Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Nahoana i Solomona no ohatra ratsy ho antsika?

Nitahy sy nampiasa an’i Solomona Mpanjaka i Jehovah. Tsy nanaraka ny torohevitr’i Jehovah intsony anefa izy tatỳ aoriana. Nanambady ny zanak’i Farao mpanompo sampy izy. Nanana vady maro koa izy, ary voatarik’ireo vadiny ireo tsikelikely mba hanompo sampy. Mila mitandrina isika mba tsy ho voatarika tsikelikely hanana toe-tsaina ratsy. (Deot. 7:1-4; 17:17; 1 Mpanj. 11:4-8)—15/12, pejy 10-12.

Nahoana i Saraha no lazaina hoe sady tia an’Andriamanitra no vady tsara toetra?

Nandidy an’i Abrahama Andriamanitra mba hiala tao Ora. Nila nandao ny havany sy ny namany ary ny fiainana nahazatra azy izy ireo, mba handehanana any amin’ny tany tsy fantatra. Nankatò anefa i Saraha, ary natoky izy fa hitahy azy i Jehovah. Nanaja an’i Abrahama izy, ka hita amin’izany fa tena tsara toetra.—1/1, pejy 8.

Nahoana i Abrahama no nasain’Andriamanitra hanao sorona ny zanany malalany?

Tsara aloha ny hitadidiantsika fa tsy navelan’Andriamanitra hanao sorona an’i Isaka i Abrahama tamin’ny farany. Nasehon’i Jehovah tamin’iny kosa fa hanao sorona an’i Jesosy Zanany izy, ary tena ho mafy aminy izany.—1/1, pejy 23.

Nahoana isika no milaza fa nisy Kristianina voahosotra foana, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany?

Ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny “vary” sy “tsimparifary”, dia mifanitsy amin’ireo “zanak’ilay fanjakana” ny “voa tsara.” (Mat. 13:24-30, 38) Hiara-maniry ny vary sy ny tsimparifary, mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Azo antoka àry fa nisy foana ny voahosotra, izay oharina amin’ny vary, na dia tsy afaka milaza aza isika hoe iza izy ireo.—15/1, pejy 7.

Inona no hitranga aloha kelin’ny Hara-magedona?

Hiantsoantso hoe “fandriampahalemana sy filaminana” ny mpitondra fanjakana. (1 Tes. 5:3) Hanafika ny fivavahan-diso eran-tany ny fitondram-panjakana samihafa. (Apok. 17:15-18) Hisy hanafika koa ny mpanompon’i Jehovah. Ho tonga ny farany aorian’izay.—1/2, pejy 9.

Inona no hanampy antsika tsy hitsiriritra?

Ampitomboy ny fitiavanao an’ireo rahalahy sy anabavy, miaraha amin’ny mpanompon’i Jehovah, manaova ny tsara, ary “miaraha mifaly amin’izay mifaly.” (Rom. 12:15)—15/2, pejy 16-17.

Iza no miteny nahuatl, ary inona no fanampiana omena azy ireo?

Fiteny nampiasain’ny Azteky fahiny izy io, kanefa mbola misy olona 1,5 tapitrisa mampiasa azy io any Meksika. Misy Vavolombelona mitory amin’ny teny nahuatl, ary misy amin’io fiteny io ny bokintsika sasany.—1/3, pejy 13-14.

Inona no tokony hotadidintsika rehefa hanome torohevitra?

Fantaro ny tena zava-misy. Aza maika hamaly. Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra. Ampiasao ireo boky aman-gazetintsika. Aza manapa-kevitra ho an’ny hafa.—15/3, pejy 7-9.

Inona no dikan’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:41?

Mety hasain’ny manam-pahefana romanina hanao zavatra ho azy ny olona tamin’izany. Nilaza i Jesosy fa tokony hankatò an-tsitrapo izy ireo, ka hanao izay angatahin’ny manam-pahefana. Izay no tiany holazaina rehefa nampirisika an’ireo nihaino azy izy hoe mila mandeha “roa kilaometatra” izy ireo, raha angatahina handeha “iray kilaometatra.”—1/4, pejy 9.