Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tantaram-piainana

‘Mahafinaritra ny eo Ankavanan’i Jehovah’

‘Mahafinaritra ny eo Ankavanan’i Jehovah’

Notantarain’i Lois Didur

Efa nisy safidy nataonao ve, ka nanenenanao? Mety hitranga izany. Nisy safidy nataoko anefa 50 taona lasa izay, ary tsy nanenenako mihitsy. Nirotsaka ho mpanompo manontolo andro aho, ka tsapako fa mahafinaritra foana ny hoe eo ankavanan’i Jehovah. Hotantaraiko anareo ny antony.

TERAKA tany ambanivohitra tany Saskatchewan, any Kanada, aho tamin’ny 1939. Dimy mirahavavy izahay, ary iray ny lahy. Namboly sy niompy izahay, ary nahafinaritra ny fiainanay. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitory tamin’i Dada, indray andro, ka nanontaniako izy ireo hoe manana anarana ve Andriamanitra. Nasehon’izy ireo ahy ny Salamo 83:18, ka lasa te hahafantatra an’Andriamanitra sy ny Teniny aho.

Efitra tokana no nianaran’ny kilasy voalohany hatramin’ny kilasy faha-8, tany ambanivohitra. Nitaingina soavaly na nandeha an-tongotra lavitra be ny ankizy rehefa nianatra, ary ny ray aman-dreny no nifandimby nampiantrano an’ilay mpampianatra. Nisy mpampianatra vaovao tamin’ny indray taona izay, ary anjaranay ny nampiantrano azy. Tsy iza izany fa i John Didur.

Nanohana ny Kominista sy Sosialista i Dada, ka nilaza aho, indray mandeha, hoe tsara ny fitondran’izy ireo. Namaly ahy anefa i John hoe: “Tsy natao hifampitondra ny olombelona, fa Andriamanitra ihany no tokony hanao izany.” Hay tena tia Baiboly koa izy! Nisy resaka mahaliana taorian’izay.

Teraka tamin’ny 1931 i John, ka fantany hoe niteraka fijaliana be ny ady. Rehefa nipoaka àry ny Adin’i Korea tamin’ny 1950, dia nanontany mpitondra fivavahana maromaro izy hoe mety amin’ny Kristianina ve ny mandeha miady. Namaly izy ireo hoe mety izany. Nanontany Vavolombelon’i Jehovah indray i John tatỳ aoriana, ka nasehon’izy ireo tao amin’ny Baiboly fa tsy nandeha niady ny Kristianina voalohany. Natao batisa àry izy tamin’ny 1955. Natao batisa koa aho ny taona nanaraka, ary samy te hampiasa ny fiainanay hanompoana an’i Jehovah izahay. (Sal. 37:3, 4) Nivady izahay ny Jolay 1957.

Matetika no nitsingerina tamin’ny andro fivoriamben’ny vondrom-paritra ny mariazinay. Faly erỳ izahay fa tafaraka amin’ny olona maro be manaja ny fanambadiana. Tany New York izahay no nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena, tamin’ny 1958. Dimy mianadahy izahay no niaraka. Naharitra herinandro ilay dia, ary natory tao anaty tranolay izahay isak’alina. Tsy nampoizinay fa nanasa anay hatory tao aminy ny ranadahy iray, tamin’izahay tao Bethlehem, any Pennsylvanie. Faly erỳ izahay, satria nanjary nadio sy nilamina tsara ny paozinay rehefa tonga tao New York. Tena goavam-be ilay fivoriambe! Tsapanay tamin’izy iny fa tena mahafinaritra ny manompo an’i Jehovah. Marina mihitsy ny Salamo 16:11 hoe mahafinaritra foana ‘ny eo ankavanan’Andriamanitra.’

NANAO NY ASAN’NY MPISAVA LALANA

Nirotsaka ho mpisava lalana izahay tamin’ny 1959, ary nipetraka tao anaty tranofiara kely teny an-tampon-kavoanan’i Saskatchewan. Nahatazana hatrany amin’ny faritra lavitra be izahay, ary faritaninay ny sasany.

Nisy taratasy tonga avy tany amin’ny sampana anefa, indray andro, ka nihazakazaka aho nitondra an’ilay izy tany amin’i John, izay teo am-panamboarana traktera. Fanendrena anay ho mpisava lalana manokana any Red Lake, any Ontario, ilay izy. Naka sarintany haingana izahay hijerena an’ilay tany, satria tsy fantatray ilay toerana.

Feno ala matevina tany Red Lake. Maromaro koa ny fitrandrahana volamena tany, ary nisy tanàna kely tsy lavitra azy. Nitady trano izahay tamin’ny vao tonga tao, ka ren’ny ankizivavy iray ny resakay tamin’ny mpifanila trano taminy. Nihazakazaka àry izy niteny tamin’ny reniny. Nanasa anay hatory tao aminy io vehivavy io, ary tao amin’ny fandriana iray tao anaty lakaly izahay mivady no natory. Nahita trano hazo nisy efitra roa izahay ny ampitson’iny, ary tsy nisy efitra fandroana na fanaka tao amin’ilay izy. Fitaovana vifotsy kely fandrehetana kitay no tao, mba hanafanana ny trano. Tany amin’ny mpivarotra entana efa niasa izahay no nividy ny fitaovana nilainay, ary afa-po izahay.

Tany amin’ny 209 kilaometatra vao nisy fiangonana. Nahita olona liana anefa izahay. Avy any Eoropa ny ankamaroan’ny mpiasa tao amin’ireo toeram-pitrandrahana, ka nangataka Baiboly tamin’ny fiteniny izy ireo. Tsy ela àry dia nitarika fampianarana Baiboly 30 izahay. Nandroso tsara izy ireo, ka nisy fiangonana kely tao, enim-bolana tatỳ aoriana.

Nitelefaonina niantso ny momperany ny lehilahy iray indray andro, rehefa nampianatra ny vadiny izahay. Tiany hanitsy ny vadiny ilay mompera. Tonga tokoa izy io, ary nilaza fa tokony hampianatra momba ny Andriamanitra telo izay iray izahay. Namoaka Baiboly katolika àry ilay vehivavy, ary nasainy noporofoin’ilay mompera ny teniny. Natsipiny teo amin’ny latabatra anefa ilay Baiboly, sady nilaza izy fa tsy mila manaporofo na inona na inona. Lasa izy avy eo, ary niteny tamin’ny teny iokrenianina hoe tokony horoahin’izy mivady izahay. Tsy fantany fa azon’i John ny teniny!

Niala tao Red Lake izahay tsy ela taorian’izay, satria hiofana ho mpiandraikitra ny faritra i John. Nisy zavatra nahafinaritra anefa herintaona taorian’izay. Nanao lahatenin’ny batisa i John tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, ary anisan’ny hatao batisa ilay lehilahy. Tonga saina izy taorian’ilay resaka tamin’ny mompera, ka namakafaka ny Baiboly.

NANAO NY ASAN’NY FARITRA

Nahafinaritra ny niara-nipetraka tamin’ny fianakaviana maro samihafa, rehefa nanao ny asan’ny faritra. Lasa nifandray akaiky tamin’izy ireny izahay. Rahavavy be taona no nampiantrano anay indray ririnina izay, ary nataony tao ambony rihana izahay. Renay niditra moramora izy isa-maraina, ary nandrehitra afo mba hanafanana an’ilay efitra. Niverina indray izy avy eo, nitondra koveta misy rano mafana hisasanay. Tena niana-javatra avy amin’io rahavavy tsara fanahy io aho.

Nanampy ahy hifandray kokoa tamin’i Jehovah ny asan’ny faritra. Anisan’ny notsidihinay ny faritr’i Alberta, ary nisy toeram-pitrandrahana iray tao, izay tsy nisy afa-tsy rahavavy iray. Sarobidy tamin’ny fandaminana izy io, ka nandeha fiaramanidina izahay isaky ny enim-bolana mba hitsidika azy. Nijanona tao herinandro izahay ary nanompo sy nivory, toy ny ataonay amin’ny fiangonana any an-tanàn-dehibe. Miahy ny ondrikeliny rehetra tokoa i Jehovah!

Nifanoratra tamin’ireo nampiantrano anay izahay. Mampahatsiahy ahy ny fanomezana voalohany azoko tamin’i John izany. Boaty mareva-doko ilay izy, ary feno taratasy natao hanoratana. Faly erỳ izahay nampiasa an’ilay izy mba hifanoratana tamin’ireo namanay. Mbola sarobidy amiko io boaty io.

Nantsoin’ny Betelan’i Kanada izahay, tamin’izahay nitsidika tao Toronto, ary nanontaniana raha te hiasa ao amin’ny Betela. Oviana, hoy ianareo, izahay no tsy maintsy nanome valiny? Ny ampitson’iny! Mazava ho azy fa nanaiky izahay!

NANOMPO TAO AMIN’NY BETELA

Tsapanay foana, isaky ny niova ny karazana fanompoana nataonay, fa mahafinaritra ny hoe eo ankavanan’i Jehovah. Mbola tsapanay izany rehefa lasa Betelita izahay, tamin’ny 1977. Nifanerasera tamin’ny voahosotra izahay tao, ka sady nahita ny fahasamihafan’ny toetran’izy ireo, no nahita fa tena tia ny Tenin’Andriamanitra izy ireo.

Nahafinaritra ny fiainanay vaovao. Tsy notehirizina tao anaty valizy intsony ny akanjonay, fa nampirimina tao anaty arimoara. Tsy vitan’izay fa nijanona tamin’ny fiangonana iray izahay. Nanana ny asa nanendrena ahy aho, nefa faly koa aho rehefa asaina mitondra an’ireo olona mitsidika Betela. Nanazava ny asa atao ao amin’ny Betela aho, nihaino ny fanamarihan’izy ireo, ary namaly ny fanontaniany.

Nasaina hanao ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana, tany Patterson, i John tamin’ny 1997. Nanontaniana izahay taorian’ilay sekoly raha afaka hifindra eto Ukraine, ka nasaina nandinika tsara sy nivavaka aloha. Ny harivan’iny anefa izahay dia nanapa-kevitra hoe handeha.

NIFINDRA NANKETO UKRAINE

Efa namonjy fivoriambe iraisam-pirenena tany Saint-Pétersbourg, any Rosia, izahay tamin’ny 1992. Namonjy an’ilay fivoriambe tao Kiev, eto Ukraine, koa izahay, tamin’ny 1993, ka lasa tia an’ireo mpiara-manompo eto. Faly erỳ àry izahay rehefa nifindra teto Ukraine. Trano tranainy, ambony rihana, tao Lviv, no nipetrahanay, ary mahatazana akoholahy mena sy akohokely maromaro mandehandeha eo an-tokotany izahay, rehefa mijery eo am-baravarankely. Misy zaridaina kely koa eo. Nahatsiaro ny tany Saskatchewan aho nahita izany! Betelita 12 izahay no nipetraka tao, ary namakivaky ny tanàna vao maraina be isan’andro, nankany amin’ny Betela.

Nanampy anay hanetry tena ny fiarahana tamin’ireo mpiara-manompo eto Ukraine. Maro no niaritra fitsapana, nigadra, na niaina tamin’ny fandrarana. Rehefa nidera azy ireo izahay, dia niteny izy ireo hoe: “Ho an’i Jehovah no nanaovanay an’izany.” Tsapan’izy ireo hoe tsy vitany tamin’ny heriny samirery ny niaritra. Hatramin’izao aza, rehefa misy mpiara-manompo iokrenianina manampy anao ka isaoranao, dia mety hamaly izy hoe: “Misaotra an’i Jehovah!” Mino izy ireo fa i Jehovah no loharanon’ny zava-tsoa rehetra.

Mandeha an-tongotra adiny iray na mahery ny ankamaroan’izy ireo rehefa mivory, ka afaka mifampahery. Misy fiangonana 50 mahery izao ao Lviv, ary mivory ao amin’ny toerana iray misy Efitrano Fanjakana maromaro ny fiangonana 21. Mahafinaritra erỳ ny mijery an’ireo olona maro be miditra ao rehefa alahady.

Vetivety dia tsy sadaikatra izahay niaraka tamin’ireo mpiara-manompo eto Ukraine. Tsara fanahy izy ireo, ary tia manampy. Mbola tsy mahay tsara ny fitenin’izy ireo aho hatramin’izao, nefa manam-paharetana be izy ireo. Hita eny amin’ny endrik’izy ireo matetika izany toetrany izany.

Tsapako tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Kiev, tamin’ny 2003, fa tena mifampatoky ny vahoakan’i Jehovah. Feno olona teo amin’ny fiantsonan’ny lamasinina, rehefa nidina teo izahay, ary nisy ankizivavikely nanatona anay sady niteny hoe: “Very aho. Tsy hitako ny bebenay.” Fantany hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay, satria nanao karatry ny fivoriambe. Tsy natahotra mihitsy izy, na nitomany. Nisy vadina mpiandraikitra ny faritra niaraka taminay, ka nentiny tany amin’ny Fametrahana Zavatra Very tao amin’ny fivoriambe ilay ankizy. Tsy ela dia hitany ny bebeny. Nanohina ny foko ny nahita an’ilay ankizivavikely tsy nanana ahiahy, tao anatin’ilay vahoaka be.

Tamin’ny 2001 no nahavita trano hatao Betela ny eto Ukraine. Natao tao amin’ny kianja be iray ny lahateny fitokanana, indray alahady marainan’ny volana Mey 2001, ary avy any amin’ny tany maro ny mpanatrika. Tsy hadinoko mihitsy ireo olona maro be nirohotra hitsidika ny Betela, taorian’ilay lahateny. Nampihetsi-po ny nahita azy ireo nilamina tsara sy tsy nitabataba. Vao mainka niaiky aho fa mahafinaritra ny manompo an’i Jehovah.

FIOVANA LEHIBE

Nampalahelo fa voan’ny kansera ny vadiko tamin’ny 2004, ary nody tany Kanada izahay mba hitsabo azy. Tsy zakany anefa ny fitsaboana simika natao taminy, ka tsy nahatsiaro tena izy ary tany amin’ny hopitaly nandritra ny herinandro vitsivitsy. Soa ihany fa nahatsiaro tena indray izy. Zara raha nahateny izy, nefa hita teny amin’ny endriny fa nankasitrahany ireo tonga namangy azy.

Tsy sitrana intsony anefa izy, ary maty ny 27 Novambra 2004. Tsapako fa nisy banga ny fiainako, satria tena nahafinaritra anay sy John ny niara-nanompo an’i Jehovah. Inona àry no nataoko? Niverina teto Ukraine aho. Tena ankasitrahako ny fitiavana asehon’ireo Betelita eto sy ireo iray fiangonana amiko.

Tsy nanenenanay mivady mihitsy ny safidy nataonay teo amin’ny fanompoana. Nahafinaritra ny fiainanay, ary nanana ny namana tsara indrindra izahay. Fantatro hoe mbola betsaka ny zavatra mila ianarako momba ny hatsaran’i Jehovah, ary manantena aho fa hanompo azy mandrakizay. Tsapako mantsy fa tena ‘mahafinaritra ny eo ankavanan’i Jehovah.’

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Tsy nanenenanay mivady mihitsy ny safidy nataonay teo amin’ny fanompoana”

[Sary, pejy 3]

Tamin’ny mariazinay

[Sary, pejy 4]

Tamin’izahay mpisava lalana manokana tany Red Lake, any Ontario

[Sary, pejy 5]

Izahay mivady tamin’ny 2002 (Ukraine)