Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tanteraka ny Nofinofiko!”

“Tanteraka ny Nofinofiko!”

“Tanteraka ny Nofinofiko!”

Efa mpisava lalana maharitra i Emilia taloha, nefa tsy maintsy nijanona izy, 15 taona lasa izay. Matetika anefa izy no nahatsiaro ny fotoana nanompoany manontolo andro, ka nahatsapa fa sambatra izy tamin’izany. Naniry ho mpisava lalana indray àry izy.

Tsy afaka nanatanteraka ny faniriany anefa izy, satria nandany fotoana be ny asany. Nitaraina tamin’ny mpiara-miasa taminy àry izy, indray mandeha, hoe: “Tiako raha mba mihena ny ora iasako!” Ren’ny lehibeny izany, ka nanontany azy ilay lehibeny hoe tena marina ve ny teniny. Tsy nisalasala i Emilia namaly fa tena izany tokoa ny faniriany. Nila nanao fangatahana tany amin’ny mpampiasa azy anefa i Emilia, satria takin’ilay orinasa ny hiasan’ny mpiasa mandritra ny ora feno. Nivavaka izy talohan’ny handeha tany, mba hahatonga azy ho tony sy ho sahy hiteny.

Nahalala fomba i Emilia, nefa koa sahy nilaza ny heviny. Nilaza izy fa hampiasainy hanampiana ny hafa ny fotoana tsy hiasany. Hoy izy: “Vavolombelon’i Jehovah aho, ary manampy ny olona hianatra Baiboly. Maro ankehitriny no tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy, ka tena mila ny fahendrena avy ao amin’ny Baiboly izy ireo mba hanampy azy. Aza matahotra fa hataoko tsara foana ny asako. Te hanampy ny hafa bebe kokoa aho, ka izany no mahatonga ahy hangataka hampihena ny ora iasako.”

Nihaino tsara azy ilay mpampiasa, ary nilaza fa efa nieritreritra ny hanao asa soa koa izy taloha. Hoy izy avy eo: “Ekeko ny fangatahanao, noho ireo antony nolazainao teo. Takatrao ve anefa fa hihena ny karamanao?” Nilaza i Emilia fa fantany izany, fa hanatsotra ny fiainany izy raha ilaina. Hoy koa izy: “Ny tena zava-dehibe amiko dia ny manampy ny hafa.” Nilaza àry ilay mpampiasa azy hoe: “Tena deraiko ny olona mahafoy fotoana mba hanampiana ny hafa.”

Mbola tsy nisy mpiasa navela hanao toa an’i Emilia mihitsy tao amin’ilay orinasa. Efatra andro isan-kerinandro fotsiny izy no miasa. Gaga koa izy fa nasondrotra aza ny karamany. Hoy izy: “Tanteraka ny nofinofiko! Afaka manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra indray aho izao!”

Efa nieritreritra ny hanitsy ny fiainanao ve ianao mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana? Na raha efa mpisava lalana ianao taloha, afaka miverina manao azy io indray ve ianao izao?

[Teny notsongaina, pejy 32]

Nilaza ilay mpampiasa azy hoe: “Tena deraiko ny olona mahafoy fotoana mba hanampiana ny hafa.”