Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia An’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Manaja Fotoana

Matokia An’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Manaja Fotoana

Matokia An’i Jehovah, Ilay Andriamanitra Manaja Fotoana

“Manova fotoana sy vanim-potoana izy, manaisotra mpanjaka sy mametraka mpanjaka.”—DAN. 2:21.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Nahoana ny zavaboary sy ny faminaniana efa tanteraka no manaporofo fa manaja fotoana i Jehovah?

Inona no tokony hataontsika, raha mino isika fa tanterahin’i Jehovah amin’ny fotoana voatondrony ny fikasany?

Nahoana no tsy miankina amin’ny zava-mitranga eran-tany, na amin’ny fikasan’olombelona, ny fotoana hanatanterahan’i Jehovah ny fikasany?

1, 2. Nahoana isika no afaka milaza fa fantatr’i Jehovah tsara ny atao hoe fotoana?

NISY zavatra nataon’i Jehovah fahiny ela be, mba hahafahan’ny olona mamaritra ny fotoana. Hoy izy tamin’ny andro famoronana fahefatra: “Aoka hisy zavatra manome hazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampisaraka ny andro sy ny alina. Ary ho famantarana izy ireny, sady hanondro fizaran-taona sy andro ary taona.” (Gen. 1:14, 19, 26) Tanteraka io tenin’i Jehovah io!

2 Tsy hain’ny mpahay siansa anefa hatramin’izao hoe inona no atao hoe fotoana. Hoy ny boky iray: ‘Anisan’ny zavatra saro-takarina indrindra ny fotoana. Tsy misy mahalala hoe inona marina izy io.’ Fantatr’i Jehovah tsara anefa ny atao hoe fotoana. Izy no “Mpamorona ny lanitra” ary “Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy.” Izy koa no “manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” (Isaia 45:18; 46:10) Hiresaka momba ny zavaboary sasantsasany isika, ary handinika momba ireo faminaniana sasany tanteraka, mba hahitantsika fa Andriamanitra manaja fotoana i Jehovah, izany hoe manatanteraka ny fikasany amin’ny fotoana voatondrony. Hanatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah izany, ary hanampy antsika hatoky ny Baiboly.

MANATANJAKA NY FINOANTSIKA NY FANDINIHANA NY ZAVABOARY

3. Inona no mampiseho fa manaraka fotoana voafaritra tsara ny zavaboary?

3 Manaraka fotoana voafaritra tsara ny ankamaroan’ny zavatra noforonin’i Jehovah. Hita izany na amin’ny zavatra bitika kely, na amin’ny zavatra goavam-be. Mihovotrovotra, ohatra, ny ataoma, ary mahavariana fa manaraka fotoana voafaritra tsara izany fihetsehany izany. * Nampiasaina tamin’ny famantaranandro sasany ny ataoma mba handrefesana fotoana, ka tena marina be ireo famantaranandro ireo. Tsy ho tara na hihoatra iray segondra izy ireo, raha tsy afaka 80 tapitrisa taona. Tsy miovaova koa ny fotoana ihetsehan’ny planeta sy ny kintana, ka azo fantarina mialoha ny toerana hisy azy ireny eny amin’ny lanitra. Izany no ahafahan’ny olona mamantatra ny fizaran-taona, na manampy ny olona hahita ny lalan-kizorany rehefa manao dia an-dranomasina. Manana “hery lehibe” tokoa i Jehovah, ilay namorona ny ataoma sy ny kintana, ka mendrika hoderaina.—Vakio ny Isaia 40:26.

4. Ahoana no ahitana hoe manana fahendrena i Jehovah, rehefa dinihina ny zavatra noforoniny?

4 Manaraka fotoana voafaritra tsara koa ny zavamaniry sy ny biby ary ny olombelona. Toy ny hoe misy famantaranandro, ohatra, ao anatin’ny biby sy ny zavamaniry maro. Izany no mahatonga ny vorona maro hahalala hoe rahoviana izy no tokony hifindra monina. (Jer. 8:7) Toy ny hoe misy famantaranandro koa ao anatin’ny olombelona. Izany no mahatonga ny vatantsika hahalala hoe efa maraina ny andro, na alina ny andro. Misy fiovana tsapan’ny vatana koa, ohatra, raha mandeha fiaramanidina mankany amin’ny firenena lavitra be isika, ary mifanohitra be amin’ny ora atỳ amintsika ny ora any amin’ilay firenena. Mila andro vitsivitsy ny vatana, vao zatra an’ilay fiovana. Maro tokoa ireo zavaboary mampiseho fa tena manaja “fotoana sy vanim-potoana” i Jehovah, sady manana hery sy fahendrena tsy hita fetra. (Vakio ny Salamo 104:24.) Afaka matoky àry isika fa tsy maintsy hanatanteraka ny fikasany i Jehovah.

MANATANJAKA NY FINOANTSIKA IREO FAMINANIANA TANTERAKA

5. a) Ahoana no fomba ahafantarana ny hoavy? b) Nahoana i Jehovah no afaka milaza mialoha izay hitranga sy ny fotoana hitrangan’ilay izy?

5 Mahalala zavatra betsaka momba ny toetran’i Jehovah isika, rehefa mandinika ny zavaboary. Tsy ampy anefa izany, satria tsy mahavaly ny fanontaniana lehibe sasany toy ny hoe: Hanao ahoana ny hoavin’ny olombelona? (Rom. 1:20) Tsy maintsy mandinika ny Baiboly isika, vao hahalala ny valin’izany. Milaza mialoha izay hitranga amin’ny hoavy ny Baiboly, ary maro amin’ny faminaniana voalaza ao no efa tanteraka sady tanteraka tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah. Afaka milaza mialoha izay hitranga i Jehovah, satria mahay mamantatra ny hoavy izy. Tsy izay ihany fa tanteraka ara-potoana foana ny faminanian’ny Soratra Masina. Ataon’i Jehovah mantsy izay hitrangan’ny zavatra sasany, mba hahatanteraka ny fikasany amin’ny fotoana voatondrony.

6. Inona no mampiseho fa tian’i Jehovah ho fantatsika ny fotoana ahatanterahan’ireo faminaniana?

6 Tian’i Jehovah hahatakatra an’ireo faminaniana ny mpanompony, ary handray soa amin’izany. Marina fa tsy mitovy amin’ny fomba fiheverantsika ny fotoana ny fomba fiheverany azy io, kanefa mampiasa teny azontsika tsara izy, rehefa milaza ny fotoana hitrangan’ny zavatra iray. (Vakio ny Salamo 90:4.) Rehefa niresaka momba ny “anjely efatra”, ohatra, ny Apokalypsy, dia nampiasa ny teny hoe ‘ora, andro, volana, ary taona’, satria ireo no azontsika olombelona tsara. (Apokalypsy 9:14, 15) Vokatr’izany, dia takatsika ny fotoana ahatanterahan’ireo faminaniana. Rehefa hitantsika hoe tena tanteraka izy ireny, dia lasa mihamatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah, ary matoky kokoa ny Baiboly isika. Misy faminaniana vitsivitsy ireto hodinihintsika.

7. Nahoana ny faminanian’i Jeremia no manaporofo fa manaja fotoana i Jehovah?

7 Hodinihintsika voalohany izay nitranga, 600 taona mahery talohan’i Kristy. ‘Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda.’ (Jer. 25:1) Nilaza i Jehovah fa ho rava i Jerosalema. Nilaza koa izy fa hoentina ho babo any Babylona ny Jiosy tao Joda, ka “hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona.” Noravan’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ary nentiny ho babo ny Jiosy tao Joda. Inona anefa no hitranga rehefa tapitra ilay 70 taona? Naminany i Jeremia hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hitsinjo anareo aho rehefa tapitra ny fitopolo taona nijanonanareo tany Babylona, dia hotanterahiko aminareo ny fampanantenako, ka haveriko eto amin’ity toerana ity ianareo.’ ” (Jer. 25:11, 12; 29:10) Tanteraka ara-potoana tsara io faminaniana io. Nafahan’ny Medianina sy ny Persianina ny Jiosy tao Babylona, ka niverina tany amin’ny taniny tamin’ny 537 T.K.

8, 9. Ahoana no ahafantarana fa Andriamanitra manaja fotoana i Jehovah, rehefa jerena ny faminanian’i Daniela sy ny faminaniana momba ilay Fanjakana?

8 Nilaza faminaniana koa i Daniela, roa taona teo ho eo talohan’ny nialan’ny Jiosy tany Babylona. Nilaza izy hoe ho tonga ny Mesia, rehefa afaka 483 taona aorian’ny hivoahan’ny didy hanorenana indray an’i Jerosalema. Tamin’ny taona 455 T.K. ny mpanjakan’ny Medianina sy Persianina no namoaka an’io didy io. Ny taona 29, izany hoe 483 taona katroka taorian’ilay didy, no natao batisa sy nohosorana ny fanahy masina i Jesosy. Lasa Mesia izy tamin’izay. Tanteraka ara-potoana àry ilay faminaniana. *Neh. 2:1, 5-8; Dan. 9:24, 25; Lioka 3:1, 2, 21, 22.

9 Diniho koa izay lazain’ny Baiboly momba ny Fanjakan’ny Mesia. Asehon’ny faminaniana fa naorina tany an-danitra izy io tamin’ny 1914. Nolazainy ny “famantarana” momba ny fanatrehan’i Jesosy. Nohazavainy fa hisy loza maro be etỳ an-tany mandritra an’io fanatrehany io, satria noroahina tany an-danitra i Satana ary nazera tetỳ an-tany. (Mat. 24:3-14; Apok. 12:9, 12) Misy faminaniana hafa koa manampy antsika hahalala hoe tapitra tamin’ny 1914 ny “fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ary nanomboka nanjaka tany an-danitra i Kristy tamin’izay.—Lioka 21:24; Dan. 4:10-17. *

10. Inona avy ny zavatra azo antoka fa ho tonga ara-potoana?

10 Tsy ho ela dia ho tonga ny “fahoriana lehibe” noresahin’i Jesosy. Hanomboka ny Fanjakana Arivo Taona aorian’izay. Tsy maintsy ho tanteraka ireo, ary ho tonga ara-potoana. Efa fantatr’i Jehovah ny “andro sy ora” hahatongavan’ireo, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany.—Mat. 24:21, 36; Apok. 20:6.

“HARARAOTY TSARA NY FOTOANA”

11. Inona no tokony hataontsika, noho isika mahalala hoe andro farany izao?

11 Inona no tokony hataontsika, satria fantatsika fa efa mitondra ny Fanjakan’ny Mesia izao, ary miaina amin’ny “fotoanan’ny farany” isika? (Dan. 12:4) Maro ny olona mahita hoe miharatsy ny zava-misy eran-tany. Tsy ekeny anefa hoe manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny andro farany izany. Mieritreritra ny olona sasany hoe hiharatsy foana ny fiainana, ary tsy ho voavaha intsony ny olana. Misy indray mino hoe ny ezaka ataon’ny olombelona no hitondra “fandriampahalemana sy filaminana.” (1 Tes. 5:3) Ary ahoana ny aminao? Mino ve ianao hoe efa akaiky ny faran’ny tontolon’i Satana? Raha izany no izy, tsy tokony hampiasa ny fotoana sisa tavela ve ianao, mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny olona hahafantatra azy? (2 Tim. 3:1) Mila mahay mampiasa tsara ny fotoanantsika àry isika.—Vakio ny Efesianina 5:15-17.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy momba ny andron’i Noa?

12 Tsy mora ny hoe mahay mampiasa tsara ny fotoana. Betsaka mantsy ny zavatra mety hahavariana eto amin’ity tontolo ity. Nampitandrina i Jesosy hoe: “Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” Nanao ahoana tokoa moa ny tamin’ny andron’i Noa? Nampahafantarin’i Jehovah an’i Noa fa hahatonga safodrano maneran-tany izy, ary handringana ny ratsy fanahy. “Mpitory ny fahamarinana” i Noa, ka tsy nitsahatra nilaza tamin’ny olona ny hafatr’Andriamanitra. (Mat. 24:37; 2 Pet. 2:5) Variana “nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina” anefa ny olona. “Tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.” Izany no nahatonga an’i Jesosy hampitandrina ny mpanara-dia azy hoe: “Aoka koa ianareo ho vonona, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.” (Mat. 24:38, 39, 44) Mila manahaka an’i Noa isika, fa tsy hanao tahaka ny mpiara-belona aminy. Inona àry no hanampy antsika ho vonona amin’ny fiavian’ny Zanak’olona?

13, 14. Inona no tokony hotadidintsika momba an’i Jehovah, mba hahatonga antsika ho vonona hiandry ny fiavian’ny Zanak’olona?

13 Na dia amin’ny ora tsy ampoizintsika aza no hiavian’ny Zanak’olona, dia tokony hotadidintsika fa tanterahin’i Jehovah amin’ny fotoana voatondrony foana ny fikasany. Tsy miankina amin’ny zava-mitranga eran-tany izany, na amin’ny fikasan’ny olombelona. Azon’i Jehovah atao izay hitrangan’ny zavatra sasany amin’ny fotoana voafaritra iray, ary faritany hoe inona no ho vokatr’ilay izy, mba hahatanteraka ny fikasany. (Vakio ny Daniela 2:21.) Vitan’i Jehovah mihitsy aza ny mampiasa an’ireo mpitondra mba hahatanteraka ny sitrapony. Hoy ny Ohabolana 21:1: “Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka, ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.”

14 Hain’i Jehovah ny manao izay hitrangan’ny zavatra sasany, mba ho tanteraka amin’ny fotoana voatondrony ny fikasany. Maro amin’ireo fiovana lehibe nitranga teto amin’ity tontolo ity no manatanteraka faminaniana, indrindra fa ny faminaniana momba ny fitoriana maneran-tany. Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa rava ny Firaisana Sovietika. Nisy fiovana ara-politika lehibe nitranga tany, ka lasa tsy voarara intsony ny asantsika any amin’ny tany maro. Azo itoriana ny vaovao tsara izao any amin’ireny tany ireny. Tokony hahay hanararaotra ny fotoana àry isika, mba hanompoana an’ilay Andriamanitra manaja “fotoana sy vanim-potoana.”

MATOKIA FA HO TANTERAKA AMIN’NY FOTOANA VOATONDRON’I JEHOVAH NY FIKASANY

15. Ahoana no ahitana hoe matoky an’i Jehovah isika, rehefa misy fanitsiana ataon’ny fandaminana?

15 Ilaina ny matoky hoe hotanterahin’i Jehovah amin’ny fotoana voatondrony ny fikasany, raha tiantsika ny hanohy foana ny fitoriana amin’izao andro farany izao. Miova foana ny zava-misy eto amin’ity tontolo ity, ka mety hila hanova ny fomba fitorintsika koa isika. Mety hanao fanitsiana mifandray amin’izany ny fandaminana tsindraindray, mba hahitantsika vokatra kokoa. Hita hoe matoky an’i Jehovah isika, raha mampihatra tsara an’ireny fanitsiana ireny, sady tsy mivadika eo ambany fitarihan’ny Zanany, izay “lohan’ny fiangonana.”—Efes. 5:23.

16. Nahoana isika no afaka matoky fa hanome antsika fanampiana amin’ny fotoana mety i Jehovah?

16 Mampirisika antsika i Jehovah mba hivavaka aminy foana, satria afaka manome izay “fanampiana” ilaintsika izy “amin’ny fotoana mety.” (Heb. 4:16) Hita amin’izany fa tena tia sy miahy antsika tsirairay izy. (Mat. 6:8; 10:29-31) Hita hoe matoky an’i Jehovah isika, raha mivavaka aminy foana mba hahazoana ny fanampiany, sady manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika sy ny tari-dalana omeny. Hita hoe matoky azy koa isika, raha tsy manadino mivavaka ho an’ny mpiray finoana amintsika.

17, 18. a) Inona no hataon’i Jehovah amin’ny fahavalony tsy ho ela? b) Inona no toe-tsaina mampidi-doza tsy tokony hananantsika?

17 Tena mila manana finoana matanjaka isika amin’izao fotoana izao, fa ‘tsy hisalasala amin’ny tsy finoana.’ (Rom. 4:20) Miezaka mampitsahatra ny asa nampanaovin’i Jesosy ireo fahavalon’Andriamanitra, izany hoe i Satana sy izay eo ambany fifehezany. (Mat. 28:19, 20) Na manafika antsika aza anefa i Satana, dia fantatsika fa ‘Andriamanitra velona’ i Jehovah sady “Mpamonjy ny karazan’olona rehetra, indrindra fa ireo tsy mivadika” aminy. ‘Hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’—1 Tim. 4:10; 2 Pet. 2:9.

18 Tsy ho ela dia handringana an’ity tontolo ratsy ity i Jehovah. Tsy nolazaina antsika ny tsipiriany rehetra momba izany, na hoe rahoviana marina izany no hitranga. Fantatsika kosa anefa fa handringana ny fahavalon’Andriamanitra i Kristy, amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah. Ho fantatry ny rehetra amin’izay fa i Jehovah no manana zo hitondra. Ho loza àry ny hanjo antsika raha manadino isika hoe miaina amin’ny “fotoana” manao ahoana isika izao. Enga anie isika tsy hieritreritra mihitsy hoe “tsy niova ny zava-drehetra, fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.”—1 Tes. 5:1; 2 Pet. 3:3, 4.

AOKA ISIKA “HIANDRY” AN’I JEHOVAH

19, 20. Nahoana isika no tokony hiandry an’i Jehovah?

19 Noforonin’i Jehovah hiaina mandrakizay ny olombelona, mba ho afaka hianatra momba azy foana, ary handinika an’ireo zavaboary kanto nataony. Hoy ny Mpitoriteny 3:11: “Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Ary na ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona.”

20 Tena faly isika hoe tsy niova mihitsy ny fikasan’i Jehovah momba ny olombelona. (Mal. 3:6) Milaza ny Baiboly fa “tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka” Andriamanitra. (Jak. 1:17) Miovaova foana ny fipetraky ny aloka, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, vokatry ny fihodinan’ny tany. I Jehovah kosa tsy miova mihitsy na dia mandeha aza ny fotoana. “Mpanjakan’ny mandrakizay” izy. (1 Tim. 1:17) Noho izany, dia tokony ho vonona isika ‘hiandry an’ilay Andriamanitry ny famonjena antsika.’ (Mika 7:7) Hoy ny Salamo 31:24: “Manàna herim-po ary hatanjaho ny fonareo, dia ianareo rehetra izay miandry an’i Jehovah.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ataoma maro mitambatra no manome zavatra iray. Faran’izay bitika kely ny ataoma, ka raha alahatra ny ataoma 100 tapitrisa, dia mirefy iray santimetatra monja.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Natoky i Daniela fa ho tanteraka ny faminaniana nolazain’Andriamanitra

[Sary, pejy 21]

Mampiasa tsara ny fotoananao ve ianao, mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah?