Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Iza no Hatahorako?”

“Iza no Hatahorako?”

“Iza no Hatahorako?”

“Na dia misy miady amiko aza, dia feno toky aho.”—SAL. 27:3.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HO BE HERIM-PO, ARAKA IRETO ANDININ-TENY IRETO?

Salamo 27:1

Salamo 27:4

Salamo 27:11

1. Inona no ho takatsika avy amin’ny Salamo faha-27?

NAHOANA no mandroso foana ny asa fitoriantsika, na dia miharatsy aza ny fiainana? Nahoana no mahafoy ny fotoanantsika sy ny herintsika hitoriana isika, na dia misy aza ny olana ara-toe-karena? Nahoana isika no be herim-po foana, na dia matahotra ny hoavy aza ny olona maro? Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny hira nosoratan’i Davida Mpanjaka, ao amin’ny Salamo faha-27.

2. Inona no vokatry ny tahotra, nefa inona no toky ananantsika?

2 Toy izao no nanombohan’i Davida an’ilay salamo: “I Jehovah no mpanazava sy mpamonjy ahy, koa iza no hatahorako? I Jehovah no manda miaro ny aiko, koa iza no haharaiki-tahotra ahy?” (Sal. 27:1) Tsy mahavita zavatra ny olona iray rehefa matahotra. Tsy tokony hitebiteby loatra anefa ny olona mitoky amin’i Jehovah. (1 Pet. 3:14) Raha miantehitra amin’i Jehovah isika, dia “tsy hanana ahiahy, sady tsy mba hiady saina noho ny fahatahorana loza.” (Ohab. 1:33; 3:25) Fa nahoana moa?

“I JEHOVAH NO MPANAZAVA SY MPAMONJY AHY”

3. Nahoana no lazaina fa mpanazava antsika i Jehovah, nefa inona no mila ataontsika?

3 Ilay teny hoe ‘i Jehovah no mpanazava ahy’, dia midika hoe manafaka antsika amin’ny haizina ara-panahy i Jehovah. (Sal. 27:1) Manampy antsika hahita ny loza sy ny zavatra manakana eny an-dalana ny hazavana ara-bakiteny. Toy izany koa fa manampy antsika hahalala ny dikan’ny zava-mitranga eran-tany i Jehovah, mampitandrina antsika ny amin’ny loza ara-panahy mety hitranga, ary manome antsika toro lalana mahasoa ao amin’ny Baiboly. Na dia manampy antsika hahita ny loza aza anefa ny hazavana ara-bakiteny, dia isika no mila manao zavatra mba hialana amin’ilay loza. Toy izany koa fa mila mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika. Raha manao izany isika, dia ho toy ny mpanao salamo, izay lasa ‘hendry noho ny fahavalony’ sy ‘lalin-tsaina noho ny mpampianatra azy.’—Sal. 119:98, 99, 130.

4. a) Nahoana i Davida no tsy nisalasala nilaza hoe: ‘I Jehovah no mpamonjy ahy’? b) Rahoviana i Jehovah no hitondra famonjena lehibe ho an’ny vahoakany?

4 Hita avy amin’ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 27:1, fa tsy hadinony mihitsy ny fomba namonjen’i Jehovah azy. Namonjy azy “teo an-tanan’ny liona sy ny orsa”, ohatra, i Jehovah, nanampy azy handresy an’i Goliata goavam-be, ary namonjy azy rehefa notorahan’i Saoly Mpanjaka tamin’ny lefona izy. (1 Sam. 17:37, 49, 50; 18:11, 12; 19:10) Tsy nisalasala àry i Davida nilaza hoe: ‘I Jehovah no mpamonjy ahy.’ Mbola hamonjy ny mpanompony koa i Jehovah amin’ny hoavy. Rahoviana izy no hanao izany? Amin’ny “fahoriana lehibe.”—Apok. 7:14; 2 Pet. 2:9.

TADIDIO NY FOTOANA NANAMPIAN’I JEHOVAH ANAO

5, 6. a) Nahoana no manampy antsika hanana herim-po ny fitadidiana an’izay nataon’i Jehovah ho antsika? b) Nahoana no mampahery antsika ny mandinika ny fomba nanampian’i Jehovah ny vahoakany?

5 Misy zavatra iray tena ilaina raha tiantsika ny hanana herim-po. Diniho izay nataon’i Davida. (Vakio ny Salamo 27:2, 3.) Nahatsiaro ny fiainany taloha izy ao amin’ny Salamo 27:2, raha jerena ny teny tany am-boalohany, ka izay no nanampy azy hanana herim-po. Notadidiny ny fotoana nanampian’i Jehovah azy sy namonjeny azy, ka vonona hiatrika toe-javatra faran’izay sarotra izy. (1 Sam. 17:34-37) Ary ahoana ny aminao? Efa nivavaka mafy momba ny olana lehibe iray ve ianao, ka nahatsapa fa nomen’i Jehovah hery sy fahendrena mba hiatrehana an’ilay izy? Nanampy anao ve izy, rehefa nisy olana nahatonga anao tsy ho faly tamin’ny fanompoana? Tsaroanao ve ny fomba nanampiany anao ka nahafahanao nampitombo ny fanompoanao? (1 Kor. 16:9) Inona no tsapanao rehefa mitadidy zavatra toy izany? Tsy vao mainka ve ianao matoky fa hanampy anao handresy sy hiaritra i Jehovah, na dia mbola misy zava-tsarotra lehibe kokoa aza?—Rom. 5:3-5.

6 Ahoana raha manao tetika hamongorana ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondram-panjakana? Maro ny mpitondra efa nanao toy izany, saingy tsy nahomby. Tsy hatahotra azy ireo isika, ary ho vonona hiatrika ny hoavy, raha mitadidy ny zavatra efa nataon’i Jehovah mba hamonjena ny vahoakany.—Dan. 3:28.

TIAVO NY FIVAVAHANA MARINA

7, 8. a) Inona no nangatahin’i Davida tamin’i Jehovah, araka ny Salamo 27:4? b) Inona ilay tempoly ara-panahy lehibe, ary ahoana no fomba anompoana ao amin’io tempoly io?

7 Hanana herim-po koa isika raha tia ny fivavahana marina. (Vakio ny Salamo 27:4.) Tao amin’ny tranolay masina ny ‘tranon’i Jehovah’ tamin’ny andron’i Davida. Nanomana tempoly tsara tarehy ho an’i Jehovah anefa izy tatỳ aoriana, izay naorin’i Solomona zanany. Nilaza anefa i Jesosy, taonjato maro tatỳ aoriana, fa tsy mila toeram-pivavahana intsony ny olona, vao heken’i Jehovah ny fanompoany. (Jaona 4:21-23) Nilaza ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-8 ka hatramin’ny faha-10, fa nanomboka nisy ny tempoly ara-panahy lehibe, rehefa natao batisa i Jesosy tamin’ny taona 29, ka nampiseho hoe vonona hanao ny sitrapon’i Jehovah. (Heb. 10:10) Inona io tempoly ara-panahy lehibe io? Fandaharana nataon’i Jehovah izy io mba hahatonga an’ireo mino ny soron’i Jesosy, ho afaka hanatona azy amin’ny fomba ankasitrahany. Manompo ao amin’io tempoly io isika, rehefa mivavaka amin’ny “fo mahitsy” sady manam-pinoana, ary “manambara ampahibemaso ny fanantenantsika.” Ilaina koa ny mivory sy manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba hahafahantsika hiahy sy hampahery ny hafa ary handrisika azy ireo hanao ny tsara. (Heb. 10:22-25) Hanana herim-po hiatrehana an’ireo zava-manahirana amin’ny andro farany isika, raha tia ny fivavahana marina ka manao an’ireo.

8 Maro ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika maneran-tany. Mampitombo ny fanompoany izy ireo, mianatra teny vahiny na tenin’ny tanana, na mifindra any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa. Asehon’izy ireo amin’izany fa toy ny mpanao salamo izy ireo, ka maniry hahita ny hatsaran’i Jehovah. Maniry ny hotahiny izy ireo, ary vonona hanompo azy na inona na inona mitranga.—Vakio ny Salamo 27:6.

MATOKIA FA HANAMPY ANAO I JEHOVAH

9, 10. Inona no dikan’ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 27:10?

9 Hita avy amin’ny tenin’i Davida fa tena natoky izy hoe hanampy azy i Jehovah. Hoy izy: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.” (Sal. 27:10) Marina fa tsy nandao an’i Davida ny ray aman-dreniny, raha jerena ny 1 Samoela toko faha-22. Maro anefa ankehitriny no narian’ny fianakaviany. Tsy very izy ireo fa nahazo fanampiana sy fiarovana teo anivon’ny fiangonana be fitiavana.

10 Koa satria vonona hikarakara antsika i Jehovah rehefa ilaozan’ny fianakaviantsika isika, dia vonona hanampy antsika koa izy rehefa tojo olana hafa isika. Azo antoka, ohatra, fa hanampy antsika izy, raha manahy isika hoe ahoana no hikarakarantsika izay ilain’ny fianakaviantsika. (Heb. 13:5, 6) Takany ny toe-javatra misy antsika, ary fantany ny zavatra ilaintsika.

11. Inona no vokany eo amin’ny hafa, rehefa matoky an’i Jehovah isika? Manomeza ohatra.

11 Diniho ny tantaran’i Victoria any Liberia. Nilaozan’ilay lehilahy niara-nipetraka taminy izy sy ny zanany telo, rehefa nianatra Baiboly izy. Lasa tsy nanan-trano sy asa i Victoria, kanefa nandroso foana, ary natao batisa. Nahita poketra fitoeram-bola anefa ny zanany vavy 13 taona, indray andro, ary feno vola ilay izy. Tsy te ho tratran’ny fakam-panahy izy ireo, ka tsy nanisa an’ilay vola mihitsy. Naterin’izy ireo haingana tany amin’ny tompony ilay poketra. Nilaza ilay miaramila tompon’ilay poketra hoe raha manao ny marina toy ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny olona, dia ho tsara sy hilamina kokoa ny fiainana eran-tany. Nasehon’i Victoria azy avy tao amin’ny Baiboly avy eo ny fampanantenan’i Jehovah tontolo vaovao. Nampiaiky azy ny finoan’i Victoria, ka nomeny vola be avy tao anatin’ilay poketra izy. Malaza ho manao ny marina isika Vavolombelon’i Jehovah, satria mino tanteraka isika fa hanome izay ilaintsika i Jehovah.

12. Nahoana isika no manompo an’i Jehovah foana, na dia mety hamoy asa sy vola aza? Manomeza ohatra.

12 Diniho koa izay nitranga tamin’i Thomas, mpitory tsy vita batisa any Sierra Leone. Nampianatra tao amin’ny sekoly iray izy efa ho herintaona, nefa tsy nahazo karama. Nasaina nankany amin’ny talen’ilay sekoly izy mba hohadihadina, raha te hahazo ny karamany. Pretra anefa ilay tale, ka nilaza tamin’i Thomas fa tsy ekena ao amin’ilay sekoly ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza koa izy fa nila nifidy i Thomas, na hiala amin’ny finoany na hiala ao amin’ilay sekoly. Niala tamin’ny asany àry i Thomas, ary nafoiny ny karamany rehetra. Nahita asa manamboatra radio sy telefaonina izy tatỳ aoriana. Marina fa mety hampatahotra ny hoe tsy hahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana. Hita amin’io tantara io sy ny hafa anefa fa mahazo izay ilaintsika foana isika, raha matoky an’i Jehovah. Izy no namorona ny zava-drehetra sady miaro ny mpanompony, ka hikarakara antsika izy.

13. Manao ahoana ny fandrosoan’ny asa fitoriana atỳ amin’ny tany mahantra?

13 Maro ny rahalahy sy anabavy mipetraka amin’ny tany mahantra nefa mazoto manompo. Nahoana? Hoy ny biraon’ny sampana iray: “Tsy an’asa ny ankamaroan’ireo olona manaiky hianatra Baiboly, ka manam-potoana kokoa hianarana mandritra ny andro. Na dia ny rahalahy sy anabavy aza manam-potoana kokoa hitoriana. Tsy mila resena lahatra intsony ny olona hoe andro farany izao, indrindra fa ireo mipetraka any amin’ny faritra tena mahantra. Efa izany mihitsy mantsy no iainany.” Misy tany mahantra iray mandroso be, ka manana mpianatra telo mahery ny mpitory tsirairay ao aminy, raha atao ny salanisa. Nilaza ny misionera iray efa niasa tao 12 taona mahery hoe: “Manana fiainana tsotra ny mpitory, sady tsy dia misy ny fialam-boly, ka manam-potoana kokoa hitoriana sy hampianarana Baiboly izy ireo.”

14. Ahoana no hiarovan’i Jehovah ny vahoaka be?

14 Nampanantena i Jehovah hoe hanampy sy hiaro ary hamonjy ny vahoakany amin’ny fitambarany izy, na eo amin’ny lafiny ara-panahy izany na ara-nofo. Matoky isika fa hitana ny teniny izy. (Sal. 37:28; 91:1-3) Ho be dia be ny olona ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:9, 14) Matoa mitranga izany, dia tsy havelan’i Jehovah ho ripaka mandritra ny andro farany ny vahoakany. Homeny izay ilaintsika isika, mba hahafahantsika hiatrika fitsapana sy hifandray tsara aminy foana. Mbola hiaro ny vahoakany koa i Jehovah amin’ny Hara-magedona.

“AMPIANARO NY LALANAO AHO, JEHOVAH Ô”

15, 16. Inona no soa azontsika rehefa mampihatra ny fampianaran’i Jehovah isika? Manomeza ohatra.

15 Manampy antsika hanana herim-po foana ny fampianaran’i Jehovah. Hoy i Davida: “Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho mba tsy ho azon’ny fahavaloko.” (Sal. 27:11) Raha manaiky ampianarin’i Jehovah isika, dia mihaino tsara izay tari-dalana omen’ny fandaminany ary mampihatra azy ireny avy hatrany. Maro, ohatra, no nampihatra an’ilay torohevitra hoe tsory ny fiainana, ka nandray soa rehefa niharatsy ny toe-karena. Tsy nividy zavatra tsy takatry ny volany intsony izy ireo, ka afaka nandoa ny trosany sady tsy nitrosa tsy amin’antony. Tsy voatery niasa be intsony izy ireo, ka afaka nanompo bebe kokoa. Tokony hieritreritra àry isika hoe: ‘Ampihariko avy hatrany ve izay voalazan’ny Baiboly na ny boky avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana, eny fa na dia hamoy zavatra aza aho, mba hampiharana an’ilay izy?’—Mat. 24:45.

16 Tsy tokony hatahotra isika, raha mampihatra ny fampianaran’i Jehovah sy mandeha amin’ny lala-mahitsy atorony. Mampiseho izany izay nitranga tamin’ny rahalahy iray. Hitany fa nisy asa iray nety tsara taminy tao am-piasany, mba hahafahan’izy mianakavy manohy ny asan’ny mpisava lalana. Nangataka tamin’ny lehibeny àry izy mba hiova hanao an’io asa io. Nilaza taminy anefa ilay lehibeny fa tsy hahazo an’ilay asa izy satria tsy manana diplaoman’ny oniversite. Ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany? Hanenina ve ianao hoe nifidy ny hanompo manontolo andro, ary tsy nanao fianarana ambony? Voaroaka ilay lehibeny, tapa-bolana taorian’izay. Olon-kafa indray no lehibeny, ary nanontany azy hoe inona no tanjony. Nilaza ilay rahalahy fa mpitory manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady, ary mbola te hanohy an’izany. Mbola saika hanohy ny teniny izy, nefa hoy ilay lehibeny: “Fantatro fa tsy toy ny olon-drehetra ianao! Nisy namanareo anankiroa nitsidika an’i Dada isan’andro, talohan’ny hahafatesany, ary namaky Baiboly ho azy. Nivoady aho tamin’izay hoe raha mahita Vavolombelon’i Jehovah mila fanampiana aho, dia hanampy azy.” Ny ampitson’iny, dia azon’ilay rahalahy ilay asa notadiaviny. Hanatanteraka ny teniny tokoa i Jehovah ka hanome izay ilaintsika, raha ilay Fanjakana no ataontsika loha laharana.—Mat. 6:33.

TENA ILAINA NY FINOANA SY FANANTENANA

17. Inona no hanampy antsika hiatrika ny hoavy?

17 Noresahin’i Davida ao amin’ny Salamo 27:13 fa tena ilaina ny finoana sy ny fanantenana. Hoy izy: “Inona no ho niafarako raha tsy nino aho hoe hahita ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amin’ny tanin’ny velona?” Nanao ahoana tokoa moa ny fiainantsika raha tsy nomen’i Jehovah fanantenana isika, sady tsy nahatakatra ny voalazan’ny Salamo faha-27? Enga anie àry isika hivavaka amin’i Jehovah foana mba hanome hery antsika, sy hamonjy antsika amin’ny Hara-magedona.—Vakio ny Salamo 27:14.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Lasa nanana herim-po i Davida, rehefa nitadidy ny fomba namonjen’i Jehovah azy taloha

[Sary, pejy 25]

Hararaoty mba hanompoana bebe kokoa ny fisian’ny olana ara-toe-karena