Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Homba Anareo Aho’

‘Homba Anareo Aho’

‘Homba Anareo Aho’

“Maro no handinika lalina, ka hitombo be ny tena fahalalana.”—DAN. 12:4.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Nahoana no mazava tsara ankehitriny ny “tena fahalalana” ao amin’ny Baiboly?

Nahoana no lasa “maro” ny olona nandray ny fahamarinana?

Ahoana no nahatanteraka an’ilay hoe “hitombo be ny tena fahalalana”?

1, 2. a) Nahoana isika no matoky fa hanampy antsika foana i Jesosy? b) Inona no vokatry ny fandinihana lalina ny Soratra Masina, araka ny Daniela 12:4?

ALAO sary an-tsaina ny tenanao ao amin’ny Paradisa. Havitribitrika ianao isaky ny mifoha maraina, ary ho vonona hiatrika ny andro manontolo. Tsy harary intsony ianao, ary tsy hahatsiaro manaintaina. Hiasa tsara koa ny vavahadin-tsainao rehetra, ka hahita tsara ny masonao, handre tsara ny sofinao, ho fantatrao tsara izay zavatra tsapainao, ho renao tsara ny fofona sy ny tsiron-javatra. Hatanjaka be koa ianao, hahafinaritra anao ny asanao, hana-namana maro ianao, ary tsy hitebiteby intsony. Izany no fitahiana miandry anao rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitahy ny olombelona i Jesosy Kristy Mpanjaka amin’izay, ary hataony azo antoka hoe hahafantatra an’i Jehovah ny olon-drehetra.

2 Hanampy ny mpanompony i Jehovah amin’izay fotoana izay, eo amin’ny asa fampianarana atao maneran-tany. Efa nanampy ny mpanompony foana i Jehovah sy ny Zanany hatramin’izay. Mbola nilaza aza i Jesosy, talohan’ny hiakarany tany an-danitra, hoe “homba” ny mpianany foana izy. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Mba hanampiana antsika hatoky an’io tenin’i Jesosy io, dia hodinihintsika ny faminaniana iray nosoratan’i Daniela tany Babylona, 2 500 taona lasa izay. Hoy izy, momba ny androntsika: “Maro no handinika lalina, ka hitombo be ny tena fahalalana.” (Dan. 12:4) Hitantsika avy amin’io faminaniana io fa hahazo fitahiana lehibe ireo olona mandinika lalina ny Soratra Masina. Hahazo ny “tena fahalalana” izy ireo, izany hoe hahafantatra ny marina avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Milaza koa ilay faminaniana fa ho maro ny olona handray an’io fahalalana io. “Hitombo be ny tena fahalalana”, ka ho afaka hahafantatra azy io ny olona rehetra hatraiza hatraiza. Hodinihintsika ny fomba nahatanterahan’io faminaniana io, mba hahatonga antsika hiaiky fa momba ny mpianany i Jesosy ankehitriny, ary hotanterahin’i Jehovah ny fampanantenany rehetra amin’ny hoavy.

NAZAVA NY “TENA FAHALALANA”

3. Nanao ahoana ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra taorian’ny nahafatesan’ny apostoly?

3 Efa voalaza mialoha fa hisy ny fivadiham-pinoana, rehefa maty ny apostoly. Nitranga tokoa izany, ary niely haingana be. (Asa. 20:28-30; 2 Tes. 2:1-3) Takona tanteraka ny “tena fahalalana” ny Tenin’Andriamanitra, nandritra ny taonjato maro, ka tsy nahalala ny marina intsony na dia ireo nilaza azy ho Kristianina aza. Nilaza ho mino ny Soratra Masina ireo mpitondra fivavahana, nefa nampianatra lainga manala baraka an’Andriamanitra, dia “fampianaran’ny demonia.” (1 Tim. 4:1) Tao anatin’ny haizina ara-panahy ny olona, vokatr’izany. Nampianarina azy ireo fa Telo Izay Iray Andriamanitra, tsy mety maty ny fanahy, ary hampijalijalina any amin’ny afobe ny fanahin’ny olona sasany.

4. Ahoana no nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly, mba hikarohana ny fahamarinana?

4 Niova anefa izany tamin’ny 1870, izany hoe 40 taona teo ho eo talohan’ny nanombohan’ny “andro farany.” Nisy Kristianina vitsivitsy tany Pennsylvanie, any Etazonia, niara-nandalina ny Baiboly sy nikaroka ny fahamarinana. (2 Tim. 3:1) Nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly ireo olona tso-po ireo. Nanetry tena izy ireo, ary tena naniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Midika izany fa tsy izy ireo mihitsy ireo olona nolazain’i Jesosy hoe ‘hendry sy mahira-tsaina’ hanafenana ny fahamarinana. (Mat. 11:25) Namaky tsara ny Baiboly izy ireo, niara-nandinika sy nisaintsaina izay novakiny, ary nivavaka mba hahazo ny tari-dalan’i Jehovah. Nampitahain’izy ireo koa ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly, ary nodinihiny ny fanazavan’ny olon-kafa efa nanao fikarohana. Takatr’izy ireo tsikelikely àry ireo fahamarinana takona nandritra ny taonjato maro.

5. Inona no tanjon’ny Mpianatra ny Baiboly, rehefa namoaka an’ilay taratasy mivalona hoe Teolojia Taloha?

5 Tena faly tamin’izay nianarany ny Mpianatra ny Baiboly, kanefa tsy nirehareha izy ireo. Niaiky izy ireo fa efa tao amin’ny Baiboly foana ny zavatra nianarany, fa tsy hoe nahita zava-baovao izy ireo. (1 Kor. 8:1) Namoaka karazana taratasy mivalona maromaro àry izy ireo, ka nampitondrainy ny lohateny hoe Teolojia Taloha, izany hoe ny fampianarana voalohany. Ny tanjon’izy ireo, dia ny hampahafantatra ny olona ny fahamarinana efa ao amin’ny Baiboly. Voalaza tao amin’ilay taratasy mivalona voalohany hoe ‘afaka manafatra boky ny olona mba hianarany Baiboly. Ho afaka hiala amin’ny fomba amam-panao diso izy ireo amin’izay, ka hanaraka ny teolojia taloha, izany hoe ny fampianaran’i Jesosy sy ny apostoly.’—Teolojia Taloha (anglisy), No. 1, Aprily 1889, p. 32.

6, 7. a) Inona avy no fahamarinana takatsika nanomboka tamin’ny 1870? b) Inona no fahamarinana tena tianao indrindra?

6 Maro ny fahamarinana sarobidy fantatsika, nanomboka tamin’ny 1870. * Tsy mankaleo izy ireny, ary tsy hoe hevitra be fotsiny. Tena manatsara ny fiainantsika kosa izy ireny, mahasambatra antsika, ary mahatonga antsika hanana fanantenana. Lasa mahafantatra ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany koa isika, rehefa mianatra ny fahamarinana. Takatsika koa hoe inona no anjara asan’i Jesosy, nahoana izy no tonga tetỳ an-tany sy maty, ary inona no ataony izao. Fantatsika koa hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy, nahoana isika no maty, ahoana no fomba tokony hivavahantsika, ary ahoana no ahitana ny tena fahasambarana.

7 Maro ny faminaniana nohazonina ho “zava-miafina”, kanefa tanteraka amin’izao andro farany izao. Faly isika satria takatsika izy ireny. (Dan. 12:9) Takatsika ny faminaniana ao amin’ny Filazantsara sy ny Apokalypsy. Nampian’i Jehovah aza isika hahatakatra an’ireo zava-nitranga tsy hitan’ny masontsika. Anisan’izany ny naha lasa Mpanjaka an’i Jesosy, ny ady nitranga tany an-danitra, ary ny nanipazana an’i Satana tetỳ an-tany. (Apok. 12:7-12) Nampiany koa isika hahafantatra ny dikan’ireo zavatra hitantsika. Fantatsika hoe nahoana no misy ny ady, horohoron-tany, areti-mandringana, mosary, ary nahoana ny olona no tsy matahotra an’Andriamanitra ka lasa ‘sarotra’ ny fiainana sady “tsy mora setraina.”—2 Tim. 3:1-5; Lioka 21:10, 11.

8. Iza no tokony hankasitrahantsika noho ireo zavatra hitantsika sy rentsika?

8 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo ankehitriny fa tsy nahita, sy naniry handre izay renareo ankehitriny fa tsy nahare.” (Lioka 10:23, 24) Misaotra an’i Jehovah isika ankehitriny satria afaka ‘mahita’ sy ‘mandre’ toa an’ireo mpianatr’i Jesosy, izany hoe mahatakatra ny fahamarinana. Faly koa isika fa nahazo “mpanampy”, dia ny fanahy masina, mba hitari-dalana antsika “ho amin’ny fahamarinana rehetra.” (Vakio ny Jaona 16:7, 13.) Tokony hankamamiantsika foana àry ny fahamarinana, ary tsy ho tia tena isika fa hizara izany amin’ny hafa.

“MARO” NO NANDRAY NY “TENA FAHALALANA”

9. Inona no antso nalefa tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aprily 1881?

9 Nisy antso hoe mitady mpitory 1 000, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aprily 1881, izany hoe herintaona mahery kely taorian’ny nisian’ny Tilikambo Fiambenana. Nasaina izay mpitory afaka manompo bebe kokoa mba hirotsaka ho mpisava lalana. Nampirisihina izy ireo hitory any amin’ny toerana rehetra, mba hitady an’ireo olona tia an’Andriamanitra nefa tsy mahalala ny fahamarinana. Nasaina koa izy ireo mba hampianatra an’ireny olona ireny ny marina momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly.

10. Inona no vokatr’ilay antso hoe mitady mpitory arivo?

10 Hita avy amin’io antso io fa takatry ny Mpianatra ny Baiboly hoe ny fitoriana ny vaovao tsara no asa lehibe indrindra tokony hataon’ny Kristianina. Tena be fanantenana izy ireo rehefa nanao an’ilay antso hoe mitady mpitory arivo, satria vao zato monja ny mpanatrika fivoriana tamin’izany. Maro tamin’ireo olona namaky gazety na taratasy mivalona anefa no niaiky fa nahita ny fahamarinana, ka namaly an’ilay antso. Namaky Tilikambo Fiambenana iray sy bokikely iray, ohatra, ny olona iray tany Londres, tamin’ny 1882. Nanoratra izy hoe: “Mba atoroy ahy ny fomba fitory sy ny hafatra hotorina, mba handraisako anjara amin’ilay asa mahafinaritra tian’Andriamanitra hatao.”

11, 12. a) Inona no itovizantsika amin’ireo mpisava lalana fahiny? b) Ahoana no nataon’ny mpisava lalana fahiny mba hanorenana fiangonana na “kilasy”?

11 Nisy 300 teo ho eo ny mpisava lalana tamin’ny 1885. Mitovy amin’ny tanjontsika ihany ny tanjon’izy ireo, dia ny hanampy ny olona ho lasa mpianatr’i Jesosy. Tsy mitovy anefa ny fomba fiasa. Ampianarina tsirairay any an-tranony ny olona ankehitriny, ary asaina hivory hiaraka amin’ny fiangonana efa misy. Tsy toy izany anefa taloha: Omen’ny mpisava lalana boky ny olona, ary tsy ampianariny tsirairay izay olona liana, fa miaraka ampianarina. Ireny olona maromaro, miara-mianatra, ireny no lasa nantsoina hoe “kilasy”, izany hoe fiangonana.

12 Nanao ezaka manokana tao amin’ny tanàna iray, ohatra, ny mpisava lalana vitsivitsy, tamin’ny 1907. Notadiavin’izy ireo hoe iza ny olona efa nanana an’ilay boky hoe Fiandohan’ny Arivo Taona (izay antsoina koa hoe Fianarana ny Soratra Masina). Nanao tatitra Ny Tilikambo Fiambenana hoe: ‘Novorin’izy ireo tao an-tranon’ny olona liana ireny olona ireny, indray alahady. Nohazavaina tamin’izy ireo ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona, ka naharitra tontolo andro izany. Nivory toy izany koa izy ireo ny alahady nanaraka, ary nasaina nanao fivoriana tsy tapaka izy ireo nanomboka teo.’ Novana ny fomba fiasa tamin’ny 1911. Nisy mpiandraikitra mpitety faritany 58 nasaina nanao lahateny nanerana an’i Etazonia sy Kanada. Nalain’izy ireo ny anarana sy ny adiresin’ireo olona liana, tonga nanatrika an’ilay lahateny. Nozarazarainy hivory tamin’ny tranon’ny olona liana maromaro izy ireo, ka lasa nisy “kilasy” maromaro niforona. Nisy fiangonana 1 200 maneran-tany, tamin’ny 1914.

13. Inona no tena mampiaiky anao momba ny asa fitoriana?

13 Misy fiangonana 109 400 eo ho eo izao maneran-tany, ary misy mpisava lalana 895 800 eo ho eo. Efa ho valo tapitrisa ny olona mahazo ny “tena fahalalana” avy ao amin’ny Baiboly, ary mampihatra izany eo amin’ny fiainany. (Vakio ny Isaia 60:22.) * Tena mampiaiky izany, satria nilaza i Jesosy fa “ho halan’ny olona rehetra” ny mpanara-dia azy, noho ny anarany. Nilaza koa izy fa henjehina izy ireo, hogadraina, ary hovonoina mihitsy aza. (Lioka 21:12-17) Manohitra antsika vahoakan’i Jehovah i Satana sy ny demoniany, ary manenjika antsika ny olona maro, nefa tena mandroso be ny asa fitoriana. Mitory “maneran-tany” isika ankehitriny, any amin’ny faritra faran’izay mafana ka hatrany amin’ny faritra faran’izay mangatsiaka. Mitory any an-tany efitra koa isika, any an-tendrombohitra, any an-tanàn-dehibe, ary any ambanivohitra lavitra indrindra. (Mat. 24:14) Tsy vita izany rehetra izany raha tsy ampian’Andriamanitra!

‘NITOMBO BE NY TENA FAHALALANA’

14. Ahoana no ‘nitomboan’ny fahalalana’, tamin’ny alalan’ny boky sy gazety?

14 ‘Nitombo be ny tena fahalalana’, noho ny asan’ireo mpitory maro be. ‘Nitombo be’ koa ny “tena fahalalana” noho ireo boky sy gazety. Tamin’ny Jolay 1879 no natao pirinty voalohany ity gazety ity, ary nantsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy. Orinasa nokaramaina no nanao azy io. Niisa 6 000 no natao pirinty, ary mbola tamin’ny teny anglisy fotsiny izany. I Charles Russell, izay 27 taona tamin’izay, no notendrena ho mpiandraikitra ny famoahana azy io, ary rahalahy matotra dimy no mpanoratra an’ireo lahatsoratra. Adika amin’ny fiteny 195 Ny Tilikambo Fiambenana ankehitriny. Izy io no gazety miely indrindra eran-tany, satria misy 42 182 000 no indray mivoaka. Ny gazety Mifohaza! no manarakaraka azy, satria miisa 41 042 000 no indray mivoaka, ary vita amin’ny fiteny 84 izany. Misy boky sy Baiboly zato tapitrisa eo ho eo koa atao pirinty isan-taona.

15. Ahoana no ahazoana vola anaovana pirinty ny bokintsika?

15 Avy amin’ny fanomezana an-tsitrapo ny vola anaovana izany asa goavana izany. (Vakio ny Matio 10:8.) Mampiaiky an’ireo orinasa mpanao pirinty izany, satria fantatr’izy ireo fa lafo ny milina fanaovana pirinty, ny taratasy, ny ranomainty, ary ny fitaovana hafa. Hoy ny Betelita iray mpividy entana ho an’ny Betela: “Gaga ny mpandraharaha rehefa mitsidika ny fanontam-pirintintsika, satria tena avo lenta ireo milina ampiasaintsika sady mahavita pirinty be dia be, nefa fanomezana an-tsitrapo no ividianana ny zava-drehetra. Gaga koa izy ireo hoe falifaly erỳ ny Betelita sady be dia be ny tanora.”

HO FENO FAHALALANA AN’I JEHOVAH NY TANY

16. Nahoana no nataon’i Jehovah nitombo be ny “tena fahalalana”?

16 Nataon’i Jehovah nitombo be ny “tena fahalalana”, satria tiany ‘hovonjena ny karazan’olona rehetra’, ary tiany ‘hahalala tsara ny fahamarinana.’ (1 Tim. 2:3, 4) Ho afaka hanompo azy amin’ny fomba ankasitrahany ny olona rehefa mahalala ny marina, ka handray fitahiana. Afaka nanangona an’ireo sisa voahosotra i Jehovah, rehefa nazava ny “tena fahalalana” ao amin’ny Baiboly. Afaka nanangona an’ireo “vahoaka be” koa izy, dia ireo olona maro be ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’, izay manantena hiaina eto an-tany.—Apok. 7:9.

17. Midika ho inona ho antsika ny fandrosoan’ny fivavahana marina?

17 Nandroso be ny fivavahana marina nandritra izay 130 taona izay, ary nihamaro be ny mpanompon’i Jehovah. Midika izany fa ‘momba’ antsika i Jehovah sy Jesosy Kristy Mpanjaka, ka mitarika sy miaro antsika, ary mandamina sy mampianatra antsika. Midika koa izany fa tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah amin’ny hoavy. “Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9) Eritrereto ange ny fitahiana ho azon’ny olombelona amin’izany fotoana izany e!

[Fanamarihana ambany pajy]

^ feh. 6 Handray soa ianao raha mijery ny fizarana voalohany sy faharoa amin’ilay DVD hoe Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 6]

Nanetry tena ireo Mpianatra ny Baiboly voalohany, ary tena naniry hanao ny sitrapon’Andriamanitra

[Sary, pejy 7]

Sarobidy amin’i Jehovah ny ezaka ataonao, mba hampielezana ny “tena fahalalana” an’Andriamanitra