Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manangona An’ireo Anisan’ny Fianakaviany i Jehovah

Manangona An’ireo Anisan’ny Fianakaviany i Jehovah

Manangona An’ireo Anisan’ny Fianakaviany i Jehovah

‘Miangavy anareo aho mba hitana ny maha iray ny fanahy.’—EFES. 4:1, 3.

AHOANA NO HANAZAVANAO AN’IRETO?

Nahoana Andriamanitra no nanangana fitantanan-draharaha?

Ahoana no ampisehoantsika fa ‘mitana ny maha iray ny fanahy’ isika?

Inona no hanampy antsika ho ‘tsara fanahy amin’ny namantsika’?

1, 2. Inona no fikasan’i Jehovah ho an’ny tany sy ny olombelona?

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mandre ny teny hoe fianakaviana? Fitiavana ve? Sa hasambarana? Sa olona miara-miasa manatratra tanjona iray? Sa toerana mahafinaritra ahafahan’ny ankizy mihalehibe, sy mianatra, ary maneho ny heviny? Toy izany tokoa ny fianakaviana mifankatia sy mifampiahy. I Jehovah no Loharanon’ny fianakaviana, ary ny fikasany dia hoe ho lasa fianakaviana iray ny zavaboariny any an-danitra sy etỳ an-tany, ka tsy hanana ahiahy sy hifampatoky ary hiray saina.—Efes. 3:14, 15.

2 Tsy anisan’ny fianakaviamben’Andriamanitra intsony ny olombelona rehefa nanota, kanefa mbola tsy niova ny fikasan’i Jehovah. Tsy maintsy hataony lasa Paradisa ny tany, ary ho feno taranak’i Adama sy Eva. (Gen. 1:28; Isaia 45:18) Efa nanao ny fandaharana rehetra nilaina izy mba hanatanterahana izany. Miresaka ny sasany amin’ireo fandaharana ireo ny bokin’ny Efesianina, izay manazava betsaka momba ny firaisan-tsaina. Handinika andininy vitsivitsy ao isika, mba hahitantsika hoe inona no azontsika atao mba hahafahantsika manohana ny fikasan’i Jehovah hampiray saina ny zavaboary rehetra.

NANANGANA FITANTANAN-DRAHARAHA I JEHOVAH

3. Inona ilay fitantanan-draharaha ao amin’ny Efesianina 1:10, ary oviana no nanomboka ny dingana voalohany amin’izy io?

3 Rehefa manao zavatra i Jehovah, dia ataony mba hanatanterahana ny fikasany foana izany. Izany koa no nahatonga azy hanangana “fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro.” Tsy inona io fitantanan-draharaha io, fa ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hahatonga ny zavaboariny manan-tsaina rehetra hiray saina. (Vakio ny Efesianina 1:8-10.) Misy dingana roa amin’io fandaharana io. Ny dingana voalohany, dia ny fanomanana an’ireo voahosotra mba ho any an-danitra ka hiasa eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy, Lohan’izy ireo. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 izany, rehefa nanomboka nanangona an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy i Jehovah. (Asa. 2:1-4) Noho ny sorom-panavotan’i Kristy, dia nambara ho marina ireo voahosotra ary mendrika ny hahazo ny fiainana. Noho izany dia mahazo antoka izy ireo fa natsangana ho “zanak’Andriamanitra.”—Rom. 3:23, 24; 5:1; 8:15-17.

4, 5. Inona no dingana faharoa ataon’i Jehovah amin’ilay fitantanan-draharaha?

4 Ny dingana faharoa, dia ny fanomanana an’ireo olo-marina mba hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany, eo ambany fitondran’ny Fanjakan’ny Mesia. Ny “vahoaka be” no voalohany hiaina ao amin’ny Paradisa. (Apok. 7:9, 13-17; 21:1-5) Hanampy isa azy ireo ny olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. (Apok. 20:12, 13) Ho feno karazan’olona eto an-tany amin’izay fotoana izay, ary hiray saina daholo isika rehetra. Hiatrika fitsapana farany ny “zavatra etỳ an-tany” amin’ny faran’ny arivo taona, ary hatsangana ho “zanak’Andriamanitra” etỳ an-tany izay tsy mivadika.—Rom. 8:21; Apok. 20:7, 8.

5 Efa manao an’ireo dingana roa ireo i Jehovah ankehitriny. Ahoana anefa no ampisehoantsika tsirairay hoe manohana an’ilay fitantanan-draharaha ataon’i Jehovah isika, izany hoe manohana ny fandaharana ataony mba hampiray saina ny zavaboariny rehetra?

AOKA ISIKA “HITANA NY MAHA IRAY NY FANAHY”

6. Ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina fa tsy maintsy mivory ny Kristianina?

6 Milaza ny Soratra Masina fa tsy maintsy mivory isika Kristianina. (1 Kor. 14:23; Heb. 10:24, 25) Tsy ampy mba hampiray saina antsika anefa ny hoe miaraka ao amin’ny toerana iray, toy ireo olona tafaraka any an-tsena na ao amin’ny kianja fanatanjahan-tena. Miray saina kosa isika rehefa mampihatra ny tari-dalan’i Jehovah sy mamela ny fanahy masina hamolavola antsika.

7. Ahoana no hampiharantsika an’ilay hoe ‘mitana ny maha iray ny fanahy’?

7 Noho ny sorom-panavotan’i Kristy, dia nambaran’i Jehovah ho marina ny voahosotra ka natsangany ho zanany, ary nambarany ho marina ny ondry hafa ka lasa namany. Mety hisy foana anefa ny olana eo amintsika samy isika, raha mbola amin’izao fiainana izao. (Rom. 5:9; Jak. 2:23) Izany no mahatonga ny Baiboly hanoro hevitra antsika mba “hifampizaka.” Ahoana àry no hisian’ny firaisan-tsaina? Mila ‘manetry tena sy malemy fanahy tanteraka’ isika. Nampirisika antsika hihavana sy hiray saina koa i Paoly, ka nilaza hoe: ‘Miezaha mafy mba hitana ny maha iray ny fanahy ao anatin’ny fihavanana, izay fatorana mampiray.’ (Vakio ny Efesianina 4:1-3.) Mampihatra an’izany isika raha manaiky hotarihin’ny fanahy masina, sy mamela azy io hamokatra toetra tsara ao amintsika. Manampy antsika hamitram-pihavanana ny vokatry ny fanahy, fa tsy mampisaratsaraka toy ny asan’ny nofo.

8. Inona no mampiseho fa mampisaratsaraka ny asan’ny nofo?

8 Mariho hoe nahoana no mampisaratsaraka ny “asan’ny nofo.” (Vakio ny Galatianina 5:19-21.) Mampisaraka ny olona iray amin’i Jehovah sy ny fiangonana ny fijangajangana. Mety hampisaraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fanitsakitsaham-bady, sady mety hampisaraka an’ilay vady tsy manan-tsiny amin’ny vadiny. Mampisaraka koa ny fahalotoana. Tsy mety hatambatra amin’ny lakaoly ny zavatra roa raha maloto ny iray amin’izy ireo. Toy izany koa fa manimba ny fifandraisan’ny olona iray amin’i Jehovah ny fahalotoana, sady manimba ny fifandraisany amin’ny fianakaviany sy ny namany. Tena tsy miraharaha ny lalàn’i Jehovah koa ireo olona manana fitondran-tena tsy misy henatra. Mampisaratsaraka koa ny asan’ny nofo hafa, sady mahatonga ny olona ho tafasaraka amin’Andriamanitra. Mifanohitra tanteraka amin’ny toetran’i Jehovah ireo fanao ireo.

9. Inona no fanontaniana tokony hosaintsainintsika raha te hihavana sy hiray saina amin’ny hafa isika?

9 Tokony hisaintsaina àry isika tsirairay hoe: ‘Tena miezaka mafy ve aho mba hihavana amin’ny hafa sy hiray saina amin’izy ireo? Ahoana no ataoko rehefa manana olana amin’ny hafa aho? Aparitako amin’ny olona ve ilay izy, amin’izay mba mitsetra ahy izy ireo? Tsy miezaka hamitram-pihavanana ve aho, fa ny anti-panahy no antenaiko hamaha ny olana? Raha manana olana amiko ny olona iray, mihatakataka aminy ve aho mba tsy hahatonga anay hiresaka an’ilay olana?’ Raha manao an’ireo isika, moa ve isika manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah, dia ny hampihavana ny zava-drehetra ho amin’i Kristy?

10, 11. a) Nahoana no tena ilaina ny mihavana amin’ny rahalahintsika? b) Inona no tokony hataontsika mba hisian’ny fihavanana sy hahazoana ny fitahian’i Jehovah?

10 Hoy i Jesosy: ‘Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao. Mifandamìna haingana.’ (Mat. 5:23-25) Hoy koa i Jakoba: “Afafin’ny mpampihavana ny voan’ny fahamarinana, ary ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana no anaovany izany.” (Jak. 3:17, 18) Midika izany fa raha tsy mihavana amin’ny hafa isika, dia tsy ho afaka hiaina mifanaraka amin’ny fahamarinana, izany hoe tsy ho afaka hanao foana ny sitrapon’i Jehovah.

11 Intỳ misy ohatra: Misy vanja milevina ny ampahefatry ny tany any amin’ireo firenena efa nisy ady, ka tsy azo ambolena intsony. Tsy mampiasa an’ilay tany intsony ny mpamboly rehefa misy vanja mipoaka, ka tsy misy ny asa, ary tsy ampy ny sakafo. Toy izany koa fa tsy hamokatra intsony isika raha manana an’ireo toetra ratsy misakana antsika tsy hihavana amin’ny hafa. Tsy ho afaka handroso ara-panahy intsony isika. Raha malaky mamela heloka anefa isika sady manao zavatra tsara ho an’ny hafa, dia hihavana tsara isika rehetra ary hahazo ny fitahian’i Jehovah.

12. Ahoana no anampian’ny anti-panahy antsika mba hiray saina?

12 Manampy antsika koa ireo “lehilahy ho fanomezana”, mba ‘hananantsika zavatra inoana iray ihany.’ Midika izany fa manampy antsika hiray saina foana ny anti-panahy. (Efes. 4:8, 13) Manampy antsika hitafy ny toetra vaovao izy ireo, rehefa miara-miasa amintsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, sy manome torohevitra antsika avy ao amin’ny Baiboly. (Efes. 4:22-24) Rehefa manome torohevitra anao ny anti-panahy, dia tadidio fa manomana anao hiaina ao amin’ny tontolo vaovao i Jehovah. Ry anti-panahy, izany ve no tanjonareo rehefa manitsy ny ondry?—Gal. 6:1.

AOKA ISIKA ‘HO TSARA FANAHY AMIN’NY NAMANTSIKA’

13. Inona no ho vokany raha tsy arahintsika ny torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:25-32?

13 Resahin’ny Efesianina 4:25-29 ny zavatra tsy tokony hataontsika. Anisan’izany ny lainga, sy ny hatezerana, ary ny hakamoana. Tsy tokony hilaza zavatra ratsy koa isika, fa hilaza zavatra tsara sy mampahery. Hampalahelo ny fanahy masina isika raha tsy manaraka izany torohevitra izany. Ny fanahy masina anefa no mahatonga antsika hiray saina. (Efes. 4:30) Hihavana sy hiray saina koa isika raha mampihatra ity tenin’i Paoly ity: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra, mbamin’ny faharatsiana rehetra. Aoka kosa ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan’Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin’ny alalan’i Kristy.”—Efes. 4:31, 32.

14. a) Nahoana i Paoly no nanoro hevitra hoe ‘aoka ianareo ho tsara fanahy’? b) Inona no hanampy antsika ho tsara fanahy?

14 Nanoro hevitra i Paoly hoe: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy.’ Matoa izy nilaza an’izany, dia mety tsy ho tsara fanahy amin’ny hafa isika indraindray, ka mila miezaka ho tsara fanahy kokoa. Tokony hiezaka isika mba hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa alohan’ny antsika. (Fil. 2:4) Mety ho te hilaza zavatra mampihomehy isika indraindray, na te hilaza zavatra mampiseho hoe tena mahay isika. Tsy tokony hilaza an’ilay izy anefa isika, raha hitantsika fa tsy mampiseho hatsaram-panahy ilay izy. Ho “tsara fanahy” àry isika raha mieritreritra tsara aloha vao miteny.

TIAVO SY HAJAO NY MPIANAKAVINAO

15. Ahoana no tokony hanahafan’ny lehilahy an’i Kristy, raha jerena ny Efesianina 5:28?

15 Milaza ny Baiboly fa toy ny fifandraisan’ny lehilahy amin’ny vadiny ny fifandraisan’i Kristy amin’ny fiangonana. Hita avy amin’izany fa tokony hanome tari-dalana ny vadiny ny lehilahy ary ho tia sy hikarakara azy. Ny vehivavy kosa mila manaiky ny vadiny. (Efes. 5:22-33) Hoy koa i Paoly: “Toy izany no tokony hitiavan’ny lehilahy ny vadiny tahaka ny tenany.” (Efes. 5:28) Inona no tiany holazaina amin’ilay hoe “toy izany”? Milaza i Paoly eo alohan’io hoe ‘tia ny fiangonana i Kristy ary nanolotra ny tenany hamonjy azy, ka nanadio azy tamin’ny rano fandroana, amin’ny alalan’ny teny.’ Midika izany fa tsy maintsy mikarakara ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-panahy ny lehilahy, raha te hanao zavatra mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah, dia ny hampihavana ny zava-drehetra ho amin’i Kristy.

16. Inona no vokany raha manatanteraka tsara ny andraikitra nomen’i Jehovah azy ny ray aman-dreny?

16 Tokony hotadidin’ny ray aman-dreny fa nomen’i Jehovah andraikitra hikarakara ny zanany izy ireo. Mampalahelo anefa fa maro ankehitriny no ‘tsy tia ny mpianakaviny.’ (2 Tim. 3:1, 3) Ray maro no mandositra adidy, ka lasa misy vokany ratsy eo amin’ny zanany izany sady mahatonga azy ireo halahelo. Hoy anefa i Paoly tamin’ireo ray kristianina: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efes. 6:4) Aiza moa ny ankizy no mianatra voalohany momba ny fitiavana sy ny fanajana fahefana, raha tsy ao an-tokantrano? Raha mampianatra ny zanany hanana an’ireo toetra ireo ny ray aman-dreny, dia manohana ny fikasan’i Jehovah momba ilay “fitantanan-draharaha”, dia ny hampiray saina ny zavaboary rehetra. Raha mifehy ny fahatezerany ny ray aman-dreny ary miezaka tsy hanao teny maharary amin’ny zanany, dia ho tsapan’ny ankizy hoe tiana izy. Hahay haneho fitiavana koa ny ankizy noho izany, sady hanaja fahefana. Hanomana azy ireo hiaina ao amin’ny tontolo vaovao izany.

17. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny hahatohitra ny Devoly?

17 I Satana no voalohany nandrava ny fihavanana teo amin’izao rehetra izao. Tokony ho takatsika àry fa hiezaka mafy izy handrava ny ezaka ataontsika mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Tanteraka ny tetik’i Satana ankehitriny, satria mihabetsaka ny mpivady misaraka, sy ny olona manao tokantranomaso, ary eken’ny olona ny fanambadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Tsy ny fanao eken’ity tontolo ity anefa no tahafintsika, satria i Kristy no modelintsika. (Efes. 4:17-21) Tsy maintsy ‘mitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra’ isika, raha tiantsika ny hahatohitra ny Devoly sy ny demoniany.—Vakio ny Efesianina 6:10-13.

“MANDEHANA MANDRAKARIVA AMIN’NY FITIAVANA”

18. Inona no tena mampiray saina antsika?

18 Ny fitiavana no tena mampiray saina antsika Kristianina. Tena tia an’i Jesosy Tompontsika isika, tia an’i Jehovah Andriamanitra, ary tia ny rahalahintsika, ka izany no mahatonga antsika ho tapa-kevitra hihavana sy hiray saina foana. (Efes. 4:3-6) Niresaka momba an’io fitiavana io i Jesosy rehefa nivavaka hoe: “Tsy ho an’ireto ihany anefa no angatahako fa ho an’izay mino ahy noho ny teniny, mba ho iray izy rehetra, tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo ... Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”—Jaona 17:20, 21, 26.

19. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

19 Misy toetra tena sarotra aminao ve ny manova azy, noho ianao tsy lavorary? Raha manam-pitiavana ianao, dia hiangavy amin’i Jehovah toy ny mpanao salamo hoe: “Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.” (Sal. 86:11) Aoka ianao ho tapa-kevitra hanohitra ny Devoly, izay te hampisaraka antsika amin’ilay Raintsika be fitiavana sy ireo olona ankasitrahany. Miezaha mafy ‘hanahaka an’Andriamanitra, satria zanaka malala’ ianao. “Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana”, na rehefa ao an-trano, na eny amin’ny fanompoana, na eo anivon’ny fiangonana.—Efes. 5:1, 2.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Avelany eo anoloan’ny alitara ny fanomezany, ary lasa izy aloha mihavana amin’ny rahalahiny

[Sary, pejy 31]

Ry ray aman-dreny, ampianaro hanaja olona ny zanakareo