Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana

Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana

Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana

“Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 JAONA 5:3.

HITANAO VE NY VALIN’IRETO?

Ahoana no ataon’i Satana mba hahatonga antsika hieritreritra hoe manavesatra ny lalàn’i Jehovah?

Nahoana isika no mila mitandrina tsara amin’izay namana fidintsika?

Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’ilay Andriamanitra manome fahafahana?

1. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fahafahana ananany, ary ahoana no ahitana izany tamin’ny fifandraisany tamin’i Adama sy Eva?

I JEHOVAH irery no afaka manao izay rehetra tiany hatao. Tsy mampiasa izany fahafahana izany amin’ny fomba ratsy anefa izy, na hoe mifehifehy be ny mpanompony amin’izay rehetra ataony. Avelany hisafidy kosa izy ireo, ka afaka manapa-kevitra sy manatanteraka izay zavatra tsara tiany hatao. Zavatra iray monja, ohatra, no tsy navelan’Andriamanitra nataon’i Adama sy Eva, dia ny nihinana “ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” (Gen. 2:17) Afaka nanompo an’i Jehovah tsara àry izy ireo, sady afaka nanao zavatra be dia be tiany hatao.

2. Nahoana i Adama sy Eva no lasa tsy nanana an’ilay fahafahana nomen’i Jehovah?

2 Nahoana i Adama sy Eva no nomen’i Jehovah fahafahana be dia be toy izany? Satria nomeny feon’ny fieritreretana izy ireo, ary noforoniny araka ny endriny. Nanantena izy hoe hanao ny tsara izy ireo satria tia azy. (Gen. 1:27; Rom. 2:15) Mampalahelo anefa fa tsy nankasitraka an’ilay nanome aina azy i Adama sy Eva, ary tsy nankasitraka ny fahafahana nomeny. Naleon’izy ireo ny fahafahana natolotr’i Satana, dia ny hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. Tsy lasa nahazo fahafahana bebe kokoa anefa izy ireo. Lasa andevon’ny ota aza izy ireo sy ny taranany, ary loza no vokany.—Rom. 5:12.

3, 4. Ahoana no amitahan’i Satana antsika?

3 Vitan’i Satana ny nitaona olombelona lavorary sy anjely maro mba handa ny zon’i Jehovah hitondra. Mety ho vitany koa àry ny hitaona antsika. Mbola tsy miova ny tetiny. Ataony izay hahatonga antsika hieritreritra hoe manavesatra ny fitsipik’i Jehovah sady misakana antsika tsy hifalifaly. (1 Jaona 5:3) Mety hisy heriny lehibe amintsika izany toe-tsaina izany, satria izany no toe-tsain’ny olona manodidina antsika. Hoy ny anabavy iray 24 taona: “Nanana naman-dratsy aho, ary tena nisy vokany tamiko izany, satria natahotra aho hampiseho hoe tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo.” Nijangajanga izy vokatr’izany. Efa nahatsapa koa ve ianao hoe tena nisy heriny teo aminao ny namana?

4 Mampalahelo fa na eo anivon’ny fiangonana aza dia mety hisy naman-dratsy. Hoy ny rahalahy tanora iray: “Nisy ankizy sasany teo anivon’ny fiangonana nampiaraka tamin’ny ankizy tany amin’izao tontolo izao. Ninamana tamin’izy ireo aho, ka arakaraka ny niarahako tamin’izy ireo dia lasa nitovy tamin’izy ireo aho. Tena nanimba ny ara-panahiko izany. Lasa tsy nahafinaritra ahy ny fivoriana, ary zara raha nanompo aho. Tonga saina aho tamin’izay hoe tsy maintsy miala amin’ireo namako ireo aho, ary izay no nataoko!” Ahoana ny aminao? Miaiky ve ianao fa tena misy heriny eo aminao ny namanao? Handinika ohatra iray ao amin’ny Baiboly isika, mba hanampy antsika.—Rom. 15:4.

NIEZAKA NAMABO NY FON’NY OLONA IZY

5, 6. Ahoana no namitahan’i Absaloma ny olona, ary nahomby ve ny tetiny?

5 Miresaka olona maro nitaona ny hafa hanao ratsy ny Baiboly. Anisan’izany i Absaloma, zanak’i Davida Mpanjaka. Tena tsara tarehy izy, nefa nanana toe-tsaina ratsy toa an’i Satana. Nitsiriritra ny seza fiandrianan’ny rainy izy, na dia tsy nanan-jo ho mpanjaka aza. * Navelany hameno ny fony izany faniriana izany, ka nanao tetika izy hahazoana ny fanjakana. Niseho ho tena niahy ny vahoaka izy, sady nilaza fa tsy miraharaha azy ireo ny mpanjaka. Mitovy amin’ny nataon’ny Devoly tao Edena mihitsy ny nataony. Niseho ho mpanao soa i Absaloma, sady nanaratsy ny rainy.—2 Sam. 15:1-5.

6 Nahomby ve ny tetik’i Absaloma? Azo lazaina hoe nahomby ilay izy, satria nahavita ‘namabo ny fon’ny Israelita’ izy. (2 Sam. 15:6) Resy anefa izy tamin’ny farany. Ny fanirian-daza no nahafaty azy sy ireo olona an’arivony voafitany.—2 Sam. 18:7, 14-17.

7. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Absaloma? (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 14.)

7 Fa nahoana ireo Israelita no voafitaka mora foana? Mety hoe te hahazo ny zavatra nampanantenain’i Absaloma izy ireo, na koa babon’ny bika aman’endriny. Ny tena azo antoka anefa dia izao: Mora voafitaka izy ireo satria nivadika tamin’i Jehovah sy ilay mpanjaka voafidiny. Mbola mampiasa olona toa an’i Absaloma koa i Satana ankehitriny, mba hamitahana ny mpanompon’i Jehovah. Mety hiteny izy ireny hoe: ‘Hentitra loatra ny fitsipik’i Jehovah. Jereo fa mankafy fiainana erỳ ny olona tsy manompo azy!’ Ahoana no hataonao rehefa mandre an’izany? Ho takatrao ve fa lainga izany, ka tsy hivadika amin’i Jehovah ianao? Hatoky ve ianao hoe rehefa mankatò an’ilay “lalàna tonga lafatra” ihany ianao, vao hahazo ny tena fahafahana? (Jak. 1:25) Asehoy fa tianao io lalàna io, raha matoky ianao hoe mahasoa izy io. Aza ampiasaina amin’ny fomba ratsy mihitsy ny fahafahana nomen’i Jehovah anao.—Vakio ny 1 Petera 2:16.

8. Milazà ohatra mampiseho fa tsy sambatra ny olona mandika ny fitsipik’i Jehovah.

8 Ny tanora no tena kendren’i Satana. Hoy ny rahalahy iray 30 taona mahery: ‘Nihevitra aho tamin’izaho mbola tanora hoe maneritery be ny fitsipik’i Jehovah, fa tsy miaro ahy.’ Nijangajanga io rahalahy io vokatr’izany. Tsy nahasambatra azy anefa izany. Hoy izy: “Tena mbola mahatsiaro ho meloka sy manenina mafy aho, na dia efa taona maro atỳ aoriana aza.” Hoy koa ny anabavy iray, rehefa nahatsiaro ny zavatra tsy nety nataony tamin’ny mbola tanora: “Nalahelo sy nahatsiaro ho tsy nisy dikany aho, rehefa avy nijangajanga. Efa 19 taona izay no lasa, nefa mbola tsaroako foana ilay izy.” Hoy koa ny anabavy iray: “Niady saina sy kivy be aho, rehefa nahita fa nalahelo be ny namako sy ny fianakaviako noho ny fahotana nataoko. Lasa nalemy ara-panahy koa aho, ary tsapako fa tena ratsy be ilay hoe tsy mahazo sitraka amin’i Jehovah.” Tena ratsy tokoa ny vokatry ny fahotana, nefa tsy tian’i Satana hieritreritra an’izany isika.

9. a) Inona no fanontaniana manampy anao hahafantatra ny fomba fihevitrao an’i Jehovah sy ny lalàny? b) Nahoana isika no tena mila mahafantatra tsara an’i Jehovah?

9 Mizaka vokany mangidy foana izay tsy mankatò an’Andriamanitra. Mampalahelo fa efa voa ny tanora kristianina maro vao nahatsapa an’izany. Ny sasany aza efa olon-dehibe. (Gal. 6:7, 8) Eritrereto àry ireto fanontaniana ireto: Mahafantatra ny tetik’i Satana ve ianao, ary manaiky hoe te hamitaka anao izy? Mihevitra an’i Jehovah ho namanao akaiky indrindra ve ianao, ary mino fa milaza ny marina foana izy sady mitady izay tena hahasoa anao? Mino tanteraka ve ianao fa tsy hisakana mihitsy i Jehovah, raha misy zavatra tsara na hahasambatra anao tokony ho azonao? (Vakio ny Isaia 48:17, 18.) Mila mahafantatra tsara an’i Jehovah ianao, satria rehefa fantatrao tsara izy, dia afaka mamaly hoe “eny” amin’ireo fanontaniana ireo ianao. Mila miaiky ianao hoe ny fitiavany anao no anomezany anao an’ireo lalàna sy toro lalana ao amin’ny Baiboly, fa tsy hoe te haneritery ny fiainanao izy.—Sal. 25:14.

MIVAVAHA MBA HANANA FO HENDRY SY MANKATÒ

10. Nahoana isika no tokony hanahaka an’i Solomona Mpanjaka?

10 Nanetry tena sy nivavaka toy izao i Solomona, tamin’izy mbola tanora: ‘Mbola zaza aho sady tsy mahalala izay atsimo sy avaratra.’ Nangataka tamin’i Jehovah izy avy eo mba hanana fo hendry sy mankatò. (1 Mpanj. 3:7-9, 12) Namaly an’izany vavaka feno fahatsorana izany i Jehovah, ka azo antoka fa hamaly ny vavaka ataontsika koa izy, na tanora isika na antitra. Marina fa tsy hanome antsika fahendrena amin’ny fomba mahagaga izy. Hanampy antsika ho hendry anefa izy, raha mazoto mianatra ny Teniny isika, mivavaka mba hahazo fanahy masina, ary mampiasa tsara ny fanampiana ara-panahy rehetra omeny amin’ny alalan’ny fiangonana. (Jak. 1:5) Na dia mbola tanora aza isika, ka manao an’ireo, dia hataon’i Jehovah hendry kokoa noho ny olona tsy mankatò azy. Ho hendry kokoa noho ireo lazaina fa ‘hendry sy mahira-tsaina’ eto amin’ity tontolo ity aza isika.—Lioka 10:21; vakio ny Salamo 119:98-100.

11-13. a) Inona no lesona sarobidy ianarantsika avy amin’ny Salamo 26:4, sy ny Ohabolana 13:20, ary ny 1 Korintianina 15:33? b) Ahoana no azonao ampiharana an’ireo toro lalana ireo?

11 Misy andinin-teny hodinihintsika ireto, mba hahitantsika fa tena ilaina ny mianatra ny Baiboly sy misaintsaina izay ianarantsika, raha te hahafantatra tsara an’i Jehovah isika. Misy toro lalana lehibe momba ny namana ny tsirairay amin’izy ireo. Hoy ny Salamo 26:4: “Tsy miara-mipetraka amin’ny olona tsy marina aho, ary tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.” Hoy ny Ohabolana 13:20: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Ary hoy ny 1 Korintianina 15:33: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”

12 Inona no lesona sarobidy ianarantsika amin’ireo andininy ireo? 1) Tian’i Jehovah hifidy tsara ny namantsika isika. Te hiaro antsika amin’izay mety hanimba antsika sy hanimba ny fihavanantsika aminy izy. 2) Misy vokany tsara na ratsy eo amintsika ny olona ifaneraserantsika. Tsy afa-miala amin’izany isika, fa efa izay foana ny zava-misy. Hita amin’ny fomba nanoratana an’ireo andininy ireo fa te hanohina ny fontsika i Jehovah. Tsy nosoratana toy ny didy izy ireo, fa filazana ny zava-misy fotsiny. Tsy miteny izy ao hoe: “Aza manao an’izao, na aza manao an’izao.” Fa toy ny miteny fotsiny izy hoe: ‘Izao ny zava-misy, ka ahoana no hataonao? Vonona hanaraka ny teniko ve ny fonao?’

13 Koa satria milaza ny zava-misy fotsiny ireo andininy ireo, dia tsy mety lany andro. Azo ampifandraisina amin’ny toe-javatra maro koa ny toro lalana ao amin’izy ireo. Diniho, ohatra, ireto fanontaniana ireto: Amin’ny toe-javatra inona avy ianao no mety hifanehatra amin’ny olona ‘manafina ny maha izy azy’? Ahoana no hanalaviranao azy ireo? (Ohab. 3:32; 6:12) Iza ireo olona “hendry” tian’i Jehovah ho namanao? Iza kosa ireo olona “tsisy saina” tiany hohalavirinao? (Sal. 111:10; 112:1; Ohab. 1:7) Inona ireo “fahazarana mahasoa” anananao, izay mety ho simba raha manana naman-dratsy ianao? Any amin’izao tontolo izao ihany ve no ahitana naman-dratsy? (2 Pet. 2:1-3) Ahoana no hamalianao an’ireo fanontaniana ireo?

14. Inona no azonao atao mba hanatsarana ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianao?

14 Tena ilaina ny mandalina andinin-teny toy ny nataontsika teo. Nahoana koa raha mandinika andinin-teny hafa mahakasika anao sy ny fianakavianao, mba hahitanao ny fomba fihevitr’i Jehovah? * Nahoana raha manao fandaharana mba handinihana izany mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Tadidio fa ny tanjonao dia ny hanampy ny mpianakavinao tsirairay hahatakatra, fa tena tia antsika i Jehovah matoa manome lalàna sy toro lalana antsika. (Sal. 119:72) Ho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah ny fianakaviantsika sady hifankatia kokoa, rehefa mianatra toy izany.

15. Ahoana no hamantaranao raha manana fo hendry sy mankatò ianao?

15 Ahoana no hamantaranao raha manana fo hendry sy mankatò ianao? Azonao atao ny mampitaha ny fomba fisainanao sy ny an’ireo olona tsy nivadika fahiny, toa an’i Davida Mpanjaka. Hoy i Davida: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” (Sal. 40:8) Hoy koa ny mpanoratra ny Salamo faha-119: “Tiako erỳ ny lalànao, ka saintsainiko foana!” (Sal. 119:97) Tsy maintsy miezaka mafy ianao, vao ho lasa tia ny lalàn’Andriamanitra toy izany. Mila mandalina ny Baiboly ianao, misaintsaina izay ianaranao, ary mivavaka. Hitombo koa ny fitiavanao ny lalàn’i Jehovah, rehefa tsapanao hoe mandray soa be dia be ianao rehefa mankatò azy ireny.—Sal. 34:8.

AOKA IANAO HIADY MAFY MBA HIAROVANA NY FAHAFAHANA ANANANAO

16. Inona no tsy maintsy tadidintsika, raha tiantsika ny hiaro ny fahafahana ananantsika?

16 Te hahazo fahafahana ny firenena maro fahiny, ka niady mihitsy mba hahazoana izany. Tsy tokony ho vonona hiady koa ve ianao mba hiarovana ny fahafahana anananao, amin’ny maha Kristianina anao? Tadidio fa manana fahavalo hafa ankoatra an’i Satana, sy ity tontolo ity, ary ny toe-tsaina ratsiny ianao. Tsy inona izany fa ny tsy fahalavorarianao, anisan’izany ny fonao izay mamitaka. (Jer. 17:9; Efes. 2:3) Afaka mandresy anefa ianao, noho ny fanampian’i Jehovah. Ankoatra izany, dia misy vokany tsara roa, isaky ny mahazo fandresena ianao, na fandresena kely izany na lehibe. Voalohany, mampifaly ny fon’i Jehovah ianao. (Ohab. 27:11) Faharoa, lasa tapa-kevitra kokoa handeha amin’ilay ‘lalana ety’ mankany amin’ny fiainana ianao, rehefa tsapanao hoe mahasoa anao ilay “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana.” Tsy vitan’izany fa ho azonao ilay fahafahana lehibe ho avy, izay nampanantenain’i Jehovah ho an’ireo tsy mivadika aminy.—Jak. 1:25; Mat. 7:13, 14.

17. Nahoana no tsy tokony hahakivy antsika ny tsy fahalavorariantsika, ary inona no fanampiana omen’i Jehovah antsika?

17 Mazava ho azy fa manao fahadisoana daholo isika indraindray. (Mpito. 7:20) Aza kivy be anefa raha mitranga izany, ary aza mieritreritra hoe tsy misy dikany ianao. Raha sanatria ka lavo ianao, dia miarena, ary miezaha mba handroso foana, na dia hoe mila mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy aza. Nilaza i Jakoba fa ‘hanasitrana an’ilay marary ny vavaka ataon’izy ireo amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.’ (Jak. 5:15) Aza hadinoina mihitsy hoe tena mamindra fo i Jehovah. Sady matoa izy nitaona anao ho anisan’ny fiangonana, dia satria nisy zavatra tsara hitany tao aminao. (Vakio ny Salamo 103:8, 9.) Hanampy anao foana i Jehovah, raha mbola miezaka manompo azy amin’ny fo manontolo ianao.—1 Tan. 28:9.

18. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika ny harovan’i Jehovah?

18 Nivavaka i Jesosy ny alina farany niarahany tamin’ireo apostoly 11. Nangataka tamin’i Jehovah izy tamin’izay mba hiaro an’ireo mpianany ireo tamin’ilay ratsy. (Jaona 17:15) Tsy ireo apostoliny ihany anefa no tiany harovana, fa ny mpanara-dia azy rehetra. Azo antoka àry fa hamaly ny vavaka nataony i Jehovah, ka hiaro antsika mandritra izao fotoan-tsarotra izao. Milaza ny Ohabolana 2:7, 8 fa ‘ampingan’izay tsy mivadika aminy i Jehovah, sady miaro ny lalan’izay tsy mivadika aminy.’ Tsy mora ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah. Izay ihany anefa no ahafahanao mahazo ny fiainana mandrakizay sy ny tena fahafahana. (Rom. 8:21) Mety tsy hitovy hevitra amin’izany ny hafa, nefa aza manaiky ho voafitany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Efa taorian’ny nahaterahan’i Absaloma i Jehovah vao nilaza tamin’i Davida hoe: “Hotendreko ny taranaka handimby anao izay haterakao, ary hataoko mafy orina tokoa ny fanjakany.” Fantatr’i Absaloma àry fa tsy izy no nofidin’i Jehovah handimby an’i Davida eo amin’ny seza fiandrianany, fa ny iray amin’ny taranaka mbola haterak’i Davida atỳ aoriana.—2 Sam. 3:3; 7:12.

^ feh. 14 Azo dinihina tsara, ohatra, ny 1 Korintianina 13:4-8, izay ahitana ny fanazavan’i Paoly momba ny fitiavana. Eo koa ny Salamo 19:7-11, izay miresaka momba ny fitahiana maro ho azon’ireo mankatò ny lalàn’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 14]

Ahoana no hamantarana an’ireo olona toa an’i Absaloma, ary inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitak’izy ireny?