Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza “Mitodika any Aoriana”

Aza “Mitodika any Aoriana”

Aza “Mitodika any Aoriana”

“Tsy misy olona mitana angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” —LIOKA 9:62.

HAINAO VALIANA VE IRETO?

Nahoana isika no tokony ‘hahatsiaro ny vadin’i Lota’?

Inona avy ireo zavatra telo tsy tokony hifantohantsika?

Ahoana no hampisehoantsika fa miara-mandeha amin’ny fandaminan’i Jehovah isika?

1. Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy, ary inona no fanontaniana mipoitra?

HOY i Jesosy, 2 000 taona lasa izay: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:32) Tsy nila nohazavaina tamin’ny Jiosy io teny io, satria azon’izy ireo avy hatrany. Fantatr’izy ireo fa rehefa nandositra niala tao Sodoma ry Lota mianakavy, dia tsy nankatò an’i Jehovah ny vadin’i Lota. Nitodika tany aoriana izy, ka lasa vongan-tsira. (Vakio ny Genesisy 19:17, 26.) Tena ilaintsika koa io fampitandremana io, ka mahaliana antsika ny hoe: Inona no tian’i Jesosy holazaina?

2. Nahoana ny vadin’i Lota no nitodika tany aoriana, ary inona no vokatr’izany?

2 Nahoana tokoa moa ny vadin’i Lota no nitodika tany aoriana? Te hahafantatra izay nitranga tao Sodoma ve izy? Sa izy tsy ampy finoana? Sa izy nanembona an’ireo fananany tsy maintsy navela tao Sodoma? (Lioka 17:31) Na inona na inona antony, dia maty izy satria tsy nankatò. Saintsaino ange e! Maty tamin’ny andro nahafatesan’ireo ratsy fanahy tao Sodoma sy Gomora ny vadin’i Lota. Tsy mahagaga àry raha nilaza i Jesosy hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.”

3. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy tokony ‘hitodika any aoriana’ isika?

3 Tsy tokony ‘hitodika any aoriana’ koa isika ankehitriny. Izany no nasongadin’i Jesosy, rehefa nilaza ny lehilahy iray hoe hanao veloma ny ao an-tranony aloha izy vao hanara-dia an’i Jesosy. Hoy i Jesosy tamin’ilay lehilahy: “Tsy misy olona mitana angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:62) Nasiaka loatra ve i Jesosy rehefa nilaza izany? Tsia, satria fantany fa nitady fialan-tsiny fotsiny ilay lehilahy mba tsy hanarahana ny diany. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny olona mitodika “any aoriana” ny olona mitady fialan-tsiny mba tsy hanompoana an’Andriamanitra. Mety hoe miherika kely any aoriana ny olona iray mampiasa angadinomby. Mety hoe mitodika tanteraka any aoriana koa anefa izy sady apetrany ilay angadinomby. Na ahoana na ahoana, dia mety tsy hifantoka intsony ilay olona, ka tsy ho vitany tsara ny asany.

4. Aiza no tokony hifantohantsika?

4 Tokony hifantoka amin’ny hoavy isika, fa tsy hifantoka amin’ny lasa. Hoy ny Ohabolana 4:25: “Aoka ny masonao hijery tsara ny any aloha, eny, aoka ny masonao hibanjina ny eo anoloanao.”

5. Nahoana isika no tsy tokony ‘hitodika any aoriana’?

5 Nahoana isika no tsy tokony ‘hitodika any aoriana’, izany hoe hanembona ny lasa? Satria “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1) Tsy tanàna roa, toa an’i Sodoma sy Gomora intsony no horavan’i Jehovah, fa izao tontolo izao mihitsy. Inona no hanampy antsika tsy ‘hitodika any aoriana’ toy ny vadin’i Lota? Mila fantarintsika hoe inona ireo zavatra tamin’ny lasa tsy tokony hifantohantsika intsony. Handinika telo amin’izany isika izao, ary hijery hoe inona no azontsika atao mba tsy hifantohana amin’izy ireny.—2 Kor. 2:11.

NY FIAINANTSIKA TALOHA

6. Ahoana no mety hamitahan’ny saintsika antsika?

6 Mety ho diso hevitra isika ka hieritreritra hoe tsara kokoa ny fiainantsika taloha. Ny saintsika anefa no mamitaka antsika. Mety hanamaivana ny olana nanjo antsika taloha isika, ary hieritreritra fa sambatra kokoa isika tamin’izany. Lasa mahatonga antsika hanembona ny lasa izany. Mampitandrina antsika anefa ny Baiboly hoe: “Aza manao hoe: ‘Fa nahoana re no tsara noho ny ankehitriny ny taloha e?’ Tsy fahendrena mantsy ny hametrahanao izany fanontaniana izany.” (Mpito. 7:10) Nahoana tokoa no mampidi-doza ny mieritreritra hoe tsara kokoa ny fiainantsika taloha?

7-9. a) Inona no nanjo ny Israelita tany Ejipta? b) Inona no zavatra nahafaly an’ireo Israelita? d) Inona no nampitaraina ny Israelita?

7 Diniho izay nitranga tamin’ireo Israelita. Noraisina tsara toy ny vahiny ny Israelita, tamin’ny vao tonga tany Ejipta. Niova anefa izany rehefa maty i Josefa. ‘Nanendry olona ho lehiben’ny mpanao asa an-terivozona ny Ejipsianina, mba hampahory ny zanak’Israely, ka nampitondra enta-mavesatra azy.’ (Eks. 1:11) Nasain’i Farao novonoina aza tatỳ aoriana ny zazalahy kely vao teraka rehetra, satria tsy tiany hihamaro ny Israelita. (Eks. 1:15, 16, 22) Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: “Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko any Ejipta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany.”—Eks. 3:7.

8 Azonao sary an-tsaina ve ny hafalian’ny Israelita rehefa niala tao Ejipta izy ireo ka lasa olona afaka? Nahita ny herin’i Jehovah izy ireo rehefa nandefa Loza Folo i Jehovah, mba hamelezana an’i Farao niavonavona mbamin’ny vahoakany. (Vakio ny Eksodosy 6:1, 6, 7.) Tsy hoe navelan’ny Ejipsianina handeha fotsiny izy ireo, fa nododonany mihitsy mba handeha haingana. Nomen’ny Ejipsianina volamena sy volafotsy be dia be koa izy ireo, ka toy ny hoe “fongana ny fananan’ny Ejipsianina.” (Eks. 12:33-36) Vao mainka faly ny Israelita rehefa naringan’i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny. (Eks. 14:30, 31) Tena tokony ho nanatanjaka ny finoan’izy ireo ny nahita an’ireo zavatra mahatalanjona rehetra ireo.

9 Tsy nampino anefa fa fotoana fohy taorian’izay, dia nanomboka nitaraina sy nimenomenona ny Israelita. Inona no nampitaraina azy ireo? Sakafo! Tsy nahafa-po azy ireo ny zavatra nomen’i Jehovah, ka nitaraina izy ireo hoe: “Tsaroanay ny trondro nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, mbamin’ny kôkômbra, ny pasteky, ny poarô, ny tongolobe, ary ny tongolo lay! Fa izao kosa maina mihitsy ny ainay. Ary ny masonay tsy mba mahita na inona na inona afa-tsy mana.” (Nom. 11:5, 6) Lasa diso hevitra izy ireo, ka nanjary te hiverina tany Ejipta, nefa andevo izy ireo tany. (Nom. 14:2-4) Nanembona ny lasa ny Israelita, ary tsy nahazo sitraka tamin’i Jehovah intsony.—Nom. 11:10.

10. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’ny Israelita?

10 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa misy olana, dia mety hieritreritra isika hoe tsara kokoa ny fiainantsika taloha, angamba ny fiainantsika talohan’ny nahalalantsika ny fahamarinana. Tsy mety anefa izany, indrindra fa raha izay foana no visavisaintsika. Marina aloha fa tsy ratsy ny maka lesona avy amin’ny zavatra tsy nety taloha, na mahatsiaro ny fotoana mahafinaritra fahiny. Mila mahay mandanjalanja anefa isika, ary mijery ny tena zava-nisy. Raha tsy izany mantsy, dia vao mainka isika tsy ho faly amin’ny fiainantsika ankehitriny, ka halaim-panahy hiverina amin’ny fomba fiainantsika taloha.—Vakio ny 2 Petera 2:20-22.

IREO ZAVATRA NAFOINTSIKA TAMIN’NY LASA

11. Inona no tsapan’ny Kristianina sasany rehefa mieritreritra ny sorona nataony tamin’ny lasa?

11 Mampalahelo fa nahatsiaro ny zavatra nafoiny ny Kristianina sasany, ka lasa nihevitra fa tsy nahay nanararaotra izy ireo. Toy izany koa ve ianao? Afaka nanao fianarana ambony angamba ianao taloha, na afaka ny halaza, na hanam-bola, kanefa tsy nataonao izany. Maro no nanam-bola be taloha, satria nanana asa tsara, na mpanakanto malaza, na mpampianatra tany amin’ny oniversite, na mpanao fanatanjahan-tena malaza. Nafoiny anefa izany. Nandeha ny fotoana, nefa mbola tsy tonga ihany ny farany. Lasa nieritreritra àry ny sasany hoe ho tsara kokoa ny fiainany raha tsy nanao an’ireny sorona ireny izy. Mieritreritra toy izany koa ve ianao?

12. Ahoana no niheveran’i Paoly an’ireo zavatra nafoiny?

12 Nahafoy zavatra maro ny apostoly Paoly mba hanarahana an’i Kristy. (Fil. 3:4-6) Hoy izy: ‘Izay nataoko ho tombony dia heveriko ho fatiantoka noho ny amin’i Kristy.’ Midika izany fa tsy nisy dikany taminy ireo zavatra nafoiny. Nahoana? Hoy ihany izy: ‘Tena heveriko ho fatiantoka ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Fa noho ny aminy no nidirako fatiantoka ny amin’ny zava-drehetra ary heveriko ho fako miavosa ireny mba hahazoako an’i Kristy.’ * (Fil. 3:7, 8) Rehefa avy manary fako ny olona, dia tsy hoe malahelo an’ilay fako indray avy eo ka te haka an’ilay izy. Toy izany koa i Paoly. Tsy nalahelo izy hoe nafoiny ireo tombontsoa mety ho azony teto amin’ity tontolo ity. Tsy sarobidy taminy intsony izy ireny.

13, 14. Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly?

13 Inona no tokony hataontsika raha manomboka mahatsiaro an’ireo tombontsoa nafointsika isika, ka mieritreritra hoe tsy nahay nanararaotra? Manahafa an’i Paoly. Amin’ny fomba ahoana? Eritrereto ny zava-tsarobidy efa azonao ankehitriny. Manana fifandraisana tsara amin’i Jehovah ianao, ary raisin’i Jehovah ho anisan’ireo olona tsy mivadika aminy. (Heb. 6:10) Inona no azon’ity tontolo ity atolotra anao, ka sarobidy lavitra noho ny fitahiana efa omen’i Jehovah anao sy mbola homeny anao amin’ny hoavy?—Vakio ny Marka 10:28-30.

14 Noresahin’i Paoly koa ny zavatra nanampy azy tsy hivadika tamin’i Jehovah. Hoy izy: “Manadino ny zavatra any aoriana aho ary mikely aina hanatratra ny eo aloha.” (Fil. 3:13) Tena mila manao an’ireo zavatra roa ireo isika, raha tiantsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah. Voalohany, mila manadino ny zavatra efa nafointsika isika, ka tsy mandany fotoana sy hery hieritreretana momba azy ireny. Faharoa, mila miezaka mafy isika hanatratra ny eo aloha, ary mifantoka foana amin’ny hoavy.

15. Nahoana no mahasoa antsika ny fisaintsainana ny ohatr’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?

15 Hanampy antsika ‘tsy hitodika any aoriana’ koa ny fisaintsainana ny ohatra navelan’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika fahiny sy ankehitriny. Raha nieritreritra foana momba an’i Ora, ohatra, i Abrahama sy Saraha, dia “ho nahita fomba niverenana” izy ireo. (Heb. 11:13-15) Tsy niverina anefa izy ireo. Eritrereto koa i Mosesy. Betsaka lavitra ny zavatra nafoiny tany Ejipta, raha oharina amin’ny zavatra nafoin’ny Israelita tao amin’io tany io. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nanembona an’izany i Mosesy. Hoy kosa ny Baiboly: “Taminy mantsy, dia harena lehibe noho ny zava-tsarobidin’i Ejipta ny latsa nozakain’ilay Voahosotra, satria izy nibanjina tsara ny fanomezana an’ilay valisoa.”—Heb. 11:26.

IREO ZAVATRA RATSY NITRANGA TALOHA

16. Inona no mety ho tsapantsika momba ny zavatra niainantsika taloha?

16 Tsy tsara daholo akory ny zavatra niainantsika fahiny. Nanota na nanao fahadisoana angamba isika taloha, ary mbola manenjika antsika ny eritreritsika ankehitriny. (Sal. 51:3) Na koa hoe mbola tezitra na malahelo isika, noho ny torohevitra hentitra nomena antsika. (Heb. 12:11) Na tsapantsika hoe tsy rariny ny zavatra natao tamintsika, ka mbola mieritreritra momba an’ilay izy foana isika. (Sal. 55:2) Inona àry no hanampy antsika tsy ‘hitodika any aoriana’, izany hoe tsy hifantoka amin’izy ireny?

17. a) Nahoana i Paoly no nilaza hoe “kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra” izy? b) Inona no nanampy an’i Paoly tsy hifantoka tamin’ny fahadisoany taloha?

17 Fahadisoana nataontsika taloha. Nahatsapa i Paoly hoe “kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra” izy. (Efes. 3:8) Nahoana izy no nahatsapa an’izany? “Satria nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra” izy taloha. (1 Kor. 15:9) Eritrereto ny fihetseham-pon’i Paoly rehefa nihaona tamin’ireo olona sasany nenjehiny. Azo antoka fa nanamelo-tena izy. Tsy nieritreritra an’izany foana anefa izy. Nifantoka tamin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa naseho taminy kosa izy, ka lasa feno fankasitrahana an’i Jehovah. (1 Tim. 1:12-16) Izany no nandrisika azy hanohy ny fanompoany. Tapa-kevitra ‘hanadino ny zavatra any aoriana’ i Paoly, ka anisan’izany ny fahadisoana nataony taloha. Toy izany koa isika. Raha mifantoka amin’ny famindram-po nasehon’i Jehovah tamintsika isika, dia tsy ho ketraka be amin’ny zava-nitranga tamin’ny lasa izay tsy azo ovana. Hampiasa ny herintsika kosa isika mba hanaovana an’ilay asa nanirahan’i Jehovah antsika.

18. a) Inona no mety ho vokany raha mbola tezitra isika noho ny torohevitra nomena antsika taloha? b) Ahoana no hampiharantsika ny tenin’i Solomona?

18 Torohevitra nandratra ny fontsika. Ahoana raha tsaroantsika foana ny torohevitra sasany nandratra ny fontsika, ka tezitra isika? Tsy vitan’ny hoe mampijaly antsika izany, fa ‘mahakivy’ koa. (Heb. 12:5) Na lavintsika avy hatrany ny torohevitra, na ekentsika ihany fa kivy isika avy eo ka tsy miraharaha an’ilay izy, dia mitovy ihany ny vokany: Tsy nanitsy antsika ilay torohevitra, sady tsy mitondra soa ho antsika. Tsara kokoa anefa ny manaraka ny tenin’i Solomona hoe: “Tano mafy ny anatra omena anao ka aza avela. Hazòny izy, fa ainao.” (Ohab. 4:13) Ekeo àry ny torohevitra omena anao, ampiharo izy ireny, ary miezaha handroso.—Ohab. 4:26, 27; vakio ny Hebreo 12:12, 13.

19. Ahoana no hanahafantsika ny finoan’i Habakoka sy Jeremia?

19 Zavatra hitantsika hoe tsy rariny. Tsy takatr’i Habakoka mpaminany hoe nahoana no navelan’i Jehovah hitranga ny tsy rariny, ka nitaraina tamin’i Jehovah izy mba hanao ny rariny. Mety hahatsapa toa an’i Habakoka koa isika indraindray. (Hab. 1:2, 3) Tena ilaintsika anefa ny manahaka ny finoan’io mpaminany io, izay nilaza hoe: “Mbola hifaly amin’i Jehovah ihany aho, sy hiravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Hab. 3:18) Mendrika hotahafina koa ny finoan’i Jeremia, izay “vonona hiandry” an’i Jehovah, ilay Andriamanitra tia rariny. Afaka matoky toa azy isika hoe hahitsin’i Jehovah amin’ny fotoana mety ny zava-drehetra.—Fitom. 3:19-24.

20. Ahoana no hanaporofoantsika fa ‘tsaroantsika ny vadin’i Lota’?

20 Tena miavaka ny fotoana iainantsika. Zavatra mahatalanjona maro no mitranga ankehitriny, ary maro no mbola hitranga. Miaraha àry mandeha foana amin’ny fandaminan’i Jehovah, ka araho ny torohevitry ny Soratra Masina hoe mifantoha amin’ny eo aloha, ary aza mitodika any aoriana. Ho hita amin’izany, fa arahintsika tokoa ilay fampitandremana hoe “tsarovy ny vadin’i Lota.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “fako”, dia midika koa hoe zavatra “atsipy ho an’ny alika”, “diky”, “taim-biby.” Milaza ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, fa nampiasa an’io teny io i Paoly mba hilazana fa “tapa-kevitra izy hiala amin’ny zavatra tsy misy dikany sy maharikoriko, sady tsy tiany ho hita intsony ilay izy.”

[Fanontaniana]