Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tantaram-piainana

Tiako ny Niaraka Tamin’ny Be Taona

Tiako ny Niaraka Tamin’ny Be Taona

Notantarain’i Elva Gjerde

Nisy olona tonga tao aminay 70 taona lasa izay. Nilaza soso-kevitra iray tamin’i Dada izy io, ary nanova ny fiainako izany. Tena nisy heriny teo amin’ny fiainako koa tatỳ aoriana ny fiarahana tamin’olon-kafa. Ary ny tena lehibe indrindra, dia nahazo namana tena sarobidy aho nandritra izany. Aleo hotantaraiko anareo izany rehetra izany.

TERAKA tao Sydney, Aostralia, aho tamin’ny 1932. Nino an’Andriamanitra i Dada sy Neny, saingy tsy nandeha niangona. Nampianatra ahy i Neny fa mandinika ahy foana Andriamanitra, ka hosaziny aho raha maditra. Tena nampatahotra ahy àry ny hoe Andriamanitra. Tena nahaliana ahy anefa ny Baiboly. Nitsidika anay ny zokin’i Neny rehefa faran’ny herinandro, ka nilaza tantara ara-baiboly mahafinaritra. Tsy andriko mihitsy ny fotoana hahatongavany.

Namaky boky maromaro i Dada, tamin’izaho 13 taona teo ho eo. Boky azon’i Neny tamin’ny vehivavy be taona iray, Vavolombelon’i Jehovah, izy ireo. Tena nahaliana azy izay novakiny, ka nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny lehilahy iray izy. Tratran’i Dada nihaino resaka anefa aho, indray hariva, tamin’izy ireo nianatra Baiboly. Saika handefa ahy hatory àry i Dada, nefa nanolo-kevitra ilay mpampianatra hoe: “Maninona moa raha avelanao hanatrika eo izy?” Niova ny fiainako nanomboka teo, ka lasa naman’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, aho.

Nanomboka nivory izahay sy Dada, tsy ela taorian’izay. Nanova ny fiainany ny zavatra nianarany, ary lasa nahay nifehy fahatezerana mihitsy aza izy. Nanjary nanatrika fivoriana koa i Neny sy Frank zokiko, vokatr’izany. * Nandroso izahay efa-mianaka, ka natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nanomboka teo, dia nahazo fanampiana avy tamin’ny be taona maro aho, teo amin’ny lafiny samihafa tamin’ny fiainako.

TAMIN’IZAHO NIFIDY ASA HATAO

Ninamana tamin’ny be taona maro teo anivon’ny fiangonana aho, tamin’izaho 13 taona teo ho eo. Anisan’izy ireny i Alice Place, ilay rahavavy be taona nanome boky an’i Neny. Toy ny bebeko mihitsy no nandraisako azy. Izy no nampiofana ahy hitory sy nampirisika ahy hatao batisa. Natao batisa àry aho, tamin’izaho 15 taona.

Ninamana tamin’i Percy sy Madge Dunham, mpivady be taona, koa aho. Efa misionera tany Letonia izy ireo, tamin’ny 1935 tany ho any. Rehefa nipoaka anefa ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939, dia nasaina hanompo tao amin’ny Betelan’i Aostralia, tao Sydney, izy ireo. Tena nisy vokany teo amin’ny hoaviko izy ireo. Tena tia matematika mantsy aho, ary naniry hampianatra an’io taranja io. Te hanampy ahy anefa izy ireo, ka nitantara tamiko an’ireo zavatra nahafinaritra niainany tamin’izy ireo misionera. Hitako avy tamin’izany fa mahafinaritra lavitra noho ny mampianatra matematika ny mampianatra Baiboly. Naniry ho lasa misionera indray àry aho.

Nampirisika ahy hanao ny asan’ny mpisava lalana i Percy sy Madge, mba hiomanako amin’izany. Nirotsaka ho mpisava lalana àry aho tamin’ny 1948, tamin’izaho 16 taona, ka niaraka tamin’ireo tanora mpisava lalana folo tao amin’ny fiangonanay, tao Hurstville, Sydney. Nahafinaritra ny niaraka tamin’izy ireo, satria tena faly izy ireo nanao ny asan’ny mpisava lalana.

Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ny tanàna efatra, tany amin’ny faritr’i Nouvelle-Galles Atsimo sy Queensland, aho nandritra ny efa-taona taorian’izay. Anisan’ireo nampianariko Baiboly voalohany i Betty Law (antsoina hoe Betty Remnant tatỳ aoriana). Zokiko roa taona i Betty ary tena be fiahiana. Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay tatỳ aoriana, tamin’izaho tany Cowra, any amin’ny 230 kilaometatra andrefan’i Sydney. Fotoana fohy no niarahanay, nefa mpinamana foana izahay hatramin’izao.

Voatendry ho mpisava lalana manokana aho, ka nifindra tany Narrandera, any amin’ny 220 kilaometatra atsimoandrefan’i Cowra. I Joy Lennox (antsoina hoe Joy Hunter tatỳ aoriana) indray no namako. Tena be zotom-po izy ary zokiko roa taona koa. Izahay irery no Vavolombelona tao amin’ilay tanàna. Nanofa trano tamina mpivady tia mandray vahiny atao hoe Ray sy Esther Irons izahay tao. Nanan-janaka lahy iray sy vavy telo izy ireo, ary liana tamin’ny fahamarinana izy mianakavy. Niasa tamin’ny toeram-piompiana ondry sy fambolena vary, tany ivelan’ny tanàna, i Ray sy ny zanany lahy rehefa andavanandro. I Esther sy ireo zanany vavy kosa nikarakara an’ireo efitra natao hotely fatoriana. Nahandro sakafo be dia be izahay sy Joy isaky ny alahady, mba hohanin-dry Irons sy ireo lehilahy 12 natory tao amin’ny hotely. Mpiasan’ny lalamby ireo lehilahy ireo, ka tena noana be. Izany asa izany no nahafahanay nandoa ny ampahany amin’ny hofan-tranonay. Nanadio izahay taorian’ny sakafo, ary nandroso sakafo ara-panahy natsiro ho an-dry Irons mianakavy avy eo. Izahay mantsy no nitarika ny fianarana Tilikambo Fiambenana ary ry Irons no mpanatrika. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tatỳ aoriana, ka izy ireo no voalohany anisan’ny fiangonan’i Narrandera.

Nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Sydney aho, tamin’ny 1951. Nisy fivoriana ho an’ireo liana amin’ny asa misionera tamin’izay, ka nanatrika aho. Natao tao anaty tranolay ngezabe izy io, ary 300 mahery ny mpanatrika. I Nathan Knorr avy any Brooklyn no nanao lahateny, ary nohenoinay tsara daholo ny teniny. Nolazainy fa ilaina maika ny mampiely ny vaovao tsara any amin’ny vazan-tany efatra, ka maro taminay no nandeha nitory tany amin’ireo nosy any amin’ny Pasifika Atsimo sy ny faritra hafa. Faly be aho rehefa nasaina hanatrika ny kilasy faha-19 amin’ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 1952. Anisan’ireo Aostralianina 17 nanatrika ny Sekolin’i Gileada aho tamin’izay. Vao 20 taona aho dia tanteraka ny faniriako ho misionera!

TAMIN’IZAHO NILA FANITSIANA

Nampitombo ny fahalalako ny Baiboly sy nanatanjaka ny finoako ny Sekolin’i Gileada. Nisy vokany lalina teo amin’ny toetrako koa anefa izany. Mbola tanora sy tsy nahay nandanjalanja aho tamin’izany, ka nihevitra aho fa tsy tokony hanao fahadisoana mihitsy aho na ny olon-kafa. Hentitra loatra koa aho indraindray. Tezitra be, ohatra, aho rehefa nahita ny Anadahy Knorr nilalao baolina niaraka tamin’ireo Betelita tanora.

Nahay nandinika sy ela niainana ireo mpampianatra tao Gileada, ka azo antoka fa hitan’izy ireo hoe sahirana aho noho ny toetrako. Tsara fanahy izy ireo ka nanampy ahy hanitsy ny fomba fisainako. Lasa takatro tsikelikely fa be fitiavana sy mahay mankasitraka i Jehovah, fa tsy hentitra be na mitaky be loatra. Nanampy ahy koa ny mpiara-mianatra tamiko. Tsaroako ny tenin’ny iray tamin’izy ireo hoe: “Elva a, tsy hentitra be amintsika i Jehovah, ka aza hentitra be amin’ny tenanao.” Tena nanohina ny foko izany.

Voatendry ho any Namibia, any Afrika ny dimy taminay, taorian’ilay sekoly. Nitarika fampianarana 80 izahay tsy ela taorian’izay. Tiako ny tany Namibia sy ny asa misionera tany, kanefa raiki-pitia tamin’ny ranadahy iray niara-nianatra taminay tao amin’ny Sekolin’i Gileada aho. Herintaona àry aho dia nifindra tany Soisa, satria tany izy no voatendry. Nivady izahay, ary niaraka taminy nanao ny asan’ny faritra aho.

TAMIN’IZAHO NIATRIKA OLANA LEHIBE

Nahafinaritra ny asan’ny faritra. Nanao an’io asa io dimy taona izahay, ary avy eo nasaina hanompo tao amin’ny Betelan’i Soisa. Faly aho tao amin’ny Betela, satria nifankahalala tamin’ny anadahy sy rahavavy be taona maro.

Nisy zava-doza nitranga anefa rehefa tonga kelikely tao amin’ny Betela izahay. Nanitsakitsaka ahy ny vadiko ary nivadika tamin’i Jehovah. Nandao ahy izy avy eo, ka tena kivy aho. Soa fa be fitiavana sy nanohana ahy ireo be taona namako tao amin’ny Betela. Nihaino ahy izy ireo rehefa nila niresaka aho, ary navelan’izy ireo ho irery aho rehefa nila nitoetra ho irery. Tsara fanahy tamiko izy ireo ary nampahery ahy, ka lasa nifandray kokoa tamin’i Jehovah aho nandritra ny fahoriako.

Tadidiko koa ny tenin’ireo be taona hafa, taona maro lasa talohan’izay. Efa niatrika fitsapana izy ireo, ary nandray lesona tamin’izany. Anisan’izy ireo i Madge Dunham. Hoy izy: “Elva a! Hiatrika zava-tsarotra maro ianao eo am-panompoana an’i Jehovah, fa ny tena ho mafy indrindra dia ny ataon’ireo olona akaiky anao. Miantehera amin’i Jehovah rehefa mitranga izany. Tadidio fa izy no tompointsika fa tsy olombelona tsy lavorary akory!” Nanampy ahy io teniny io isaky ny kivy aho noho ny nataon’ny vadiko. Tapaka ny hevitro fa tsy havelako hampisaraka ahy amin’i Jehovah ny fahadisoan’ny vadiko.

Nanapa-kevitra ny hiverina teto Aostralia aho, tatỳ aoriana, mba ho akaikin’ny fianakaviako sy hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nandeha sambo aho tamin’izay, ary nisy mpandeha maromaro nidinidinika ara-baiboly niaraka tamiko. Anisan’izy ireo ny Norvezianina iray atao hoe Arne Gjerde. Tsy dia be teny izy, nefa tiany ny zavatra reny. Nitsidika ahy sy ny fianakaviako tao Sydney i Arne tatỳ aoriana. Nandroso haingana izy, ka natao batisa. Nivady izahay tamin’ny 1963, ary niteraka an’i Gary, roa taona taorian’izay.

TAMIN’IZAHO NIATRIKA OLANA HAFA

Sambatra erỳ izahay telo mianaka. Nitarin’i Arne ny tranonay tatỳ aoriana mba hipetrahan’ny ray aman-dreniko, izay efa antitra. Nisedra olana anefa izahay, enin-taona taorian’ny nivadianay. Voan’ny kanseran’ny atidoha i Arne, ka tsy maintsy notsaboina tamin’ny alalan’ny taratra. Nila nijanona ela be tany amin’ny hopitaly àry izy, ary nitsidika azy isan’andro aho. Nihatsara izy nandritra ny fotoana kelikely, nefa niharatsy indray ny fahasalamany ka tapaka lalan-dra izy. Nolazaina tamiko fa herinandro vitsivitsy sisa no hahavelomany. Tsy naninona anefa i Arne, ary niverina nody mihitsy aza. Nokarakaraiko tsara izy tany an-trano, ary nihatsara ny fahasalamany. Afaka nandeha indray izy, ary afaka niverina nanao ny andraikitry ny anti-panahy. Olona falifaly sy be vazivazy i Arne, ka izany no nanampy azy ho salama, sy nanampy ahy hikarakara azy.

Niharatsy indray ny fahasalaman’i Arne tamin’ny 1986. Efa maty i Dada sy Neny tamin’izay, ka nifindra eto Blue Mountains, faritra tsara tarehy ivelan’i Sydney, izahay. Akaiky kokoa an’ireo namanay izahay eto. Nanambady rahavavy mahafatifaty atao hoe Karin i Gary tatỳ aoriana, ary nanolo-kevitra izy ireo hoe hiara-hipetraka aminay. Nifindra tao amin’ny trano iray tsy lavitra ny nisy anay mivady taloha àry izahay efa-mianaka, volana vitsivitsy tatỳ aoriana.

Tsy nahahetsika teo am-pandriana intsony i Arne nandritra ny herintaona sy tapany talohan’ny nahafatesany, ka nila nokarakaraina be. Tsy maintsy nijanona tao an-trano aho matetika, ka nanokana adiny roa isan’andro hianarana ny Baiboly sy ny boky aman-gazetintsika. Nahita torohevitra maro nanampy ahy hiatrika ny fiainana aho nandritra ireny fianarako ireny. Nampahery ahy koa ny fitsidihan’ireo zokiolona be fitiavana teo anivon’ny fiangonana. Nisy tamin’izy ireo efa niatrika olana nitovy tamin’ny ahy. Maty i Arne tamin’ny Aprily 2003, kanefa tsy nisalasala mihitsy izy hoe hitsangana amin’ny maty.

NY TENA NANOHANA AHY

Tsy nahay nandanjalanja aho tamin’ny mbola tanora, ka nihevitra fa tokony ho vita tsara be daholo ny zava-drehetra. Hitako anefa fa tsy voatery ho tanteraka izay nantenaiko. Nahazo fitahiana maro aho, ary niatrika olana lehibe roa: Ny iray tamin’ilay vadiko voalohany nanitsakitsaka ahy. Ny iray tamin’ny fahafatesan’i Arne. Nahazo tari-dalana sy fampiononana foana anefa aho nandritra izany. Ny tena nanohana ahy anefa dia i Jehovah, ilay “Nisy Hatry ny Ela Be.” (Dan. 7:9) Namolavola ny toetrako ny toroheviny, ary nanampy ahy hahita fifaliana tamin’ny asa misionera. Rehefa nisy olana, dia ny ‘hatsaram-panahy feno fitiavan’i Jehovah no nanohana ahy, ary ny fampiononany no nanafosafo ahy.’ (Sal. 94:18, 19) Tena tia sy nanohana ahy koa ny fianakaviako. ‘Nanampy ahy tamin’ny fotoam-pahoriana’ koa ireo tena namana, izay be taona ny ankamaroany.—Ohab. 17:17.

Hoy i Joba: “Tsy manam-pahendrena ve ny be taona, ary tsy mahira-tsaina ve izay efa ela niainana?” (Joba 12:12) Marina izany raha manao jery todika ny fiainako aho. Nanampy ahy ny torohevitr’ireo be taona, nanohana ahy ny fampiononan’izy ireo, ary nanatsara ny fiainako ny ninamana tamin’izy ireo. Nahafinaritra ahy ny niaraka tamin’ny be taona.

Efa be taona koa aho izao, satria efa 80 taona. Tena miahy an’ireo be taona hafa aho, noho ny zavatra niainako. Mbola tiako ny mitsidika sy manampy azy ireo. Tena tiako koa anefa ny miaraka amin’ny tanora. Mampahery ahy ny tanjak’izy ireo sy ny zotom-pony. Tena faly aho manampy ny tanora, rehefa mitady tari-dalana atỳ amiko izy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Lasa mpisava lalana be zotom-po tany ambanivohitr’i Aostralia i Frank Lambert, tatỳ aoriana.

[Sary, pejy 14]

Nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’i Joy Lennox, tany Narrandera

[Sary, pejy 15]

I Elva niaraka tamin’ny Betelita sasany tany Soisa, tamin’ny 1960

[Sary, pejy 16]

Nikarakara an’i Arne tamin’izy narary