Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tantaram-piainana

Nampianarin’i Jehovah Hanao ny Sitrapony Aho

Nampianarin’i Jehovah Hanao ny Sitrapony Aho

Notantarain’i Max Lloyd

Taona 1955 tamin’izay, tany Paragoay, any Amerika Atsimo. Alina ny andro, ary nohodidinin’ny vahoaka romotra ny trano nisy anay sy ilay misionera namako. Niantsoantso izy ireo hoe: “Andriamanitra tia ra mandriaka ny andriamanitray, ary mitady ny ran’ireo vazaha ireo izy.” Fa ahoana no nahatonga anay tany?

LEHIBE tany Aostralia aho, ary tany i Jehovah no nanomboka nampianatra ahy hanao ny sitrapony. Nandray an’ilay boky hoe Fahavalo tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada, tamin’ny 1938. Efa tsy faly tamin’ny mpitondra fivavahana teo an-toerana izy sy Neny tamin’izay, satria nolazain’izy ireo fa angano ny ampahany amin’ny Baiboly. Nanokan-tena sy natao batisa àry izy mivady, herintaona taorian’izay, ka ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe indrindra tamin’ny fianakavianay. I Lesley anabaviko, izay zokiko dimy taona, no natao batisa nanaraka. Ary izaho kosa taorian’izay, tamin’ny 1940, tamin’izaho sivy taona.

Vao nanomboka kelikely ny Ady Lehibe II, dia norarana ny fanaovana pirinty sy fizarana ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Aostralia. Mbola kely àry aho dia efa nianatra nanazava ny finoako tamin’ny alalan’ny Baiboly fotsiny. Nentiko foana ny Baiboliko rehefa nianatra aho, satria nila nanazava aho hoe nahoana aho no tsy nanangan-tsaina na nanohana ny ady.—Eks. 20:4, 5; Mat. 4:10; Jaona 17:16; 1 Jaona 5:21.

Nopetahana anarana hoe “mpitsikilon’ny Alemà” aho, ka nihatakatahan’ny ankizy tany am-pianarana. Nandefa filma ny sekoly tamin’izany, ary tsy maintsy nitsangana sy nanao hiram-pirenena ny rehetra, alohan’ny hanombohan’ilay izy. Tsy nety nitsangana aho, ka matetika no nisy ankizilahy roa na telo nisintona ahy tamin’ny voloko mba hampitsangana ahy. Voaroaka aho tamin’ny farany, satria tsy nety niala tamin’ny zavatra ninoako. Afaka nanohy ny fianarako tamin’ny alalan’ny fifanoratana an-taratasy anefa aho.

TRATRAKO IHANY NY TANJOKO

Nataoko tanjona ny hoe ho mpisava lalana rehefa feno 14 taona. Diso fanantenana anefa aho rehefa niteny tamiko i Dada sy Neny hoe tsy maintsy mitady asa aloha aho. Nasain’izy ireo nandoa hofan-trano sy nanome vidin-tsakafo aho, fa rehefa feno 18 taona, hono, vao manao ny asan’ny mpisava lalana. Lasa niresaka foana momba ny karamako izahay. Nilaza aho hoe tiako hotehirizina mba hampiasaiko rehefa mpisava lalana ny volako, nefa nalain-dry zareo foana ilay izy.

Rehefa tonga ny fotoana hanombohako ny asan’ny mpisava lalana, dia nohazavain’izy mivady tamiko hoe notehiriziny tany amin’ny banky ny volako rehetra. Naveriny daholo ilay izy, mba hividianako akanjo sy izay zavatra hafa nilaiko. Nampianarin’izy ireo hamelon-tena aho, fa tsy hiantehitra amin’olona. Tena nilaiko izany tatỳ aoriana.

Nampiantrano mpisava lalana ny fianakavianay matetika, tamin’izahay mbola kely. Faly erỳ izahay sy Lesley niara-nanompo tamin’izy ireo. Nitory isan-trano sy teny an-dalana ary nampianatra Baiboly izahay, rehefa faran’ny herinandro. Ny hanompo 60 ora isam-bolana no tanjon’ny mpitory tamin’izany, ary vitan’i Neny ilay izy matetika. Tena ohatra tsara ho anay mianadahy izy.

MPISAVA LALANA TANY TASMANIA

Ny nosy Tasmania, any Aostralia no faritaniko voalohany. Efa tany i Lesley zokiko sy ny vadiny, tamin’izay. Nandeha nanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-15 anefa izy ireo, tsy ela taorian’ny nahatongavako. Saron-kenatra aho ary sambany vao nisaraka tamin’ny fianakaviako, ka nisy nilaza hoe telo volana ihany aho dia hody. Mbola tany anefa aho herintaona taorian’izay, tamin’ny 1950, ary voatendry ho mpikarakara ny fiangonana. Anti-panahy mpandrindra no iantsoantsika azy io izao. Voatendry ho mpisava lalana manokana aho tatỳ aoriana, ary rahalahy tanora iray no namako.

Nandeha bisy izahay nankany amin’ilay faritaninay vaovao. Fitrandrahana varahina ilay tanàna, ary mbola tsy nisy Vavolombelona. Hariva izahay vao tonga tany, ka natory tamin’ny hotely tranainy iray. Nitory isan-trano izahay ny ampitso, sady nanontany hoe sao mba misy trano hofana. Nisy nilaza taminay ny harivan’iny hoe tsy misy mipetraka ny tranon’ny mpitondra fivavahana eo akaikin’ny fiangonana presbyterianina, fa mila miresaka amin’ny diakonina izahay. Tsara fanahy ilay diakonina, ka navelany hipetraka tao izahay. Hafahafa ihany ilay hoe avy ao amin’ny tranon’ny mpitondra fivavahana izahay no mivoaka isan’andro rehefa hitory.

Namokatra be ilay faritany. Nahafinaritra ny niresaka tamin’ny olona, ary nanomboka fampianarana be dia be izahay. Ren’ny lehiben’ny fiangonana tany an-tanàn-dehibe izany, ary reny koa fa Vavolombelon’i Jehovah no nipetraka tao amin’ilay trano, ka nasainy noroahin’ilay diakonina izahay. Tsy nanana trano indray àry izahay!

Nitory hatramin’ny telo tolakandro izahay ny ampitson’iny, ary avy eo nitady toerana hatoriana. Ny kianja mitafo fanaovana fanatanjahan-tena no toerana tsara indrindra hitanay. Nafeninay tao ny valizinay, ary lasa nitory indray izahay. Tianay ho vita tsara ny faritany ka mbola nitory tamin’ny trano vitsivitsy izahay, na dia efa nihamaizina aza ny andro. Faly erỳ izahay fa nisy lehilahy iray nanaiky hampiantrano anay, tao amin’ny trano kely nisy efitra roa, teo akaikin’ny tranony!

ASAN’NY FARITRA SY SEKOLIN’I GILEADA

Nasain’ny sampan’i Aostralia hanao ny asan’ny faritra aho, rehefa avy mpisava lalana manokana nandritra ny valo volana. Taitra be aho satria vao 20 taona aho tamin’izay. Niofana nandritra ny herinandro vitsivitsy aho, ary avy eo nitsidika sy nampahery fiangonana. Zokiko ny ankamaroan’ireo olona notsidihiko nefa tsy nanambany ahy. Nankasitraka ny asa nataoko aza izy ireo.

Niovaova ny fitaterana rehefa hitsidika fiangonana. Indraindray nandeha bisy, indraindray lamasinina, indraindray fiara kely, ary indraindray aza aho nitaingina môtô sady nitazona valizy sy kitapo fentina mitory. Tena tiako ny nipetraka tany amin’ny mpiara-manompo. Te hampiantrano ahy mafy ny rahalahy iray mpikarakara ny fiangonana, nefa mbola tsy vita ny tranony. Tao anaty koveta lava fandroana àry aho no natory nandritra ny herinandro, nefa nahafinaritra ny fiarahanay.

Nisy zavatra hafa tsy nampoiziko tamin’ny 1953. Nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-22 aho. Faly sahirana anefa aho. Voatendry tany Pakistan mantsy i Lesley sy ny vadiny, rehefa nahavita ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 30 Jolay 1950. Tsy ampy herintaona akory anefa dia narary i Lesley, ary maty tany. Lasa saina àry aho hoe: ‘Mba ahoana re hozy i Dada sy Neny raha ho any an-tany hafa aho, nefa vao haingana no maty i Lesley?’ Hoy anefa izy ireo: “Mandehana manompo an’i Jehovah any amin’izay itarihany anao.” Tsy nahita an’i Dada intsony aho taorian’izay. Maty izy tamin’ny 1957.

Rahalahy sy anabavy aostralianina enina izahay no niara-nandeha sambo nankany New York, mba hanatrika an’ilay sekoly. Namaky sy nianatra Baiboly izahay teny an-dalana, sady nitory tamin’ny mpandeha. Tonga izahay rehefa afaka iray volana sy tapany, ary mbola nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tao Yankee Stadium ny volana Jolay 1953. Nahatratra 165 829 ny mpanatrika!

Tany South Lansing no natao ilay sekoly. Samy hafa fiaviana daholo izahay mpianatra 120, ary tsy fantatray mihitsy ny tany hanendrena anay. Tamin’ny fizarana diplaoma izany vao fantatray, ka nitsoriaka nankany amin’ny fitehirizam-bokin’i Gileada izahay, raha vao nisy hirika kely, mba hahafantarana momba ny tany hanendrena anay. Tao no nahitako fa nisy tolom-bahoaka imbetsaka tany Paragoay, toerana hanendrena ahy. Nisy tabataba be tokoa indray alina, taoriana kelin’ny nahatongavako tany Paragoay. Nanontany an’ireo misionera aho hoe inona ilay izy, ka nitsiky izy ireo sady namaly hoe: “Iny ny tolom-bahoaka voalohany renao. Jereo ange ao an-tokotany e!” Feno miaramila ny tanàna!

ZAVA-NITRANGA NAMPATAHOTRA

Nitsidika fiangonana iray tany ambanivohitra niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny faritra aho indray mandeha, mba hampiseho an’ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa. Nitondra milina mpamokatra herinaratra sy fandefasana filma izahay. Nandeha lamasinina izahay, avy eo nitaingina soavaly sy kalesin-tsoavaly, ary farany nandeha sarety. Adiny valo na adiny sivy izahay vao tonga tany. Nitety toeram-piompiana izahay ny ampitso, ary nanasa olona hijery an’ilay filma, izay haseho ny alin’io. Nisy 15 no tonga.

Vao nandeha 20 minitra anefa ilay filma, dia nasain’ny olona niditra haingana tao an-trano izahay. Nobatainay àry ilay fandefasana filma, dia niditra izahay. Nisy lehilahy maromaro tonga ka nitabataba sy nanapoaka basy ary niantsoantso hoe: “Andriamanitra tia ra mandriaka ny andriamanitray, ary mitady ny ran’ireo vazaha ireo izy.” Tsy nisy afa-tsy vazaha roa izahay. Nitady hitsofoka tao an-trano ireo lehilahy ireo, nefa nosakanan’ireo olona tonga nijery an’ilay filma. Niverina indray anefa izy ireo tamin’ny telo maraina. Mbola nanapoaka basy ihany izy ireo, sady nilaza fa tsy maintsy tafalany tao izahay tamin’io andro io.

Niantso mpitandro filaminana ireo rahalahy, ary tonga niaraka tamin’ny soavaly roa izy io ny tolakandro, mba hitondra anay hody. Isaky ny nahita lobolobo izy teny an-dalana, dia namoaka basy ary nialoha anay mba hijery sao misy loza. Nividy soavaly koa aho tatỳ aoriana, satria hitako fa tena nilaina izany.

NISY MISIONERA HAFA TONGA

Nandroso foana ny asa fitoriana, na dia teo aza ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana. Nisy misionera dimy tonga tamin’ny 1955, anisan’izany ny anabavy iray avy any Kanada. Nanao ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-25 izy, ary Elsie Swanson no anarany. Nihaona tao amin’ny biraon’ny sampana nandritra ny fotoana kelikely izahay, talohan’ny nanendrena azy tany amin’ny tanàna hafa. Nanokana ny fiainany hanompoana an’i Jehovah izy, ary tsy mba nanampy azy mihitsy ny ray aman-dreniny sady tsy nanaiky ny fahamarinana mihitsy. Nivady izahay tamin’ny 31 Desambra 1957, ary nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera tany amin’ny faritra atsimon’i Paragoay.

Tsy nisy rano amin’ny paompy ny tranonay, kanefa nisy lava-drano tao ambadiky ny trano. Mazava ho azy fa tsy nisy efitra fandroana koa tao an-trano, sady tsy nisy milina fanasan-damba. Tsy nisy vata fampangatsiahana koa, ka nividy sakafo isan’andro izahay. Nahafinaritra anefa ny fiainanay mivady, satria tsotra ny fiainana sady nifankatia tsara ny fiangonana.

Nitsidika an’i Neny izahay tamin’ny 1963, ary nihetsika ny aretim-pony taoriana kelin’izay. Efa folo taona izahay tsy nihaona, ka nihetsi-po be izy nahita ahy. Izany angamba no nampihetsika ny aretiny! Sahiran-tsaina àry izahay mivady, rehefa nanakaiky ny fotoana hiverenanay tany Paragoay. Tena tianay ny any Paragoay, kanefa havelanay any amin’ny hopitaly ve i Neny, dia olon-kafa no antenainay hikarakara azy? Nivavaka mafy izahay, ary nanapa-kevitra fa hijanona. Sady nikarakara an’i Neny izahay no nanompo manontolo andro, mandra-pahafatiny tamin’ny 1966.

Nanao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra tany Aostralia aho, nandritra ny taona maro taorian’izay, ary nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, natao ho an’ny anti-panahy. Nisy fiovana indray anefa tatỳ aoriana. Notendrena ho anisan’ny Komitin’ny Sampana voalohany tany Aostralia aho. Notendrena ho mpandrindra ny asan’ny komitin’ny fanorenana koa aho, rehefa naorina ny tranon’ny sampana vaovao tany Aostralia. Nisy rahalahy sy anabavy maro manam-pahaizana sy mahay miara-miasa nanampy anay, ka nahazo Betela tsara tarehy izahay.

Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho tatỳ aoriana. Misahana ny asa fitoriana eran’i Aostralia izy io. Nasaina nitety sampana hafa maneran-tany koa aho, mba hitondra fanampiana sy fampaherezana. Tena nanatanjaka ny finoako ny nitsidika ny firenena sasany, satria nigadra na tany amin’ny toby fitanana nandritra ny taona maro ny mpiara-manompo sasany tany amin’ireny tany ireny, noho izy ireo tsy nivadika.

NY FANOMPOANA ATAONAY IZAO

Avy nitsidika sampana maromaro izahay tamin’ny 2001, ary vizana be. Nisy taratasy tonga anefa nanasa ahy hankatỳ Brooklyn, New York, mba ho anisan’ny Komitin’ny Sampana vaovaon’i Etazonia. Nivavaka sy nandinika tsara izahay mivady, ka faly nanaiky an’ilay fanasana. Efa 11 taona lasa izany, ary mbola eto Brooklyn izahay izao.

Manaiky an’izay rehetra asain’i Jehovah ataonay ny vadiko, ka tena faly aho manana azy. Samy 81 taona izahay izao, nefa azo lazaina hoe mbola salama tsara. Tsy andrinay ilay hoe hahazo fampianarana avy amin’i Jehovah mandritra ny mandrakizay, ary hahazo an’ireo fitahiana tondraka nampanantenainy an’ireo manao ny sitrapony.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Indraindray aho nandeha bisy, indraindray lamasinina, indraindray fiara kely, ary indraindray aza aho nitaingina môtô sady nitazona valizy sy kitapo fentina mitory

[Teny notsongaina, pejy 21]

Tsy andrinay ilay hoe hahazo fampianarana avy amin’i Jehovah mandritra ny mandrakizay

[Sary, pejy 18]

Havia: Tamin’izaho nanao ny asan’ny faritra tany Aostralia Havanana: Miaraka amin’i Dada sy Neny

[Sary, pejy 20]

Tamin’ny mariazinay, ny 31 Desambra 1957