Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “sarobidy amin’i Jehovah” ny fahafatesan’ireo mpanompony tsy mivadika?

▪ Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Sarobidy amin’i Jehovah ny fahafatesan’ireo olony tsy mivadika.” (Sal. 116:15) Marina fa sarobidy amin’i Jehovah ny ain’ny mpanompony tsirairay. Tsy ny fahafatesan’ny mpanompony tsirairay anefa no tiana horesahina ao amin’io andininy io.

Tsy mety ny mampihatra ny Salamo 116:15 amin’ny Kristianina nodimandry, rehefa manao lahatenim-pandevenana, na dia tsy nivadika tamin’i Jehovah aza ilay Kristianina. Nahoana? Satria malalaka kokoa ny hevitr’io andinin-teny io. Te hilaza io salamo io hoe tena mafy be amin’i Jehovah ny fahafatesan’ny mpanompony amin’ny fitambarany, ka tsy havelany hitranga mihitsy izany.—Jereo ny Salamo 72:14; 116:8.

Manome toky antsika ny Salamo 116:15 fa tsy havelan’i Jehovah ho fongotra ny mpanompony tsy mivadika amin’ny fitambarany. Manaporofo izany ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina. Tena mafy ny fitsapana sy fanenjehana nanjo antsika vahoakan’i Jehovah, nefa nahavita niaritra an’izany isika ary tsy ripaka mihitsy.

Tsy havelan’i Jehovah ho ripaka ny vahoakany, satria manana hery tsy hita fetra izy, ary tsy maintsy tanteraka ny fikasany. Toy ny hoe mahery noho izy ny fahavalony, raha avelany hitranga izany, sady tsy ho tanteraka ny fikasany hoe ho feno olona tsy mivadika aminy eto an-tany. (Isaia 45:18; 55:10, 11) Hitsahatra koa na dia ny fanompoana masina ho an’i Jehovah etỳ an-tany aza, raha tsy misy olona manompo azy intsony etỳ an-tany, izany hoe ao amin’ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy lehibe. Ary ahoana ilay “tany vaovao”, izany hoe ireo olo-marina hiaina eo ambany fitondran’ilay “lanitra vaovao”? Tsy hisy izany raha ripaka ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. (Apok. 21:1) Tsy ho tanteraka koa ilay Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, satria tsy hisy vahoaka hoentiny etỳ an-tany.—Apok. 20:4, 5.

Ho afa-baraka i Jehovah ary tsy hatoky ny fahefany intsony ny olona, raha avelany handripaka ny vahoakany etỳ an-tany ny fahavalony. Hanimba ny lazany amin’ny maha Mpanjakan’izao Rehetra Izao azy izany. Tsy havelan’i Jehovah ho ripaka ny mpanompony amin’ny fitambarany, mba hiarovany ny voninahiny sy ny anarany masina. Tadidio koa fa “tsy mba manao ny tsy rariny” Andriamanitra. Tsy mivadika aminy ny mpanompony amin’ny fitambarany, ka tsy maintsy hiaro azy ireo tsy ho ripaka izy. (Deot. 32:4; Gen. 18:25) Raha avelany ho ripaka koa ny vahoakany, dia tsy ho marina ity voalazan’ny Tenin’Andriamanitra ity: “Tsy hahafoy ny olony i Jehovah, noho ny amin’ny anarany be voninahitra.” (1 Sam. 12:22) “Tsy hahafoy ny olony [tokoa] i Jehovah, sady tsy handao ny lovany!”—Sal. 94:14.

Mampahery ny mahalala hoe tsy ho ripaka mihitsy ny vahoakan’i Jehovah eto an-tany! Aoka àry isika hiezaka foana mba tsy hivadika amin’i Jehovah, ary hatoky ny fampanantenany hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, ary homelohinao eo amin’ny fitsarana ny lela rehetra manohitra anao. Izany no lovan’ny mpanompon’i Jehovah, sy fahamarinany avy amiko.”—Isaia 54:17.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Tsy havelan’Andriamanitra ho ripaka ny vahoakany