Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankatoava An’i Jehovah dia Hahasoa Anao ny Fianianana Nataony

Mankatoava An’i Jehovah dia Hahasoa Anao ny Fianianana Nataony

“Nianiana tamin’ny tenany Andriamanitra ... satria tsy misy lehibe noho ny tenany azony nianianana.”—HEB. 6:13.

1. Inona no tsy itovizan’i Jehovah sy ny olombelona mpanota?

“ANDRIAMANITRY ny fahamarinana” i Jehovah. (Sal. 31:5) ‘Tsy mahay mandainga’ izy, fa tsy toy ny olombelona mpanota, izay tsy azo itokisana matetika. (Heb. 6:18; vakio ny Nomery 23:19.) Tanteraka foana ny zavatra kasain’i Jehovah hatao hahasoa ny olombelona. Izany, ohatra, no nitranga tamin’ireo andro famoronana tsirairay. Nilaza ny zavatra kasainy hoforonina izy teo am-piandohan’ilay andro, ary tanteraka tokoa ilay teniny avy eo. Rehefa nifarana àry ny andro fahenina, dia “nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.”—Gen. 1:6, 7, 30, 31.

2. Inona no atao hoe andro fitsaharan’Andriamanitra, ary nahoana i Jehovah no “nanamasina azy io”?

2 Nanomboka ny andro fahafito, rehefa avy nandinika ny zavatra noforoniny i Jehovah. Tsy andro ara-bakiteny io andro io fa fotoana maharitra. Nitsahatra tsy namorona zavatra teto an-tany intsony izy nanomboka teo. (Gen. 2:2) Mbola mitohy hatramin’izao io andro fitsaharan’Andriamanitra io. (Heb. 4:9, 10) Tsy milaza ny Baiboly hoe oviana marina izy io no nanomboka. Ny fantatsika fotsiny dia hoe nanomboka izy io taorian’ny namoronana an’i Eva, 6 000 taona lasa tany ho any izay. Mbola hitohy izy io hatrany amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, izay efa hanomboka tsy ho ela. Ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah mandritra an’io arivo taona io, satria ho lasa paradisa ny tany, ary ho feno olona lavorary izay hiaina mandrakizay. (Gen. 1:27, 28; Apok. 20:6) Tena ho afaka hanana izany hoavy mahafinaritra izany ve ianao? Izany tokoa. Milaza ny Baiboly fa “nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io.” Nahoana? Mba hanomezana toky hoe na inona na inona olana hipoitra, dia tsy maintsy ho tanteraka ny fikasany, amin’ny faran’ny andro fitsaharany.—Gen. 2:3.

3. a) Inona no nitranga rehefa nanomboka ilay andro fitsaharana? b) Inona no nolazain’i Jehovah fa hataony mba handaminana an’ilay olana?

3 Nikomy anefa ny anjely iray atao hoe Satana, rehefa nanomboka ilay andro fitsaharana. Tiany hoe izy indray no hotompoina fa tsy i Jehovah. Nandainga tamin’i Eva izy, ary io no lainga voalohany. Voafitany i Eva ka tsy nankatò an’i Jehovah. (1 Tim. 2:14) Nitarika ny vadiny hikomy koa i Eva avy eo. (Gen. 3:1-6) Mbola tsy nisy zava-dratsy toy izany hatramin’izay. Na dia nanendrikendrika an’i Jehovah ho mpandainga aza anefa i Satana, dia tsy nieritreritra i Jehovah hoe mila mianiana izy mba hanamafisana hoe hotanterahiny ny fikasany. Nilaza fotsiny izy hoe ahoana no handaminany an’ilay olana, fa rehefa nandeha ny fotoana vao nazava ilay teniny. Hoy izy: “Hataoko mifandrafy ianao [Satana] sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Hanorotoro ny lohanao izy io [ilay Taranaka nampanantenaina], ary ianao kosa handratra azy eo amin’ny voditongony.”—Gen. 3:15; Apok. 12:9.

NY ANTONY NANAOVANA FIANIANANA

4, 5. Inona no fanaon’ny olona taloha izay nataon’i Abrahama koa?

4 Tsy nilaina ny fianianana, tamin’ny vao nanomboka ny tantaran’ny olombelona. Tsy nila nianiana i Adama sy Eva mba hanamafisana hoe marina ny teniny. Lavorary izy ireo tamin’izany, ary tia an’Andriamanitra sy nanahaka azy. Nilaza ny marina foana izy ireo ary nifampatoky, ka tsy nila nianiana. Niova anefa izany rehefa nanota ny olona ary lasa tsy lavorary. Nanjary fanao ny hoe mandainga sy mamitaka. Tsy maintsy nianiana àry ny olona, rehefa nisy raharaha lehibe voakasika, raha tiany hoe hatoky azy ny hafa. Voasazy izay tsy nanatanteraka an’ilay fianianana.

5 Intelo i Abrahama, fara fahakeliny, no nampiasa an’io karazana fianianana io. (Gen. 21:22-24; 24:2-4, 9) Nitranga, ohatra, izany tamin’izy avy nandresy ny mpanjakan’i Elama sy ireo mpanjaka niray dina aminy. Nitsena azy ny mpanjakan’i Salema sy ny mpanjakan’i Sodoma tamin’izay. Tsy iza io mpanjakan’i Salema io fa i Melkizedeka, izay “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.” Nitso-drano an’i Abrahama izy io, ary nidera an’Andriamanitra noho izy nanampy an’i Abrahama handresy ny fahavalony. (Gen. 14:17-20) Ny mpanjakan’i Sodoma kosa nanome valisoa an’i Abrahama, noho izy niaro ny vahoakany tamin’ireo tafika fahavalo. Namaly anefa i Abrahama hoe: “Manangan-tanana aho ka mianiana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany, fa tsy haka na inona na inona amin’izay anao. Tsia, tsy haka aho na dia kofehy iray, na fehin-kapa iray aza, sao ianao hilaza hoe: ‘Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.’ ”—Gen. 14:21-23.

FIANIANANA NATAON’I JEHOVAH TAMIN’I ABRAHAMA

6. a) Inona no ohatra navelan’i Abrahama ho antsika? b) Inona no soa azontsika noho ny fankatoavan’i Abrahama?

6 Nianiana koa i Jehovah, mba hanampiana ny olombelona hatoky ny fampanantenany. Niteny toy izao, ohatra, izy: “ ‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” (Ezek. 17:16) In-40 mahery izy no hita hoe nianiana, ao amin’ny Baiboly. Ny fianianana nataony tamin’i Abrahama angamba no tena be mpahalala. Nanao fifanekena, na fampanantenana maromaro tamin’i Abrahama i Jehovah, mba hanomezana toky fa ho taranak’i Abrahama sy Isaka zanany ilay Taranaka nampanantenaina. (Gen. 12:1-3, 7; 13:14-17; 15:5, 18; 21:12) Nizaha toetra an’i Abrahama i Jehovah taorian’izay. Tena sarotra ilay zavatra nasainy natao, satria nandidy an’i Abrahama izy mba hanolotra ny zanany malalany ho sorona. Nankatò avy hatrany anefa i Abrahama, ary efa saika hamono an’i Isaka, saingy nosakanan’ny anjely iray. Nilaza àry i Jehovah hoe: ‘Mianiana amin’ny tenako aho, fa noho ianao nanao izao zavatra izao ka nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa aho, ka tena hataoko maro ny taranakao, eny, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao, satria nihaino ny teniko ianao.’—Gen. 22:1-3, 9-12, 15-18.

7, 8. a) Nahoana i Jehovah no nianiana tamin’i Abrahama? b) Inona no soa raisin’ny “ondry hafa” avy amin’ny fampanantenan’i Jehovah?

7 Nahoana i Jehovah no nianiana tamin’i Abrahama hoe tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenany? Nanao izany izy mba hampaherezana an’ireo mpiara-mandova amin’i Kristy, izay ho anisan’ilay Taranaka nampanantenaina. Nanao izany koa izy mba hanatanjahana ny finoan’izy ireo. (Gal. 3:29) Nanazava momba an’io fianianana nataon’Andriamanitra io ny apostoly Paoly. Nilaza izy fa misy ‘zavatra roa tsy mety miova, tsy mba hain’Andriamanitra andaingana’, dia ny fianianana sy ny fampanantenana. Nanao izany izy mba ‘hampirisihana mafy’ an’ireo voahosotra ‘hifikitra amin’ny fanantenana napetraka teo anoloany.’—Vakio ny Hebreo 6:13-18.

Tsy hoe ela dia ho hitan’i Abrahama ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah

8 Tsy ny Kristianina voahosotra ihany anefa no mandray soa avy amin’ny fianianana nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama. Nianiana koa mantsy i Jehovah hoe ho afaka ‘hahazo fitahiana ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama.’ (Gen. 22:18) Anisan’ny hahazo izany fitahiana izany ireo “ondry hafa” mankatò, ka afaka manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Jaona 10:16) Na ho any an-danitra ianao na ho eto an-tany, dia ‘mifikira amin’ny fanantenanao.’ Midika izany fa mila miezaka mafy ianao mba hahazo ny fanantenanao, ka mankatò an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra.—Vakio ny Hebreo 6:11, 12.

FIANIANANA HAFA NATAON’I JEHOVAH

9. Inona no fianianana nataon’i Jehovah tamin’ny taranak’i Abrahama, tany Ejipta?

9 Lasa andevo tany Ejipta ny taranak’i Abrahama tatỳ aoriana. Naniraka an’i Mosesy àry i Jehovah, mba hampita ny teniny tamin’izy ireo. Mbola nianiana indray izy, tamin’izay fotoana izay, hoe hotanterahiny ireo fampanantenana nataony tamin’i Abrahama. (Eks. 6:6-8) Hoy i Jehovah tatỳ aoriana momba izany: “Tamin’ny andro nifidianako ny Israely, ... dia nanangan-tanana aho ka nianiana tamin’izy ireo fa hamoaka azy avy any Ejipta, mba hitondra azy any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, dia ilay tany efa nojereko taratra mba homena azy ireo.”—Ezek. 20:5, 6.

10. Inona no nampanantenain’i Jehovah an’ireo Israelita, rehefa avy nafahana tany Ejipta izy ireo?

10 Rehefa avy nafahana avy tany Ejipta ny Israelita, dia nampanantena azy ireo i Jehovah hoe: “Raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo, dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo, satria ahy ny tany manontolo. Ary ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho ahy ianareo.” (Eks. 19:5, 6) Tombontsoa lehibe tokoa izany! Raha mankatò izy ireo, dia ho fanjaka-mpisorona, ka hitondra fitahiana ho an’ny olombelona rehetra. Voalaza tatỳ aoriana fa rehefa nilaza an’io fampanantenana io i Jehovah, dia nanao ‘fianianana’ izy raha ny marina, ary “nanao fifanekena” tamin’ny Israelita.—Ezek. 16:8.

11. Inona no nataon’ny Israelita rehefa nanasa azy ireo i Jehovah mba ho lasa fananany manokana?

11 Tsy nandidy ny Israelita anefa i Jehovah hoe mila mianiana izy ireo fa hankatò azy. Tsy notereny koa izy ireo hoe tsy maintsy manaiky ho lasa fananany manokana. Nahim-pon’izy ireo no nitenenany hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Eks. 19:8) Nampahafantarin’i Jehovah, telo andro taorian’izay, hoe inona no takiny amin’io firenena nofidiny io. Nomeny ny Didy Folo aloha izy ireo. Nampiasa an’i Mosesy indray izy avy eo mba hilaza an’ireo didy hafa, izay voarakitra ao amin’ny Eksodosy 20:22 ka hatramin’ny Eksodosy 23:33. Ahoana no nataon’ny Israelita rehefa nahare an’ireo didy ireo? Niara-niredona izy ireo hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Eks. 24:3) Nosoratan’i Mosesy tao amin’ny “bokin’ny fifanekena” ireo lalàna ireo avy eo, ary novakiny tamin’ny vahoaka manontolo mba ho henon’izy ireo indray. Nivoady fanintelony ny vahoaka taorian’izay hoe: “Vonona hanao sy hankatò izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”—Eks. 24:4, 7, 8.

12. Inona no nataon’i Jehovah taorian’ilay fifanekena nataony tamin’ny Israelita, ary inona kosa no nataon’ny Israelita?

12 Tonga i Jehovah dia nanomboka nanatanteraka izay nampanantenainy tao amin’ilay fifanekena. Nanao zavatra izy mba hanamboarana ny tranolay masina, ary nifidy mpisorona mba hanampy ny olombelona mpanota hifandray aminy. Tsy nitana ny teniny kosa anefa ny Israelita. Vetivety izy ireo dia nanadino hoe nanokan-tena ho an’Andriamanitra. “Nampahory an’Ilay Masin’ny Israely” izy ireo. (Sal. 78:41) Tsy naharitra niandry an’i Mosesy, ohatra, izy ireo rehefa nankany amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy mba handray ny toromarik’i Jehovah. Nanjary tsy natoky an’i Jehovah izy ireo, ary nieritreritra hoe nandao azy ireo i Mosesy. Nanamboatra zanak’omby volamena àry izy ireo, ary nilaza hoe: “Io ny Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!” (Eks. 32:1, 4) Nanao fety izy ireo avy eo, ary nilaza hoe “fety ho an’i Jehovah” ilay izy. Niankohoka izy ireo ary nanao sorona ho an’ilay zanak’omby. Rehefa nahita izany i Jehovah, dia niteny tamin’i Mosesy hoe: “Nalaky niala tamin’ny lalana nasaiko nalehany izy.” (Eks. 32:5, 6, 8) Mampalahelo fa lasa fahazaran’ny Israelita, nanomboka teo, ny hoe mivoady amin’i Jehovah nefa avy eo tsy manatanteraka.—Nom. 30:2.

FIANIANANA ROA FANAMPINY

13. Inona no fianianana nataon’i Jehovah tamin’i Davida, ary inona no ifandraisan’izany amin’ilay Taranaka nampanantenaina?

13 Mbola nisy fianianana roa hafa nataon’i Jehovah, tamin’ny andro nanjakan’i Davida, ary nataony hahasoa an’ireo olona mankatò azy izany. Voalohany, nianiana tamin’i Davida izy hoe haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany. (Sal. 89:35, 36; 132:11, 12) Midika izany fa ho “Zanak’i Davida” ilay Taranaka nampanantenaina. (Mat. 1:1; 21:9) Nanetry tena i Davida, ka niantso an’io taranany io hoe “Tompoko”, satria mbola ho ambony noho izy izy io.—Mat. 22:42-44.

14. Inona no fianianana nataon’i Jehovah momba an’ilay Taranaka nampanantenaina, ary inona no soa raisintsika avy amin’izany?

14 Faharoa, nilaza tamin’i Davida i Jehovah fa ho Mpisoronabe koa ilay Taranaka nampanantenaina, fa tsy ho Mpanjaka fotsiny. Tsy nisy olona hoe sady mpanjaka no mpisorona, teo amin’ny Israely. Avy tamin’ny fokon’i Levy ny mpisorona, ary avy tamin’ny fokon’i Joda ny mpanjaka. Izao anefa no nolazain’i Davida mialoha momba an’ilay Taranaka nampanantenaina: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Nianiana i Jehovah ka tsy hanenina, eny, nianiana izy hoe: ‘Mpisorona mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, tahaka an’i Melkizedeka!’ ” (Sal. 110:1, 4) Tanteraka io faminaniana io, satria efa manjaka any an-danitra izao i Jesosy Kristy, ilay Taranaka nampanantenaina. Mpisoronabe ho an’ny olombelona koa izy izao, ka manampy ny olona mibebaka mba hifandray tsara amin’Andriamanitra.—Vakio ny Hebreo 7:21, 25, 26.

NY ISRAELIN’ANDRIAMANITRA

15, 16. a) Iza avy ny Israely resahin’ny Baiboly, ary iza amin’izy ireo no tahin’i Jehovah ankehitriny? b) Inona no didy nomen’i Jesosy momba ny fianianana?

15 Nanda an’i Jesosy Kristy ny firenen’ny Israely, ka tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony, ary tsy nekeny ho “fanjaka-mpisorona.” Hoy i Jesosy tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mat. 21:43) Midika izany fa hisy firenena vaovao hiforona. Nanomboka nisy izy io tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo, nivory tao Jerosalema. Nantsoina hoe “Israelin’Andriamanitra” izy ireo, ary tsy ela dia nisy olona an’arivony avy amin’ny firenena rehetra lasa anisan’izy ireo.—Gal. 6:16.

16 Tsy toy ny Israely ara-nofo ny Israelin’Andriamanitra, fa mankatò ka hita hoe mamokatra voa tsara. Anisan’ny ankatoavin’izy ireo ilay didin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy hoe: “Aza mianiana mihitsy ... Fa aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia, fa avy amin’ilay ratsy ny ankoatra izany.” (Mat. 5:34, 37) Nilaza an’izany i Jesosy, satria nanjary nianiana tamin’ny zavatra tsy marina, na zavatra tsy misy dikany, ny olona tamin’ny androny.—Mat. 23:16-22.

Tanteraka foana ny fampanantenan’i Jehovah

17. Inona no fanontaniana hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Midika ve izany hoe tsy azo atao mihitsy ny mianiana? Ary inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny”? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo. Ilaina foana ny misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra, raha te hankatò an’i Jehovah foana. Raha manao izany isika, dia hitahy antsika mandrakizay izy, araka ny fianianana efa nataony.