Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanjaka ny Fiadanana Mandritra ny Arivo Taona sy Aorian’izay!

Hanjaka ny Fiadanana Mandritra ny Arivo Taona sy Aorian’izay!

‘Andriamanitra no ho zava-drehetra ho an’ny rehetra.’—1 KOR. 15:28.

1. Inona ny hoavy mahafinaritra miandry ny “vahoaka be”?

ALAO sary an-tsaina hoe miaina eo ambany fahefan’ny fanjakana iray tena matanjaka ianao, ary manao ny marina sy mangoraka ny mpitondra. Tsy ho be dia be ve ny zavatra tsara ho vitan’izany fitondrana izany ao anatin’ny arivo taona? Ho toy izany ny hoavy mahafinaritra miandry ny “vahoaka be” tsy tambo isaina, izay ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” Io fahoriana lehibe io no hamarana ity tontolo ratsy ity.—Apok. 7:9, 14.

2. Nanao ahoana ny fiainan’ny olombelona nandritra ny 6 000 taona?

2 Olombelona foana no nitondra nandritra ny 6 000 taona, nefa niteraka fahoriana sy fijaliana maro izany. Hoy ny Baiboly: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” (Mpito. 8:9) Mahita loza tokoa isika ankehitriny. Eo ny ady sy ny fanonganam-panjakana. Eo koa ny fahantrana, ny aretina, ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny fiovaovan’ny toetrandro, ary ny olana hafa. Nilaza ny manam-pahefana fa ho loza ny vokany, raha tsy ovantsika ny toe-tsaintsika sy ny fomba fiainantsika.

3. Inona no ho tanteraka mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?

3 Hitondra fiovana anefa ny Fanjakan’Andriamanitra, tarihin’i Jesosy Kristy sy ireo 144 000 hiara-manjaka aminy. Hanala tsikelikely ny fijaliana rehetra izy ireo, ary hamerina ny tany amin’ny laoniny. Ho tanteraka mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ity fampanantenan’i Jehovah ity: “Hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Dia tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.” (Isaia 65:17) Maro ny zavatra mahafinaritra mbola ‘tsy hitantsika’ mihitsy, nefa miandry antsika amin’ny hoavy. Handinika faminaniana sasany isika mba hahafantarantsika azy ireo.—2 Kor. 4:18.

‘HANAO TRANO SY TANIMBOALOBOKA NY OLONA’

4. Manao ahoana ny trano ipetrahan’ny olona ankehitriny?

4 Iza no tsy mba maniry hoe hanana trano azy manokana, ary honina tsy amin’ahiahy miaraka amin’ny fianakaviany? Tena sarotra anefa ny mahita trano amin’izao. Maro no mifanizina ao amin’ny tanàna feno olona. Maro koa no mipetraka amin’ny trano hazo kely mora rava, na trano tsizarizary. Toa nofy izany hoe hanana trano azy manokana izany amin’izy ireo.

5, 6. a) Ahoana no hahatanterahan’ny Isaia 65:21 sy ny Mika 4:4? b) Inona no tokony hataontsika mba hahazoantsika izany fitahiana izany?

5 Ho tanteraka ny faniriantsika hanana trano, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy mantsy i Isaia mpaminany: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.” (Isaia 65:21) Tsy izay ihany anefa no ilaintsika. Maro mantsy ny manana trano ankehitriny, misy aza manana trano be na tany ngezabe. Mbola matahotra anefa izy ireo sao ho votsotra ny tranony, noho ny olana ara-bola. Misy indray matahotra sao tongavan’ny mpangalatra na olon-dratsy hafa. Tsy hisy hatahorana intsony anefa, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy i Mika mpaminany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4.

6 Marina fa mila trano daholo isika izao, ary tena tsara be ilay fampanantenana antsika. Tsy tokony hiezaka hahazo an’ilay trano nofinofisintsika anefa isika izao, angamba hidi-trosa be mba hahazoana izany. Inona kosa no tokony hataontsika? Hendry isika raha mifantoka amin’ny fampanantenan’i Jehovah. Tadidio ity tenin’i Jesosy ity: “Ny amboadia manan-davaka hisitrihana, ary ny voro-manidina manam-pialofana, fa ny Zanak’olona kosa tsy mba manana izay hametrahany ny lohany.” (Lioka 9:58) Afaka nanorina, na nividy trano faran’izay tsara i Jesosy, kanefa tsy izany no nataony. Nahoana? Satria tsy te ho voahelingelina izy, ka tsy ho afaka hikatsaka an’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany. Afaka manana maso tsotra toa an’i Jesosy ve isika, ka hiezaka mba tsy ho variana amin’ny zavatra ara-nofo sy ny fanahiana eo amin’ny fiainana?—Mat. 6:33, 34.

“NY AMBOADIA SY NY ZANAK’ONDRY HIARA-KOMANA”

7. Inona no fikasan’i Jehovah momba ny olona sy ny biby?

7 Ny olombelona no noforonin’i Jehovah farany, rehefa namorona ny zavaboary teto an-tany izy. Nanana fikasana izy tamin’izay. Hoy izy tamin’ilay Mpiasa Tena Mahay, dia ny Zanany lahimatoa: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika. Ary aoka hanaiky azy ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra sy ny biby fiompy ary ny tany manontolo sy ny biby mandady rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Gen. 1:26) Nataon’i Jehovah hanjaka amin’ny biby àry i Adama sy Eva, ary toy izany koa ireo olona atỳ aoriana. Ny biby kosa natao hanaiky azy ireo.

8. Inona no zavatra fantatra momba ny biby, ankehitriny?

8 Tena ho afaka hanjaka amin’ny biby tokoa ve ny olona, ary hihavana tsara ny biby sy ny olona? Azo inoana izany, satria hitantsika fa maro ny olona miraiki-po amin’ny alikany na ny sakany. Ahoana anefa ny amin’ny bibidia? Milaza ny mpahay siansa, fa manana fihetseham-po ny biby mampinono rehetra. Marina fa matahotra na masiaka ny biby rehefa misy mandrahona. Milaza anefa ny tatitra iray fa “mampiseho fitiavana be ny biby mampinono, rehefa mitaiza.”

9. Inona no fiovana hitranga amin’ny biby?

9 Tsy tokony ho gaga àry isika rehefa milaza ny Baiboly hoe hihavana ny olona sy ny biby. (Vakio ny Isaia 11:6-9; 65:25.) Marina fa nataon’i Jehovah matahotra olona ny biby tatỳ aoriana. Izao no nolazainy rehefa nivoaka ny sambofiara i Noa sy ny fianakaviany, taorian’ny Safodrano: “Mbola hatahotra sy hihorohoro noho ny aminareo foana ny bibidia rehetra eny ambonin’ny tany.” Natao hiarovana ny biby izany tahotra izany, satria mahatonga azy ireo handositra rehefa misy zavatra mety haningotra ny ainy. (Gen. 9:2, 3) Azo antoka anefa fa ho vitan’i Jehovah ny hanala izany tahotra izany, mba hahatanteraka ny fikasany tany am-boalohany. (Hosea 2:18) Tena hahafinaritra tokoa ny fiainana eto an-tany amin’izany!

‘HOFAFAN’ANDRIAMANITRA  NY RANOMASO REHETRA’

10. Nahoana isika no mitomany?

10 Hitan’i Solomona ny ‘fampahoriana rehetra natao tetỳ ambanin’ny masoandro’, ka nilaza izy hoe: “Hitako ny ranomason’ny ampahorina, nefa izy tsy nisy nampionona.” (Mpito. 4:1) Toy izany koa ny zava-misy ankehitriny, na mbola ratsy kokoa aza. Iza tamintsika no mbola tsy nitomany mihitsy? Marina fa mitomany noho ny fifaliana isika indraindray. Mitomany anefa isika matetika satria vontom-pahoriana ny fontsika.

11. Inona ny tantara ao amin’ny Baiboly mampihetsi-po anao indrindra?

11 Tadidio ireo tantara mampihetsi-po novakintsika tao amin’ny Baiboly. Milaza ny Baiboly fa rehefa maty i Saraha tamin’izy 127 taona, dia ‘niditra i Abrahama mba haneho ny alahelony sy hitomany azy.’ (Gen. 23:1, 2) Toy izany koa ny vinantovavin’i Naomy. “Nitomany mafy izy ireo”, rehefa nanao veloma azy i Naomy. Mbola “vao mainka nitomany mafy” aza izy ireo, taorian’izay. (Rota 1:9, 14) “Nitomany be” koa i Hezekia Mpanjaka, rehefa avy nivavaka tamin’i Jehovah, tamin’izy narary efa ho faty. Nanohina ny fon’i Jehovah izany. (2 Mpanj. 20:1-5) Tsy mampihetsi-po antsika koa ve ny tantaran’i Petera, tamin’izy nanda an’i Jesosy? Nivoaka tany ivelany izy, rehefa nandre akoho naneno, ka “nitomany tamin’alahelo be.”—Mat. 26:75.

12. Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanamaivanana ny olombelona?

12 Tena mila fampiononana sy fanamaivanana isika, satria maro ny zavatra mampalahelo antsika. Izany indrindra no hitranga mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hoy ny Baiboly: ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’ (Apok. 21:4) Mahafinaritra fa tsy hisy alahelo, sy fitarainana, ary fanaintainana intsony amin’izay. Mampanantena mihitsy aza Andriamanitra hoe hofoanany ny fahafatesana, izay fahavalon’ny olombelona. Ahoana no hitrangan’izany?

‘HIVOAKA IZAY REHETRA ANY AM-PASANA’

13. Inona no vokatry ny fahafatesana?

13 Nanjaka tamin’ny olombelona ny fahafatesana, rehefa nanota i Adama. Tsy resy mihitsy io fahavalo io, ary tsy afaka mitsoaka azy io ny olombelona mpanota rehetra. Miteraka alahelo sy fahoriana be anefa izy io. (Rom. 5:12, 14) ‘Andevozin’ny fahatahorana azy io’ aza ny olona an-tapitrisany, ‘mandritra ny androm-piainany.’—Heb. 2:15.

14. Midika ho inona ho antsika ny fanafoanana ny fahafatesana?

14 Milaza ny Baiboly fa “hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” (1 Kor. 15:26) Midika izany fa afaka manantena ho tafavoaka velona ny “vahoaka be” ankehitriny, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ary tsy ho faty intsony. Midika koa izany fa ho tanteraka ilay fampanantenana hoe hatsangana amin’ny maty ireo olona an’arivony tapitrisa efa maty. Alao sary an-tsaina ny zavatra hitranga rehefa hitsena an’ireo hatsangana amin’ny maty ny vahoaka be. Tena ho fifaliam-be amin’izay! Hanampy anao haka sary an-tsaina an’izany, ny tantara momba ny fananganana ny maty ao amin’ny Baiboly.—Vakio ny Marka 5:38-42; Lioka 7:11-17.

15. Hanao ahoana ny fihetseham-ponao rehefa hatsangana amin’ny maty ny namanao sy ny havanao?

15 Eritrereto ny voalazan’ilay andininy hoe: ‘Faly tsy nisy hoatr’izany izy ireo’, sy ilay hoe: ‘Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo.’ Mety ho nanao toy izany koa ianao, raha teo ianao tamin’ireo fitsanganana amin’ny maty ireo. Tena ho faly isika rehefa hatsangana amin’ny maty ireo namantsika sy havantsika. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Marina fa mbola tsy nahita an’izany hoe fananganana amin’ny maty izany isika. Anisan’ireo zavatra mahatalanjona mbola ‘tsy hitantsika’ anefa izy io. Tsy maintsy ho tanteraka izany!

‘ANDRIAMANITRA NO HO ZAVA-DREHETRA HO AN’NY REHETRA’

16. a) Nahoana isika no tokony hazoto hiresaka momba an’ireo fitahiana ho avy? b) Inona no nolazain’i Paoly mba hampaherezana ny Kristianina tany Korinto?

16 Hoavy mahafinaritra tokoa no ho azon’ireo tsy mivadika amin’i Jehovah amin’izao andro sarotra izao! Mbola tsy hitantsika ireo fitahiana ireo ankehitriny. Raha mitadidy azy ireo anefa isika, dia hifantoka foana amin’izay tena zava-dehibe, sady tsy hanaiky ho voasariky ny zavatra eto amin’ity tontolo ity, izay zavatra mandalo fotsiny. (Lioka 21:34; 1 Tim. 6:17-19) Mazotoa miresaka momba ny fanantenantsika, rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, na miresaka amin’ny mpiray finoana, na mpianatra Baiboly, na olona liana. Hanampy antsika izany hitadidy ny fanantenantsika. Izany no nataon’ny apostoly Paoly, rehefa nampahery an’ireo Kristianina namany. Toy ny hoe nitondra azy ireo tany amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona izy. Miezaha haka sary an-tsaina ny dikan’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 15:24, 25, 28.—Vakio.

17, 18. a) Inona no dikan’ny hoe “zava-drehetra ho an’ny rehetra” i Jehovah, tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona? b) Inona no hataon’i Jesosy mba hamerenana ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana?

17 Tena ho tsara ny fiainana amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, satria ‘Andriamanitra no ho zava-drehetra ho an’ny rehetra.’ Inona no dikan’izany? Tadidio ny fiainana tamin’i Adama sy Eva mbola lavorary, ka anisan’ny fianakaviamben’i Jehovah izy ireo. Nihavana sy niray saina ny zavaboary rehetra. I Jehovah no “zava-drehetra ho an’ny rehetra”, izany hoe izy no Mpanjakan’izao rehetra izao tamin’izay, ka nitondra mivantana ny zavaboary rehetra, dia ny anjely sy ny olombelona. Afaka nifampiresaka mivantana tamin’Andriamanitra ny olombelona tamin’izany, nanompo azy, ary nahazo ny fitahiany.

Rehefa vitan’i Jesosy ny asany amin’ny maha Mpanjaka azy, dia haveriny amim-panetren-tena amin’ny Rainy ny Fanjakana

18 Tapaka izany fifandraisana mahafinaritra izany, rehefa nanaiky an’i Satana ny olombelona, ka nikomy tamin’ny fitondran’i Jehovah. Nanao zavatra tsikelikely anefa i Jesosy nanomboka tamin’ny 1914. Nanomboka namerina ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana ny Fanjakan’ny Mesia tamin’izay, ary mbola hitohy izany any amin’ny Arivo Taona. (Efes. 1:9, 10) Hotanterahina mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ireo zavatra mahatalanjona mbola ‘tsy hitantsika.’ Rehefa vita izany, dia ho tonga ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Inona no hitranga aorian’izay? Na dia efa nomena an’i Jesosy aza ny “fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”, dia tsy mieritreritra handrombaka ny toeran’i Jehovah izy. Manetry tena kosa izy ka “hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy.” Hampiasainy ho “voninahitr’Andriamanitra” ny fahefana manokana ananany.—Mat. 28:18; Fil. 2:9-11.

19, 20. a) Ahoana no hahitana raha tena manaiky ny zon’i Jehovah hitondra ny vahoaka ao amin’ilay Fanjakana Arivo Taona? b) Inona no fitahiana miandry antsika amin’ny hoavy?

19 Efa lasa lavorary ny olombelona eto an-tany, amin’izay fotoana izay. Hanahaka ny modelin’i Jesosy izy ireo, ary hanetry tena sy hanaiky an-tsitrapo ny zon’i Jehovah hitondra. Ho tafavoaka amin’ilay fitsapana farany izy ireo, raha tsy mivadika. Ho hita amin’izany fa tena manaiky ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo. (Apok. 20:7-10) Horinganina mandrakizay ny mpikomy rehetra aorian’izay, na olombelona izany na anjely. Tena hahafinaritra tokoa ny fiainana amin’izay! Ho faly hidera an’i Jehovah ny fianakaviany any an-danitra sy etỳ an-tany, ary ho “zava-drehetra ho an’ny rehetra” izy.—Vakio ny Salamo 99:1-3.

20 Efa kely sisa dia hitondra fitahiana lehibe ho antsika ny Fanjakan’Andriamanitra! Tsy mandrisika anao ve izany mba hanao loha laharana ny sitrapon’i Jehovah? Nahoana raha miezaka mba tsy ho variana amin’ny zavatra mahafinaritra omen’ity tontolo ity, na mba tsy ho voasariky ny fampanantenana poakaty omeny? Nahoana koa raha miezaka mba ho tapa-kevitra kokoa hanohana ny zon’i Jehovah hitondra? Asehoy amin’ny zavatra ataonao fa hanohana ny zon’i Jehovah hitondra foana ianao, hatrany amin’ny mandrakizay. Raha manao izany ianao, dia hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana, ary tsy hoe mandritra ny arivo taona fotsiny, fa mandrakizay mihitsy.