Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Taratra ny Voninahitr’i Jehovah ve Ianao?

Manome Taratra ny Voninahitr’i Jehovah ve Ianao?

Manome Taratra ny Voninahitr’i Jehovah ve Ianao?

‘Tahaka ny fitaratra, dia manome taratra ny voninahitr’i Jehovah isika.’—2 KOR. 3:18.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Nahoana isika no afaka manome taratra ny voninahitr’Andriamanitra, na dia mpanota aza?

Nahoana ny vavaka sy ny fanatrehana fivoriana no manampy antsika hanome taratra ny voninahitr’Andriamanitra?

Ahoana no ahafahantsika manome voninahitra an’i Jehovah foana?

1, 2. Nahoana isika olombelona no afaka manahaka ny toetran’i Jehovah?

MISY itovizana amin’ny ray aman-drenintsika daholo isika. Tsy mahagaga àry ny mandre olona miteny hoe: ‘Tena mitovy amin’ny dadanao ianao!’ Na hoe: ‘Mahatsiaro an’ny mamanao aho mahita anao!’ Matetika koa ny ankizy no maka tahaka izay ataon’ny ray aman-dreniny. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Afaka manahaka an’ilay Raintsika any an-danitra ve isika? Marina fa tsy mahita azy isika, kanefa ho fantatsika ny toetrany, raha mandinika ny zavatra noforoniny isika, ary mianatra sy misaintsaina izay voalaza ao amin’ny Teniny, indrindra fa ny zavatra nataon’i Jesosy sy nolazainy. (Jaona 1:18; Rom. 1:20) Afaka manahaka an’i Jehovah àry isika, ka manome taratra ny voninahiny.

2 Mbola tsy namorona antsika olombelona i Jehovah, dia efa natoky fa ho vitantsika ny hanao ny sitrapony sy hanahaka ny toetrany ary hanome voninahitra azy. (Vakio ny Genesisy 1:26, 27.) Tokony hiezaka tokoa isika hanahaka ny toetran’ilay namorona antsika, noho isika Kristianina. Manome taratra ny voninahiny isika, raha manahaka azy. Afaka manao izany daholo isika, na inona na inona kolontsaintsika, na fiaviantsika, na fianarana vitantsika. Nahoana ny karazan’olona rehetra no afaka manome taratra ny voninahitr’Andriamanitra? Satria “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asa. 10:34, 35.

3. Inona no fihetseham-po tsapantsika eo amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah?

3 Manome taratra ny voninahitr’i Jehovah ny Kristianina voahosotra. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hanoratra hoe: “Tahaka ny fitaratra, dia manome taratry ny voninahitr’i Jehovah amin’ny tarehy tsy misarona isika rehetra, ka ovana hitovy endrika aminy, avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra bebe kokoa.” (2 Kor. 3:18) Nanome taratra ny voninahitr’i Jehovah ny tarehin’i Mosesy, rehefa nidina avy teny amin’ny Tendrombohitra Sinay izy, nitondra an’ireo takela-bato nisy ny Didy Folo. Nanjelanjelatra ny tarehiny satria nifampiresaka tamin’i Jehovah izy. (Eks. 34:29, 30) Marina fa tsy miresaka mivantana amintsika toy izany i Jehovah, ary tsy manjelanjelatra ny tarehintsika. Hita soritra eny amin’ny endritsika anefa hoe faly isika, rehefa miresaka momba an’i Jehovah sy ny toetrany ary ny fikasany momba ny olombelona. Toy ny fitaratra, na ny voahosotra na ny ondry hafa, satria manome taratra ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fomba fiainany sy ny fanompoany. (2 Kor. 4:1) Ahoana àry ny aminao? Tsara fitondran-tena sy mitory tsy tapaka momba ilay Fanjakana ve ianao, ka manome taratra ny voninahitr’i Jehovah?

TE HANOME TARATRA NY VONINAHITR’I JEHOVAH ISIKA

4, 5. a) Inona no olana mahazo antsika rehetra? b) Inona no vokatry ny ota?

4 Mpanompon’i Jehovah isika, ka azo antoka fa te hanome voninahitra ny Mpamorona, amin’izay rehetra ataontsika. Tsy ny zavatra tiantsika hatao anefa matetika no ataontsika. Nanana olana toy izany i Paoly. (Vakio ny Romanina 7:21-25.) Nohazavainy hoe inona no mahatonga izany olana izany. Hoy izy: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 3:23) Nandova ota tamin’i Adama isika, ka lasa andevon’ny ota. Toy ny hoe mpanjaka ratsy fanahy mifehy antsika ny ota.—Rom. 5:12; 6:12.

5 Inona no atao hoe ota? Antsoina hoe ota ny zava-drehetra mifanohitra amin’ny toetran’i Jehovah sy ny fitsipiny ary ny sitrapony. Manimba ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra izy io. Misakana antsika tsy hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah koa izy io. Mety hanao fanahy iniana hanota isika, na hanota tsy nahy. (Nom. 15:27-31) Efa raiki-tampisaka ao amin’ny olombelona ny ota, ary mampisaraka antsika amin’ny Mpamorona. (Sal. 51:5; Isaia 59:2; Kol. 1:21) Tsy tsara ny fomba fiainan’ny ankamaroan’ny olona, vokatr’izany, ka tafasaraka tanteraka amin’i Jehovah izy ireo, ary tsy mahavita manome taratra ny voninahiny. Ny ota àry no zavatra ratsy indrindra mahazo ny olombelona.

6. Nahoana isika no afaka manome taratra ny voninahitr’Andriamanitra, na dia mpanota aza?

6 ‘Nanome fanantenana’ ho antsika anefa i Jehovah, na dia mpanota aza isika. (Rom. 15:13) Nanome fomba hanafahana antsika amin’ny ota izy, dia ny sorom-panavotan’i Jesosy. Tsy “mpanompon’ny ota” intsony isika, raha mino an’io sorona io, ary afaka manome taratra ny voninahitr’i Jehovah. (Rom. 5:19; 6:6; Jaona 3:16) Hahazo fitahiana dieny izao isika, raha miezaka foana hanome taratra ny voninahiny. Ho lasa lavorary sy hiaina mandrakizay koa isika amin’ny hoavy. Tena tombontsoa be ny hoe na dia mpanota aza isika, dia raisin’i Jehovah ho anisan’ireo olona afaka manome taratra ny voninahiny.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANOME TARATRA NY VONINAHITR’I JEHOVAH?

7. Inona no tsy maintsy ekentsika, raha te hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah isika?

7 Mila fantarintsika hoe inona ny fahalementsika, raha te hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah isika. (2 Tan. 6:36) Mila miaiky isika hoe manana an’ilay fahalemena, ary avy eo miezaka miady amin’ilay izy. Amin’izay isika vao tena ho afaka hanome voninahitra an’i Jehovah. Ahoana, ohatra, raha lasa zatra mijery sary vetaveta isika? Mila miaiky isika hoe mila fanampiana ara-panahy, ary tokony hanao zavatra mba hahazoana izany fanampiana izany. (Jak. 5:14, 15) Izany no dingana voalohany ilaina hatao. Mila mandini-tena foana koa anefa isika, mba hahitana raha mifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah ny fomba fiainantsika. (Ohab. 28:18; 1 Kor. 10:12) Na inona na inona fahalementsika, dia mila miady amin’ilay izy foana isika, mba hahafahantsika manome taratra ny voninahitr’i Jehovah.

8. Inona no tokony hataontsika, na dia tsy lavorary aza isika?

8 I Jesosy irery no nahavita nampifaly tanteraka an’i Jehovah sy nanome taratra ny voninahiny foana. Mila miezaka mafy manahaka azy isika, na dia tsy lavorary aza. (1 Pet. 2:21) Hitan’i Jehovah ny ezaka ataontsika sy ny fandrosoana vitantsika, ary ampiany isika rehefa miezaka hanome voninahitra azy.

9. Nahoana ny Baiboly no manampy antsika hanao izay takin’i Jehovah?

9 Toy ny jiro manazava ny lalantsika ny Tenin’i Jehovah, ka afaka manampy antsika hanao fandrosoana. Tena ilaina àry ny mamaky sy mandalina ary misaintsaina ny Soratra Masina. (Sal. 1:1-3) Manampy antsika hanatsara ny toetrantsika ny famakiana Baiboly isan’andro. (Vakio ny Jakoba 1:22-25.) Manatanjaka ny finoantsika koa ny fianarana Baiboly, ary manampy antsika ho tapa-kevitra tsy hanao fahotana lehibe, fa hampifaly an’i Jehovah.—Sal. 119:11, 47, 48.

10. Nahoana ny vavaka no manampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba tsara kokoa?

10 Mila ‘maharitra amin’ny vavaka’ koa isika, raha te hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah. (Rom. 12:12) Tokony hivavaka amin’i Jehovah isika, mba hanampiany antsika hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany. Afaka mangataka aminy isika mba homeny fanahy masina, finoana bebe kokoa, hery hanoherana fakam-panahy, ary fahaizana “manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” (2 Tim. 2:15; Mat. 6:13; Lioka 11:13; 17:5) Mila miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, toy ny ankizy miantehitra amin’ny rainy. Azo antoka fa hanampy antsika izy, raha mangataka fanampiana aminy isika mba hahafahantsika hanompo azy amin’ny fomba tsara kokoa. Tsy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe mety hanelingelina azy ny vavaka ataontsika! Tokony hazoto hivavaka kosa isika, ka hidera azy, hisaotra azy, ary hangataka tari-dalana aminy, indrindra fa rehefa misy fitsapana. Aza hadinoina koa ny mangataka fanampiana aminy, mba hahafahanao manome voninahitra ny anarany masina.—Sal. 86:12; Jak. 1:5-7.

11. Nahoana ny fivoriana no manampy antsika hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah?

11 Nankinin’i Jehovah amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ny fikarakarana ny ondriny, izay tena sarobidy aminy. (Mat. 24:45-47; Sal. 100:3) Manampy antsika hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah io mpanompo io, ary fomba iray anaovany izany ny fivoriana. Azo ampitahaina amin’ny mpanjaitra manitsy ny tsy mety amin’ny akanjontsika ny fivoriana. Manampy antsika izy io mba hanitsy ny fomba fiainantsika sy hanatsara ny toetrantsika. (Heb. 10:24, 25) Aoka àry isika ho tonga ara-potoana any am-pivoriana. Raha zatra tonga tara mantsy isika, dia tsy hahazo ny fanitsiana sasany ilaintsika.

AOKA ISIKA HANAHAKA AN’ANDRIAMANITRA

12. Ahoana no ahafahantsika manahaka an’Andriamanitra?

12 Mila ‘manahaka an’Andriamanitra’ isika, raha te hanome taratra ny voninahiny. (Efes. 5:1) Manahaka azy, ohatra, isika raha miezaka hanana ny fomba fiheviny. Raha tsy manana ny fomba fiheviny isika, dia mety hanao zavatra manala baraka azy ary hahita olana. Eo ambany fahefan’i Satana ity tontolo ity, ka mila miezaka mafy isika mba hankahala izay halan’i Jehovah ary ho tia izay tiany. (Sal. 97:10; 1 Jaona 5:19) Tokony ho resy lahatra tanteraka isika hoe ilaina ny manao ny zava-drehetra ho voninahitr’i Jehovah, satria izay no fomba mety indrindra anompoana azy.—Vakio ny 1 Korintianina 10:31.

13. Nahoana isika no tokony hankahala ny fahotana, ary inona no tokony hataontsika raha mankahala ny fahotana isika?

13 Halan’i Jehovah ny fahotana, ka tokony ho halantsika koa. Tokony hohalavirintsika araka izay azo atao àry ny fanaovan-dratsy. Ity misy ohatra. Fantatsika fa mila mitandrina isika mba tsy hivadi-pinoana, satria manota isika raha manao izany, ka tsy ho afaka hanome voninahitra an’Andriamanitra. (Deot. 13:6-9) Tsy tokony hifandray mihitsy amin’ny mpivadi-pinoana àry isika, na amin’ny olona milaza hoe rahalahy nefa manao zavatra manala baraka an’i Jehovah. Izany no tokony hataontsika, na dia mpianakavintsika aza ilay olona. (1 Kor. 5:11) Tsy mandray soa isika, raha miezaka manaporofo hoe diso ny zavatra lazain’ny mpivadi-pinoana na lazain’ireo mpanakiana ny fandaminana. Tsy tokony ho liana amin’ny bokiny na izay lazainy ao amin’ny Internet isika, satria mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izany.—Vakio ny Isaia 5:20; Matio 7:6.

14. Inona no toetra tena ilaintsika mba hanomezana taratra ny voninahitr’i Jehovah, ary nahoana?

14 Tokony ho be fitiavana toa an’ilay Raintsika any an-danitra koa isika. Fomba iray lehibe hanahafana azy izany. (1 Jaona 4:16-19) Ny fifankatiavana no amantarana fa mpianatr’i Jesosy isika ary mpanompon’i Jehovah. (Jaona 13:34, 35) Tsy mora anefa ny maneho fitiavana indraindray, satria mpanota isika. Mila miady mafy isika, ka hampiseho fitiavana amin’ny fotoana rehetra. Raha miezaka hanana fitiavana sy toetra tsara hafa isika, dia hisakana antsika izany mba tsy ho ratsy fanahy na hanota.—2 Pet. 1:5-7.

15. Ahoana no fomba itondrantsika ny hafa, raha manam-pitiavana isika?

15 Mandrisika antsika hanao zavatra tsara ho an’ny hafa ny fitiavana. (Rom. 13:8-10) Raha tia ny vadiny, ohatra, ny olona iray, dia tsy hanitsakitsaka ny vadiny mihitsy izy. Raha tiantsika ireo anti-panahy, ary sarobidy amintsika ny asa ataony, dia hankatò azy ireo isika ary hanaiky ny tari-dalany. Raha tia ny ray aman-dreniny ny ankizy, dia hankatò sy hanaja azy ireo izy fa tsy hanaratsy azy. Raha tia ny mpiara-belona amintsika isika, dia tsy hihevitra azy ireo ho ambany, ary hanaja azy ireo rehefa miresaka aminy. (Jak. 3:9) Ary raha tena tia ny ondrin’i Jehovah ny anti-panahy, dia tsara fanahy amin’izy ireo izy.—Asa. 20:28, 29.

16. Nahoana ny fitiavana no manampy antsika amin’ny fanompoana?

16 Tena ilaina koa ny fitiavana eo amin’ny fanompoana. Tena tia an’i Jehovah isika, ka tsy manaiky ho kivy na dia tsy miraika na manohitra aza ny olona itoriantsika. Mitory ny vaovao tsara foana isika, na inona na inona mitranga. Ny fitiavana koa no mandrisika antsika hanomana tsara rehefa hanompo ary hiezaka hahay hampianatra. Tsy hihevitra ny fitoriana ho adidy fotsiny koa isika, raha tena tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika. Hihevitra ny fitoriana ho tombontsoa lehibe isika, ary hanao azy io amim-pifaliana.—Mat. 10:7.

MIEZAHA FOANA HANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH

17. Nahoana no mahasoa antsika ny miaiky hoe mpanota isika?

17 Tsy takatry ny ankamaroan’ny olona hoe tena ratsy ny manota. Takatsika tsara anefa izany, ka miaiky isika hoe ilaina ny miady mafy mba tsy ho resin’ny fahotana. Raha miaiky isika hoe mpanota, dia hampiofana tsara ny feon’ny fieritreretantsika isika. Handrisika antsika hanao ny tsara izy io amin’izay, rehefa misy faniriana na eritreri-dratsy mipoitra ao an-tsaintsika na ao am-pontsika. (Rom. 7:22, 23) Marina fa malemy isika olombelona, kanefa afaka manome hery antsika mba hahafahantsika manao ny tsara i Jehovah, na inona na inona mitranga.—2 Kor. 12:10.

18, 19. a) Inona no hanampy antsika handresy ny fanahy ratsy? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

18 Mila manohitra an’ireo fanahy ratsy koa isika, raha te hanome voninahitra an’i Jehovah. Mahavita izany isika raha manana ny fiadiana fiarovana avy amin’Andriamanitra. (Efes. 6:11-13) Miezaka foana i Satana mba tsy hahazoan’i Jehovah ny voninahitra tokony ho azy. Ataony foana koa izay hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Resy àry i Satana, rehefa tsy mivadika isika sy ny olon-kafa an-tapitrisany, fa manome voninahitra an’i Jehovah! Aoka àry isika hidera an’i Jehovah foana, toa an’ireo zavaboary ara-panahy any an-danitra, izay milaza hoe: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”—Apok. 4:11.

19 Enga anie isika ho tapa-kevitra hanome voninahitra an’i Jehovah foana, na inona na inona mitranga. Azo antoka fa faly izy hoe maro be ny olona tsy mivadika aminy, ka miezaka mafy manahaka azy sy manome taratra ny voninahiny. (Ohab. 27:11) Aoka isika hanahaka an’i Davida, izay nihira hoe: “Midera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro ô! Homeko voninahitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaranao.” (Sal. 86:12) Hanome taratra ny voninahitr’i Jehovah amin’ny fomba tonga lafatra isika amin’ny hoavy, raha mankatò. Hidera azy mandrakizay koa isika. Efa tsy andrintsika erỳ izany! Manome taratra ny voninahitr’Andriamanitra àry ve ianao izao, ary tapa-kevitra ny hanao izany mandrakizay?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 27]

Manome taratra ny voninahitr’i Jehovah ve ianao, ka manao an’ireo zavatra ireo?