Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omen’i Jehovah Tena Fahafahana Isika

Omen’i Jehovah Tena Fahafahana Isika

Omen’i Jehovah Tena Fahafahana Isika

‘Jereo tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana.’—JAK. 1:25.

HAINAO HAZAVAINA VE IRETO?

Inona ilay hoe lalàna mitondra fahafahana, ary iza no mandray soa amin’izy io?

Inona no tokony hataonao raha te hahazo ny tena fahafahana ianao?

Inona no fahafahana ho azontsika amin’ny farany, raha tsy mivadika mihitsy isika?

1, 2. a) Manana fahafahana ve ny olona eto amin’ity tontolo ity, ary inona no nahatonga izany? b) Inona no fahafahana andrandrain’ny mpanompon’i Jehovah?

MIHABETSAKA ny fitiavam-bola sy ny fandikan-dalàna ary ny herisetra ankehitriny, ka ampitomboin’ny fanjakana ny lalàna, ampitomboiny ny isan’ny polisy, ary mametaka fitaovana fanaraha-maso izy ireo. (2 Tim. 3:1-5) Manisy fitaovana fanairana amin’ny mpangalatra ny olona, any amin’ny toerana sasany, na manisy hidiny maromaro amin’ny varavarana, na mampiasa fefy misy herinaratra. Maro koa no tsy mivoaka ny trano rehefa alina, ary tsy mamela ny zanany hilalao any an-tokotany na dia amin’ny antoandro aza, raha tsy misy mpanara-maso. Tsy dia afaka manao izay tiany àry ny olona, ary hoatran’ny hoe tsy ho voavaha mihitsy izany.

2 Fa inona no fototry ny olana? Nilaza i Satana tany Edena, hoe hanana ny tena fahafahana ny olona, raha manao izay tiany fa tsy manaraka izay lazain’i Jehovah. Voaporofo anefa fa lainga izany! Arakaraka ny tsy ankatoavan’ny olona an’Andriamanitra, no vao mainka mampitombo ny fijaliana. Ary misy vokany eo amin’ny mpanompon’i Jehovah izany. Manantena anefa isika fa tsy hanandevo antsika intsony ny ota sy ny fahalovana amin’ny hoavy, ka hanana “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” isika. (Rom. 8:21) Efa manomana antsika hahazo izany fahafahana izany i Jehovah ankehitriny.

3. Inona no lalàna omen’i Jehovah ny mpanompony, ary inona no fanontaniana hodinihintsika?

3 Inona no ataon’i Jehovah dieny ankehitriny mba hanampiana antsika hahazo an’ilay “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”? Omeny “ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana” isika. (Vakio ny Jakoba 1:25.) Antsoina hoe “lalàn’ny fahafahana” izy io ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta. Matetika ny olona no mihevitra hoe maneritery ny lalàna, fa tsy hoe manafaka antsika. Inona àry ilay hoe “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana”? Ary nahoana izy io no lazaina fa manafaka antsika?

LALÀNA MANAFAKA ANTSIKA

4. Inona ilay “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana”, ary iza no mandray soa amin’izy io?

4 Tsy ny Lalàn’i Mosesy ilay “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana.” Natao mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna mantsy ny Lalàn’i Mosesy, ary tanteraka tamin’i Kristy. (Mat. 5:17; Gal. 3:19) Inona àry ilay “lalàna tonga lafatra”? Antsoina koa izy io hoe “lalàn’i Kristy”, “lalàn’ny finoana”, ary “lalàn’ny olona afaka.” (Gal. 6:2; Rom. 3:27; Jak. 2:12) Midika izany fa ny zavatra rehetra takin’i Jehovah amintsika no atao hoe “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana.” Mandray soa amin’izy io daholo na ny voahosotra na ny “ondry hafa.”—Jaona 10:16.

5. Nahoana no tsy manavesatra antsika ilay lalàna mitondra fahafahana?

5 Tsy toy ny lalàn’ny fanjakan’olombelona ilay “lalàna tonga lafatra.” Tsy sarotra izy io sady tsy manavesatra. Didy tsotra sy toro lalana no ao anatiny. (1 Jaona 5:3) Hoy i Jesosy: “Mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:29, 30) Tsy lisitra mitanisa sazy be dia be koa io lalàna io. Mifototra amin’ny fitiavana mantsy izy io, ary voasoratra ao am-po sy ao an-tsaina, fa tsy voasoratra amin’ny vato toy ny Lalàn’i Mosesy.—Vakio ny Hebreo 8:6, 10.

AHOANA NO ANAFAHAN’ILAY LALÀNA ANTSIKA?

6, 7. Inona no azo lazaina momba ny fitsipik’i Jehovah, ary nahoana no manafaka antsika ny ‘lalàna mitondra fahafahana’?

6 Nataon’i Jehovah mba hahasoa sy hiarovana ny olombelona ny lalàna napetrany. Eritrereto, ohatra, ny lalàna voajanahary toy ny hery misinton’ny tany. Maratra isika raha tsy mankatò azy io ka mitsambikina avy eny ambony tafon-trano. Tsy mahatsiaro ho voateriterin’io lalàna io anefa ny olona, fa mankasitraka azy io kosa aza, satria fantatsika fa mahasoa izy io. Mahasoa toy izany koa ny fitsipik’i Jehovah hita ao amin’ny “lalàn’i Kristy”, izay tonga lafatra tokoa.

7 Tsy hoe miaro antsika fotsiny ilay lalàna mitondra fahafahana. Manafaka antsika koa izy io, satria mamela antsika hanatanteraka izay zavatra tsara irintsika, nefa tsy hanimba antsika na hanao tsinontsinona ny zon’ny hafa na ny fahafahany. Izany no tena fahafahana! Te hahazo ny tena fahafahana àry ve ianao? Raha tianao izany, dia mila miezaka ianao mba haniry zavatra tsara mifanaraka amin’ny toetran’i Jehovah sy ny fitsipiny. Midika izany fa mila mianatra ho tia izay tian’i Jehovah ianao, ary hankahala izay halany. Manampy anao hanao izany ilay lalàna mitondra fahafahana.—Amosa 5:15.

8, 9. Inona no soa azon’ireo mankatò ny ‘lalàna mitondra fahafahana’? Manomeza ohatra.

8 Tsy lavorary isika, ka sarotra amintsika ny mifehy ny fanirian-dratsy. Hahazo ny tena fahafahana anefa isika dieny izao, raha mankatò foana ny ‘lalàna mitondra fahafahana.’ Diniho izay nitranga tamin’i Jay, lehilahy iray mpifoka sigara. Fantany rehefa nianatra Baiboly izy, fa tsy tian’Andriamanitra ny mifoka sigara. Tsy maintsy nanapa-kevitra àry izy hoe mbola hanaiky hofehezin’ny faniriany ve izy, sa hankatò an’i Jehovah? Hendry izy satria nifidy ny hankatò an’i Jehovah, na dia tsapany aza fa te hifoka mafy izy indraindray. Inona no vokatr’izany? Hoy izy: “Faly be aho satria olona afaka aho izao!”

9 Tsapan’i Jay tamin’ny zavatra niainany fa manandevo ny fahafahana atolotr’ity tontolo ity, satria mahatonga ny olona ‘hifantoka amin’ny nofo.’ Tsapany kosa fa tsy mba toy izany ny fahafahana avy amin’i Jehovah. Mampirisika ny olona ‘hifantoka amin’ny fanahy’ izy io, ka manafaka ny olona, sy manampy azy ireo hahazo ny “fiainana sy fiadanana.” (Rom. 8:5, 6) Ahoana no nialan’i Jay tamin’ilay fahazarana manandevo? Tsy afaka niala tamin’ny heriny samirery izy, fa nahazo ny fanampian’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Nianatra Baiboly tsy tapaka aho, nivavaka mba hahazo ny fanahy masina, ary nangataka fanampiana tamin’ny fiangonana.’ Mila manao an’ireo koa isika, raha te hahazo ny tena fahafahana. Ahoana no hanaovana izany?

IANARO TSARA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

10. Inona no dikan’ny hoe “mijery tsara” ny lalàn’Andriamanitra?

10 Hoy ny Jakoba 1:25: ‘Izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana, ary maharitra amin’izany, dia ho sambatra rehefa mankatò.’ Ilay teny grika nadika hoe “mijery tsara” dia manana heviny hoe “miondrika mba handinika tsara ny zavatra iray”, izany hoe misy ezaka mafy atao amin’ilay izy. Raha tiantsika hisy heriny eo amin’ny saintsika sy ny fontsika àry ilay lalàna mitondra fahafahana, dia mila miezaka mafy isika mianatra ny Baiboly sy misaintsaina momba izay ianarantsika.—1 Tim. 4:15.

11, 12. a) Inona no nolazain’i Jesosy mba hampisehoana fa tokony hiaina mifanaraka amin’ny fahamarinana isika? b) Inona no tokony hohalavirintsika, indrindra fa ny tanora? (Jereo ny sary etsy ambony.)

11 Nilaza koa i Jakoba hoe mila “maharitra” isika, izany hoe mampihatra foana ny Tenin’Andriamanitra, ka miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana. Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany i Jesosy. Hoy izy: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:31, 32) Milaza ny boky iray fa ilay teny hoe ‘mahafantatra’ eo amin’io andininy io, dia midika koa hoe ‘mankasitraka zavatra iray satria mihevitra an’ilay izy ho zava-dehibe na sarobidy.’ Raha ‘mahafantatra’ tsara ny fahamarinana àry isika, dia mankasitraka azy io, ary raha mankasitraka azy io isika, dia hiaina mifanaraka amin’izy io. ‘Hiasa ao anatintsika ny tenin’Andriamanitra’ amin’izay, izany hoe hamolavola ny toetrantsika mba hahatonga antsika hanahaka kokoa an’ilay Raintsika any an-danitra.—1 Tes. 2:13.

12 Tokony handini-tena àry isika hoe: ‘Tena mahafantatra ny fahamarinana ve aho? Tena miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana ve aho, sa mbola maniry mafy hahazo ny fahafahana atolotr’ity tontolo ity?’ Hoy ny anabavy iray notezain’ny ray aman-dreny kristianina, rehefa nahatsiaro ny fahatanorany: “Efa anisan’ny fiainanao foana i Jehovah, raha teraka tao amin’ny fahamarinana ianao. Toy izany koa aho, nefa tsy tena nahafantatra an’i Jehovah. Tsy nianatra nankahala izay halany aho, ary tsy nino hoe misy vokany amin’i Jehovah izay ataoko. Tsy mba nitady fanampiana taminy koa aho rehefa nanana olana. Niantehitra tamin’ny fahaizako aho, ary fantatro izao fa hadalana izany satria tsy nahay na inona na inona aho.” Soa ihany fa takatr’io anabavy io hoe tena diso ny fomba fisainany, ary nanao fiovana lehibe izy. Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra mihitsy aza izy.

MANAMPY ANTSIKA HAHAZO NY TENA FAHAFAHANA NY FANAHY MASINA

13. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika mba hanana ny tena fahafahana?

13 Hoy ny 2 Korintianina 3:17: “Izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.” Nahoana no lazaina fa manampy antsika hanana ny tena fahafahana ny fanahy masina? Satria manampy antsika izy io mba hanana an’ireo toetra ilaina mba hahazoana fahafahana. Anisan’izany ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Gal. 5:22, 23) Tsy ho afaka hanana ny tena fahafahana ny olona, raha tsy manana an’ireo toetra ireo, indrindra fa ny fitiavana. Ary tena marina izany, satria izany no mahatonga an’ity tontolo ity tsy hanana ny tena fahafahana. Nilaza toy izao koa ny apostoly Paoly, rehefa avy nitanisa ny vokatry ny fanahy: “Tsy misy lalàna manohitra an’ireo.” Midika izany fa tsy misy lalàna afaka manakana ny fitomboan’ny vokatry ny fanahy. (Gal. 5:18) Ary na hisy aza izany lalàna izany, dia tsy hisy dikany, satria tian’i Jehovah hanana vokatry ny fanahy be dia be isika, ary hanana izany mandrakizay.

14. Nahoana no lazaina fa manandevo ny olona ny toe-tsain’ity tontolo ity?

14 Tia ny toe-tsain’ity tontolo ity ny olona maro, ary manaram-po amin’ny fanirian’ny nofony. Mihevitra izy ireny hoe olona afaka, nefa mifanohitra amin’izany no izy. (Vakio ny 2 Petera 2:18, 19.) Tsy maintsy manao lalàna sy fitsipika maro be ny fanjakana, mba hifehezana ny fanirian-dratsin’izy ireo sy ny zavatra ataony. Hoy i Paoly: “Tsy ho an’ny olo-marina no namoahana ny lalàna, fa ho an’ireo olona tsy tan-dalàna sy tsy manaiky hofehezina.” (1 Tim. 1:9, 10) Lasa andevon’ny ota koa ireny olona ireny, satria voatarika ‘hanao izay danin’ny nofony.’ Tompo tsy mifaditrovana anefa ny nofo. (Efes. 2:1-3) Toy ny bibikely mankao anaty ranon-tantely izy ireo, ka voafandrika tsy afa-miala. Mibaiko azy ireo ny fanirian’ny nofony, ka lasa andevon’ny ota izy ireo.—Jak. 1:14, 15.

NAHAZO NY TENA FAHAFAHANA ISIKA REHEFA LASA ANISAN’NY FIANGONANA

15, 16. Nahoana no sarobidy amintsika ny fiarahana amin’ny fiangonana, ary inona no tsapantsika rehefa eo anivon’ny fiangonana?

15 Tsy hoe nanao fangatahana ianao tamin’ny ianao niditra ho anisan’ny fiangonana kristianina, fa i Jehovah mihitsy no nitaona anao. (Jaona 6:44) Inona no nahatonga azy hanao izany? Noho ianao olo-marina sy matahotra an’Andriamanitra ve? Hamaly angamba ianao hoe: “Tsia!” Inona àry no hitan’i Jehovah taminao? Hitany hoe vonona hankatò an’ilay lalàna mitondra fahafahana ianao, ary vonona hanaiky ny tari-dalany. Nikarakara anao i Jehovah rehefa lasa anisan’ny fiangonana ianao. Nomeny sakafo ara-panahy ianao, nafahany tamin’ny lainga sy ny finoanoam-poanan’ny fivavahan-diso, ary nampianariny hanana ny toetran’i Kristy. (Vakio ny Efesianina 4:22-24.) Manana tombontsoa ianao vokatr’izany, satria anisan’ilay vahoaka tokana manana ny tena fahafahana.—Jak. 2:12.

16 Eritrereto ange izao e: Matahotra ve ianao, rehefa miaraka amin’ireo olona tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo? Ahoana rehefa mifampiresaka amin’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny Efitrano Fanjakana ianao? Tazoninao mafy ve ny kitaponao, sao dia hisy hisintona? Tsy izany mihitsy! Tsy manana ahiahy ianao, ka mahatsiaro ho olona afaka. Hoatr’izany ve no tsapanao, rehefa mamonjy fotoan-dehibe any an-toeran-kafa? Mazava ho azy fa tsia! Mbola vao santionan’ny fahafahana homen’i Jehovah amin’ny hoavy anefa ny fahafahana tsapantsika ankehitriny.

“NY FAHAFAHANA BE VONINAHITR’IREO ZANAK’ANDRIAMANITRA”

17. Nahoana no lazaina fa hahazo ny tena fahafahana isika, rehefa ‘haharihary ireo zanak’Andriamanitra’?

17 Homen’i Jehovah fahafahana hafa koa ny mpanompony eto an-tany amin’ny hoavy. Hoy i Paoly momba izany: “Ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra. ... Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Rom. 8:19-21) Ireo olona hiaina eto an-tany no antsoina hoe “zavaboary” eo, izany hoe ireo olona handray soa avy amin’ny “fampiharihariana” an’ireo zanak’Andriamanitra voahosotry ny fanahy. Hanomboka izany fampiharihariana izany, rehefa lasa any an-danitra ireo voahosotra, ka hiara-miasa amin’i Kristy handringana ny ratsy fanahy, ary hamonjy an’ireo “vahoaka be” hiaina eto an-tany.—Apok. 7:9, 14.

18. Ho afaka amin’ny inona avy isika amin’ny hoavy, ary inona no fahafahana ho azontsika amin’ny farany?

18 Hahazo fahafahana vaovao tanteraka ny olombelona amin’izay fotoana izay, satria ho afaka amin’ny fahefan’i Satana sy ny demonia. (Apok. 20:1-3) Tena ho faly tokoa isika amin’izay! Hampiasa ny vidim-panavotana ireo mpanjaka sady mpisorona 144 000 aorian’izay, ka hanafaka tsikelikely ny olombelona amin’ny ota sy ny tsy fahalavorariana. (Apok. 5:9, 10) Mbola hisy fahafahana lehibe anefa amin’ny farany. Izay olona tsy mivadika mandritra ny fitsapana farany, dia hahazo an’ilay “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” Tsy ho sarotra aminao intsony amin’izay ny hanao izay takin’Andriamanitra, satria ho lavorary ny vatanao ary hanana ny toetran’Andriamanitra ianao.

19. Inona no tsy maintsy ataontsika foana, raha tiantsika ny hahazo “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”?

19 Efa tsy andrinao ve izay hahazoana “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”? Raha izany, dia ataovy izay hahatonga ny fonao sy ny sainao hankatò an’ilay “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana.” Mianara tsara ny Soratra Masina. Ampiharo eo amin’ny fiainanao ny fahamarinana. Mivavaha mba hahazo ny fanahy masina. Miezaha mafy mba handray soa amin’ny sakafo ara-panahy sy amin’ny fiarahana amin’ny fiangonana. Mitandrema koa sao voafitak’i Satana toa an’i Eva, ka hieritreritra hoe maneritery be ny fitsipik’i Jehovah. Marina fa tena fetsy i Satana. Tsy voatery ho ‘voafitany’ anefa isika, satria “fantatsika ny teti-dratsiny.” Izany no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.—2 Kor. 2:11.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Mbola maniry mafy hahazo ny fahafahana atolotr’ity tontolo ity ve aho?

[Sary, pejy 9]

Tena miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana ve aho?