Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tantaram-piainana

Fitopolo Taona Izay no ‘Nihazonako ny Akanjon’ilay Jiosy Iray’

Fitopolo Taona Izay no ‘Nihazonako ny Akanjon’ilay Jiosy Iray’

Notantarain’i Leonard Smith

Nisy andinin-teny roa nanaitra ahy, tamin’izaho 13 taona teo ho eo. Efa 70 taona lasa izay, nefa mbola tadidiko ny fotoana nahazoako ny hevitr’ilay andininy iray, dia ny Zakaria 8:23 hoe misy “olona folo” mihazona ny “akanjon’ny Jiosy iray”, ary miteny amin’ilay Jiosy hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”

NAZAVA tamiko tamin’izay fa ny “Jiosy” dia ny voahosotra, ary ireo “olona folo” dia ny “ondry hafa”, izay nantsoina koa hoe “Jonadaba” tamin’izany. * (Jaona 10:16) Tsapako avy amin’io Zakaria 8:23 io fa mila manohana foana an’ireo voahosotra aho, raha te hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.

Tena nanaitra ahy koa ny Matio 25:31-46, izay miresaka ny fanoharan’i Jesosy momba “ny ondry” sy “ny osy.” “Ny ondry” dia ny olona mahazo sitraka amin’i Kristy mandritra ny fitsarany, satria nanampy an’ireo rahalahiny voahosotra mbola teto an-tany. Anisan’ny Jonadaba aho, ary mbola tanora tamin’izay, ka nieritreritra hoe: ‘Leonard a, tsy maintsy manampy an’ireo voahosotra ialahy, raha te ho anisan’ny ondrin’i Kristy. Mila manaiky ny fitarihan’izy ireo ialahy, satria momba azy ireo Andriamanitra.’ Dia izay no nataoko nandritra ny fitopolo taona mahery izao!

‘INONA NO ANJARA ASAKO?’

Nisy Efitrano Fanjakana natao hoe Tranolay Masin’i Londres, teo akaikin’ny Betelan’i Angletera. Tao no nivory ny fiangonana teo an-toerana, ary tao koa i Neny no natao batisa, tamin’ny 1925. Teraka aho herintaona taorian’izay, ny 15 Oktobra 1926. Natao batisa aho ny Martsa 1940, tamin’ny fivoriambe iray tany Douvres, ary nitombo foana ny fitiavako ny fahamarinana. Voahosotra i Neny ka izy no voahosotra voalohany niarahako niasa. Tamin’izay aho no nihazona voalohany ‘ny akanjon’ilay Jiosy iray.’ I Dada sy Dora zokiko vavy kosa tsy mbola nanompo an’i Jehovah. Tao amin’ny Fiangonana Gillingham, tany atsimoatsinanan’i Angletera, no nisy anay sy Neny, ary voahosotra koa ny ankamaroan’ny olona tao. Namela ohatra tsara i Neny, satria nazoto nitory.

Nisy lahateny hoe “Tsy Fivadihana”, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Leicester, tamin’ny Septambra 1941. Novelabelarina tamin’izay hoe iza no manana zo hitondra an’izao rehetra izao. Tamin’izay vao azoko hoe hay mahakasika antsika koa ilay adihevitra momba an’i Jehovah sy Satana. Takatro fa mila miandany amin’i Jehovah sy tsy mivadika aminy isika, satria izy no Mpanjakan’izao Rehetra Izao.

Nantitranterina be ny fanompoan’ny mpisava lalana tamin’io fivoriambe io, ary nampirisihina hanao azy io ho tanjona ny tanora. Nampieritreritra ahy ilay lahateny hoe “Ny Anjara Asan’ny Mpisava Lalana eo Anivon’ny Fandaminana.” Nanontany tena àry aho hoe: ‘Ary mba inona no anjara asako?’ Resy lahatra aho hoe Jonadaba aho, ka manana adidy hanohana an’ireo voahosotra amin’ny asa fitoriana, ary hanao izay tsara indrindra vitako. Tonga dia nameno fangatahana àry aho tamin’ilay fivoriambe.

MPISAVA LALANA NANDRITRA NY ADY

Voatendry ho mpisava lalana manokana aho tamin’ny 1 Desambra 1941, tamin’izaho 15 taona, ary i Neny no niara-nanao mpisava lalana tamiko voalohany. Tsy maintsy nijanona anefa izy rehefa afaka herintaona, satria narary. Nampiarahina tamin’i Ron Parkin aho taorian’izay. Anisan’ny Komitin’ny Sampana any Porto Rico i Ron izao.

Nalefa tany Broadstairs sy Ramsgate, tanàna amoron-tsiraka any amin’ny faritr’i Kent, izahay sy Ron. Nahazo vola fanampiana 40 shillings (16 000 ariary eo ho eo) izahay isam-bolana. Rehefa avy nandoa hofan-trano àry izahay, dia kely sisa ny volanay, ka tsy fantatray indraindray raha hanan-kohanina izahay. Nomen’i Jehovah izay nilainay foana anefa izahay.

Nandeha bisikileta izahay matetika. Nitaky ezaka be izany, satria nitsoka mafy ny rivotra avy any amin’ny Ranomasina Avaratra indraindray, nefa ny entanay efa mavesatra. Nandalo ambany kely koa indraindray ny fiaramanidina mpanjera baomba sy ny balafomanga nalefan’ny Alemà nankany Londres. Tsy maintsy nitsambikina avy teny amin’ny bisikiletako aza aho, indray mandeha, ary nianjera tao anaty tatatra. Nisy baomba nandalo mantsy teo ambony lohako ary nipoaka tao amin’ny saha iray tsy lavitra teo. Na izany aza, dia nahafinaritra ny fanompoanay tao Kent.

LASA BETELITA AHO

Nilaza foana i Neny hoe mahafinaritra ny Betela. Matetika izy no niteny hoe: “Tena tiako ianao raha mba anisan’ireo tovolahy kely miasa ao amin’ny Betela.” Sady gaga àry aho no faly rehefa nasaina hanompo tao amin’ny Betelan’i Londres nandritra ny roatokombolana, tamin’ny Janoary 1946. Rehefa tapitra izany, dia nangataka ahy hijanona tao i Pryce Hughes, mpikarakara ny sampana. Nisy vokany teo amin’ny fiainako manontolo ny fiofanana azoko tao.

Nisy 30 teo ho eo izahay, ka rahalahy mpitovo ny ankamaroany. Nisy voahosotra maromaro koa anefa, anisan’izany i Pryce Hughes, sy Edgar Clay, ary John Barr izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Tena faly aho hoe afaka nanohana ny rahalahin’i Kristy na dia mbola tanora aza, ka niara-niasa tamin’ireo ‘andrin’ny’ fandaminana ireo, sady nahazo tari-dalana taminy.—Gal. 2:9.

Nisy rahalahy niteny tamiko indray andro hoe: ‘Misy anabavy mitady anao ao am-baravarana ao.’ Gaga aho fa i Neny ilay izy! Nilaza izy fa tsy handroso satria tsy te hanelingelina ny asako. Nisy zavatra mifono nomeny ahy, dia lasa izy. Hay akanjo mafana ilay izy! Be fitiavana mihitsy i Neny! Nahatsiaro an’i Hana aho tamin’izay, satria nitondra akanjo ho an’i Samoela izy, tamin’izy nanompo tao amin’ny tranolay masina.—1 Sam. 2:18, 19.

TSY HAY HADINOINA NY SEKOLIN’I GILEADA

Nahazo fanasana hanatrika ny Sekolin’i Gileada any New York, Etazonia, ny dimy taminay tao amin’ny Betela, tamin’ny 1947. Ny taona nanaraka no natao ilay sekoly, ary kilasy faha-11 izahay. Nangatsiaka be ny andro tany New York, tamin’izahay tonga, ka faly erỳ aho nanana an’ilay akanjo mafana nomen’i Neny!

Tsy hohadinoiko mihitsy ireo enim-bolana nanaovana an’ilay sekoly. Nifanerasera tamin’ny mpianatra avy tany amin’ny tany 16 aho, ka lasa nalala-tsaina kokoa. Nanjary nifandray kokoa tamin’i Jehovah koa aho, ary nifanerasera tamin’ny Kristianina matotra. Anisan’izany i Lloyd Barry, izay niara-nianatra taminay, i Albert Schroeder, anisan’ireo mpampianatra, ary John Booth, mpiandraikitra ny Toeram-piompiana sy Fambolen’ilay Fanjakana (tao no natao ny Sekolin’i Gileada). Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy ireo tatỳ aoriana. Nanoro hevitra ahy tamim-pitiavana izy ireo, ary nanome ohatra tsara satria tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny fandaminany. Tena sarobidy tamiko izany.

ASAN’NY FARITRA SY BETELA

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany Ohio, any Etazonia, aho, taorian’ilay sekoly. Vao 21 taona aho tamin’izay. Nandray ahy tsara anefa ny fiangonana notsidihiko, sady faly nahita ny zotom-poko. Niana-javatra betsaka tamin’ireo rahalahy efa za-draharaha koa aho, tao amin’io faritra notsidihiko io.

Nantsoina hiofana tany amin’ny Betelan’i Brooklyn aho, rehefa afaka volana vitsivitsy. Nifankahalala tamin’i Milton Henschel, Karl Klein, Nathan Knorr, Thomas Sullivan, ary Lyman Swingle, aho tamin’izany. Tena ‘andrin’ny’ fandaminana tokoa izy ireo, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana. Niana-javatra be aho, rehefa nahita azy ireo niasa sy nampiseho toetra kristianina, ka vao mainka aho lasa natoky ny fandaminana. Notendrena hankatỳ Eoropa aho taorian’ilay fiofanana.

Maty tamin’ny Febroary 1950 i Neny, ka niresaka tamin’i Dada sy Dora aho, taorian’ilay fandevenana. Niteny tamin’izy ireo aho hoe efa tsy eo intsony i Neny, ary izaho koa efa tsy miara-mipetraka amin’izy ireo, ka mila manapa-kevitra izy ireo hoe hanaraka ny fahamarinana sa tsia. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Harry Browning àry izy ireo. Fantany tsara sy nohajainy mantsy io rahalahy voahosotra efa zokiolona io. Natao batisa izy mianaka herintaona taorian’izay. Voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana tao amin’ny Fiangonana Gillingham i Dada, tatỳ aoriana. I Dora kosa nanambady an’i Roy Moreton, anti-panahy tsy mivadika, rehefa maty i Dada. Tsy nivadika i Dora mandra-pahafatiny tamin’ny 2010.

TONGA TETO FRANTSA

Nianatra teny frantsay sy alemà ary latinina aho tany am-pianarana. Ny teny frantsay no sarotra indrindra tamiko, ka faly sahirana aho rehefa notendrena hanompo tao amin’ny Betelan’i Paris. Nandeha ihany anefa aho. Nanana tombontsoa aho niara-niasa tamin’i Henri Geiger. Mpikarakara ny sampana io rahalahy zokiolona io sady voahosotra. Tsy mora ny asako indraindray, ary betsaka ny diso nataoko, kanefa niana-javatra be momba ny fifandraisana amin’olona aho.

Nisy fivoriambe natao tao Paris, tamin’ny 1951. Io no fivoriambe iraisam-pirenena voalohany taorian’ny Ady Lehibe II, ary anisan’ireo rahalahy nikarakara azy io aho. Nisy mpiandraikitra mpitety faritany mbola tanora tonga nanampy ahy. Léopold Jontès no anarany, ary lasa mpiandraikitra ny sampana izy tatỳ aoriana. Tao amin’ny Palais des sports, tsy lavitra ny Tour Eiffel, no natao ilay fivoriambe, ary avy any amin’ny tany 28 ny mpanatrika. Faly be ireo rahalahy sy anabavy 6 000 teto Frantsa, satria nisy 10 456 ny mpanatrika ny alahady.

Tsy nahay niteny frantsay mihitsy aho, tamin’izaho vao tonga teto. Tsy nanoka-bava mihitsy koa aho raha tsy rehefa azoko antoka hoe mety tsara ny zavatra hoteneniko. Tsy mety anefa izany satria tsy hihatsara mihitsy ny fahaizanao, raha tsy manao fahadisoana ianao ary misy manitsy.

Nianatra teny frantsay tany amin’ny sekoly ho an’ny vahiny àry aho. Nianatra tany aho isan-kariva, rehefa tsy nisy fivoriana. Lasa tiako be ny teny frantsay, ary vao mainka tiako rehefa nandeha ny fotoana. Tena nilaiko koa ilay izy, satria lasa afaka nanampy an’ireo mpandika teny tato amin’ny Betela aho. Lasa mpandika teny mihitsy aza aho tatỳ aoriana, ka nandika avy amin’ny teny anglisy ho amin’ny teny frantsay. Tena faly aho fa afaka nanampy an’ireo rahalahy sy anabavy miteny frantsay maneran-tany, mba hahazo ny sakafo ara-panahy omen’ny mpanompo mendri-pitokisana.—Mat. 24:45-47.

NANAMBADY ARY NAHAZO TOMBONTSOA HAFA

Nisy mpisava lalana avy any Soisa nihaona tamiko indray andro. Esther no anarany. Tiako izy ka nivady izahay taona vitsivitsy tatỳ aoriana tamin’ny 1956. Natao tao amin’ilay Efitrano Fanjakana teo akaikin’ny Betelan’i Londres ny fisoratana, ary ny Rahalahy Hughes no nanao ny lahateny. Io trano io ilay Tranolay Masin’i Londres nanaovana batisa an’i Neny. Nahazo namana mahafatifaty sy tsy mivadika aho. Nahazo rafozana mahafinaritra sy tena tia an’i Jehovah koa anefa aho. Voahosotra mantsy ny renin’i Esther, ary nifandray be izahay mandra-pahavitan’ny fihazakazahany teto an-tany, tamin’ny taona 2000.

Tsy nipetraka teto amin’ny Betela izahay sy Esther, tamin’izahay vao nivady. Mbola nanohy ny asa fandikan-teny anefa aho, ary i Esther kosa mpisava lalana manokana tao amin’ireo tanàna manodidina an’i Paris. Nanampy olona maro ho lasa mpanompon’i Jehovah izy. Nasaina hanompo teto amin’ny Betela indray izahay tamin’ny 1964. Tamin’ny 1976 vao nisy ny hoe Komitin’ny Sampana, ka voatendry ho anisan’izy io aho. Nanampy ahy tamim-pitiavana foana i Esther, tamin’izany rehetra izany.

‘TSY HO EO AMINAREO FOANA AHO’

Nanana tombontsoa hankany amin’ny foibe, any Brooklyn, imbetsaka aho, tatỳ aoriana. Nahazo torohevitra tsara tamin’ireo rahalahy ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana aho, tamin’izany. Nitaraina tamin’ny Rahalahy Knorr, ohatra, aho indray mandeha, satria nisy asa natahorako tsy ho vita ara-potoana. Nitsiky izy sady namaly hoe: “Aza matahotra fa tohizo fotsiny ny asa!” Tsy nitaintaina intsony aho taorian’izay, rehefa be asa. Asesiko tsirairay fotsiny ilay asa, mandra-pahavitan’izy rehetra. Ary dia vita ara-potoana izany matetika!

Niteny tamin’ny mpianany i Jesosy taloha kelin’ny hahafatesany hoe: ‘Tsy ho eo aminareo foana aho.’ (Mat. 26:11) Takatsika ondry hafa koa fa tsy hiaraka amintsika eto an-tany foana ireo rahalahin’i Kristy voahosotra. Raisiko ho tombontsoa lehibe àry ny nifandray akaiky tamin’ny voahosotra maro be, nandritra ny 70 taona mahery. Tena faly aho fa ‘nihazona ny akanjon’ilay Jiosy iray.’

[Fanamarihana ambany pejy]

[Teny notsongaina, pejy 21]

Nitsiky ny Rahalahy Knorr sady namaly hoe: “Aza matahotra fa tohizo fotsiny ny asa!”

[Sary, pejy 19]

(Ankavia) I Dada sy Neny (Ankavanana) Izaho tamin’ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1948, manao an’ilay akanjo mafana nomen’i Neny

[Sary, pejy 20]

Mandika teny ho an’ny Rahalahy Lloyd Barry tamin’ny fitokanana ny sampan’i Frantsa, tamin’ny 1997

[Sary, pejy 21]

(Ankavia) Ny mariazinay

(Ankavanana) Izahay mivady eny am-pitoriana