Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidio Foana fa Asa Maika ny Fitoriana!

Tadidio Foana fa Asa Maika ny Fitoriana!

Tadidio Foana fa Asa Maika ny Fitoriana!

“Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany.”—2 TIM. 4:2.

HAINAO HAZAVAINA VE IRETO?

Nahoana no nilaina maika ny nitory sy nampahafantatra ny hafatr’Andriamanitra, tamin’ny taonjato voalohany?

Inona no manampy antsika hitadidy fa asa maika ny fitoriana?

Nahoana no maika noho ny hatramin’izay ny fitoriana ankehitriny?

1, 2. Inona no fanontaniana mipetraka momba ny fitoriana?

MAIKA be ny olona rehefa hamonjy ain’olona. Tsy mba mitaredretra, ohatra, ny mpamono afo rehefa misy trano may, satria fantany fa aina no vonjena.

2 Te hamonjy ain’olona koa isika, ka zava-dehibe amintsika ny fitoriana ny vaovao tsara. Marina aloha fa tsy hoe mila mikoropadropaka be isika manao azy io. Inona anefa no dikan’ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany”? (2 Tim. 4:2) Inona no hataontsika raha takatsika fa maika ny asa fitoriana? Nahoana no tena maika io asa io?

NAHOANA NO MAIKA NY ASA FITORIANA?

3. Inona no vokany raha manaiky ny vaovao tsara ny olona ary inona no vokany raha tsy manaiky?

3 Azo inoana fa dodona ianao hitory ny vaovao tsara, satria fantatrao fa ho voavonjy izay manaiky azy io, fa ho ringana kosa izay tsy manaiky azy io. (Rom. 10:13, 14) Milaza ny Baiboly fa raha mampitandrina ny ratsy fanahy isika, ka ‘miala amin’ny fahotany izy ary manao ny rariny sady manao izay hitsiny, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. Tsy hisy hotsarovana ny fahotany, ka tsy hanamelohana azy intsony.’ (Ezek. 33:14-16) Milaza koa ny Baiboly fa ‘hamonjy ny tenantsika sy ireo mihaino antsika’ isika, raha mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana.—1 Tim. 4:16; Ezek. 3:17-21.

4. Nahoana no nilaina maika ny fitoriana, rehefa nipoitra ny fivadiham-pinoana, tamin’ny taonjato voalohany?

4 Mba hahafantarantsika hoe nahoana i Paoly no nampirisika an’i Timoty hitory tsy misy hataka andro, dia hojerentsika ilay andinin-teny fototra sy ny teny manodidina azy. Izao no voalaza ao: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany na amin’ny mora na amin’ny sarotra, mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra, ary aoka ianao hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao izany rehetra izany. Ho avy mantsy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy.” (2 Tim. 4:2-4) Efa nilaza mialoha i Jesosy fa hisy ny fivadiham-pinoana. (Mat. 13:24, 25, 38) Nila ‘nitory ny teny’ tsy misy hataka andro àry i Timoty, eny fa na dia teo anivon’ny fiangonana aza, mba hanampiana ny Kristianina tsy ho voataonan’ny fampianaran-diso. Notandindomin-doza mantsy ny ain’izy ireo.

5, 6. Inona ny hevi-diso inoan’ny olona maro ankehitriny?

5 Miely be koa izao ny fivadiham-pinoana, ka manaraka fampianaran-diso ny olona. (2 Tes. 2:3, 8) Fampianarana manao ahoana no ‘mahafinaritra ny sofin’ny olona’ ankehitriny? Manintona ny olona any amin’ny tany maro ny fampianarana hoe nivoatra miandalana ny olombelona fa tsy noforonin’Andriamanitra. Mafana fo be ireo mampianatra momba azy io, ka misy vokany amin’ny fiheveran’ny olona an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy izany. Betsaka koa ny olona mino hoe tsy miraharaha antsika Andriamanitra, ka tsy tokony hiraharaha azy isika. ‘Mahafinaritra ny sofin’ny olona’ ireo hevitra ireo, satria mahatonga azy ireo hieritreritra hoe: ‘Afaka manao izay tiako aho, satria tsy misy na iza na iza hitsara ahy amin’izay ataoko.’ (Vakio ny Salamo 10:4.) Mahatonga azy ireo hatory ara-panahy anefa izany.

6 Mahafinaritra ny olona koa ny fampianaran’ny mpitondra fivavahana hoe: ‘Tian’Andriamanitra foana ianao, na inona na inona ataonao.’ Misy koa mampianatra hoe ankasitrahan’Andriamanitra ny fombafomba ara-pivavahana, ny Lamesa sy fety ara-pivavahana, ary ny fampiasana sary masina. Mino an’izany ny olona, nefa tsy fantany fa mampidi-doza izany. (Sal. 115:4-8) Handray fitahiana avy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa izy ireo, raha ampiantsika mba hifoha ara-panahy ka hahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

INONA NO HATAONTSIKA RAHA TAKATSIKA FA MAIKA NY ASA FITORIANA?

7. Inona no tokony hataontsika, raha takatsika hoe maika ny asa fitoriana?

7 Tsy maintsy mifantoka tsara ny dokotera rehefa mandidy, satria aina no vonjena. Toy izany koa no ataontsika. Fantatsika fa maika ny asa fitoriana, ka mila mifantoka tsara amin’izy io isika. Amin’ny fomba ahoana? Rehefa handeha hanompo, ohatra, isika dia mila mieritreritra hoe inona no foto-kevitra na fanazavana mety hahaliana ny olona, ary inona no fanontaniana mety hanaitra ny sainy. Afaka manamboatra ny fotoanantsika koa isika, mba hahafahantsika mitory amin’ny fotoana be olona mandray.—Rom. 1:15, 16; 1 Tim. 4:16.

8. Inona matetika no tsy maintsy atao, rehefa misy zavatra maika?

8 Inona koa no tokony hataontsika, raha takatsika fa maika ny fitoriana? Aoka hatao hoe nasain’ny dokotera nanao fitsirihana ianao, ka rehefa hitany fa ratsy ny valin’ilay izy, dia niteny izy hoe: “Mila manao zavatra haingana ianao! Ho ratsy ny vokany, raha tsy voatsabo ao anatin’ny iray volana io aretina io.” Tsy hoe vao mandre an’izany anefa ianao dia hikoropaka hiala teo, satria hoe mila manao zavatra haingana. Azo inoana fa hihaino tsara ny toroheviny aloha ianao, ary handeha hody avy eo, ka handinika hoe inona no tokony hataonao voalohany. Toy izany koa no tokony hataontsika raha takatsika fa maika ny fitoriana. Mila mieritreritra isika hoe inona no tokony hataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana.—Vakio ny Genesisy 19:15.

9. Inona no mampiseho fa takatr’i Paoly hoe asa maika ny fitoriana?

9 Ohatra ho antsika i Paoly, satria tsapany fa maika ny asa fitoriana. Hita izany, rehefa dinihina ny teniny tamin’ireo anti-panahy tao Efesosy, any amin’ny faritr’i Azia. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:18-21.) Nampahatsiahiviny azy ireo ny zavatra nataony, tamin’izy nandalo tao Efesosy. Nolazainy fa ny andro voalohany nahatongavany izy, dia efa nanomboka nitory isan-trano. Tsy izay ihany fa “nandaha-teny isan’andro tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano” izy, nandritra ny roa taona. (Asa. 19:1, 8-10) Hita teo amin’ny zavatra fanaony andavanandro fa takany hoe asa maika ny fitoriana. Na dia ampirisihina ‘hitory tsy misy hataka andro’ aza anefa isika, dia tsy midika izany hoe tsy hanao afa-tsy ny hitory isika. Tokony hataontsika loha laharana kosa izy io eo amin’ny fiainantsika.

10. Nahoana isika no faly noho ny nataon’ireo Kristianina niaina talohan’ny 1914?

10 Ohatra ho antsika koa ireo Mpianatra ny Baiboly niaina talohan’ny 1914. Tsapan’izy ireo fa maika ny asa fitoriana, ka nanomboka nitory izy ireo. An’arivony monja izy ireo tamin’izany, nefa nazoto nitory ilay Fanjakana. Namoaka toriteny tao amin’ny gazety 2 000 mahery koa ny Mpianatra ny Baiboly, ary namoaka ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Olona an-tapitrisany no nahare ny vaovao tsara, vokatr’izany. Raha tsy tsapan’ireny mpitory ireny hoe maika ny asa fitoriana, firy tamintsika no nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana?—Vakio ny Salamo 119:60.

AZA HADINOINA MIHITSY FA MAIKA NY ASA FITORIANA

11. Nahoana ny Kristianina sasany no nanadino fa maika ny asa fitoriana?

11 Raha variana amin-javatra hafa isika, dia mety hanadino fa maika ny asa fitoriana. Mampiasa an’ity tontolo ity i Satana mba hahatonga antsika ho variana amin’izay zavatra mahafinaritra antsika sy ny zavatra hafa tsy tena ilaina. (1 Pet. 5:8; 1 Jaona 2:15-17) Nisy Kristianina sasany nanjary nanadino hoe maika ny asa fitoriana, na dia nanao azy io ho loha laharana aza izy taloha. Anisan’izany i Demasy. ‘Niara-niasa’ tamin’i Paoly io Kristianina io taloha. Lasa variana tamin’ity tontolo ity anefa izy, ka nandao an’i Paoly sady tsy nampahery azy intsony tao anatin’ny sarotra.—Filem. 23, 24; 2 Tim. 4:10.

12. Inona no tombontsoa ananantsika ankehitriny, ary inona no tombontsoa hananantsika amin’ny hoavy?

12 Inona àry no hanampy antsika mba tsy hanadino hoe maika ny asa fitoriana? Mila miady mafy isika mba tsy ho variana mikatsaka an’ireo zavatra mahafinaritra eto amin’ity tontolo ity. Mila miezaka kosa isika “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.” (1 Tim. 6:18, 19) Mbola be dia be ny asa mahafinaritra hataontsika rehefa hiaina mandrakizay, eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao ihany anefa isika no afaka manampy ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona.

13. Inona no hanampy antsika hitadidy hoe maika ny asa fitoriana?

13 Inona no hanampy antsika hitadidy foana hoe maika ny asa fitoriana, na dia matory ara-panahy aza ny olona manodidina antsika? Mila mitadidy isika fa natory toa azy ireo koa isika taloha, sady tao anaty haizina. Nofohazina anefa isika, ary ‘nomen’i Kristy hazavana’, ka lasa mpitondra fahazavana. (Vakio ny Efesianina 5:14.) Tsara àry ny manaraka an’ity tenin’i Paoly ity: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.” (Efes. 5:15, 16) Na dia ratsy aza anefa izao andro izao, dia ilaintsika ny ‘manararaotra fotoana’ mba hanaovana zavatra mampifoha ara-panahy.

FOTOANA MIAVAKA IZAO IAINANTSIKA IZAO

14-16. Nahoana no maika noho ny hatramin’izay ny fitoriana ankehitriny?

14 Efa maika foana ny asa fitoriana hatramin’izay, kanefa mbola maika kokoa noho ny hatramin’izay izy io izao. Tanteraka nanomboka tamin’ny 1914 ilay famantarana voaresaka ao amin’ny Baiboly. (Mat. 24:3-51) Atahorana handripaka ny olombelona ny ady. Na dia efa nanao fifanekem-pihavanana aza ireo firenena matanjaka indrindra, dia mbola manana baomba niokleary 2 000 eo ho eo izy ireo, izay azo ampiasaina avy hatrany. Nilaza imbetsaka koa ny manam-pahefana hoe very ny sasany amin’ireny baomba ireny. Iza anefa no mahalala raha ny mpampihorohoro no naka ny sasany? Milaza ny mpandinika fa mety ho ripaka ny olombelona, raha manapoaka ady ny mpampihorohoro. Tsy ny ady ihany anefa no atahorana handripaka ny olombelona.

15 Namoaka tatitra ny gazety anglisy iray sy ny Oniversiten’i Londres, tamin’ny 2009, hoe: “Ny fiovana eo amin’ny toetrandro no tena atahorana hanimba ny fahasalaman’ny olona eran-tany, ... ka olona an-tapitrisany no mety ho faty any aoriana any.” Mety hiakatra be koa ny ranomasina, na hisy hain-tany, tondra-drano, valanaretina, rivo-doza, na mety hihena ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana ka hisy ny ady mba hahazoana azy ireny. Mety ho rava ny toerana maro vokatr’izany. Tena atahorana handripaka ny olombelona tokoa ny ady sy ny loza.

16 Mihevitra ny olona sasany hoe rehefa mipoaka ny ady niokleary, dia ho tanteraka ny “famantarana” voalazan’ny Baiboly. Tsy azon’ny ankamaroan’ny olona anefa ny tena dikan’ilay famantarana. Midika izy io hoe efa manatrika i Kristy ary efa tena akaiky ny farany. (Mat. 24:3) Efa am-polony taona maro no tanteraka ilay famantarana, ary vao mainka miharihary ankehitriny ny lafiny maro amin’izy io. Tena mila mifoha ara-panahy àry ny olona ankehitriny, ary afaka manampy azy ireo isika amin’ny alalan’ny fanompoantsika.

17, 18. a) Inona no vokatry ny fahafantaranao fa miaina amin’ny andro farany isika? b) Inona no mety hahatonga ny olona ho liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana?

17 Kely sisa ny fotoana ananantsika, mba hanaporofoana ny fitiavantsika an’i Jehovah, sy hamitana ny asa fitoriana, izay tokony hatao amin’izao andro farany izao. Vao mainka ilaina ny mampihatra ny tenin’i Paoly hoe: “Fantatrareo izao fotoana misy antsika izao, fa efa tonga izao ny ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso. Fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny fotoana nahatongavantsika ho mpino.”—Rom. 13:11.

18 Lasa te hifandray amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny, noho ireo zava-mitranga amin’ny andro farany. Hitan’ny sasany koa fa tsy mahomby ny fitondran’olombelona. Tsy vitan’ny fitondrana ny misakana ny fipoahana niokleary, ny manafoana ny olana ara-toe-karena, ny herisetra, ny fanimbana ny tontolo iainana. Ny hafa indray te hifandray amin’Andriamanitra, noho ny olana ara-pianakaviana. Ohatra hoe marary na maty ny mpianakaviny, na nisara-panambadiana izy. Afaka manampy an’ireny olona ireny isika, rehefa mitory.

NY VOKATRY NY FAHALALANA FA ASA MAIKA NY FITORIANA

19, 20. Inona no fiovana nataon’ny Kristianina maro, rehefa tsapan’izy ireo fa asa maika ny fitoriana?

19 Nampitombo ny fanompoany ny Kristianina maro, rehefa tsapany fa maika ny asa fitoriana. Nanapa-kevitra hanatsotra ny fiainany, ohatra, ny mpivady tanora iray any Ekoatera, rehefa avy nanatrika ny fivoriambe manokana tamin’ny 2006 hoe “Aoka ho Tsotra Foana ny Masonao.” Nataony lisitra ny zavatra tsy nilainy, ary namidiny ny entana sasany, ka voaloany daholo ny trosany. Nialany koa ny trano lehibe nipetrahany ka nifindra tamin’ny trano kely kokoa izy ireo. Vitan’izy ireo tao anatin’ny telo volana izany rehetra izany. Nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy izy ireo, tsy ela taorian’izay, ary nanaraka ny soso-kevitry ny mpiandraikitra ny faritra, ka nifindra tany amin’ny fiangonana nila fanampiana.

20 Nanao fanovana koa ny mpivady iray any Amerika Avaratra. Hoy ilay rahalahy: “Efa 30 taona no naha vita batisa anay mivady, tamin’ny 2006. Nisy vokany lalina taminay anefa ny fivoriambe iray natrehinay tamin’io taona io. Nifampiresaka izahay mivady, rehefa teny ambony fiara hody, hoe ahoana no azonay anatsorana ny fiainanay, araka ny torohevitra tamin’ilay fivoriambe. (Mat. 6:19-22) Nanana tany izahay, nanana trano telo, fiara maromaro tsara be, sambo iray, ary tranofiara iray. Tsapanay hoe adaladala izahay satria variana tamin’ny ara-nofo. Nataonay tanjona àry ny hanompo manontolo andro, ka nirotsaka ho mpisava lalana maharitra toy ny zanakay vavy izahay, tamin’ny 2008. Tena faly izahay miara-miasa akaiky amin’ireo rahalahy. Faly koa izahay fa manitatra faritany izao. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah izahay, satria manompo azy bebe kokoa. Fa ny tena mahafinaritra, dia ny mahita ny endriky ny olona miramirana erỳ rehefa mandre sy mahazo tsara ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.”

21. Inona no zavatra fantatsika, ka mahatonga antsika hazoto hitory?

21 Fantatsika fa ho avy tsy ho ela ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (2 Pet. 3:7) Fantatsika ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra, ka mazoto manambara isika hoe ho avy ny fahoriana lehibe ary hisy tontolo vaovao aorian’izay. Mila ampiana haingana àry ny olona mba hanana fanantenana azo antoka. Enga anie isika ka hazoto hitory, satria izany no anaporofoantsika fa tiantsika Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika.

[Fanontaniana]