Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Handray Valisoa Ianareo Amin’izay Ataonareo”

“Handray Valisoa Ianareo Amin’izay Ataonareo”

“Handray Valisoa Ianareo Amin’izay Ataonareo”

NITARIKA ny tafiny handeha hiady i Asa Mpanjaka, indray mandeha. Avy any amin’ny tendrombohitr’i Jodia izy ireo, ary ho any amin’ny lemaka any amoron-tsiraka. Nandeha mafy izy ireo nidina ny lohasaha iray, kanefa nijanona tampoka i Asa teo amin’ny toerana malalaka iray. Taitra izy nahita an’ireo tafika etiopianina maro be nitoby terỳ ambany terỳ. Angamba iray tapitrisa izy ireo, nefa antsasak’izany ny tafiny.

Inona no nataon’i Asa raha vao nahita an’izany? Hanome baiko ny jeneraliny ve? Sa hampahery ny miaramilany? Sa hanoratra ho an’ny fianakaviany? Tsia. Nivavaka izy.

Hojerentsika hoe olona nanao ahoana i Asa, alohan’ny handinihantsika ny vavaka nataony sy izay nitranga tamin’io andro io. Inona no nahatonga azy hivavaka? Mety ve ny ninoany hoe hanampy azy i Jehovah? Ahoana no fomba itahian’i Jehovah ny mpanompony, rehefa jerena ny tantaran’i Asa?

OLONA NANAO AHOANA I ASA?

Feno fanompoan-tsampy tao Joda nandritra ny 20 taona, taorian’ny nizaran’ny Israely ho fanjakana roa. Izany no niainan’i Asa, rehefa lasa mpanjaka izy tamin’ny 977 T.K. Nanompo sampy na dia ny olona tao amin’ny fitondrana aza. Nivavaka tamin’ny andriamanitry ny fiterahana, nivavahan’ny Kananita, izy ireo. I Asa kosa anefa ‘nanao izay tsara sy mahitsy teo imason’i Jehovah Andriamaniny. Nesoriny ireo alitaran’ny firenen-kafa sy ireo toerana avo, nopotehiny ireo tsangambato masina, ary nokapainy ireo tsato-kazo masina.’ (2 Tan. 14:2, 3) Nesoriny tao amin’ny fanjakan’ny Joda koa “ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly”, izay nanao firaisana tamin’ny lehilahy (anisan’ny fanao tamin’ny fotoam-pivavahan’izy ireo izany). Tsy hoe nanala ny fivavahan-diso fotsiny anefa i Asa. Nampirisika ny olona koa izy mba “hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razany”, ka ‘hankatò ny lalàny sy ny didiny.’—1 Mpanj. 15:12, 13; 2 Tan. 14:4.

Faly tamin’ny zotom-pon’i Asa i Jehovah, ka nataony niadana ny mponin’i Joda. Afaka nilaza àry i Asa hoe: ‘Efa nitady an’i Jehovah Andriamanitsika isika. Eny, efa nitady azy, ka nataony mandry feizay eo anivon’ny fahavalontsika rehetra manodidina.’ Nanararaotra izany izy ireo, ka nanamafy ny mandan’ireo tanàna eran’ny fanjakan’ny Joda. Milaza ny Baiboly hoe: “Nanorina izy ireo ka nahavita izany soa aman-tsara.”—2 Tan. 14:1, 6, 7.

NY ZAVA-NITRANGA REHEFA NANDEHA NIADY

Tsy tokony ho gaga àry isika hoe nahoana i Asa no nivavaka, rehefa hifanandrina tamin’ilay tafika lehibe indrindra voaresaka ao amin’ny Baiboly. Fantany fa mamaly soa an’izay mino azy Andriamanitra. Fantany fa handresy izy, na maro sy mahery aza ny fahavalony, raha miantehitra amin’i Jehovah izy ary mahazo ny fanampiany. Fantatr’i Asa koa fa hisy vokany eo amin’ny anaran’i Jehovah ilay ady. Nivavaka àry izy hoe: “Ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, fa ianao no ianteheranay, ary amin’ny anaranao no ahatongavanay eto hiady amin’io vahoaka io. Jehovah ô, ianao no Andriamanitray! Aza avela handresy anao ny olombelona mety maty.” (2 Tan. 14:11) Toy ny nilaza i Asa teo hoe: ‘Manafika anao ny Etiopianina, Jehovah ô! Aza avela handresy an’ireo mpanomponao ny olombelona malemy, ary aza avela hanala baraka ny anaranao.’ Inona no vokany? “Nataon’i Jehovah resy teo anoloan’i Asa sy ny Joda ny Etiopianina, ka nandositra.”—2 Tan. 14:12.

Miatrika fahavalo mahery maro koa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Tsy fiadiana ara-bakiteny anefa no hoentintsika manohitra azy ireny, fa fiadiana ara-panahy. Ataon’i Jehovah mandresy isika raha tsy mivadika aminy sy miaro ny anarany. Mila miady mafy angamba isika mba handresena ny toe-tsain’ity tontolo ity, na mba hiarovana ny fianakaviantsika amin’ny lafiny ara-panahy, na mba handresena ny fahalementsika. Mampahery antsika anefa ny vavak’i Asa, na inona na inona olana atrehintsika. I Jehovah no nanome fandresena an’i Asa, ka afaka mandresy koa isika raha miantehitra aminy. Tsy misy olana tsy resin’i Jehovah, satria izy no mahery indrindra!

FAMPAHEREZANA SY FAMPITANDREMANA

Nihaona tamin’i Asa i Azaria mpaminany, rehefa niverina avy niady izy. Sady nampahery an’i Asa izy no nampitandrina azy. Hoy izy: “Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra! Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo. Ary raha mitady azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy, fa raha mahafoy azy kosa, dia hafoiny koa. ... Mahereza ianareo, ary aza miraviravy tanana, fa handray valisoa ianareo amin’izay ataonareo.”—2 Tan. 15:1, 2, 7.

Manatanjaka ny finoantsika ireo teny ireo. Hita avy amin’ireo fa homba antsika foana i Jehovah, raha tsy mivadika isika. Hihaino antsika izy, rehefa mitalaho fanampiana isika. Nilaza koa i Azaria hoe “mahereza”, izany hoe manàna herim-po. Mitaky herim-po ny fanaovana ny marina matetika, nefa ho vitantsika izany noho ny fanampian’i Jehovah.

Nanana “sampy mahatsiravina” i Maka reniben’i Asa, mba “hivavahana tamin’ny tsato-kazo masina.” Nesorin’i Asa tsy ho “andriambavy” izy noho izany, na dia mafy tamin’i Asa aza izany. Nodorany koa ilay sampy. (1 Mpanj. 15:13) Notahin’i Jehovah i Asa noho izy be herim-po sy nanao ny tsara. Mila manaraka ny fitsipik’i Jehovah foana koa isika, na dia mivadika amin’i Jehovah aza ny mpianakavintsika. Homeny valisoa isika raha manao izany.

Nahazo valisoa maro i Asa. Anisan’izany ny hoe nahita an’ireo Israelita maro be avy any amin’ny fanjakana nivadi-pinoana tany avaratra, nifindra nankany amin’ny fanjakan’ny Joda. Hitan’ireo Israelita ireo fa nanampy an’i Asa i Jehovah. Tia ny fivavahana marina izy ireo, ka naleony niala tany amin’ny taniny mba hiaraka amin’ny mpanompon’i Jehovah. “Nanao fifanekena” i Asa sy ny mponin’i Joda, tatỳ aoriana, hoe ‘hitady an’i Jehovah amin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo.’ Inona no vokatr’izany? “Nataon’Andriamanitra izay hahitan’izy ireo azy. Ary nataon’i Jehovah nandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina izy ireo.” (2 Tan. 15:9-15) Faly koa isika rehefa misy olona tia ny fahamarinana ka manaraka ny fivavahana marina!

Tadidio koa anefa fa nampitandrina i Azaria hoe: ‘Raha mahafoy an’i Jehovah ianareo, dia hafoiny koa.’ Tsy tokony hahafoy an’i Jehovah mihitsy isika, satria ho loza ny vokany. (2 Pet. 2:20-22) Tsy lazain’ny Soratra Masina hoe nahoana i Jehovah no nampitandrina an’i Asa. Lazainy kosa hoe tsy nanaraka an’ilay fampitandremana izy.

“HADALANA MIHITSY IZANY NATAONAO IZANY”

Nanafika an’i Joda i Basa mpanjakan’ny Israely, tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asa. Tsy tiany ho any amin’i Asa angamba ny vahoakany, sady tsy tiany hanaraka ny fivavahana marina, ka nohamafisiny ny mandan’ny tanànan’i Rama, izay valo kilaometatra avaratr’i Jerosalema. Ahoana no nataon’i Asa? Nila vonjy tamin’ny Syrianina izy, fa tsy nangataka ny fanampian’i Jehovah toy ny nataony tamin’ny Etiopianina. Notambazany fanomezana ny mpanjakan’i Syria mba hanafika ny fanjakan’i Basa. Niala tao Rama i Basa rehefa nanafika azy ny Syrianina.—2 Tan. 16:1-5.

Tsy faly tamin’i Asa i Jehovah. Tokony ho nandray fianarana i Asa rehefa nandresy an’ireo Etiopianina. Tokony ho takany hoe ‘mijery eny rehetra eny manerana ny tany ny mason’i Jehovah, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.’ Nisy nanome torohevitra ratsy angamba i Asa, na nihevitra fa tsy tena nampahatahotra ny tafik’i Basa, ka tsy mila ny fanampian’i Jehovah izy. Na ahoana na ahoana, dia niantehitra tamin’ny olombelona izy fa tsy tamin’i Jehovah. Nasain’i Jehovah nilaza taminy àry i Hanany mpaminany hoe: “Hadalana mihitsy izany nataonao izany, ka hisy hiady aminao foana manomboka izao.”—2 Tan. 16:7-9.

Tezitra be i Asa rehefa nandre izany, ka nogadrainy i Hanany. (2 Tan. 16:10) Nihevitra ve i Asa hoe tsy tokony hotenenina mafy toy izany izy satria efa tsy nivadika nandritra ny taona maro? Sa tsy nisaina tsara intsony izy, satria efa nihantitra? Tsy haintsika ny valiny satria tsy milaza izany ny Baiboly.

Nisy narary teo amin’ny tongotr’i Asa, tatỳ aoriana, tamin’ny taona faha-39 nanjakany, ka narary mafy izy. “Na dia tamin’izay aza anefa, dia tsy nitady an’i Jehovah izy, fa nitady mpanasitrana.” Toa tsy dia tsara intsony ny fifandraisany tamin’i Jehovah, ary toa izany foana, mandra-pahafatiny tamin’ny taona faha-41 nanjakany.—2 Tan. 16:12-14.

Na izany aza, dia ny toetra tsarany sy ny zotom-pony tamin’ny fivavahana marina no tsaroan’i Jehovah, fa tsy ny fahadisoany. Tsy nitsahatra nanompo an’i Jehovah i Asa. (1 Mpanj. 15:14) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantarany? Tsara ny hitadidiantsika ny fomba nanampian’i Jehovah antsika tamin’ny lasa, satria izany no handrisika antsika hangataka ny fanampiany rehefa misy fitsapana vaovao. Tsy tokony hihevitra koa isika hoe tsy mila ny torohevitry ny Soratra Masina, satria hoe efa nanompo nandritra ny taona maro. Na inona na inona fanompoana vitantsika, dia hanitsy antsika i Jehovah raha manao fahadisoana isika. Tokony hanetry tena isika ka hanaiky ny fanitsiany, mba handraisantsika soa. Ny tena zava-dehibe dia hoe homba antsika i Jehovah, raha tsy mivadika aminy mihitsy isika. Mijery manerana ny tany izy, mba hitady an’izay tsy mivadika aminy. Hampiasa ny heriny izy mba hanampiana antsika raha tsy mivadika isika. Nanao izany izy tamin’i Asa, ka afaka manao izany amintsika koa.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Mamaly soa an’ireo miady mafy mba tsy hivadika aminy i Jehovah

[Teny notsongaina, pejy 10]

Ilaina ny herim-po mba hanaovana ny tsara