Fantaro ny Tantarantsika
“Mitombo Isan’andro ny Fitiavako ny Asan’ny Mpisava Lalana”
TIAN’I Charles Russell haparitaka tany amin’ny fivarotam-boky ilay boky vaovao hoe Fiandohan’ny Arivo Taona (Boky I, anglisy) tamin’ny 1886. Nanaiky hivarotra azy io ny fivarotana iray tany Chicago, izay anisan’ny lehibe indrindra amin’ny fivarotam-boky ara-pivavahana tany Etazonia, ka nandefasana boky zato tany. Niverina tao amin’ny Tranon’ny Baiboly (Betela) tao Allegheny anefa ireo boky ireo, tapa-bolana taorian’izay. Fa inona no nitranga?
Tezitra be ny mpitory teny malaza iray rehefa nahita an’ilay boky, nilahatra tamin’ny bokiny, tao amin’ilay fivarotana. Nilaza izy fa raha mbola avela eo ilay boky, dia hesorin’izy sy ny namany ao daholo ny bokin’izy ireo, ary amidiny any an-kafa. Naverin’ilay mpivarotra tsy sazoka àry ilay boky. Nataon’ny mpanohitra koa izay hahafoana ny fifanekena hanao dokam-barotra tamin’ny gazety. Ahoana àry no nielezan’ilay boky Fiandohan’ny Arivo Taona?
Ny mpisava lalana no namaha ny olana. * Nisy antso nalefa tamin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona tamin’ny 1881, hoe mitady mpitory 1 000, mba hizara boky ara-baiboly manontolo andro. An-jatony monja no namaly ny antso, nefa nahavita nampiely boky hatraiza hatraiza izy ireo. Efa ho iray tapitrisa ny boky Fiandohan’ny Arivo Taona voazara tamin’ny 1897, ary mpisava lalana no nizara ny ankamaroany. Ny vola kely vidin’ireo boky na vidin’ireo famandrihana Tilikambo Fiambenana no niveloman’ny ankamaroan’ny mpisava lalana.
Iza no nanao ny asan’ny mpisava lalana? Tanora 13 taona teo ho eo ny sasany, fa ny sasany efa antitra. Maro koa no mpitovo. Misy ny efa manambady fa tsy niteraka. Mpisava lalana koa ny mpianakavy tsirairay tao amin’ny fianakaviana sasany. Nanompo nandritra ny tontolo andro ny mpisava lalana maharitra, ary nanompo adiny iray na roa isan’andro ny mpisava lalana mpanampy. Mbola betsaka no afaka nirotsaka ho mpisava lalana, na dia tsy afaka aza ny sasany, noho ny tsy fahasalamany na ny antony hafa. Nentanina àry izy ireny, tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny 1906, hoe afaka mirotsaka ho mpisava lalana ny rehetra, fa tsy voatery ho “nahita fianarana be, na mahay be, na mahay ny fitenin’ny anjely.”
Olon-tsotra ny mpisava lalana nefa saika ny kontinanta rehetra no nahitana ny asa miavaka nataon’izy ireo. Nahapetraka boky 15 000 teo ho eo ny rahalahy
iray, tao anatin’ny fito taona. Hoy anefa izy: “Tsy ny hivarotra boky no tanjoko, fa ny hitory momba an’i Jehovah sy ny fahamarinana.” Namaka ny voan’ny fahamarinana, tany amin’ny toerana rehetra nalehan’ny mpisava lalana, ary nitombo haingana ny Mpianatra ny Baiboly.Naneso an’ireo mpisava lalana ny mpitondra fivavahana, ka nilaza fa mpivaro-boky fotsiny izy ireo. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1892: “Vitsy no mahalala fa ny mpisava lalana no tena solontenan’ny Tompo. Vitsy koa no mihevitra toa an’i Jesosy hoe tokony hoderaina izy ireo noho izy ireo manetry tena sy mahafoy tena.” Nilaza ny mpisava lalana iray fa “tsy mora” ny fiainan’izy ireo. Kiraro mafy toto sy bisikileta no tena nampiasaina. Natakalo sakafo koa ny boky rehefa tsy ampy ny vola. Tao amin’ny tranolay na trano nohofana izy ireo no nody amin’ny hariva, ary faly na dia vizana aza. Nipetraka tamin’ny tranofiara kely azo taritina izy ireo tatỳ aoriana, ka afaka nitsitsy vola sy fotoana. *
Nisy fandaharana ho an’ny mpisava lalana isaky ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, nanomboka tamin’ny fivoriambe iray tany Chicago, tamin’ny 1893. Nitantara izay hitany teny amin’ny fanompoana ny mpisava lalana nandritra izany, ary nahazo torohevitra momba ny fitoriana sy ny zavatra hafa. Nampirisika azy ireo, ohatra, i Russell, indray mandeha, hoe tsara ny manao voky tsara amin’ny maraina, misotro ronono eran’ny vera amin’ny antoandrotoandro, ary misotro ranom-boankazo rehefa mafana ny andro.
Nanisy ribà kely mavo tamin’ny akanjony ny mpisava lalana, rehefa fivoriambe, raha toa ka nila namana hiara-miasa aminy izy. Niaraka tamin’ireo efa za-draharaha ireo vaovao. Tena nilaina ny fampiofanana, satria natahotra be, ohatra, ny mpisava lalana vaovao iray, rehefa nanolotra boky, ka hoy izy tamin’ny vehivavy iray: “Ianao angamba tsy tia an’ireto e?” Soa ihany fa tian’ilay vehivavy ilay izy, ary lasa anabavintsika izy io tatỳ aoriana.
Nieritreritra toy izao ny rahalahy be karama iray: ‘Tokony hirotsaka ho mpisava lalana ve aho, sa hanohy ny asako ihany dia hanome vola 1 000 dolara (Ar 2 000 000 eo ho eo) isan-taona ho an’ny asa fitoriana?’ Nisy nilaza taminy fa samy ankasitrahan’ny Tompo ireo, nefa hahazo fitahiana kokoa izy raha manome mivantana ny fotoanany. “Ny asan’ny mpisava lalana no fomba tsara indrindra anaovan-tsoa be indrindra ho an’ny olona betsaka indrindra”, hoy i Mary Hinds. Hoy koa ny anabavy saro-kenatra iray atao hoe Alberta Crosby: “Mitombo isan’andro ny fitiavako ny asan’ny mpisava lalana.”
Nanahaka an’ireny mpisava lalana ireny ny zanany ara-nofo sy ara-panahy, ary mbola mpisava lalana ny maro amin’izy ireo izao. Raha mbola tsy misy mpisava lalana àry ao amin’ny fianakavianao, nahoana raha mirotsaka hanao azy io? Hitombo isan’andro koa ny fitiavanao ny fitoriana manontolo andro, raha manao izany ianao.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Nantsoina hoe “mpivarotra boky ara-pivavahana” ny mpisava lalana tamin’izany. Tamin’ny 1931 no nanomboka nampiasaina ny hoe “mpisava lalana.”
^ feh. 8 Hisy tsipiriany momba an’io tranofiara io any aoriana.
[Teny notsongaina, pejy 32]
Tsy voatery ho “nahita fianarana be, na mahay be, na mahay ny fitenin’ny anjely” izy ireo
[Sary, pejy 31]
A. Osei, mpisava lalana tany Ghana, tamin’ny 1930 tany ho any
[Sary, pejy 32]
Ambony: Edith Keen sy Gertrude Morris, mpisava lalana tany Angletera, tamin’ny 1918 tany ho any; ambany: Stanley Cossaboom sy Henry Nonkes, mpisava lalana tany Etazonia. Baoritra tsy misy na inona na inona ireo, fa efa voapetrak’izy ireo ny boky tao anatiny