Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Mafy Hanavotra ny Tokantranonao

Miezaha Mafy Hanavotra ny Tokantranonao

Miezaha Mafy Hanavotra ny Tokantranonao

“Manoro hevitra ny manambady aho, nefa tsy izaho fa ny Tompo.”—1 KOR. 7:10.

HAINAO HAZAVAINA VE IRETO?

Nahoana no lazaina fa nampiraisin’Andriamanitra zioga ny mpivady?

Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana an’ireo mpivady manana olana?

Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanambadiana?

1. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny fanambadiana, ary nahoana?

MANAO voady eo anatrehan’i Jehovah ny Kristianina amin’ny fampakaram-bady, ary tsy tokony hohamaivanintsika izany. (Mpito. 5:4-6) I Jehovah mantsy no namorona ny fanambadiana, ka azo lazaina hoe izy no ‘nampiray zioga’ ny mpivady. (Mar. 10:9) Iray zioga eo anatrehan’Andriamanitra foana ny mpivady, na inona na inona lalàna eo an-toerana. Tokony ho zava-dehibe amin’ny Kristianina ny fanambadiana, na dia mbola tsy nanompo an’i Jehovah aza izy ireo tamin’ny vao nivady.

2. Inona no fanontaniana hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Mahasambatra ny fanambadiana, raha mandeha tsara. Ahoana anefa raha misy olana eo amin’ny mpivady? Mbola afaka ny hihatsara ve ny fifandraisan’izy ireo? Inona no hanampy azy ireo hifandray tsara indray?

NY VOKATRY NY SAFIDY ATAONTSIKA

3, 4. Inona no mety hitranga, raha tsy mety ny nataon’ny olona iray rehefa nifidy vady?

3 Mitondra fifaliana sy manome voninahitra an’i Jehovah ny tokantrano kristianina raha mandeha tsara. Miteraka alahelo be kosa ny tokantrano raha mikorontana. Ho tsara fiandohana ny fanambadian’ny Kristianina iray, raha manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy. Tsy ho sambatra, sy halahelo, kosa izy raha tsy mety ny zavatra ataony rehefa mifidy vady. Mbola kely loatra, ohatra, ny tanora sasany dia efa mifankatia, ka mbola tsy vonona hiantsoroka ny andraikitra amin’ny fanambadiana. Misy indray mitady vady ao amin’ny Internet, ary atao haingana ny fanambadian’izy ireo. Misy indray manao fahotana lehibe mandritra ny fiarahany, ka lasa tsy dia mifanaja intsony. Ratsy fototra àry ny fanambadian’izy ireo.

4 Tsy nanambady ‘tao amin’ny Tompo’ ny Kristianina sasany, ka lasa mijaly satria tsy mitovy finoana aminy ny vadiny. (1 Kor. 7:39) Raha izany no zavatra iainanao, dia mangataha famelan-keloka sy fanampiana amin’Andriamanitra. Marina fa tsy hanala ny vokatry ny fahadisoanao izy, kanefa hanampy anao hiatrika an’izany izy raha mibebaka ianao. (Sal. 130:1-4) Miezaha mafy àry mba hampifaly an’i Jehovah manomboka izao. Raha manao izany ianao, dia hanome hery anao ny “fifaliana avy amin’i Jehovah.”—Neh. 8:10.

AHOANA NO HANAVOTANA NY TOKANTRANO?

5. Inona no tsy tokony hoeritreretin’ireo olona manana olana ara-panambadiana?

5 Mety hieritreritra ireo manana olana ara-panambadiana hoe tena tokony havotana ve ny tokantranony. Mety hisy hihevitra hoe ho sambatra izy raha manambady olon-kafa. Te hiverina amin’ny fiainany taloha izy ireo, ka tsy hisy haneritery azy. Mety hieritreritra izy ireo hoe: ‘Nahoana moa raha misaraka, na dia tsy noho ny antony araka ny Soratra Masina aza? Amin’izay afaka mifaly amin’ny fiainana indray!’ Tsy tokony hieritreritra toy izany ny Kristianina na hanonofinofy momba ny lasa, fa tokony hiezaka mafy kosa hanarina ny tokantranony sy hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra.

6. Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 19:9?

6 Raha misara-panambadiana ny Kristianina iray, ka tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny antony isarahany, dia tsy afaka manambady indray izy. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” (Mat. 19:9) Tafiditra amin’ny hoe “fijangajangana” ny fanitsakitsaham-bady sy ny fahotana hafa mifandray amin’ny firaisana. Tena mila mangataka ny tari-dalan’i Jehovah àry ny Kristianina iray, raha mieritreritra ny hisaraka izy nefa tsy nijangajanga akory ny vadiny.

7. Inona no mety hoeritreretin’ny olona raha rava ny tokantranon’ny mpivady iray?

7 Raha rava ny tokantranon’ny olona iray, dia mety hidika izany fa tsy tena mifandray tsara amin’i Jehovah ilay olona. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy tokoa lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, ataony ahoana no fikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?” (1 Tim. 3:5) Raha milaza àry ny mpivady iray fa Kristianina izy nefa rava ny tokantranony, dia mety hihevitra ny olona hoe tsy mampihatra ny zavatra ampianariny izy ireo.—Rom. 2:21-24.

8. Inona no misy olana, matoa mikasa hisintaka na hisaraka ny mpivady iray?

8 Matoa mikasa ny hifampisintaka na hisaraka ny mpivady, nefa tsy misy antony araka ny Soratra Masina, dia midika izany fa misy olana eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah. Tsy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly angamba ny iray amin’izy ireo, na izy roa mihitsy. Ho afaka hanavotra ny tokantranony anefa izy ireo, raha tena ‘matoky an’i Jehovah amin’ny fony manontolo.’—Vakio ny Ohabolana 3:5, 6.

9. Inona no soa azon’ny Kristianina sasany, rehefa niezaka foana izy nanavotra ny tokantranony?

9 Maro ny tokantrano saika rava, nefa lasa sambatra tatỳ aoriana. Matetika no nandray soa ny Kristianina nanana olana am-panambadiana, rehefa tsy maimaika ny hisaraka. Noresahin’ny apostoly Petera toy izao, ohatra, ny soa azon’ny Kristianina, na dia tsy mitovy zavatra inoana aminy aza ny vadiny: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba ho voataonanareo tsy amin’ny teny izy, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.” (1 Pet. 3:1, 2) Raha tsara fitondran-tena ny Kristianina iray, dia mety hanaiky ny fahamarinana ny vadiny. Ho voavonjy ny tokantranon’izy ireo ka hanome voninahitra an’i Jehovah. Handray soa koa ny tsirairay ao anatin’ny fianakaviana.

10, 11. Inona no olana tsy hampoizina mety hitranga eo anivon’ny tokantrano, ary inona no toky ananantsika rehefa misy olana toy izany?

10 Te hampifaly an’i Jehovah ny ankamaroan’ny Kristianina, ka nanambady olona nanokan-tena ho an’i Jehovah. Mety hisy toe-javatra tsy hampoizina anefa, atỳ aoriana. Mety hoe lasa manana aretina mifandray amin’ny fihetseham-po ny vady. Na mety hoe lasa tsy mitory intsony. Niharan-javatra mitovitovy amin’izany i Linda, izay Kristianina be zotom-po sy reny mahafatra-po. * Nanao fahadisoana ny vadiny nefa tsy nibebaka, ka tsy maintsy noroahina. Tsapan’i Linda fa tena tsy afa-nanoatra izy. Inona no tokony hataon’ny Kristianina iray, raha misedra olana toy izany izy, ka hoatran’ny tsy azo avotana intsony ny tokantranony?

11 Tsy maintsy manavotra ny tokantranony tokoa ve ny Kristianina, na inona na inona olana nitranga? Marina fa tsy misy olona afaka manapa-kevitra eo amin’ny toerantsika, kanefa misy antony tsara hanavotana ny tokantrano. Sarobidy amin’Andriamanitra ny Kristianina iray, raha miaritra ny olana ao an-tokantranony satria te hanana feon’ny fieritreretana madio foana. (Vakio ny 1 Petera 2:19, 20.) Hampian’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ireo Kristianina miezaka mafy hanavotra ny tokantranony.

VONONA HANAMPY ANAO NY HAFA

12. Ahoana no fiheveran’ny anti-panahy antsika, raha mitady fanampiana amin’izy ireo isika?

12 Aza misalasala mitady ny fanampian’ny Kristianina matotra, raha manana olana am-panambadiana ianao. Mpiandry ny andian’ondrin’i Jehovah ireo anti-panahy, ary vonona hampiseho aminao ny torohevitry ny Soratra Masina. (Asa. 20:28; Jak. 5:14, 15) Aza mihevitra hoe ho afa-baraka ianareo mivady, raha miresaka amin’ny anti-panahy ny olana lehibe mahazo anareo ary mangataka fanampiana amin’izy ireo. Vao mainka ho tia sy hanaja anareo aza izy ireo, satria hitany fa tena maniry hampifaly an’i Jehovah ianareo.

13. Inona no torohevitra hita ao amin’ny 1 Korintianina 7:10-16?

13 Raha mangataka torohevitra ny Kristianina iray manana vady tsy Vavolombelona, dia azon’ny anti-panahy ampiasaina ny tenin’i Paoly. Hoy izy: “Manoro hevitra ny manambady aho, nefa tsy izaho fa ny Tompo: Tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy. Raha tena miala tokoa anefa izy, dia aoka hitoetra ho tsy manambady na aoka hody amin’ny vadiny. Ary tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy. ... Tsy fantatrao angaha ravehivavy fa mety ho voavonjinao ny vadinao? Ary tsy fantatrao angaha ralehilahy fa mety ho voavonjinao ny vadinao?” (1 Kor. 7:10-16) Tena mahafaly tokoa raha lasa manompo an’i Jehovah ny vady tsy Vavolombelona!

14, 15. Rahoviana no afaka misintaka ny Kristianina iray? Nahoana anefa izy no mila mivavaka sy mandini-tena alohan’ny hisintahana?

14 Rahoviana ny vehivavy kristianina no afaka misintaka ‘hiala’ amin’ny vadiny? Rehefa tsy mety mamelona azy ny vadiny, na mahery setra loatra ka atahorana ny ainy, na tena tsy afaka manompo an’i Jehovah mihitsy izy noho ny ataon’ny vadiny.

15 Ny tsirairay no tokony hanapa-kevitra na hisintaka izy na tsia. Mila mivavaka momba izany sy mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra anefa ilay Kristianina te hisintaka. Afaka mandinika, ohatra, izy hoe: Inona no tena misakana azy tsy hanompo an’i Jehovah? Noho ny ataon’ny vadiny ihany ve? Sa izy koa tsy dia mianatra samirery, na tapatapaka amin’ny fivoriana sy ny fanompoana?

16. Nahoana ny Kristianina no tsy tokony ho maimaika hisaraka amin’ny vadiny?

16 Ahoana indray ny amin’ny fisaraham-panambadiana? Tsy ho maimaika hisaraka amin’ny vadiny ny Kristianina iray, raha tena maniry hifandray tsara amin’i Jehovah ary mihevitra ny fanambadiana ho fanomezana avy amin’Andriamanitra. Ny hanamasina ny anaran’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe amintsika mpanompony. Tena tsy mety mihitsy àry raha manao tetika hialana amin’ny vadiny ny Kristianina iray, mba hanambadiana olon-kafa indray.—Jer. 17:9; Mal. 2:13-16.

17. Rahoviana no azo lazaina hoe ‘niantso ny Kristianina ho amin’ny fihavanana Andriamanitra’?

17 Tokony hiezaka mafy mba hampaharitra ny fanambadiany koa ny Kristianina manana vady tsy Vavolombelona. Tsy tokony hahatsiaro tena ho meloka anefa izy ireo, raha efa niezaka nanavotra ny tokantranony, saingy nandao azy ny vadiny. Hoy i Paoly: “Raha ilay tsy mino kosa no te hiala, dia avelao izy hiala. Tsy voageja ny rahalahy na ny anabavy ao anatin’ny toe-javatra toy izany, fa Andriamanitra efa niantso anareo ho amin’ny fihavanana.” (1 Kor. 7:15) Raha ilay vady tsy mpino no mandao, dia azo lazaina hoe ‘niantso an’ilay Kristianina ho amin’ny fihavanana Andriamanitra.’ *

AOKA IANAO HANANTENA AN’I JEHOVAH

18. Inona no vokatra tsara mety ho azonao na dia rava aza ny tokantranonao, raha efa niezaka mafy ianao nanavotra azy io?

18 Na inona na inona olana ao an-tokantranonao, dia mangataha herim-po amin’i Jehovah mba hahafahanao miatrika an’ilay izy, ary aoka ianao hanantena foana hoe hanampy anao i Jehovah. (Vakio ny Salamo 27:14.) Diniho ny ohatr’i Linda, ilay voaresaka tetsy aloha. Niezaka mafy nandritra ny taona maro izy mba hanavotra ny fanambadiany, kanefa rava ihany izany. Nihevitra ve izy hoe lany fotoana fotsiny nanao izany ezaka izany? Hoy izy: “Tsy nihevitra an’izany mihitsy aho. Hitan’ny olona ny ezaka nataoko ka fitoriana vita ho azy. Madio koa ny feon’ny fieritreretako. Ny tena tsara aza, dia hoe nanampy ny zanakay tsy hivadika amin’i Jehovah ny zava-tsarotra niainanay nandritra ny taona maro. Lasa Vavolombelon’i Jehovah nanokan-tena sy be zotom-po ny zanakay izao.”

19. Inona no mety ho vokany rehefa miezaka manavotra ny tokantranony ny mpivady?

19 Faly ny anabavy iray atao hoe Marilyn, satria nitoky tamin’i Jehovah izy ary niezaka mafy nanavotra ny tokantranony. Hoy izy, nitantara ny olana nahazo azy: “Te hisintaka tamin’ny vadiko aho, rehefa tsy nanome izay nilainay ara-bola izy. Tsy nanome izay nilaiko ara-panahy koa izy, ka saika potika ny fifandraisako tamin’i Jehovah. Efa anti-panahy izy taloha, saingy tsy nitandrina rehefa nanao raharaham-barotra ka lasa tapatapaka tamin’ny fivoriana. Tsy nifampiteny intsony izahay vokatr’izany. Nisy fanafihan’ny mpampihorohoro tao amin’ny faritra misy anay tatỳ aoriana, ka tena natahotra be aho ary nitokantokana. Tamin’izay aho vao tonga saina hoe tsy ny vadiko ihany no diso teo amin’ny fifandraisanay mivady, fa izaho koa. Nifampiresaka indray àry izahay, niverina nanao fianaram-pianakaviana, ary nivory tsy tapaka. Tena tsara fanahy sy nanampy anay ny anti-panahy. Nihasambatra indray ny tokantranonay, ary nahazo andraikitra teo anivon’ny fiangonana indray ny vadiko. Tena mafy ilay izy nefa nandraisako lesona, ka tsara ny vokany.”

20, 21. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika momba ny tokantranontsika?

20 Na manambady isika na tsia, dia mila manana herim-po isika, ary manantena foana hoe hanampy antsika i Jehovah. Tokony hiezaka mafy hitady vahaolana isika raha manana olana ao an-tokantrano, ary hitadidy fa “tsy roa intsony” ny mpivady fa “nofo iray ihany.” (Mat. 19:6) Tokony hotadidin’ireo manana vady tsy Vavolombelona koa, fa mety ho lasa mpanompon’i Jehovah ny vadiny raha miaritra an’ireo olana ao an-tokantrano izy. Ho faly tokoa izy amin’izay.

21 Na inona na inona toe-javatra misy antsika, dia aoka isika hitondra tena tsara foana. Ho fitoriana vita ho azy izany, amin’ireo olona tsy manompo an’i Jehovah. Raha manana olana am-panambadiana ianao ary mieritreritra ny hiala amin’ny vadinao, dia mivavaha amin-kafanam-po, mandiniha tena hoe nahoana ianao no te hisaraka, saintsaino tsara izay lazain’ny Soratra Masina, ary mangataha fanampiana amin’ny anti-panahy. Ny tena zava-dehibe anefa, dia hoe tokony ho tapa-kevitra isika ny hampifaly an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra, ka hihevitra ny fanambadiana ho fanomezan’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Novana ireo anarana.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 10]

Matetika no nandray soa ny Kristianina nanana olana am-panambadiana, rehefa tsy maimaika ny hisaraka

[Teny notsongaina, pejy 12]

Aoka ianao hanantena foana an’i Jehovah, ka hangataka herim-po aminy

[Sary, pejy 9]

Tahin’i Jehovah ny Kristianina miezaka hanavotra ny tokantranony

[Sary, pejy 11]

Afaka mampahery sy manampy eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fiangonana, raha manana olana am-panambadiana ianao