Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fomba Hifaranan’ity Tontolo Ity?

Ahoana no Fomba Hifaranan’ity Tontolo Ity?

‘Tsy ao amin’ny maizina ianareo, ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra izany andro izany.’—1 TES. 5:4.

1. Inona no hanampy antsika hiambina hatrany sy hahay hiatrika fitsapana?

HISY zavatra goavana hitranga eto an-tany tsy ho ela. Tena hitranga izany satria efa tanteraka ireo faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly. Inona àry no hanampy antsika hiambina hatrany? Nilaza ny apostoly Paoly fa mila ‘mifantoka amin’ny zavatra tsy hita’ isika. Mila mitadidy ny valisoa miandry antsika isika, na fiainana mandrakizay any an-danitra izany, na eto an-tany. Nanoratra an’ireo teny ireo i Paoly satria te hampirisika ny mpiray finoana taminy, mba hitadidy ny valisoan’izy ireo raha tsy mivadika izy ireo. Hanampy azy ireo hiatrika fitsapana sy fanenjehana izany.—2 Kor. 4:8, 9, 16-18; 5:7.

2. a) Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny hitadidy foana ny fanantenantsika? b) Inona no hodinihintsika ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

2 Izao ny hevi-dehibe amin’ilay tenin’i Paoly: Tsy tokony ho variana amin’ny zavatra hitan’ny masontsika isika, raha te hitadidy foana ny fanantenantsika. Mila mifantoka amin’ireo zavatra lehibe mbola tsy hitantsika isika. (Heb. 11:1; 12:1, 2) Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka àry ny zavatra hitranga folo, mifandray akaiky amin’ny fanantenantsika fiainana mandrakizay.

INONA NO HITRANGA ALOHA KELIN’NY HAHATONGAVAN’NY FARANY?

3. a) Inona no zavatra iray hitranga alohan’ny andron’i Jehovah, araka ny 1 Tesalonianina 5:2, 3? b) Inona no hataon’ny mpitondra fanjakana, ary iza no mety hanampy azy ireo amin’izany?

3 Miresaka momba ny zavatra iray mbola hitranga i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Tesalonianina. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:2, 3.) Misarika ny sain’ny olona ho amin’ny “andron’i Jehovah” izy ao. Io “andron’i Jehovah” resahiny io, dia hanomboka amin’ny fandringanana ny fivavahan-diso ary hifarana amin’ny ady Hara-magedona. Hisy zavatra hitranga anefa, aloha kelin’ny hanombohan’izy io. Hilaza ireo mpitondra fanjakana hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!” Mety ho filazana indray mandeha izany, na ho filazana maromaro mifanesy. Hilaza izany ireo mpitondra fanjakana, satria mihevitra angamba izy ireo fa efa kely sisa dia ho voavahany ny olana lehibe sasany. Ary ahoana ny amin’ireo mpitondra fivavahana? Anisan’ity tontolo ity izy ireo, ka mety hanampy an’ireo mpitondra fanjakana hilaza hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!” (Apok. 17:1, 2) Ho toa an’ireo mpaminany sandoka tao Joda izy ireo amin’izay. Hoy i Jehovah momba an’ireo mpaminany sandoka: ‘Milaza izy ireo hoe: “Fiadanana! Fiadanana!” nefa tsy misy fiadanana akory.’—Jer. 6:14; 23:16, 17.

4. Inona no zavatra tsy takatry ny olona nefa takatsika?

4 Tsy maninona na iza na iza no hilaza hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!” Ny zava-dehibe dia hoe rehefa mitranga izany, dia fantatsika fa hanomboka ny andron’i Jehovah. Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: ‘Tsy ao amin’ny maizina ianareo ry rahalahy, ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa zanaky ny mazava avokoa ianareo.’ (1 Tes. 5:4, 5) Tsy toy ny olon-drehetra isika, fa takatsika ny dikan’ireo zava-mitranga ankehitriny. Ahoana anefa no hahatanterahan’ilay faminaniana momba ny “Fandriampahalemana sy filaminana!”? Mila miandry sy mandinika isika. Aoka àry isika “hifoha hatrany sy hisaina tsara foana.”—1 Tes. 5:6; Zef. 3:8.

HO DISO HEVITRA ILAY “MPANJAKAVAVY”

5. a) Ahoana no hanombohan’ny “fahoriana lehibe”? b) Iza ilay “mpanjakavavy” ho diso hevitra?

5 Inona koa no zavatra hitranga, mbola tsy hitantsika? Hoy i Paoly: “Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka.” Hanomboka io “fandringanana tampoka” io rehefa horavana i “Babylona Lehibe”, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra, izay antsoina koa hoe “mpivaro-tena.” Anisan’izy io ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. (Apok. 17:5, 6, 15; 2 Tes. 2:8) Io fanafihana ny fivavahan-diso io no mampiseho fa manomboka ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21) Ho tampoka amin’ny olona maro izany. Nahoana? Satria nitondra tena toy ny “mpanjakavavy” foana ilay mpivaro-tena hatramin’izay, ary nihevitra fa “tsy halahelo mihitsy” izy. Ho takany tampoka anefa fa diso hevitra izy. Vetivety izy dia ho fongotra, toy ny hoe “ao anatin’ny iray andro monja.”—Apok. 18:7, 8.

6. Iza no handringana ny fivavahan-diso?

6 Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “bibidia mena midorehitra” manana “tandroka folo” no hanafika an’ilay mpivaro-tena. Hitantsika amin’ny fianarana ny bokin’ny Apokalypsy fa mifanitsy amin’ny Firenena Mikambana (ONU) io “bibidia” io. Ny “tandroka folo” kosa dia ireo fitondram-panjakana manohana azy io. * (Apok. 17:3, 5, 11, 12) Hanao ahoana ilay fanafihana? Handroba ny harenan’ilay mpivaro-tena ireo firenena ao anatin’ny ONU, hampiharihary ny toetrany, hihinana ny nofony, ary “handoro azy tanteraka.” Ho fongotra tanteraka àry ilay mpivaro-tena.—Vakio ny Apokalypsy 17:16.

7. Inona no nahatonga an’ilay “bibidia” hanafika?

7 Fa inona no nahatonga an’ilay bibidia hanafika? Milaza ny faminaniana fa hataon’i Jehovah ao am-pon’ireo mpitondra fanjakana “ny hanatanteraka ny heviny”, izany hoe ny handringana an’ilay mpivaro-tena. (Apok. 17:17) Miteraka ady sy olana maro foana ny fivavahana, ka mety hihevitra ireo firenena fa ho tsara kokoa ho azy ireo raha fongorana ny fivavahana. Mihevitra àry ireo mpitondra fanjakana fa ny heviny no tanterahiny rehefa manafika an’ireo fivavahana izy ireo. Fitaovana hampiasain’Andriamanitra anefa izy ireo, raha ny marina, mba hamongorana ny fivavahan-diso rehetra. Hahavariana àry fa ny tapany amin’ny tontolon’i Satana ihany no hanafika ny tapany iray hafa, ary tsy misy azon’i Satana atao mba hisakanana izany.—Mat. 12:25, 26.

HOTAFIHINA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA

8. Inona ilay fanafihana hataon’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”?

8 Hanao ahoana ny mpanompon’i Jehovah rehefa rava ny fivavahan-diso? Toy ny hoe “monina tsy amin’ahiahy” no fahitana azy ireo, ary toy ny hoe ao anaty “tanàna tsy misy manda.” Mbola hanohy ny fanompoany an’i Jehovah ireo olona toa tsy manam-piarovana ireo. (Ezek. 38:11, 14) Hanafika azy ireo àry ny “firenena maro”, na dia tsy fantatra aza hoe ahoana marina ny fomba hitrangan’izany. Io ilay antsoin’ny Baiboly hoe fanafihana hataon’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga.” (Vakio ny Ezekiela 38:2, 15, 16.) Ahoana no tokony hiheverantsika an’io fanafihana io?

9. a) Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny Kristianina? b) Inona no tokony hataontsika mba hanatanjahana ny finoantsika?

9 Tsy tokony hanahy be loatra isika, na dia fantatsika aza fa hisy hanafika antsika. Tsy izay hamonjena ny aintsika mantsy no tokony hahintsika voalohany, fa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny zony hitondra. Nilaza tamin’ireo firenena i Jehovah hoe: “Tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.” (Ezek. 6:7) Hita in-60 mahery tao amin’ny bokin’i Ezekiela io teny io tamin’ny teny tany am-boalohany, ka midika izany fa tena zava-dehibe ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra. Irintsika mafy ny hahita ny fahatanterahan’io faminanian’i Ezekiela io, sady matoky isika fa ‘hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho azy.’ (2 Pet. 2:9) Mandra-pahatongan’izany, dia miezaka mafy manatanjaka ny finoantsika isika mba hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah, na inona na inona fitsapana mahazo antsika. Ahoana no anaovantsika izany? Tokony hivavaka isika, hianatra sy hisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra, ary hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Raha manao izany isika, dia ho mafy orina toy ny ‘vatofantsika’ ny fanantenantsika fiainana mandrakizay.—Heb. 6:19; Sal. 25:21.

TSY MAINTSY HAHAFANTATRA MARINA AN’I JEHOVAH IREO FIRENENA

10, 11. Ahoana no fomba hanombohan’ny Hara-magedona, ary inona no hitranga amin’izay?

10 Inona no zavatra lehibe hitranga rehefa hotafihina ny mpanompon’i Jehovah? Hampiasa an’i Jesosy sy ny tafika any an-danitra i Jehovah, mba hanavotana ny vahoakany. (Apok. 19:11-16) Hanomboka ny Hara-magedona amin’izay, dia ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Apok. 16:14, 16.

11 Hoy i Jehovah momba io ady io: ‘Hantsoiko hamely an’i Goga eny amin’ny tendrombohitro rehetra ny sabatra. Dia samy hifamely sabatra ny mpirahalahy.’ Hisahotaka sy hatahotra ireo mpomba an’i Satana, ka hanjary hifamely. Ny tontolon’i Satana manontolo mihitsy no hikorontana sy ho rava. Hoy i Jehovah: ‘Handatsahako afo sy solifara i Goga sy ny miaramilany ary ny firenena maro hiaraka aminy.’ (Ezek. 38:21, 22) Inona no ho vokatr’io zavatra ataon’Andriamanitra io?

12. Inona no zavatra tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena?

12 Tsy maintsy ho takatr’ireo firenena fa i Jehovah no nahatonga azy ireo ho resy. Toy izany mantsy no nitranga tamin’ny Ejipsianina, rehefa nanenjika ny Israelita teo amin’ny Ranomasina Mena izy ireo. Niantsoantso izy ireo hoe: ‘I Jehovah mihitsy no miady ho an’ireo.’ (Eks. 14:25) Mety hiantsoantso toy izany koa ireo olona miandany amin’i Satana, rehefa ho resy izy ireo. Tsy maintsy hahafantatra marina ny atao hoe Jehovah ireo firenena amin’izay. (Vakio ny Ezekiela 38:23.) Rahoviana izany rehetra izany no hitranga?

TSY HISY FIRENENA MATANJAKA HAFA INTSONY HIPOITRA

13. Inona no fantatsika momba ilay tongotra sy rantsantongotr’ilay sarivongana?

13 Misy faminaniana momba ny sarivongana ngezabe ao amin’ny bokin’i Daniela. Manampy antsika izy io hahita fa efa tena kely sisa dia ho tonga ny farany. (Dan. 2:28, 31-33) Aseho amin’io sarivongana io ireo fanjakana matanjaka dimy nanohitra mivantana ny vahoakan’i Jehovah, fahiny sy ankehitriny. Tsy iza izy ireo fa i Babylona, ny Fanjakana Medianina-Persianina, Gresy, Roma, ary ny farany, dia fanjakana matanjaka iray amin’ny androntsika. Hitantsika amin’ny fianarana ny faminanian’i Daniela, fa ilay tongotra sy rantsantongotra no mifanitsy amin’io fanjakana matanjaka farany io. Koa satria lasa niara-niasa akaiky i Grande-Bretagne sy Etazonia tamin’ny Ady Lehibe I, dia ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no mifanitsy amin’ilay tongotra sy rantsantongotra. Mifarana eo amin’ny tongotra ilay sarivongana, ka midika izany fa tsy hisy fanjakana matanjaka hafa intsony hipoitra. Ary nahoana no mifangaro tanimanga ilay vy eo amin’ny tongotra sy rantsantongotra? Satria malemy kokoa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina.

14. Iza no fanjakana matanjaka indrindra rehefa tonga ny Hara-magedona?

14 Asehon’ilay faminaniana fa nendahana tamin’ny tendrombohitra iray ny vato be iray. Ilay tendrombohitra dia ny fahefan’i Jehovah eran’izao rehetra izao, ary ilay vato be dia ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa tamin’ny 1914 no nendahana ilay vato be, ary miriotra mafy manatona ny tongotr’ilay sarivongana izy io izao. Hidona amin’ny tongotr’ilay sarivongana io vato io amin’ny Hara-magedona, ka ho potika ilay sarivongana. (Vakio ny Daniela 2:44, 45.) Mbola ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina ihany àry no fanjakana matanjaka indrindra, rehefa tonga ny Hara-magedona. Tena hahafinaritra tokoa ny hahita ny fahatanterahan’izany faminaniana izany! * Ary ahoana no hataon’i Jehovah amin’i Satana?

HATAO AHOANA I SATANA, FAHAVALON’I JEHOVAH?

15. Inona no hitranga amin’i Satana sy ny demoniany, aorian’ny Hara-magedona?

15 Ho hitan’i Satana hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny fomba hamongorana ny fandaminany eto an-tany. Izy mihitsy anefa no hiharan’ny didim-pitsarana aorian’izay. Lazain’ny apostoly Jaona izay hitranga. (Vakio ny Apokalypsy 20:1-3.) Hisambotra an’i Satana sy ny demoniany i Jesosy Kristy, ilay “anjely” manana ny “lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka.” Hatsipiny ao amin’ilay lavaka izy ireo, ary hogadrainy ao arivo taona. (Lioka 8:30, 31; 1 Jaona 3:8) Manomboka amin’io fanagadrana io ny fanorotoroana ny lohan’ilay menarana. *Gen. 3:15.

16. Inona no dikan’ny hoe ao anaty “lavaka mangitsokitsoka” i Satana?

16 Inona ilay “lavaka mangitsokitsoka” hanipazana an’i Satana sy ny demonia? Ilay teny grika hoe abyssôs nampiasain’i Jaona, dia midika hoe “faran’izay lalina”, na koa hoe “tsy misy fetra.” Midika izany fa tsy misy afaka mankany amin’izy io, afa-tsy i Jehovah sy ilay anjely manana ny “lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka.” Ny dikan’ny hoe ao anatin’io lavaka mangitsokitsoka io i Satana, dia hoe tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony fa toy ny hoe maty. ‘Tsy ho afaka hamitaka ny firenena intsony izy.’ Hangina tanteraka ilay “liona mierona”!—1 Pet. 5:8.

ZAVATRA HITRANGA ALOHAN’NY FIADANAM-BE

17, 18. a) Inona no zavatra mbola hitranga, nodinihintsika tato amin’ity lahatsoratra ity? b) Inona no hanomboka aorian’izay?

17 Hitantsika teo ireo zavatra lehibe sy tena manaitra mbola hitranga amin’ny hoavy. Tsy andrintsika ny hahita hoe ahoana no fomba hilazana an’ilay hoe “Fandriampahalemana sy filaminana!” Ho hitantsika koa aorian’izay ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, ny fanafihan’i Goga avy any Magoga, ary ny ady Hara-magedona. Tsy izay ihany fa hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka koa i Satana sy ny demoniany. Tsy hisy intsony ny faharatsiana aorian’izay, ary ho zava-baovao tanteraka no hiainantsika. Tsy inona izany fa ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, izay hanjakan’ny “fiadanam-be.”—Sal. 37:10, 11.

18 Misy zavatra hafa mbola ‘tsy hitantsika’ koa tokony ‘hifantohantsika’, ankoatra an’ireo dimy nodinihintsika teo. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izy ireo.

^ feh. 6 Jereo ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!, pejy 251-258.

^ feh. 14 Rehefa nilaza ny Daniela 2:44 hoe “hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo”, dia ireo fanjakana aseho amin’ilay sarivongana no tiany horesahina. Milaza anefa ny faminaniana iray mifandray amin’izy io, fa ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” no hiady amin’i Jehovah, amin’ny “andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Apok. 16:14; 19:19-21) Tsy ireo fanjakana amin’ilay sarivongana ihany àry no hofongorana amin’ny Hara-magedona, fa ny fanjakana hafa rehetra koa.

^ feh. 15 Hifarana ny fanorotoroana ny lohan’ilay menarana rehefa tapitra ny arivo taona, ka hatsipy ao amin’ny “farihy afo sy solifara” i Satana sy ny demoniany.—Apok. 20:7-10; Mat. 25:41.