Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo

Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo

Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo

“Fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo.”—1 TAN. 28:9.

TADIAVO NY VALIN’IRETO:

Inona matetika no atao hoe “fo” ao amin’ny Baiboly?

Ahoana no fomba andinihana ny fo?

Inona no hanampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?

1, 2. a) Inona no faritra amin’ny vatan’olombelona ampiasaina matetika amin’ny fomba an’ohatra ao amin’ny Baiboly? b) Nahoana isika no tena mila mahafantatra hoe inona ny fo an’ohatra?

MATETIKA no manonona an’ireo faritra amin’ny vatan’olombelona ny Baiboly, ary mampiasa an’ilay izy amin’ny heviny an’ohatra. Nilaza, ohatra, i Solomona Mpanjaka hoe: “Ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.” Nanome toky an’i Ezekiela koa i Jehovah hoe: ‘Ataoko mafy noho ny vatoafo ny handrinao.’ Nilaza koa ny apostoly Petera hoe: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.”—Ohab. 25:15; Ezek. 3:9; 1 Pet. 3:12.

2 Misy faritra iray anefa tononin’ny Baiboly matetika kokoa. Niresaka momba azy io i Hana rehefa nivavaka hoe: “Mifaly amin’i Jehovah ny foko.” (1 Sam. 2:1) Ampiasain’ny mpanoratra Baiboly imbetsaka ny hoe “fo”, ary efa ho inarivo mihitsy. Ampiasain’izy ireo amin’ny fomba an’ohatra anefa izy io matetika. Tena ilaintsika ny mahafantatra ny tian’izy ireo holazaina, satria milaza ny Baiboly fa mila arovana izy io. (Vakio ny Ohabolana 4:23.) Inona marina àry no tiany holazaina amin’ny hoe “fo”?

INONA NY FO AN’OHATRA?

3. Ahoana no ahafantarantsika ny dikan’ilay teny hoe “fo” ao amin’ny Baiboly? Hazavao amin’ny ohatra.

3 Tsy misy famaritana ny atao hoe “fo” ao amin’ny Baiboly. Afaka mahalala ny dikan’izy io ihany anefa isika. Amin’ny fomba ahoana? Haka ohatra isika: Misy raviny maro ny hazo iray. Raha jerenao akaiky ilay hazo, dia ravina vitsivitsy fotsiny no ho hitanao. Raha jerenao mitambatra anefa ilay izy, dia ny endrik’ilay hazo manontolo mihitsy no ho hitanao. Toy izany koa no tokony hataontsika mba hamantarana ny atao hoe “fo.” Mila jerentsika ireo andininy maromaro misy azy io, ary atambatsika ny heviny, mba hahitantsika ny tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “fo.” Inona àry no dikan’ilay hoe fo?

4. a) Inona matetika no dikan’ny hoe “fo”? b) Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 22:37?

4 Mampiasa ny teny hoe “fo” ny Baiboly mba hilazana ny maha izy ny olona iray manontolo. Tafiditra amin’izany ny faniriany, ny eritreriny, ny toetrany, ny toe-tsainy, ny fahaizany, ny antony hanaovany zavatra, ary ny tanjony. (Vakio ny Deoteronomia 15:7; Ohabolana 16:9; Asan’ny Apostoly 2:26.) Milaza ny boky iray fa ny fo, dia ny “fitambaran’ny ao anatin’ny olona.” Tsy voatery halalaka be toy izany foana anefa ny dikan’ny hoe “fo.” Hoy, ohatra, i Jesosy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Mat. 22:37) Ny fihetseham-po sy ny fanirian’ny olona ihany no tiana holazaina amin’ny hoe “fo” eo. Notononin’i Jesosy miaraka ny fo sy ny tena ary ny saina eo, satria tiany hamafisina hoe mila maneho fitiavana an’i Jehovah isika, amin’ny alalan’ny fihetseham-pontsika, sy ny fomba fiainantsika, ary amin’izay ampiasantsika ny saintsika. (Jaona 17:3; Efes. 6:6) Rehefa mandeha irery kosa anefa ilay teny hoe “fo”, dia manondro ny maha izy ny olona iray amin’ny fitambarany.

NAHOANA NO MILA AROVANA NY FO?

5. Nahoana isika no tokony hiezaka mafy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?

5 Nampahatsiahy an’i Solomona i Davida Mpanjaka hoe: “Fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy. Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah, ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.” (1 Tan. 28:9) I Jehovah tokoa no Mpandinika ny fo rehetra, anisan’izany ny fonao. (Ohab. 17:3; 21:2) Misy vokany eo amin’ny fifandraisanao aminy sy amin’ny hoavinao ny zavatra hitany ao am-ponao. Tena tokony hanaraka ny tenin’i Davida àry isika, ka hiezaka mafy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.

6. Inona no mety hahatonga antsika tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?

6 Mazoto manao ny asan’i Jehovah isika vahoakany, ary hita amin’izany hoe tena maniry hanompo azy amin’ny fo manontolo. Mety hihena anefa izany faniriana izany, noho ny tontolon’i Satana sy ny nofontsika tsy lavorary. (Jer. 17:9; Efes. 2:2) Mila mandinika foana ny fontsika àry isika, mba hahitana hoe mbola tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ve isika. Ahoana no hanaovantsika izany?

7. Ahoana no ahitana izay ao am-pontsika?

7 Mazava loatra fa tsy afaka mahita ny tena ao am-pontsika isika, tsy misy hafa amin’ny hoe tsy misy mahita izay ao anatin’ny hazo iray. Nilaza anefa i Jesosy, tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, fa ny voan’ilay hazo no ahafantarana raha tsara ilay hazo na ratsy. Toy izany koa fa izay ataontsika no ahitana raha mbola tsara, na efa niharatsy, ny fontsika. (Mat. 7:17-20) Andeha àry isika handinika zavatra iray hahitana ny ao am-pontsika.

FOMBA ANDINIHANA NY FO

8. Ahoana no hahitana izay ao am-pontsika, raha dinihina ny Matio 6:33?

8 Nolazain’i Jesosy tao amin’ilay toriteniny hoe inona no azontsika atao, mba hampisehoana fa tena te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika. Hoy i Jesosy: ‘Katsaho foana aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo izany rehetra izany.’ (Mat. 6:33) Hita amin’izay ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana hoe inona no tena ao anatin’ny fontsika: Inona no zavatra irintsika, ny tanjontsika, ary ny eritreritsika lalina indrindra. Mila mandinika izay ataontsika loha laharana àry isika, mba hahitana raha tena manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika.

9. Nasain’i Jesosy hanao inona ny olona sasany hitany teny an-dalana? Inona no hita taratra tamin’ny valin-tenin’izy ireo?

9 Mahaliana ny zava-nitranga iray, herintaona taorian’ny nilazan’i Jesosy hoe: ‘Katsaho foana aloha ilay fanjakana.’ Handeha ho any Jerosalema i Jesosy sy ny apostoliny, tamin’izay. Ny ho any amin’io tanàna io ihany no ‘masaka tao an-tsain’i Jesosy’, na dia fantany tsara aza fa hampijaliana izy any. Fantany mantsy fa izany no sitrapon’i Jehovah. Tsy toy izany kosa anefa ireo olona sasany hitany teny an-dalana. Niteny tamin’izy ireo izy hoe: “Andao hanara-dia ahy.” Nanaiky hanaraka azy izy ireo, saingy nanisy fepetra. Hoy ny iray: “Avelao aho aloha handeha handevina ny raiko.” Ny iray kosa niteny hoe: “Hanaraka anao ihany aho, Tompo ô, fa avelao aloha aho hanao veloma ny ao an-tranoko.” (Lioka 9:51, 57-61) Tena mifanohitra amin’i Jesosy izy ireo. Tena tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, fa ireo olona ireo kosa tsy toy izany. Ny zavatra tian’izy ireo no nataony loha laharana, ka hita hoe tsy vonona hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo izy ireo.

10. a) Ahoana no namaliantsika ny fanasan’i Jesosy? b) Inona no fanoharana nolazain’i Jesosy?

10 Tsy mba nanao toa an’ireo olona ireo isika, fa nekentsika ny fanasan’i Jesosy ary manompo an’i Jehovah isika isan’andro. Asehontsika amin’izany fa tia an’i Jehovah isika ao am-pontsika ao. Mila tandremantsika foana anefa ireo zavatra mety hanimba ny fontsika, na dia efa mazoto manompo an’i Jehovah aza isika. Fa inona no mety hanimba ny fontsika? Hoy i Jesosy tamin’ireo lehilahy nitady fialan-tsiny: “Tsy misy olona mitana angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:62) Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana io?

‘MIFIKITRA AMIN’NY TSARA’ VE IANAO?

11. Nahoana no tsy vita tsara ny asan’ilay mpiasa tany?

11 Hampiantsika tsipiriany kely ilay fanoharan’i Jesosy, mba hazava tsara. Alao sary an-tsaina hoe miasa tany amin’ny angadinomby ny olona iray. Rehefa niasa teo anefa izy, dia nanomboka nieritreritra hoe: ‘Raha mba izao aho no tany an-trano, dia afaka miaraka amin’ny fianakaviako sy ny namako. Afaka misakafo, mihaino mozika, mifalifaly, ary tsy main’ny hainandro.’ Notohiziny ihany ny asany, kanefa noeritreretiny foana ilay izy, ka lasa nitombo ny faniriany hody any an-trano. Lasa tsy nifantoka intsony izy noho izany, ka nanjary nitodika ‘tany aoriana.’ Mbola betsaka ny asa tokony hatao amin’ilay tany, alohan’ny fotoam-pambolena. Tsy nifantoka intsony anefa izy, ka tsy vitany tsara ny asany. Tsy faly àry ny mpampiasa azy, satria tsy nanao tsara an’ilay asa hatramin’ny farany izy.

12. Inona no mampitovy ny Kristianina sasany amin’ilay mpiasa tany ao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

12 Toa an’io mpiasa tany io ny Kristianina sasany ankehitriny. Hoatran’ny hoe salama ara-panahy izy ireo, nefa misy zavatra atahorana hanimba azy ao am-pony ao. Aoka hatao hoe tena mazoto mivory sy manompo ny rahalahy iray. Misy zavatra sasany mahafinaritra azy koa anefa amin’ny fomba fiainan’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tena tiany ilay izy, ka izany foana no eritreretiny. Mbola manompo izy mandritra ny taona maro, nefa mitombo foana ilay faniriana ao am-pony ao, ka lasa mitodika “any aoriana” izy. Mbola be ny asa tokony hatao eo amin’ny fanompoana, kanefa tsy “mitana mafy ny tenin’ny fiainana” izy, ka lasa tsy vitany tsara intsony ny fanompoany. (Fil. 2:16) Tsy faly i Jehovah, ilay “Tompon’ny vokatra”, satria tsy nanao tsara an’ilay asa hatramin’ny farany izy.—Lioka 10:2.

13. Inona no tafiditra amin’ny hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo?

13 Mazava ny lesona raisintsika. Tena tsara ny hoe mivory sy manompo tsy tapaka. Tsy ampy anefa izany raha te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika. (2 Tan. 25:1, 2, 27) Raha mbola tia ny zavatra “any aoriana” isika, izany hoe ny zavatra sasany eto amin’ity tontolo ity, dia mety ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Lioka 17:32) Raha ‘mankahala ny ratsy sy mifikitra amin’ny tsara’ ihany isika, vao ho “mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (Rom. 12:9; Lioka 9:62) Marina fa mety hahasoa na hahafinaritra ny zavatra sasany eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Tsy tokony hisy amin’izy ireny anefa havelantsika hanakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.—2 Kor. 11:14; vakio ny Filipianina 3:13, 14.

AOKA ISIKA HO MAILO FOANA!

14, 15. a) Ahoana no hamitahan’i Satana ny fontsika? b) Hazavao amin’ny ohatra hoe nahoana no tena mampidi-doza ny tetik’i Satana.

14 Tia an’i Jehovah isika ka nanokan-tena ho azy. Tapa-kevitra ny hanompo azy amin’ny fo manontolo ny ankamaroantsika taorian’izay, ary efa nampiseho izany nandritra ny taona maro. Miezaka mamitaka antsika foana koa anefa i Satana, ary ny fontsika foana no kendreny. (Efes. 6:12) Marina fa tsy handao an’i Jehovah tampoka eo isika, ary fantatr’i Satana izany. Fetsy anefa izy, ka ampiasainy “ity tontolo ity” mba hampihena tsikelikely ny zotom-pontsika amin’ny fanompoana. (Vakio ny Marka 4:18, 19.) Nahoana no tena mandaitra izany tetik’i Satana izany?

15 Andeha isika haka ohatra. Aoka hatao hoe misy vary folo kapoaka ao anatin’ny fitoeram-barinao. Tsy hitanao tao intsony anefa ilay izy, indray andro. Inona no tonga ao an-tsainao? Tonga dia fantatrao hoe nisy naka ilay izy. Tsy maintsy nividy vary folo kapoaka àry ianao mba ho solony. Ahoana anefa raha tapa-kapoaka fotsiny no nalain’ilay olona? Tonga dia ho voamarikao ve hoe nisy naka ilay izy? Azo antoka fa tsia. Ary ahoana raha mbola nisy naka tapa-kapoaka indray ilay izy ny ampitson’iny, tsikaritrao ve izany? Azo antoka fa tsia! Nahoana? Satria nihena tsikelikely ilay izy. Toy izany koa fa mety tsy ho voamaritsika akory hoe nampihena tsikelikely ny zotom-pontsika ny tontolon’i Satana. Raha mitranga izany dia nandresy i Satana. Mila mailo foana àry isika.—Mat. 24:42; 1 Pet. 5:8.

TENA ILAINA NY VAVAKA

16. Inona no hanampy antsika hiaro tena amin’ny tetik’i Satana?

16 Tiantsika ny hanompo an’i Jehovah foana amin’ny fo manontolo. Inona anefa no hanampy antsika hiaro tena amin’ny tetik’i Satana? (2 Kor. 2:11) Tena ilaina ny vavaka. Rehefa nampirisika ny mpiray finoana taminy i Paoly, mba hiezaka mafy ‘hanohitra ny teti-dratsin’ny Devoly’, dia nilaza izy hoe: ‘Mivavaha foana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, sady manaova vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra.’—Efes. 6:11, 18; 1 Pet. 4:7.

17. Inona no ianarantsika avy amin’ny vavaka nataon’i Jesosy?

17 Mila manahaka an’i Jesosy isika, raha te hahatohitra an’i Satana. Hita tamin’ny vavaka nataony fa tena te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo izy. Mariho izay nolazain’i Lioka momba ny vavaka nataon’i Jesosy, ny alina talohan’ny hahafatesany. Hoy izy: ‘Vao mainka nivavaka mafimafy kokoa hatrany i Jesosy, rehefa nihamafy ny fijaliany.’ (Lioka 22:44) Efa nivavaka tamin-kafanam-po foana i Jesosy talohan’izay. Io anefa no fitsapana mafy indrindra teo amin’ny fiainany, ka nivavaka “mafimafy kokoa” izy, ary novalian’i Jehovah ny vavaka nataony. Hita avy amin’ny ohatr’i Jesosy fa samy hafa ny vavaka. Arakaraka ny maha mafy ny fitsapana atrehintsika, sy arakaraka ny maha mafy ny faneren’i Satana, dia tokony hivavaka “mafimafy kokoa” isika, mba hahazoana ny fiarovan’i Jehovah.

18. a) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika momba ny vavaka, ary nahoana? b) Inona avy ny zavatra mety hisy vokany eo amin’ny fontsika? Hazavao. (Jereo ny  efajoro eo amin’ny pejy 16.)

18 Inona no soa azontsika rehefa mivavaka mafimafy kokoa isika? Hoy i Paoly: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo.” (Fil. 4:6, 7) Raha te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo àry isika, dia tena ilaina ny mivavaka amin-kafanam-po sy matetika. (Lioka 6:12) Ilaina àry ny mandini-tena hoe: ‘Mivavaka amin-kafanam-po sy matetika ve aho?’ (Mat. 7:7; Rom. 12:12) Ny valin’izany no ahitanao raha tena maniry hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ianao.

19. Ahoana no hampisehoanao fa tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ianao?

19 Hitantsika teo fa izay ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana no ahitana ny tena ao am-pontsika. Tsy tokony havelantsika hanakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, na ny zavatra nafointsika “any aoriana”, na ny tetik’i Satana. (Vakio ny Lioka 21:19, 34-36.) Aoka àry isika hanahaka an’i Davida, ka hitalaho amin’i Jehovah mba hanampy antsika hanompo azy amin’ny ‘fo manontolo.’—Sal. 86:11.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 16]

 ZAVATRA TELO MISY VOKANY AMIN’NY FONTSIKA

Mila manao zavatra isika mba hahasalama foana ny fontsika. Tokony hanao toy izany koa isika amin’ny fo an’ohatra. Misy zavatra telo àry hodinihintsika satria misy vokany amin’ny fontsika izy ireo.

1 Ny sakafo: Mila mihinana sakafo mahasalama ampy tsara isika, raha tiantsika ho salama tsara ny fontsika. Toy izany koa fa mila mandray sakafo ara-panahy ampy tsara isika, raha tiantsika ho salama tsara ny fontsika an’ohatra. Mila mianatra samirery tsy tapaka isika, misaintsaina, ary manatrika fivoriana.—Sal. 1:1, 2; Ohab. 15:28; Heb. 10:24, 25.

2 Ny fanatanjahan-tena: Mila manao fanatanjahan-tena isika, raha tiantsika hiasa tsara sy ho salama ny fontsika. Toy izany koa fa mila mazoto manompo isika na mampitombo kokoa ny fanompoantsika, dia ho salama tsara foana ny fontsika an’ohatra.—Lioka 13:24; Fil. 3:12.

3 Ny manodidina antsika: Tsy manaja an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona manodidina antsika, na eny an-tanàna izany, na any am-piasana. Mandreraka ny fontsika indraindray ny fifaneraserana amin’izy ireny. Ho maivamaivana anefa ny fontsika, raha mifandray matetika amin’ny mpiara-manompo isika. Tena miahy antsika izy ireny sady manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.—Sal. 119:63; Ohab. 13:20.