Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahay Manome Torohevitra ve Ianao?

Mahay Manome Torohevitra ve Ianao?

Mahay Manome Torohevitra ve Ianao?

Efa nisy nametraka an’ireto fanontaniana ireto taminao ve: Inona no tokony hataoko? Tokony ho any amin’io fiaraha-mikorana io ve aho? Tokony hanao an’io asa io ve aho? Tokony hanambady an’io olona io ve aho?

Mety hangataka fanampiana aminao ny olona sasany rehefa hanapa-kevitra, ary mety hisy vokany eo amin’ny fifandraisany amin’ny namany, na ny fianakaviany, na i Jehovah mihitsy ilay izy. Ahoana no fanaonao rehefa manome torohevitra? Milaza ny hevitrao manokana ve ianao, sa mampiasa ny Baiboly? Na zava-dehibe ilay zavatra anontaniany, na zavatra kely, dia marina foana ny Ohabolana 15:28 hoe: “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” Ireto misy toro lalan’ny Baiboly dimy afaka manampy anao.

1 Fantaro ny Tena Zava-misy.

“Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.”OHAB. 18:13.

Mila mahafantatra ny zava-misy sy ny fomba fihevitr’ilay olona ianao, raha te hanome torohevitra tsara. Ahoana, ohatra, no hataonao raha misy manontany anao ny lalana mankany an-tranonareo? Afaka manoro azy ve ianao raha tsy fantatrao hoe aiza ho aiza no misy azy? Mazava ho azy fa tsia! Toy izany koa rehefa manome torohevitra. Mila fantarinao aloha ny zava-misy sy ny fomba fihevitr’ilay olona. Mila eritreretinao koa sao misy zavatra tsy fantatrao, nefa miankina amin’izay ny torohevitra tokony homenao. Raha tsy mahalala tsara ny zava-misy ianao, dia mety tsy ho afaka hanome torohevitra tsara, fa vao mainka aza hampikorontan-tsaina an’ilay olona.—Lioka 6:39.

Fantaro hoe inona no fikarohana efa nataony. Tsara ny manontany an’ilay olona hoe: Inona ny toro lalan’ny Baiboly eritreretiny hampiharina? Inona ny lafy tsara sy lafy ratsin’ireo safidy mety ho azony atao? Inona no fikarohana efa nataony? Ary inona no efa nolazain’ny olona taminy, ohatra hoe ny anti-panahy, ny ray aman-dreniny, na ny olona mampianatra Baiboly azy?

Ho hitantsika avy amin’izany hoe inona no ezaka efa nataon’ilay olona. Afaka manampy anao hanome torohevitra koa ny fahafantaranao izay efa nolazain’ny olon-kafa. Mety ho hitanao amin’izay lazainy koa anefa hoe sao dia mba te hahazo torohevitra “mahafinaritra ny sofiny” fotsiny izy.—2 Tim. 4:3.

2 Aza Maika Hamaly.

“Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”JAK. 1:19.

Mety ho te hanampy an’ilay olona isika, ka hamaly avy hatrany. Fahendrena ve anefa izany, indrindra fa raha mbola tsy nanao fikarohana tsara momba an’ilay izy isika? Hoy ny Ohabolana 29:20: “Mahita olona faingam-bava ve ianao? Ny tsisy saina aza misy antenaina kokoa noho izy.”

Ataovy azo antoka hoe mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra ny torohevitra omenao. Eritrereto hoe: ‘Sao dia mba ahitana taratra ny toe-tsain’izao tontolo izao ny fomba fihevitro?’ (1 Kor. 2:12, 13) Tadidio fa tsy ampy ny hoe te hanampy. Rehefa fantatry ny apostoly Petera, ohatra, fa hijaly sy ho faty i Jesosy, dia nanoro hevitra azy izy hoe: “Tokony mba ho tsara fanahy amin’ny tenanao ianao, Tompo ô! Tsy hanjo anao mihitsy izany.” Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha tsy mitandrina isika, na dia tena te hanampy aza, dia mety hampirisika ny hafa hanaraka ‘hevitr’olombelona, fa tsy ny hevitr’Andriamanitra.’ (Mat. 16:21-23) Tena ilaina àry ny mieritreritra tsara vao miteny! Sady voafetra ihany ny zavatra haintsika raha oharina amin’ny fahendren’Andriamanitra!—Joba 38:1-4; Ohab. 11:2.

3 Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra.

“Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.”JAONA 8:28.

Hiteny amin’ilay olona ve ianao hoe: “Raha izaho ianao, dia izao no hataoko”? Mety ho tsotra be aminao ny tokony hatao, nefa manetre tena toa an’i Jesosy. Tena hendry sy nanana traikefa be izy, nefa niteny hoe: ‘Tsy araka ny nahim-poko no nitenenako, fa ny Ray no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko.’ (Jaona 12:49, 50) Nataony mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Rainy foana ny fampianarany sy ny toroheviny.

Nilaza, ohatra, ny Lioka 22:49 fa nanontany an’i Jesosy ny mpianany, tamin’izy nosamborina, raha tokony hiaro azy izy ireo. Efa nampiasa sabatra mihitsy aza ny anankiray. Hita ao amin’ilay fitantarana mitovy amin’io anefa, fa mbola naka fotoana hampisaintsainana ny mpianany i Jesosy, na dia tao anatin’izany toe-javatra izany aza. (Mat. 26:52-54) Fantany ny toro lalana ao amin’ny Genesisy 9:6 sy ireo faminaniana ao amin’ny Salamo faha-22 sy Isaia faha-53, ka afaka nanome torohevitra feno fahendrena izy. Azo antoka fa nahavonjy ain’olona izy sady nampifaly an’i Jehovah.

4 Ampiasao Ireo Boky Aman-gazetintsika.

“Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?”MAT. 24:45.

Nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana i Jesosy, mba hanome antsika ny sakafo ara-panahy tena ilaintsika. Maka fotoana àry ve ianao mba hikarohana tsara ao amin’ireo boky aman-gazetintsika, rehefa hanome torohevitra momba ny raharaha lehibe?

Misy fanazavana be dia be mora hita ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Watchtower Library amin’ny CD-ROM. * Aza hadinoina fa misy tahirim-pahalalana be dia be ao amin’izy ireny. Misy loha hevitra an’arivony ao, ahafahanao mahita lahatsoratra maro be anampiana olona. Hainao ve ny manampy olona hampiasa an’ireo fitaovana ireo, mba hahitany ny toro lalan’ny Baiboly tokony harahina rehefa hanapa-kevitra? Toy ny sarintany afaka manampy antsika hahita ny lalana tokony haleha, ireny fitaovana fanaovana fikarohana ireny. Manampy antsika hahita ny lalana mankany amin’ny fiainana izy ireny.

Maro ny anti-panahy afaka nanampy ny mpitory, mba hahay hampiasa ny Fanondroana na ny Watchtower Library. Nanampy an’ireo mpitory izany mba hahita lahatsoratra miresaka ny toro lalan’ny Baiboly tena ilainy. Sady nanampy azy ireo hiatrika an’ilay olana izany, no lasa zatra manao fikarohana izy ireo, ary miantehitra amin’ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah. Lasa “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” izy ireo, vokatr’izany.—Heb. 5:14.

5 Aza Manapa-kevitra ho An’ny Hafa.

‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’GAL. 6:5.

Anjaran’ilay olona no misafidy izay torohevitra tiany harahina. Avelan’i Jehovah hisafidy ny tsirairay hoe hanaraka ny toro lalany na tsia. (Deot. 30:19, 20) Mbola anjaran’ny tsirairay ihany no manapa-kevitra, na dia misy toro lalana maromaro azo isafidianana aza amin’ilay toe-javatra. Raha isika anefa ilay olona angatahana torohevitra, dia mila mieritreritra isika hoe: ‘Anjarako ve no manoro hevitra azy?’ Amin’ny zavatra sasany mantsy, dia tsara kokoa raha ny anti-panahy no manoro hevitra an’ilay olona, na ny ray aman-dreniny raha tanora izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Misy amin’ny fiteny 39 izao ny Watchtower Library, ary amin’ny fiteny 45 mahery ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Iaraho Midinika Amin’ny Fianakaviana

Nisy nangataka torohevitra taminao ve vao haingana? Nahoana raha dinihina amin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianao ilay fanontaniana? Miaraha mitady lahatsoratra sy toro lalan’ny Baiboly momba an’ilay izy. Aoka hatao hoe nisy olona nangataka ny hevitrao momba ny olona iray tiany halaina ho vady. Azonareo jerena ao amin’ny Fanondroana na ny Watchtower Library, ny loha hevitra mifandray amin’ilay izy. Azonareo jerena, ohatra, ny loha hevitra hoe “Mampiaraka” na “Fanambadiana.” Jereo ny loha hevitra eo ambanin’ilay izy, mba hahitanao lahatsoratra mifandray amin’ilay fanontaniana. Afaka manampy anao koa ny loha hevitra eo ambanin’ilay hoe “Jereo koa”, raha misy. Mety hifandray kokoa amin’ny fanontanian’ilay olona ny hevitra ao amin’izy io.

[Efajoro, pejy 9]

Misaotra an’i Jehovah isika manampy antsika hahay hanome torohevitra sy hahazo torohevitra, amin’ny alalan’ny fandaminany. Hoy ny Mpitoriteny 12:11: “Tahaka ny hazo fanindronana omby ny tenin’ny hendry, ary toy ny fantsika milentika ireo revo manangona tenim-pahendrena. Avy tamin’ny mpiandry iray izy ireny.” Toy ny “hazo fanindronana omby” izay ampiasaina mba hitarihana ny omby any amin’ny lalana tokony halehany, dia toy izany koa ny torohevitra feno fahendrena. Manampy ny olona izy ireny hahalala izay tokony hataony. Toy ny “fantsika milentika” ka mahatonga ny zavatra iray ho mafy sy maharitra, dia toy izany koa fa mitondra vokatra tsara sy maharitra ny torohevitra tsara. Hendry izay tia mandinika ny “tenim-pahendrena” avy amin’i Jehovah, ilay “mpiandry” antsika.

Manahafa àry an’i Jehovah, ka henoy ireo olona mila fanampiana. Omeo torohevitra izy, raha afaka manao izany ianao. Raha ataontsika mifanaraka amin’ny Baiboly ny torohevitsika, dia handray soa ilay olona ary ho afaka hiaina mandrakizay.