampio ‘Hifoha Amin’ny Torimasony’ ny Olona

“Fantatrareo izao fotoana misy antsika izao, fa efa tonga izao ny ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso.” —ROM. 13:11.

HAINAO HAZAVAINA VE IRETO?

Nahoana ny Kristianina no mila mifoha ara-panahy foana?

Nahoana isika no mila mihaino sy mandinika tsara rehefa mitory?

Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy rehefa mitory?

1, 2. Inona ny karazan-torimaso ampitandreman’ny Baiboly?

OLONA an’arivony isan-taona no maty, satria rendremana na resin-tory teo am-pitondrana fiara. Misy indray voaroaka tamin’ny asany, satria tsy nifoha ara-potoana mba handeha hiasa, na natory teo am-perinasa. Mbola ratsy kokoa anefa ny vokatry ny torimaso ara-panahy. Izay no mahatonga ny Baiboly hampitandrina momba azy io, ary nilaza hoe: “Sambatra izay miambina hatrany.”—Apok. 16:14-16.

2 Matory ara-panahy ny ankamaroan’ny olona, nefa efa mihakaiky ny andron’i Jehovah. Na ny mpitondra fivavahana sasany aza miaiky, fa resin-tory eo amin’ny lafiny ara-panahy ny ondrin’izy ireo. Manao ahoana tokoa moa ny olona rehefa matory ara-panahy? Nahoana ny tena Kristianina no mila mifoha ara-panahy foana? Ahoana no anampiantsika ny olona mba hifoha amin’ny torimasony?

MANAO AHOANA NY OLONA MATORY ARA-PANAHY?

3. Manao ahoana ny olona matory ara-panahy?

3 Tsy manao na inona na inona ny olona, rehefa matory. Be atao kosa ny olona matory ara-panahy, fa tsy be atao amin’ny fanompoana. Mety ho repotra mitady izay ilaina eo amin’ny fiainana izy, na mikatsaka fahafinaretana, na laza, na harena. Variana amin’ireo izy, ka tsy dia miraharaha izay ilainy ara-panahy. Ny olona mifoha ara-panahy kosa mahatakatra hoe miaina “amin’ny andro farany” isika, ka miezaka mafy izy manao ny sitrapon’Andriamanitra.—2 Pet. 3:3, 4; Lioka 21:34-36.

4. Inona no dikan’ny tenin’i Paoly hoe: ‘Aoka isika tsy hatory toy ny hafa’?

4 Vakio ny 1 Tesalonianina 5:4-8. Mampirisika ny mpiray finoana aminy ny apostoly Paoly eo mba “tsy hatory toy ny hafa.” Matory ara-panahy isika, raha tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Matory ara-panahy koa isika, raha tsy miraharaha hoe efa kely sisa i Jehovah dia handringana ny ratsy fanahy. Mila mitandrina àry isika mba tsy hanahaka ny fomba fisainana sy ny ataon’ireo olona tsy matahotra an’Andriamanitra.

5. Inona avy ny fomba fihevitry ny olona matory ara-panahy?

5 Mieritreritra ny olona sasany hoe tsy misy Andriamanitra hitsara azy amin’izay ataony. (Sal. 53:1) Misy koa mihevitra hoe tsy miraharaha antsika Andriamanitra, ka tsy tokony hiraharaha azy koa isika. Misy indray mieritreritra hoe rehefa manana ny fivavahany fotsiny izy, dia ho lasa naman’Andriamanitra. Matory ara-panahy daholo ireny olona ireny, ka mila fohazina. Ahoana àry no anampiantsika azy ireny?

MILA MIFOHA ARA-PANAHY ISIKA

6. Nahoana ny Kristianina no mila miezaka hifoha foana?

6 Raha tiantsika ny hamoha olona, dia isika aloha no mila mifoha. Inona àry no hataontsika raha te hifoha foana? Mila manalavitra ny fanaon’ireo olona matory ara-panahy isika, izany hoe manalavitra ny “asan’ny haizina.” Anisan’izany ny lanonana feno filibana, ny fibobohan-toaka, ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna, ny fitondran-tena baranahiny, ny fifamaliana, ary ny fialonana. (Vakio ny Romanina 13:11-14.) Sarotra ny manalavitra an’ireo fanao ireo, ka tokony ho mailo foana isika. Toy ny mpamily, izay mila mitadidy hoe mahafaty ny matory eo am-pitondrana fiara, dia mila mitadidy foana isika fa mahafaty ny matory ara-panahy.

7. Inona no mety ho vokany, raha manana fomba fijery diso ny mpitory iray?

7 Mety hieritreritra ny Kristianina iray hoe tsy hanaiky ny vaovao tsara mihitsy ny olona ao amin’ny faritaniny. (Ohab. 6:10, 11) Mety hihevitra àry izy hoe: ‘Nahoana aho no hikely aina hitory, nefa tsy mety mandray ny olona?’ Marina fa matory ara-panahy ny olona maro izao, kanefa mety hiova ny toe-javatra misy azy ireny sy ny fomba fiheviny. Misy tamin’izy ireny lasa nifoha ara-panahy sy nanaiky ny vaovao tsara. Afaka manampy ny olona isika raha mifoha hatrany, ka mitady fomba vaovao manintona kokoa mba hiresahana momba an’ilay Fanjakana. Hanampy antsika hifoha foana koa anefa ny fitadidiana an’ireo antony maha zava-dehibe ny fanompoantsika.

NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE NY FANOMPOANTSIKA?

8. Nahoana no tena zava-dehibe ny fanompoantsika?

8 Tadidio fa na tsy mihaino aza ny olona, dia manome voninahitra an’i Jehovah ny fitoriantsika. Mampiasa ny fitoriana koa i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany. Tsy ho ela dia horinganina izay tsy mankatò ny vaovao tsara, ka miankina amin’ny fandraisan’ny olona ny fitoriantsika no hitsarana azy. (2 Tes. 1:8, 9) Ahoana anefa raha mieritreritra isika hoe tsy ilaina ny miezaka mafy mitory, satria mbola hitsangana ihany na ny marina na ny tsy marina? (Asa. 24:15) Diso isika raha mieritreritra an’izany. Nianarantsika tao amin’ny Baiboly fa ‘horinganina mandrakizay’ ny “osy.” Mamindra fo anefa i Jehovah ka naniraka antsika hitory, mba hahafahan’ny olona hiova ka hahazo ny “fiainana mandrakizay.” (Mat. 25:32, 41, 46; Rom. 10:13-15) Ahoana moa no hahafahan’ny olona handre an’ilay hafatra mamonjy aina, raha tsy mitory isika?

9. Inona no soa noraisinao sy ny olon-kafa, noho ianao nitory ny vaovao tsara?

9 Mahasoa antsika koa ny mitory ny vaovao tsara. (Vakio ny 1 Timoty 4:16.) Tsy tsapanao ve fa lasa tia kokoa an’i Jehovah ianao, rehefa miresaka momba azy sy ny Fanjakany? Tsy hitanao hoe manatanjaka ny finoanao ve izany, ary manampy anao hanana toetra tsara bebe kokoa? Tsy hitanao koa ve fa lasa sambatra kokoa ianao, rehefa mampiseho ny fitiavanao an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana? Maro koa no mahatsiaro ho faly, rehefa mahita hoe lasa tsara kokoa ny fiainan’ireo olona nampianariny Baiboly, satria niasa tamin’izy ireny ny fanahy masina.

MIEZAHA HANDINIKA TSARA

10, 11. a) Ahoana no ahitana fa nahay namantatra izay nilain’ny olona i Jesosy sy Paoly? b) Ahoana no ampisehoantsika fa mahay mandinika isika, rehefa eny amin’ny fanompoana?

10 Misy fomba maro azo isarihana ny sain’ny olona ho amin’ny vaovao tsara, kanefa mila mahay mandinika isika raha te hahomby. I Jesosy no modelintsika. Noho izy lavorary, dia tena nahay nandinika izy. Hainy ny namantatra hoe tezitra ny Fariseo iray, na dia tsy nilaza na inona na inona aza izy io. Fantany koa hoe tena nibebaka ny vehivavy iray mpanota, ary nahafoy ny fivelomany rehetra ny vehivavy iray mpitondratena. (Lioka 7:37-50; 21:1-4) Afaka nanome izay nilain’ny olona tsirairay teo amin’ny lafiny ara-panahy i Jesosy, vokatr’izany. Tsy voatery ho lavorary anefa isika vao hahay hamantatra izay ilain’ny olona. Nahay nanao izany ny apostoly Paoly. Nampifanarahiny tamin’izay nilain’ny olona ny fitoriany, ka nahasarika ny karazan’olona rehetra.—Asa. 17:22, 23, 34; 1 Kor. 9:19-23.

11 Ho haintsika ny hisarika ny sain’ny olona amin’ny hafatra entintsika, raha mandinika tsara toa an’i Jesosy sy Paoly isika. Rehefa mitory, ohatra, ianao dia mahaiza mamantatra hoe inona ny kolontsain’ilay olona iresahanao, inona no mahaliana azy, manambady izy sa tsia, na manan-janaka izy sa tsia. Eritrereto koa ny zavatra ataony amin’ilay fotoana ahatongavanao, ary miresaha kely momba an’izany mba hampidiran-dresaka.

12. Nahoana isika no tokony hitandrina, amin’ny resaka ataontsika eny amin’ny fanompoana?

12 Tsy tokony ho varimbariana isika rehefa mitory, raha tiantsika ny hahay handinika tsara. Na dia mampahery aza ny resaka ifanaovantsika rehefa manompo, dia tokony hotadidintsika foana hoe handeha hitory no tanjontsika. (Mpito. 3:1, 7) Tokony hitandrina àry isika sao hahatonga antsika tsy hifantoka amin’ny fitoriana ny resaka ataontsika. Azo atao, ohatra, ny miresaka momba an’izay hevitra horesahina amin’ny fitoriana, mba tsy hampiriorio ny saintsika. Mila mitandrina koa isika amin’ny telefaonina. Marina fa mety hanampy antsika amin’ny fanompoana izy io, nefa tsy tokony havelantsika haneno rehefa mitory isika, mba tsy hanelingelina antsika.

FANTARO IZAY MAHALIANA NY OLONA

13, 14. a) Ahoana no fomba hamantarana izay mahaliana ny olona? b) Inona no azontsika atao mba hahatonga ny olona ho liana amin’ny Baiboly?

13 Tena ilaina ny mihaino tsara ny olona itoriantsika. Ilaina koa ny mahay mametraka fanontaniana, mba hahalalantsika ny heviny. Sahiran-tsaina ve izy mahita an’ireo fivavahana be dia be, mahita ny habetsahan’ny herisetra, na ny tsy fahombiazan’ny fitondrana? Mety ho tian’ny olona koa ny miresaka momba ny hakanton’ny zavaboary, na mahafantatra fa azony ampiharina ny torohevitry ny Baiboly. Tia miresaka momba ny vavaka koa ny ankamaroan’ny olona, na inona na inona kolontsainy, ary na dia milaza ho tsy mino an’Andriamanitra aza izy. Maro no te hahafantatra hoe mihaino vavaka ve Andriamanitra. Ny hafa indray te hahalala hoe: Henoin’Andriamanitra daholo ve ny vavaka rehetra? Inona no tokony hataony mba hihainoan’Andriamanitra azy?

14 Tena hanampy antsika hahay hanombo-dresaka ny fiarahana amin’ny mpitory za-draharaha. Diniho hoe ahoana no fomba fametrahany fanontaniana, nefa izy tsy midikiditra amin’ny fiainan’ilay olona. Mariho koa ny feony sy ny endriny, rehefa te hahazo tsara ny hevitr’ilay olona izy ary liana amin’izay lazainy.—Ohab. 15:13.

TOKONY HO TSARA FANAHY SY MAHAY MITADY HEVITRA ISIKA

15. Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy rehefa mitory?

15 Tianao ve raha tairina tampoka amin’ny torimaso ianao? Tsy tian’ny olona izany, fa aleony fohazina moramora. Toy izany no tokony hataontsika rehefa mamoha an’ireo olona matory ara-panahy. Inona àry no tokony hatao raha tezitra ny olona itoriantsika? Tokony ho tsara fanahy isika, ary hampiseho hoe manaja ny heviny. Tsara koa ny misaotra azy noho izy nilaza ny tao am-pony, ary mandao azy avy eo. (Ohab. 15:1; 17:14; 2 Tim. 2:24) Raha tsara fanahy ianao, dia mety handray tsara kokoa izy amin’ny manaraka, rehefa misy mpitory hafa.

16, 17. Inona no tokony hataontsika, raha mahay mandanjalanja isika eny am-pitoriana?

16 Mbola mety hitohy ihany ny resaka indraindray, na dia tsy te handray aza ny olona amin’ny voalohany. Misy milaza, ohatra, hoe: “Efa manana ny fivavahako aho”, na koa hoe: “Tsy te hihaino ny resakareo aho.” Izay angamba no fomba tsotra indrindra hitany hamaranana ny resaka. Raha mahay mitady hevitra anefa ianao, ary misisika kely amin-katsaram-panahy, dia ho afaka hametraka fanontaniana hanitikitika ny sainy ianao, ka hahatonga azy ho liana amin’ny hafatra torintsika.—Vakio ny Kolosianina 4:6.

17 Ary ahoana raha milaza ny olona hoe sahirana izy? Azo atao ny miala moramora amim-panajana. Mety ho hitantsika koa anefa indraindray fa azo atao ny manohy kely ny resaka. Misy mpitory mahavita manokatra Baiboly, mamaky andinin-teny iray mampisaintsaina, ary mametraka fanontaniana iray, ao anatin’ny iray minitra latsaka. Nanaitra ny sain’ny olona sasany izany, ka lasa vonona hihaino indray izy ireo, na vonona hihaino kokoa amin’ny manaraka. Nahoana raha manandrana an’io fomba fitory io, rehefa hitanao hoe mety izany?

18. Inona no hanampy antsika hahay hitory tsy ara-potoana?

18 Raha miomana hitory tsy ara-potoana isika, dia afaka manampy an’ireo olona hitantsika andavanandro, mba ho liana amin’ny vaovao tsara. Maro ny rahalahy sy anabavy mitondra taratasy mivalona, na boky, na gazety ao anaty kitapony, na ao am-paosiny. Misy amin’izy ireo manomana andinin-teny iray, mba horesahina amin’ny olona rehefa misy hirika hanaovana izany. Azonao atao ny miresaka amin’ny mpisava lalana na ny mpiandraikitra ny fanompoana ao aminareo, raha mila fanampiana ianao mba hitoriana tsy ara-potoana.

AMPIO HIFOHA ARA-PANAHY NY HAVANAO

19. Nahoana isika no tokony hiezaka foana hanampy ny havantsika?

19 Azo inoana fa tiantsika ny hanampy ny havantsika hanaiky ny vaovao tsara. (Jos. 2:13; Asa. 10:24, 48; 16:31, 32) Raha efa nanandrana nitory taminy anefa isika, fa nanda izy, dia mety tsy hazoto intsony isika. Mety hieritreritra isika hoe tsy hiova mihitsy izy ireo, na inona na inona ataontsika na lazaintsika. Misy zava-mitranga anefa indraindray mety hampiova ny fiainan’ny havanao, na hampiova hevitra azy. Na ianao mihitsy no lasa mahay manazava kokoa ny fahamarinana, ka mety hampiova azy.

20. Raha mihevitra ny fihetseham-pon’ny havantsika isika, ahoana no hataontsika mba hahafantarany ny fahamarinana?

20 Mila mihevitra ny fihetseham-pon’ny havantsika koa anefa isika. (Rom. 2:4) Raha ny olona itoriantsika aza iresahantsika amin-katsaram-panahy, tsy mainka ve fa ny havantsika? Miezaha àry halemy fanahy sy hanaja, rehefa mitory amin’ny havanao. Tsy voatery hitory aminy foana koa ianao, fa ataovy hitany hoe misy vokany tsara eo aminao ny fahamarinana. (Efes. 4:23, 24) Ataovy hitany koa hoe tsara kokoa ny fiainanao, noho ianao ‘ampianarin’i Jehovah.’ (Isaia 48:17) Tokony ho hitany amin’ny ataonao hoe ahoana no fomba fiainan’ny Kristianina.

21, 22. Milazà fitantarana mampiseho fa tena ilaina ny fikirizana rehefa mitory amin’ny havana.

21 Nilaza toy izao ny anabavy iray manana mpiray tam-po 13: “Niezaka foana aho nitory tamin’izy ireo, na tamin’ny teny na tamin’ny atao. Tsy hadinoko mihitsy ny manoratra ho azy ireo tsirairay avy isan-taona. Izaho irery foana anefa no Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny 30 taona.”

22 Hoy izy nanohy ny teniny: “Nantsoiko tamin’ny telefaonina, indray mandeha, ny rahavaviko iray mipetraka lavitra be. Nilaza izy fa nasainy hampianatra Baiboly azy ny mpitondra fivavahana tao aminy, nefa tsy tanteraka mihitsy izany. Niteny taminy àry aho hoe afaka mampianatra azy aho, ka hoy izy: ‘Ie, tsy maninona! Aoka hazava anefa fa tsy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aho!’ Nalefako tany aminy ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ary nantsoiko izy isaky ny andro vitsivitsy. Isaky ny niantso anefa aho, dia nilaza izy fa mbola tsy nosokafany ilay boky. Nasaiko nalainy àry ilay izy tamin’ny farany, ary niara-namaky sy nandinika andinin-teny vitsivitsy tao izahay, nandritra ny fahefak’adiny. Nanao hoatr’izany foana izahay, ary nilaza izy tatỳ aoriana fa tsy ampy azy ny fahefak’adiny. Izy indray no niantso ahy tatỳ aoriana, satria te hianatra mafy. Mbola tany am-pandriana aho indraindray dia efa nantsoiny, indraindray aza indroa isan’andro mihitsy. Natao batisa izy ny taona nanaraka, ary nirotsaka ho mpisava lalana, herintaona taorian’izay.”

23. Nahoana isika no tokony hiezaka foana mba hanampy ny olona hifoha ara-panahy?

23 Mitaky fahaizana sy fikirizana ny fanampiana ny olona hifoha ara-panahy, kanefa tsy very maina izany. Olona 20 000 mahery, ohatra, no atao batisa isam-bolana. Aoka àry isika hanaraka ny torohevitr’i Paoly tamin’i Arkipo hoe: ‘Tandremo hatrany ilay fanompoana nekenao hatao ao amin’ny Tompo, ka tanteraho tsara.’ (Kol. 4:17) Ilaintsika koa anefa ny mitadidy fa asa maika ny fitoriana. Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 13]

AHOANA NO ATAO RAHA TE HIFOHA ARA-PANAHY FOANA?

▪ Mazoto manao ny sitrapon’Andriamanitra

▪ Manalavitra ny “asan’ny haizina”

▪ Mitadidy ny voka-dratsin’ny hoe matory ara-panahy

▪ Mitadidy hoe mety hiova ny olona ao amin’ny faritanintsika

▪ Manandrana fomba fitory vaovao

▪ Mitadidy fa zava-dehibe ny fanompoantsika