Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Momba ny Fivoriana Fanao Isan-taona

Miray Saina Isika ary Manana Tetikasa Mahatalanjona

Miray Saina Isika ary Manana Tetikasa Mahatalanjona

MAHAFINARITRA be foana ny fivoriana fanao isan-taona, alamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Anisan’izany ilay fivoriana faha-127, natao ny asabotsy 1 Oktobra 2011. Olona avy any amin’ny tany samihafa no nasaina hanatrika azy io, tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah any New Jersey, Etazonia.

I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanomboka ny fandaharana. Niarahaba an’ireo mpanatrika avy any amin’ny tany 85 teo ho eo izy, ary nilaza fa tena miavaka ny firaisan-tsaina nisy tamin’izay. Fitoriana vita ho azy izany, hoy izy, ary manome voninahitra an’i Jehovah. Noresahina imbetsaka io firaisan-tsaina io nandritra ilay fivoriana.

TATITRA MAMPAHERY AVY ANY MEKSIKA

Nanasongadina ny firaisan-tsain’ny vahoakan’i Jehovah ny fizarana voalohany tamin’ny fandaharana. Nanadinadina rahalahy telo avy any amin’ny Betelan’i Meksika i Baltasar Perla, izay Betelita any koa. Noresahin’izy ireo ny fiovana nisy rehefa natambatra tamin’ny sampan’i Meksika ny sampana enina tany Amerika Afovoany. Nifindra ao amin’ny Betelan’i Meksika ny Betelita tany amin’ireny sampana ireny, ka lasa misy kolontsaina maro ao amin’ny Betelan’izy ireo. Mifandray tsara ny rehetra ary mifampahery. Toy ny hoe naka gaoma ngezabe Andriamanitra, ka namafa ny sisin-tany mampisaraka azy ireo.

Nanampy an’ireo mpitory any Amerika Afovoany anefa i Meksika mba tsy hahatonga azy ireo hieritreritra hoe tafasaraka amin’ny fandaminana. Nataon’izy ireo izay hahafahan’ireo fiangonana any hifandray amin’ny sampan’i Meksika amin’ny alalan’ny Internet. Na ireo any amin’ny toerana mitokana aza, dia afaka mifandray mivantana amin’ny sampana.

VAOVAO AVY ANY JAPON

Nanao tatitra momba ilay horohoron-tany sy tsunami tany Japon tamin’ny Martsa 2011 i James Linton, avy ao amin’ny sampan’i Japon. Nilaza izy fa maro ny Vavolombelona namoy havana sy fananana. Nanampy azy ireo anefa ireo rahalahy tany amin’ny faritra tsy tratran’ny loza. Nahita trano 3 100 mahery izy ireo mba hipetrahan’ireo mpiara-manompo tra-boina, ary nampindrana azy ireo fiara an-jatony. Niasa tsy an-kiato, nanamboatra ny tranon’ireo rahalahy ny mpiasa an-tsitrapo nalefan’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana. Nisy mpiasa an-tsitrapo 1 700 mahery koa ankoatra an’ireo, ary nisy 575 hafa nanamboatra Efitrano Fanjakana simba, ka anisan’izany ny ekipa iray avy any Etazonia.

Nisy zavatra maro koa natao hampaherezana an’ireo rahalahy sy hanatanjahana ny finoany. Nisy anti-panahy 400 mahery nitsidika azy ireo. Nisy rahalahy roa mpiandraikitra mpitety sampana koa tonga avy any amin’ny foibe, ka hita hoe tena miahy ny vahoakan’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana. Nampahery azy ireo koa ny nahalala hoe nahatsiaro azy ireo ny mpiray finoana maneran-tany.

FANDRESENA TENY AMIN’NY FITSARANA

Nanongilan-tsofina ny mpanatrika, rehefa nanao tatitra momba ny fandresena azontsika i Stephen Hardy, avy any amin’ny sampan’i Grande-Bretagne. Anisan’izany ny tany Frantsa. Nitaky hetra 82 tapitrisa dolara (na 164 000 tapitrisa ariary mahery) tamin’ny fikambanantsika any Frantsa ny fanjakana frantsay. Nanome rariny antsika anefa ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Nilaza izy io fa tsy nohajain’ny fanjakana frantsay ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, izay milaza fa manana zo hanaraka izay fivavahana tiany ny olona. Milaza ilay didim-pitsarana fa tsy resa-bola no olana, fa “izay fanjakana milaza hoe tsy ara-dalàna ny fivavahana iray ka miezaka manafoana an’ilay fivavahana, ary manao teny manambany azy io, dia mandika ny Andininy Faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina.”

Nanome rariny antsika koa ny Fitsarana Eoropeanina, tamin’ny raharaha iray mahakasika an’i Armenia. Nilaza io fitsarana io, nanomboka tamin’ny 1965, fa tsy harovan’ny Fifanarahana Eoropeanina izay olona tsy mety manao miaramila. Niova anefa izany izao. Nanapa-kevitra ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’io fitsarana io, fa avelan’ny Fifanarahana Eoropeanina tsy hanao miaramila ny olona iray, raha mifanohitra tanteraka amin’ny zavatra inoany izany. Voatery manaiky izany izao i Armenia sy ny firenena hafa toa an’i Azerbaïdjan sy Torkia.

TETIKASA FANORENANA

I Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no niteny taorian’izay. Nilaza izy fa tena mahaliana ny mpanatrika ny vaovao momba ireo trano kasaina haorina any New York. Nisy video nasehony ahitana ny fizotran’ny asa any Wallkill sy Patterson. Kasaina hovitaina amin’ny 2014 ilay trano fonenana vaovao ao Wallkill, izay misy efitra 300 mahery. Nasehony koa ny asa kasaina hatao any amin’ireo tany vao novidintsika any Warwick sy Tuxedo, any New York.

Manana tany 100 hektara isika any Warwick, ary hanorenana trano koa izy io. Hoy i Guy Pierce: “Mbola tsy azontsika antoka aloha izao hoe inona marina no sitrapon’i Jehovah momba an’i Warwick. Efa manomana ny zavatra ilaina anefa isika, ka manantena fa hafindra any ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny hoavy.” Manana tany 20 hektara koa isika, any amin’ny 10 kilaometatra avaratr’i Warwick, mba hametrahana an’ireo milina sy fitaovana rehetra, mandritra ny fanorenana. Hoy koa i Guy Pierce: “Antenaina ho vita ao anatin’ny efa-taona ny fanorenana, raha vao azo ny fahazoan-dalana. Hamidy ireo trano rehetra any Brooklyn aorian’izay.”

Nanontany izy avy eo hoe: “Niova hevitra ve izany ny Filan-kevi-pitantanana ka mieritreritra fa mbola ho ela ny fahoriana lehibe? Tsy izany mihitsy! Tsy maninona na tonga aza ny fahoriana lehibe, ka miato ny asantsika. Vao mainka izany tena tsara!”

MITANDREMA AMIN’ILAY LIONA MIERONA

Nanazava ny 1 Petera 5:8 avy eo i Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Hoy io andininy io: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” Nilaza i Stephen Lett fa nety tsara ny nampitahan’i Petera ny Devoly amin’ny liona, satria misy itovizany ny toetrany.

Matanjaka sy mahery mandeha kokoa noho ny olona ny liona. Toy izany koa i Satana. Tsy tokony hiezaka handresy azy amin’ny herintsika samirery àry isika, fa mila ny fanampian’i Jehovah. (Isa. 40:31) Mijoko mangina toy ny ataon’ny liona koa i Satana, ka mila manalavitra ny haizina ara-panahy isika, mba tsy ho lasa rembiny. Tsy mba miantra koa ny liona fa mamono biby malemy toy ny antilopa, na zebra kely matory. Toy izany koa i Satana satria tsy misy indrafo izy ary te hamono antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Matetika no tsy fantatra intsony ny biby iray rehefa avy noviravirain’ny liona. Toy izany koa ny Kristianina rehefa azon’i Satana. Lasa ‘ratsy noho ny voalohany ny iafarany.’ (2 Pet. 2:20) Mila manohitra an’i Satana àry isika, ary manaraka tsara ny toro lalan’ny Baiboly.—1 Pet. 5:9.

ANKASITRAHO NY TOERANAO AO AN-TRANON’I JEHOVAH

I Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, indray no niteny. Hoy izy: “Samy manana toerana ao an-tranon’i Jehovah ny Kristianina rehetra.” Ny tempoly ara-panahy io trano io, izany hoe ny fandaharana ataon’i Jehovah ho an’izay mino ny soron’i Jesosy, mba hahafahan’izy ireo manompo Azy. Tombontsoa be ny hoe manana toerana ao an-tranon’Andriamanitra. Te ‘honina ao mandritra ny androm-piainantsika’ isika, toa an’i Davida.—Sal. 27:4.

Nanazava ny Salamo 92:12-14 i Samuel Herd, ka nanontany hoe: “Ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba handroso ara-panahy?” Namaly izy hoe: ‘Mampahery antsika i Jehovah, miaro antsika, ary manome antsika ny ranon’ny fahamarinana, izay tena mamelombelona. Tokony hisaorantsika izy, noho izany. Tokony ho faly isika hoe ao an-tranon’i Jehovah foana, tsy vetivety fotsiny fa ho mandrakizay.’

MANAJA NY TENIN’ANDRIAMANITRA NY KRISTIANINA

Nohazavain’i David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, taorian’izay, fa nanaja ny Tenin’Andriamanitra foana ny tena Kristianina hatramin’izay. Nampiasaina handaminana ny adihevitra momba ny famorana izy io, tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 15:16, 17) Nisy olona nilaza ho Kristianina anefa, tamin’ny taonjato faharoa, nihevitra fa zava-dehibe noho ny Soratra Masina ny filozofia grika. Tsy nampianatra ny Baiboly intsony ny sasany tatỳ aoriana, fa naleony nampianatra ny hevitry ny mpanjaka romanina sy ny Rain’ny Eglizy. Nisy fampianaran-diso maro vokatr’izany.

Hoy i David Splane avy eo: ‘Hita amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy tsimparifary, fa nisy foana ny tena Kristianina voahosotra niaro ny fahamarinana, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany.’ (Mat. 13:24-30) Marina fa tsy afaka manizingizina isika hoe iza izy ireo. Maro anefa ny olona nampibaribary an’ireo fampianarana sy fanao tsy araka ny Soratra Masina. Anisan’izany ny Arseveka Agobard avy any Lyon (taona 800 tany ho any), i Pierre avy any Bruys sy Henri avy any Lausanne ary Valdès (taona 1100 tany ho any), John Wycliffe (taona 1300 tany ho any), William Tyndale (taona 1500 tany ho any), ary Henry Grew sy George Storrs (taona 1800 tany ho any). Mbola manaraka ny fitsipika ao amin’ny Soratra Masina ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ary manaiky hoe ao amin’izy io no ahitana ny marina. Izany no nahatonga ny Filan-kevi-pitantanana hifidy ny Jaona 17:17 ho andinin-teny ho an’ny taona 2012, dia ilay hoe: “Ny teninao no fahamarinana.”

FIOVANA MAHAFINARITRA EO AMIN’NY SEKOLY

Nanao fampandrenesana i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe hisy fiovana mahakasika ny misionera sy ny mpisava lalana manokana. Hisy Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina koa any an-tany hafa, manomboka ny Septambra 2012. Niova koa ny tanjon’ny Sekolin’i Gileada, nanomboka tamin’ny Oktobra 2011. Mpanompo manontolo andro manokana no asaina hanao an’io sekoly io. Anisan’izany ny misionera mbola tsy nanao an’ilay sekoly, ny mpisava lalana manokana, ny mpiandraikitra mpitety faritany, na ny Betelita. Hotendrena hiasa ao amin’ny Betela, na ho mpiandraikitra mpitety faritany izy ireo aorian’ilay sekoly, na halefa any amin’ny faritra be mponina mba hitory miaraka amin’ny fiangonana. Ho afaka hampahery sy hanampy ary hampiofana an’ireo rahalahy sy anabavy izy ireo amin’izany.

Nampandrenesina koa fa hotendrena ho mpisava lalana manokana tsy maharitra ny sasany amin’ireo mahazo diplaoma amin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo sy ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina, ary manomboka ny 1 Janoary 2012 izany. Hirahina hitory any amin’ny faritany vitsy mpitory na tsy misy mpitory mihitsy izy ireo. Ho mpisava lalana manokana tsy maharitra mandritra ny herintaona aloha izy ireo, ary hohavaozina isan-taona izany. Hotendrena ho mpisava lalana manokana maharitra izy ireo, aorian’ny telo taona, raha mahita vokatra tsara.

Tena nahafaly tokoa iny fivoriana iny! Enga anie ka hotahin’i Jehovah ireo fandaharana vaovao rehetra, izay natao hampandrosoana ny asa fitoriana sy hampiray saina kokoa ny vahoakany. Hanome voninahitra an’i Jehovah izany, sady hidera azy.

[Efajoro/Sary, pejy 18, 19]

LASA FANTATRA KOKOA IZY IREO

Nadinadinina koa ny dimy tamin’ireo anabavy sivy, izay vadin’ireo rahalahy efa maty, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana taloha. Tsy iza ireo anabavy ireo fa i Marina Sydlik, Edith Suiter, Melita Jaracz, Melba Barry, ary Sydney Barber. Notantarain’izy ireo hoe ahoana no nahitany ny fahamarinana, ary ahoana no nahatonga azy hanompo manontolo andro. Samy nitantara izay zavatra manokana tsaroany momba ny lasa koa izy ireo, ary niresaka momba ny vadiny sy ny fitahiana nomen’i Jehovah azy mivady. Tena nampihetsi-po ny famaranana an’ilay izy satria natao ilay hira faha-86 hoe “Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika.”

[Sary]

(Ambony) Daniel Sydlik sy Marina vadiny; Grant Suiter sy Edith vadiny; Theodore Jaracz sy Melita vadiny

(Ambany) Lloyd Barry sy Melba vadiny; Carey Barber sy Sydney vadiny

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

Natambatra amin’ny sampan’i Meksika ny sampana enina any Amerika Afovoany, ka ny sampan’i Meksika izao no miandraikitra an’ireo tany ireo

MEKSIKA

GOATEMALÀ

HONDURAS

SALVADAORO

NIKARAGOÀ

COSTA RICA

PANAMA

[Sary, pejy 17]

Sarin’ny trano kasaina haorina any Warwick, any New York, mba hatao foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah