Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Hampahafantatra ny Rainy i Jesosy

Vonona Hampahafantatra ny Rainy i Jesosy

Vonona Hampahafantatra ny Rainy i Jesosy

“Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana ny Ray.”—LIOKA 10:22.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Nahoana i Jesosy no tsara toerana indrindra hampahafantatra momba an’i Jehovah?

Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy ny Rainy?

Inona avy no azonao atao, raha tianao ny hanahaka an’i Jesosy, ka hanampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah?

1, 2. Inona no fanontaniana tsy voavalin’ny olona maro, ary nahoana?

SAROTRA amin’ny olona maro ny mamaly an’ilay fanontaniana hoe: ‘Iza moa Andriamanitra?’ Maro amin’ny olona milaza azy ho Kristianina no mino fa telo izay iray Andriamanitra. Maro koa anefa no miaiky fa saro-takarina io fampianarana io. Hoy ny olona iray mpanoratra boky ara-pivavahana: “Voafetra ny sain’olombelona, ka tsy ho takany mihitsy io fampianarana io.” Misy olona indray mino hoe nivoatra miandalana ny olombelona, ka tsy misy izany Andriamanitra izany. Milaza izy ireo fa kisendrasendra fotsiny no nampisy ny zavaboary. I Charles Darwin indray tsy nanda hoe misy Andriamanitra, saingy hoy izy: “Ny fanatsoahan-kevitra mety indrindra amiko, dia ny hoe tsy takatry ny sain’ny olona mihitsy ny momba an’Andriamanitra.”

2 Manana fanontaniana momba an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona, na inona na inona zavatra inoany. Rehefa tsy mahita valiny mahafa-po anefa izy ireo, dia tsy miezaka mitady an’Andriamanitra intsony. I Satana koa moa “manajamba ny sain’ny tsy mino.” (2 Kor. 4:4) Tsy mahagaga àry raha maro ny olona tsy mahalala ny marina momba an’Andriamanitra, dia ilay Ray sy Mpamorona ny zava-drehetra.—Isaia 45:18.

3. a) Iza no nampahafantatra ny momba ny Mpamorona? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

3 Tena mila mianatra ny marina momba an’Andriamanitra anefa ny olona, satria izay “miantso ny anaran’i Jehovah” ihany no hovonjena. (Rom. 10:13) Tafiditra amin’ny hoe miantso ny anaran’Andriamanitra ny hoe mahafantatra tsara ny momba azy. Afaka mahafantatra tsara azy isika, satria nampahafantarin’i Jesosy tamin’ny mpianany ny momba ny Rainy, izany hoe naharihariny tamin’izy ireo. (Vakio ny Lioka 10:22.) Hodinihintsika àry ny hoe: Nahoana i Jesosy no mahay mampahafantatra an’i Jehovah, mihoatra noho ny olona rehetra? Ahoana no nanaovany an’izany? Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy?

I JESOSY NO TENA MAHAY MAMPAHAFANTATRA MOMBA NY RAY

4, 5. Nahoana i Jesosy no tsara toerana indrindra hampahafantatra momba ny Ray?

4 I Jesosy no tena afaka manampy ny olona hahafantatra ny Ray, satria efa nisy tany an-danitra izy, talohan’ny namoronana ny zavamananaina hafa rehetra. Izy no “Zanaka Lahitokan’Andriamanitra.” (Jaona 1:14; 3:18) Tsy mbola nisy zavaboary hafa tamin’izany, ka i Jesosy irery no nokarakarain’ny Rainy. Tsy izay ihany, fa nianatra momba ny Rainy sy ny toetrany koa i Jesosy. Azo antoka fa nifampiresaka be izy ireo, nandritra ny an-tapitrisany taona, ary lasa nifankatia be. (Jaona 5:20; 14:31) Be dia be àry ny zavatra fantatr’i Jesosy momba ny toetran’ny Rainy.—Vakio ny Kolosianina 1:15-17.

5 Notendren’i Jehovah ho mpitondra teniny koa ny Zanaka, ka antsoina hoe “Ny Tenin’Andriamanitra.” (Apok. 19:13) I Jesosy àry no tsara toerana hampahafantatra ny olona momba ny Ray. Izany no nahatonga an’i Jaona hilaza fa “eo an-tratran’ny Ray” i Jesosy, na “ny Teny.” (Jaona 1:1, 18) Ny fomban’ny Jiosy rehefa misakafo angamba no tao an-tsain’i Jaona, rehefa niteny an’izany. Mandry ilika mifanakaiky eo ambony sezalava izy ireo rehefa misakafo, ka mety hifanitsy amin’ny tratran’ny iray ny lohan’ny iray, toy ny hoe eo amin’ny tratrany. Afaka mifampiresaka tsara izy ireo noho izany. Rehefa nilaza àry i Jaona hoe “eo an-tratran’ny Ray” i Jesosy, dia te hilaza izy fa tena nifampiresaka tsara izy sy ny Rainy.

6, 7. Ahoana no nampitombo ny fifankatiavan’i Jehovah sy Jesosy?

6 Nitombo foana ny fifankatiavan’i Jesosy sy ny Rainy. ‘Tena tia an’i Jesosy isan’andro isan’andro’ mantsy i Jehovah. (Vakio ny Ohabolana 8:22, 23, 30, 31.) Niara-niasa koa izy ireo, sady nanahaka ny toetran’ny Rainy i Jesosy. Vao mainka tia sy nanaja lalina ny Rainy i Jesosy, tatỳ aoriana, rehefa nisy ireo zavaboary manan-tsaina hafa. Hitany mantsy ny fomba nitondran’i Jehovah azy ireny.

7 Hitan’i Jesosy koa tatỳ aoriana ny nataon’i Jehovah, rehefa nanohitra ny zony hitondra i Satana. Hitany hoe ahoana no fomba anehoan’i Jehovah fitiavana, ao anatin’ny toe-javatra sarotra. Hitany koa ny fomba ampiharany ny rariny, ny fomba ampisehoany fahendrena, ary ny fomba anehoany ny heriny. Azo antoka fa izany no nanampy an’i Jesosy hiatrika toe-javatra sarotra, tamin’izy tetỳ an-tany.—Jaona 5:19.

8. Nahoana no manampy antsika hahafantatra an’i Jehovah ny Filazantsara?

8 Tena nifandray akaiky tamin’ny Rainy i Jesosy, ka afaka nanazava amin’ny an-tsipiriany ny momba ny Rainy izy, mihoatra noho ny olon-kafa rehetra. Hahafantatra tsara an’i Jehovah àry isika, raha mandinika ny fampianaran’i Jesosy sy ny nataony, izay voarakitra ao amin’ny Filazantsara. Azonao tsara ve, ohatra, ny dikan’ny hoe “Andriamanitra dia fitiavana”, rehefa mamaky ny dikan’ny hoe “fitiavana” ao amin’ny diksionera ianao? Ho azontsika tsara anefa izany, rehefa mandinika ny fanompoana nataon’i Jesosy isika, ary misaintsaina ny fomba nanampiany ny olona. (1 Jaona 4:8, 16) Nampahafantarin’i Jesosy tamin’ny mpianany koa ny toetran’i Jehovah hafa.

AHOANA NO NAMPAHAFANTARAN’I JESOSY NY RAINY?

9. a) Ahoana no fomba nampahafantaran’i Jesosy ny Rainy? b) Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy ny Rainy, tamin’ny alalan’ny fampianarany? Hazavao amin’ny ohatra.

9 Misy fomba roa nampahafantaran’i Jesosy ny Rainy, tamin’ny mpianany sy tamin’ireo mpanara-dia azy tatỳ aoriana: Tamin’ny alalan’ny fampianarany sy ny zavatra nataony. Hojerentsika aloha ny voalohany, izany hoe ny fampianarany. Ny zavatra nampianarin’i Jesosy no ahitana ny fomba fisainan’i Jehovah, sy ny fomba fanaovany zavatra, ary ny fihetseham-pony. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny mpiandry ondry, nitady ondry iray very, ohatra, ny Rainy. Nilaza i Jesosy fa rehefa hitany ilay ondry very, dia ‘iny no nahafaly azy kokoa noho ireo sivy amby sivifolo tsy nania.’ Inona no tian’i Jesosy holazaina? Hoy izy: “Toy izany koa fa tsy tian’ny Raiko any an-danitra hisy ho very ny iray amin’ireny madinika ireny.” (Mat. 18:12-14) Inona no ianaranao momba an’i Jehovah avy amin’izany? Raha mahatsapa ianao indraindray hoe tsy misy vidiny na nafoy, dia tadidio fa sarobidy amin’i Jehovah ianao, ary mikarakara anao izy. Iray “amin’ireny madinika ireny” ianao!

10. Ahoana no nampahafantaran’i Jesosy ny Rainy tamin’ny alalan’ny zavatra nataony?

10 Faharoa, nasehon’i Jesosy tamin’ny zavatra nataony koa ny momba ny Rainy. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny tamin’ny apostoly Filipo hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray.” (Jaona 14:8, 9) Misy ohatra vitsivitsy ireto mampiseho fa hita tamin’ny zavatra nataon’i Jesosy ny toetran’ny Rainy. Rehefa niangavy azy ny lehilahy boka iray, mba hanasitrana azy, dia nokasihiny ilay lehilahy na dia “rakotry ny habokana” aza, sady nilazany hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Tsapan’ilay boka fa ny herin’i Jehovah no nahafahan’i Jesosy nanasitrana azy. (Lioka 5:12, 13) Rehefa maty koa i Lazarosy, dia tsapan’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny fihetsiny hoe be fangorahana ny Rainy. “Nalahelo mafy” mantsy “i Jesosy tao am-pony tao, sady ory dia ory” ary ‘nirotsaka ny ranomasony.’ Fantatr’i Jesosy fa ho velona i Lazarosy rehefa hanangana azy izy avy eo. Tsapany anefa ny fahorian’ireo havana sy naman’i Lazarosy. (Jaona 11:32-35, 40-43) Azo antoka fa misy tantaran’i Jesosy tena tianao koa ao amin’ny Baiboly, mampiseho fa be fangorahana ny Ray.

11. a) Inona no nahariharin’i Jesosy momba ny Rainy, rehefa nanadio ny tempoly izy? b) Nahoana izany no mampahery antsika?

11 Inona indray no ianaranao momba an’i Jehovah, rehefa mandinika ny nanadiovan’i Jesosy ny tempoly ianao? Alao sary an-tsaina izay nitranga: Nanamboatra karavasy tady i Jesosy, ka nandroaka an’ireo mpivarotra omby sy ondry tao amin’ny tempoly. Naparitany ny volan’ireo mpanakalo vola, ary nazerany ny latabatr’izy ireo. (Jaona 2:13-17) Nahatsiaro an’ity faminanian’i Davida Mpanjaka ity ireo mpianany, rehefa nahita izany: “Mandany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.” (Sal. 69:9) Hita avy amin’ny zavatra nataon’i Jesosy fa tena naniry mafy hiaro ny fivavahana marina izy. Takatrao avy amin’io tantara io ve ny toetran’i Jehovah? Mampahatsiahy antsika izy io fa tsy hoe manana hery lehibe hanafoanana ny faharatsiana fotsiny i Jehovah, fa tena maniry mafy hanao izany koa. Hita avy amin’izy io koa ny fihetseham-pon’i Jehovah, rehefa mahita ny faharatsiana manjaka maneran-tany izy. Mampahery antsika izany rehefa iharan’ny tsy rariny isika!

12, 13. Inona no ianaranao momba ny Ray, raha jerena ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany?

12 Diniho koa ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany. Nifanditra foana ny mpianany hoe iza tamin’izy ireo no lehibe. (Mar. 9:33-35; 10:43; Lioka 9:46) Efa niaraka tamin’ny Rainy nandritra ny fotoana ela be i Jesosy, ka fantany fa tsy tian’ny Rainy ny hoe mihevi-tena ho ambony. (2 Sam. 22:28; Sal. 138:6) Hitany koa hoe io no toetran’i Satana Devoly, dia ilay zavaboary naniry laza sy toerana ambony sady tia tena. Tsy maintsy ho nalahelo àry i Jesosy rehefa nahita fa te ho ambony na dia ireo apostoliny, izay nampiofaniny, aza. Hita hoe te ho ambony foana izy ireo, na dia tamin’ny andro farany niainan’i Jesosy teto an-tany aza. (Lioka 22:24-27) Nanitsy azy ireo tamim-pitiavana foana anefa i Jesosy, sady nanantena fa mbola hanetry tena toa azy izy ireo, indray andro any.—Fil. 2:5-8.

13 Hitanao avy amin’io zava-nitranga io ve fa nanam-paharetana i Jesosy rehefa nanitsy ny mpianany? Voamarikao avy amin’izany ve ny toetran’ny Ray? Hita avy amin’ny tenin’i Jesosy sy nataony fa tsy manary ny mpanompony mihitsy i Jehovah, na dia manao fahadisoana imbetsaka aza izy ireo. Tsy mandrisika antsika ve izany mba hibebaka sy hangataka ny famelan’i Jehovah, rehefa misy fahadisoana ataontsika?

VONONA HAMPAHAFANTATRA NY RAY NY ZANAKA

14. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa vonona hampiharihary momba ny Rainy izy?

14 Maro ny mpitondra tsy milaza amin’ny vahoakany ny zavatra tokony ho fantany, mba hahafahany mifehy azy ireo. Tsy toy izany kosa i Jesosy. Vonona izy hampiharihary ny Rainy, izany hoe vonona izy hanampy ny hafa hianatra momba ny Ray. Nolazainy daholo izay tokony ho fantatr’izy ireo momba an’i Jehovah. (Vakio ny Matio 11:27.) Tsy izay ihany, fa nomeny “fahiratan-tsaina” ny mpianany mba ‘hahalalan’izy ireo an’ilay tena Andriamanitra.’ (1 Jaona 5:20) Midika izany fa nanokatra ny sain’ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba hahatakaran’izy ireo ny fampianarany momba ny Ray. Tsy mba nampianatra zavatra saro-takarina izy. Tsy mba nampianatra, ohatra, izy hoe anisan’ny Andriamanitra telo izay iray i Jehovah.

15. Nahoana no tsy nolazain’i Jesosy daholo ny momba ny Ray?

15 Nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany daholo ve anefa izay rehetra fantany momba ny Ray? Tsia. (Vakio ny Jaona 16:12.) Nahoana? Satria mbola ‘tsy zakan’izy ireo’ izany tamin’izay fotoana izay. Nanazava anefa i Jesosy fa hahazo fahalalana bebe kokoa izy ireo, rehefa tonga ilay “mpanampy”, dia ny fanahy masina. Io fanahy io no ‘hitari-dalana azy ireo ho amin’ny fahamarinana rehetra.’ (Jaona 16:7, 13) Misy zavatra sasany tsy lazain’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, raha tsy rehefa lehibebe sy mahatakatra tsara izy ireo. Toy izany koa no nataon’i Jesosy. Nisy zavatra fantany momba ny Rainy nefa tsy nolazainy tamin’ny mpianany, raha tsy rehefa hitany hoe vonona handray izany izy ireo ary hahatakatra an’ilay izy. Tsara fanahy tokoa i Jesosy satria nieritreritra ny zavatra mety ho takatry ny mpianany.

TAHAFO I JESOSY KA AMPIO HAHALALA AN’I JEHOVAH NY HAFA

16, 17. Nahoana ianao no afaka manampy ny hafa hahafantatra an’i Jehovah?

16 Eritrereto hoe misy olona iray lasa fantatrao tsara, ary hitanao hoe tena mahafinaritra ny toetrany. Tsy lasa te hiresaka momba azy ve ianao? Izany indrindra no nataon’i Jesosy. Niresaka momba ny Rainy izy, tamin’izy tetỳ an-tany. (Jaona 17:25, 26) Afaka manahaka azy isika, ka mampahafantatra momba an’i Jehovah amin’ny hafa.

17 Efa hitantsika teo fa i Jesosy no mahalala zavatra betsaka indrindra momba ny Ray. Vonona anefa izy hampahafantatra ny sasany tamin’izy ireny tamin’ny mpianany. Nomeny “fahiratan-tsaina” mihitsy aza izy ireo mba hahatakarany ny zava-dalina momba ny Rainy. Tena mankasitraka an’i Jesosy isika, satria nampahafantariny antsika ny Ray, tamin’ny alalan’ny fampianarany sy ny zavatra nataony. Mahafantatra an’i Jehovah tsara mihoatra noho ny ankamaroan’ny olona isika izao. Mirehareha mihitsy isika hoe mahafantatra ny Ray! (Jer. 9:24; 1 Kor. 1:31) Niezaka nanatona an’i Jehovah koa isika, ka lasa nifandray akaiky aminy. (Jak. 4:8) Tsara toerana àry isika hanampy ny hafa hahafantatra an’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana anefa?

18, 19. Inona avy no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahafantatra an’i Jehovah?

18 Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka hampahafantatra ny Ray amin’ny alalan’ny tenintsika sy ny ataontsika. Tadidio fa tsy mahafantatra an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona hitantsika eny amin’ny fanompoana. Mety hanana hevi-diso momba an’Andriamanitra izy ireo, noho ny fampianaran-diso. Azontsika ampahafantarina azy ireo avy ao amin’ny Baiboly àry ny anaran’Andriamanitra, sy ny fikasany ho an’ny olombelona, ary ny toetrany. Azontsika zaraina amin’ny mpiray finoana amintsika koa anefa ny zava-baovao momba ny toetran’i Jehovah, nianarantsika tao amin’ny Baiboly. Mety hahasoa azy ireo koa mantsy izany.

19 Ahoana anefa ilay hoe mampahafantatra an’i Jehovah amin’ny alalan’ny zavatra ataontsika? Mila asehontsika amin’ny ataontsika fa manana fitiavana toa an’i Kristy isika. Rehefa mahita an’izany ny olona, dia ho voatosika hanatona an’i Jehovah sy Jesosy. (Efes. 5:1, 2) Tombontsoa tokoa ny hoe mampahafantatra an’i Jehovah amin’ny zavatra ataontsika. Nanao toy izany ny apostoly Paoly, ka mampirisika antsika izy mba ‘hanahaka azy, tahaka ny nanahafany an’i Kristy.’ (1 Kor. 11:1) Enga anie àry isika hiezaka foana hanampy ny hafa hahafantatra an’i Jehovah.

[Fanontaniana]