Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety hahatonga ny Kristianina iray ho voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana ve ny fahazarana mijery sary vetaveta?

▪ Eny. Tena mila halavirina àry ny tantara sy ny sary vetaveta, na amin’ny boky izany na amin’ny filma, na Internet.

Miely eran-tany ny boky sy sary vetaveta. Mihamaro àry no mijery sary vetaveta, satria vao mainka mora noho ny hatramin’izay ny mahita azy ireny, noho ny fisian’ny Internet. Sendra nahita azy ireny fotsiny ny olona sasany, anisan’izany ny ankizy. Ny hafa indray tena mikaroka azy ireny mihitsy. Lasa sahisahy angamba izy ireo, satria tsy misy mahita rehefa mamaky tantara vetaveta na mijery sary vetaveta, ao an-tranony na any am-piasana. Nahoana no tena mampidi-doza ho an’ny Kristianina ny sary vetaveta?

Nanome antony lehibe i Jesosy. Hoy izy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Mat. 5:28) Marina fa tsy ratsy ny firaisana ifanaovan’ny mpivady, ary ahazoan’izy ireo fahafinaretana. (Ohab. 5:15-19; 1 Kor. 7:2-5) Ny sary vetaveta kosa anefa mampiseho firaisana tsy ara-dalàna, ka mahatonga ny olona hanana an’ilay eritreri-dratsy nampitandreman’i Jesosy. Mifanohitra tanteraka amin’ny toro lalan’Andriamanitra àry ny mamaky tantara vetaveta na mijery sary vetaveta. Hoy mantsy Andriamanitra: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—Kol. 3:5.

Ahoana raha nijery sary vetaveta indray mandeha na indroa ny Kristianina iray? Mety ho tafiditra ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza izy, toa an’i Asafa mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Izaho kosa anefa saika nivily lalana, ary efa saika nibolisatra ny tongotro.” Tsy hadio intsony ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina iray ary ho simba ny fihavanany amin’Andriamanitra, raha nijery sarina lehilahy na vehivavy niboridana izy, na olon-droa nanao firaisana. Hahatsapa toa an’i Asafa izy, izay nilaza hoe: “Azom-pahoriana aho tontolon’ny andro, ary anarina isa-maraina.”—Sal. 73:2, 14.

Tokony ho takatry ny Kristianina iray nijery sary vetaveta fa simba ny fifandraisany amin’i Jehovah, ary mila fanampiana izy. Afaka mahazo fanampiana izy eo anivon’ny fiangonana. Hoy ny Baiboly: “Raha misy olona sendra manao fahadisoana nefa tsy fantany akory, dia aoka izay olona araka ny fanahy eo aminareo hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy. Etsy an-danin’izany koa anefa, dia aoka ny tsirairay aminareo mba hitandrin-tena tsara.” (Gal. 6:1) Afaka manampy an’ilay Kristianina sy mivavaka ho azy ny anti-panahy iray na roa. ‘Hanasitrana an’ilay marary ny vavaka ataon’izy ireo amim-pinoana, ary ho voavela ny helony.’ (Jak. 5:13-15) Nandray soa ireo nangataka fanampiana, satria lasa nihavana tamin’i Jehovah, toa an’i Asafa izay nilaza fa ‘ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara aminy.’—Sal. 73:28.

Nilaza anefa ny apostoly Paoly fa nisy olona sasany tsy nibebaka tamin’ny “fahalotoany sy ny fijangajangany ary ny fitondran-tenany baranahiny.” * (2 Kor. 12:21) Nanazava ny manam-pahaizana atao hoe Marvin Vincent fa ilay teny grika nadika hoe “fahalotoana”, dia “midika hoe maharikoriko.” Tena maharikoriko ny sary vetaveta sasany, satria tsy olona miboridana, na lehilahy sy vehivavy manao firaisana fotsiny no asehony. Misy amin’izy ireny ahitana firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, olona maromaro manao firaisana, firaisana amin’ny biby, firaisana amin’ny ankizy, olona maromaro manolana olona iray, fampijaliana na famatorana an’ilay olona anaovana firaisana mba hahazoana fahafinaretana. Nilaza koa i Paoly fa “maizin-tsaina” ny olona sasany tamin’ny androny, ka ‘tsy nahalala menatra intsony, fa nanaram-po tamin’ny fitondran-tena baranahiny. Nanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao izy ireo, sady tsy nety afa-po fa mbola te hanao foana.’Efes. 4:18, 19.

Niresaka momba ny “fahalotoana” koa i Paoly ao amin’ny Galatianina 5:19. Nanazava ny manam-pahaizana anglisy iray fa ny tena tiana holazaina rehefa hoe manao an’io ny olona iray dia hoe “maniry hanao firaisana mamoafady” izy. Samy miaiky isika fa “mamoafady” sy maharikoriko ireo zavatra vetaveta notanisaina tetsy aloha ireo. Nilaza i Paoly ao amin’ny Galatianina 5:19-21 fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpanao an’ireny karazana fahalotoana ireny. Ahoana àry raha zatra mijery sary misy azy ireny ny Kristianina iray, angamba nandritra ny fotoana lava be? Raha tsy mibebaka izy fa manohy foana, dia horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana, mba hiarovana ny fahadiovan’ny fiangonana.—1 Kor. 5:5, 11.

Mahafaly ny mahalala fa tena niova ny olona sasany nijery sary vetaveta, rehefa nanatona ny anti-panahy ka nahazo fanampiana. Toy ny hoe voasarika avy tao anaty afo izy ireo. (Joda 22, 23) Nampirisika ny Kristianina tany Sardisy fahiny i Jesosy hoe: ‘Ampaherezo izay sisa tavela efa nadiva ho faty. Tadidio tsara foana izay efa noraisinao sy efa renao, ary tano hatrany izany, ka mibebaha. Fa raha tsy mifoha ianao, dia tsy ho fantatrao mihitsy izay ora hahatongavako eo aminao.’ (Apok. 3:2, 3) Azo atao tsara àry ny mibebaka sy miala amin’ny loza ateraky ny fijerena sary vetaveta.

Tsara lavitra anefa ny tsy mijery sary vetaveta mihitsy. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanalavitra ny karazana sary vetaveta rehetra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2006, pejy 29-31, mba ahitana ny maha samy hafa ny ‘fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fitondran-tena baranahiny.’

[Teny notsongaina, pejy 30]

Tokony ho takatry ny Kristianina iray nijery sary vetaveta fa simba ny fifandraisany amin’i Jehovah, ary mila fanampiana izy