Tantaram-piainana
Mpinamana Izy Ireo Nandritra ny 60 Taona, ary ho Mandrakizay
Taona 1951 tamin’izay, ary hariva ny andro. Nisy tovolahy efatra, 20 taona mahery kely, tany Ithaca, any New York, nitsangana nifanakaiky sady nitelefaonina. Faly erỳ izy ireo niantso satria nisy vaovao tsara. Ny sasany niantso tany Michigan, ny sasany tany Iowa, ary ny sasany tany Kalifornia.
TALOHAN’IZAY, izany hoe tamin’ny Febroary 1951, dia mpisava lalana 122 no tonga tany South Lansing, any New York. Hanatrika ny kilasy faha-17 amin’ny Sekolin’i Gileada izy ireo. Anisan’izany i Lowell Turner, William (Bill) Kasten, Richard Kelsey, ary Ramon Templeton. Samy avy any Michigan i Lowell sy Bill. I Richard kosa avy any Iowa, ary Ramon avy any Kalifornia. Tsy ela dia lasa mpinamana be izy ireo.
Faly erỳ ny rehetra, dimy volana tatỳ aoriana, rehefa nandre hoe ho avy ny Rahalahy Nathan Knorr, avy any amin’ny foibe. Nangataka izy efa-dahy, talohan’izay, hoe te hiara-hanompo any amin’ny tany iray ihany, ka ho fantatra tamin’io fotoana io raha nekena ny fanirian’izy ireo na tsia.
Nientanentana ny rehetra rehefa nanomboka niteny ny Rahalahy Knorr, ary nanomboka nanonona ny fanendrena azy ireo. Iza, hoy ianareo, no voantso voalohany? Izy efa-dahy, izay efa nitaintaina be. Faly anefa izy ireo rehefa fantany hoe ho tafaraka izy ireo. Ho aiza anefa? Gaga ny rehetra ary nitehaka tsy nisy farany rehefa nolazaina fa voatendry ho any Alemaina izy ireo.
Tena ohatra tsara mantsy ireo mpanompon’i Jehovah tany Alemaina raha ny amin’ny finoana, ny tsy fivadihana, ny herim-po, ary ny fatokisana an’i Jehovah. Nampiaiky ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny tsy fivadihan’izy ireo nanomboka tamin’ny 1933, izany hoe teo ambany fitondran’i Hitler. Maro tamin’ireo niara-nianatra tamin’izy efa-dahy aza no nahatadidy hoe efa nandefa akanjo sy fanampiana tany Eoropa, taorian’ny Ady Lehibe II. Nieritreritra àry i Lowell hoe ho fantany tsara amin’izay izao ireo rahalahy sy anabavy any Alemaina ireo. Tsy nahagaga àry raha faly be sy nila nitelefaonina izy efa-dahy, tamin’ilay hariva voalaza terỳ am-piandohana!
TENY AN-DALANA HO ANY ALEMAINA
Niala tao amin’ny seranan’i East River, any New York ny sambo atao hoe Homeland, tamin’ny 27 Jolay 1951. Anisan’ireo mpandeha izy efa-dahy, ary hanao dia 11 andro ho any Alemaina. Efa nampianatra teny alemà vitsivitsy azy ireo ihany ny Rahalahy Albert Schroeder, izay anisan’ny mpampianatra azy ireo (lasa anisan’ny
Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana). Nanantena àry izy efa-dahy hoe hianatra bebe kokoa rehefa eny an-dalana. Tenim-paritra alemà anefa no nampiasan’ireo mpandeha, ka tena sahirana izy ireo.Tsy nahazaka nandeha sambo izy ireo, ka narary. Tonga tao Hambourg, any Alemaina, ihany anefa izy ireo ny marainan’ny talata 7 Aogositra. Hitan’izy ireo nanerana an’ilay tany ny vokatry ny ady, na dia efa tapitra enin-taona lasa aza izany. Nalahelo be ry zareo nahita izany, ka ny alin’io ihany dia nandeha lamasinina nankany amin’ny biraon’ny sampana, tany Wiesbaden.
Ny alarobia maraina be izy efa-dahy vao nahita Vavolombelona alemà. Hans no anarany, izay anarana alemà mihitsy. Nalain’i Hans tamin’ny fiara tany amin’ny gara izy ireo, ary nentiny tany amin’ny Betela. Navelan’i Hans teo amin’ny anabavy zokiolona iray izy ireo, nefa tsy niteny anglisy mihitsy izy io. Nieritreritra angamba io anabavy io fa ho azon’izy efa-dahy ny teniny, rehefa niteny mafy izy. Tsy nifankahazo mihitsy anefa ny teniny, ka samy sorena izy ireo. Tonga ny Rahalahy Erich Frost, mpikarakara ny sampana, avy eo, ary niarahaba azy ireo tamin’ny teny anglisy. Nilamina àry ilay olana.
Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Fivavahana Madio” tany Francfort-sur-le-Main, tamin’ny faramparan’ny Aogositra 1951. Io no fivoriambe tamin’ny teny alemà voalohany natrehin’izy efa-dahy. Nisy 47 432 ny mpanatrika, ary 2 373 ny natao batisa. Rehefa nahita izany izy ireo, dia vao mainka te hitory bebe kokoa ka hanao ny asa misionera. Nilaza anefa ny Rahalahy Knorr, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, fa hijanona ao amin’ny Betela izy ireo.
Nahita fifaliana izy ireo tamin’ny fanompoany tao amin’ny Betela, ka niaiky hoe i Jehovah no mahalala ny tsara indrindra
Efa nanda tsy hanompo tao amin’ny Betelan’i Etazonia i Ramon taloha, satria tena tiany ny asa misionera. Samy tsy nieritreritra ny hanompo tao amin’ny Betela koa i Richard sy Bill. Nahita fifaliana anefa izy ireo tamin’ny fanompoany tao amin’ny Betela, ka niaiky hoe i Jehovah no mahalala ny tsara indrindra. Tena fahendrena àry ny
manaraka ny tari-dalan’i Jehovah, toy izay miantehitra amin’ny faniriana fotsiny. Raha miaiky an’izany ny olona iray, dia ho faly izy manompo an’i Jehovah na aiza na aiza anendrena azy, ary na inona na inona fanendrena azony.VERBOTEN!
Faly erỳ ny maro tamin’ireo Betelita fa nisy Amerikanina tao amin’ny Betela. Amin’izay mantsy mba afaka miteny anglisy izy ireo. Foana anefa izany fanantenana izany indray andro, tao amin’ny efitrano fisakafoana. Nanomboka niresaka zavatra lehibe tamin’ny teny alemà ny Rahalahy Frost, sady nafana fo toy ny mahazatra. Nangina ny rehetra, ary samy nibanjina tsara ny viliany. Tsy azon’izy efa-dahy ilay resaka, kanefa takatr’izy ireo fa nahakasika azy ireo ilay izy. Tsy nahazo aina àry izy ireo rehefa niteny mafy be ny Rahalahy Frost hoe “VERBOTEN!” (“Voarara!”), sady mbola naverimberiny mafy kokoa ilay izy. Fa inona no tsy nety nataon’izy efa-dahy?
Tapitra ny sakafo, ary nody haingana tany an’efitranony ny rehetra. Nanazava tamin’izy efa-dahy ny rahalahy iray tatỳ aoriana hoe: “Mba hahafahanareo manampy anay, dia mila mahay miteny alemà ianareo. Izany no nahatonga ny Rahalahy Frost hiteny hoe VERBOTEN. Tsy tiany hiteny anglisy aminareo izahay, mandra-pahaizanareo ny teny alemà.”
Nankatò avy hatrany ireo Betelita. Nanampy azy efa-dahy hiteny alemà izany. Tsy vitan’izay fa nianaran’izy ireo koa hoe natao hahasoa antsika foana ny torohevitra omen’ny rahalahy be fitiavana, na dia sarotra ampiharina aza amin’ny voalohany. Hita tamin’ny torohevitry ny Rahalahy Frost fa niahy izay hahasoa ny fandaminan’i Jehovah izy, ary tena tia an’ireo rahalahy. Tsy nahagaga raha lasa tia azy izy efa-dahy!
MIANA-JAVATRA AVY AMIN’NY NAMANA ISIKA
Mianatra lesona sarobidy amin’ny namana matahotra an’i Jehovah isika, ary manampy antsika hinamana amin’i Jehovah koa izany. Maro be ny rahalahy sy anabavy alemà tsy nivadika, ka tsy ho voatanisa eto. Niana-javatra betsaka tamin’izy ireny izy efa-dahy, nefa koa niana-javatra tamin’izy samy izy. Hoy i Richard: “Nahafantatra kely momba ny teny alemà i Lowell, ka mora nahay. Izahay telo lahy kosa sahirana. Izy koa no zokiny indrindra taminay, ka tonga dia nankany aminy izahay rehefa nisy teny tsy hainay sy rehefa nila mpitarika.” Hoy koa i Ramon: “Faly be aho rehefa nisy rahalahy soisa nanome anay ny tranony tany Soisa mba hanaovanay vakansy, herintaona
taorian’ny nahatongavanay. Faly aho satria mba tsy miteny alemà mandritra ny tapa-bolana. Hadinoko anefa hoe ao i Lowell. Tsy nanaiky izy, fa tsy maintsy miara-midinika ny teny vakina amin’ny teny alemà, hono, izahay, isa-maraina. Sorena be aho satria tsy laitra nakisoka izy. Nianatra lesona sarobidy tamin’izany anefa izahay. Araho foana ny tari-dalan’ireo olona mitady izay hahasoa anao, na dia tsy mitovy hevitra aminy aza ianao. Nahasoa anay nandritra ny taona maro izany, ka lasa mora kokoa taminay ny nanaraka ny tari-dalan’ny fandaminana.”Samy nanana ny manavanana azy izy efa-dahy, ka samy nianatra izy ireo mba hahay hankasitraka ny an’ny hafa. Nanaraka an’ity Filipianina 2:3 ity izy ireo: ‘Amim-panetren-tena dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.’ Nilaza toy izao, ohatra, i Lowell: “I Bill foana no nianteheranay rehefa nisy zava-tsarotra tokony hatao. Nahay niatrika olana izy. Fantatray telo lahy ihany hoe ahoana no tokony hamahana an’ilay olana, saingy tsy sahy nanao an’ilay izy izahay, na tsy hainay ny fomba hanatanterahana an’ilay izy.”
SAMBATRA AM-PANAMBADIANA
Samy nanambady izy efa-dahy tatỳ aoriana. Samy tia an’i Jehovah sy tia fanompoana manontolo andro izy ireo, ka tapa-kevitra fa hitady vady maniry hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho loha laharana. Nianaran’izy ireo tamin’ny fanompoana manontolo andro nataony fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray, ary ny asan’ilay Fanjakana no tokony ho alohan’ny faniriany manokana. Anabavy mpanompo manontolo andro koa àry no nalain’izy ireo ho vady. Samy nanana fanambadiana sambatra izy ireo noho izany.
Tsy maintsy tia an’i Jehovah ny mpinamana raha tian’izy ireo haharitra ny fifandraisany. Toy izany koa ny mpivady. (Mpito. 4:12) Marina fa maty vady i Bill sy Ramon tatỳ aoriana, kanefa samy nahatsiaro ho sambatra am-panambadiana sy nahazo ny fanohanan’ny vadiny izy efa-dahy. Nanambady indray i Bill, ary nahay nifidy vady tsara izy, ka mbola afaka nanompo manontolo andro.
Voatery nisaraka izy efa-dahy tatỳ aoriana, satria voatendry tany an-tany hafa ny sasany. Anisan’izany i Alemaina, Aotrisy, Luxembourg, Kanada, ary Etazonia. Tsy niaraka firy intsony izy ireo, kanefa mbola nifandray foana. Niara-nifaly tamin’ny fitahiana azony izy ireo, ary niara-nitomany rehefa nalahelo. (Rom. 12:15) Sarobidy ny namana toy izany, ka tokony ho zava-dehibe amintsika. Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah izy ireny. (Ohab. 17:17) Tsy dia misy mpinamana toy izany eto amin’ity tontolo ity. Afaka mahazo namana tsara maro anefa ny tena Kristianina. Vavolombelon’i Jehovah isika ka faly minamana amin’ireo mpiray finoana eran-tany. Tsy vitan’izay fa minamana amin’i Jehovah sy Jesosy koa isika.
Nandia fotoan-tsarotra toa antsika rehetra ihany izy efa-dahy. Teo, ohatra, ny fahoriana noho ny
fahafatesan’ny vady, ny adin-tsaina noho ny aretina mafy, ny fanahiana momba ny fikarakarana ray aman-dreny be taona, ny zava-tsarotra amin’ny fitaizana zanaka nefa sady manompo manontolo andro, ny tahotra rehefa mahazo andraikitra vaovao, ary ny olana noho ny fahanterana. Tsapan’izy ireo koa anefa fa manampy ny mpanompon’i Jehovah hiatrika ny olana rehetra ny namana, na namana eo an-toerana izany, na any an-tany lavitra, indrindra fa i Jehovah sy Jesosy.HO MPINAMANA MANDRAKIZAY IZY IREO
Natao batisa i Lowell tamin’izy 18 taona. I Ramon kosa tamin’izy 12 taona, Bill tamin’izy 11 taona, ary Richard tamin’izy 10 taona. Nanomboka nanompo manontolo andro teo anelanelan’ny 17 sy 21 taona izy ireo. Hita tokoa fa nanaraka ny voalazan’ny Mpitoriteny 12:1 izy ireo, manao hoe: “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.”
Tovolahy kristianina ve ianao? Ekeo, raha azo atao, ny fanasan’i Jehovah mba hanompo manontolo andro. Mety hahazo an’ireto tombontsoa nananan’izy efa-dahy ireto ianao, noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah: Manao ny asan’ny faritra na ny asan’ny vondrom-paritra, manompo ao amin’ny Betela, manao ny asan’ny Komitin’ny Sampana na mpitety sampana, mampianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, mampianatra amin’ny sekolin’ny mpisava lalana, ary manao lahateny amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Faly erỳ izy efa-dahy mahalala fa olona an’aliny no nandray soa tamin’ny asan’izy ireo! Vitan’izy ireo izany satria nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy ireo hatramin’ny fahatanorany.—Kol. 3:23.
Miara-manompo ao amin’ny Betela any Selters, any Alemaina, izao i Lowell sy Richard ary Ramon. Mampalahelo fa maty tamin’ny 2010 i Bill, tamin’izy mpisava lalana manokana tany Etazonia. Efa ho 60 taona izy efa-dahy no mpinamana, ary ny fahafatesana no nampisaraka azy. Soa ihany anefa fa tsy mba manadino ny namany i Jehovah Andriamanitra. Tafasaraka vetivety noho ny fahafatesana ny mpinamana sasany, kanefa afaka matoky isika fa ho tafaraka indray izy ireo rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.
“Tsy nisy zavatra nahasosotra tsaroako mihitsy, nandritra ireo 60 taona naha mpinamana antsika”
Nanoratra toy izao i Bill, talohan’ny nahafatesany: “Tsy nisy zavatra nahasosotra tsaroako mihitsy, nandritra ireo 60 taona naha mpinamana antsika. Sarobidy tamiko foana ny fifandraisantsika.” Mbola hinamana foana anefa izy ireo any amin’ny tontolo vaovao, ka nilaza izy telo lahy hoe: “Mbola fiandohana fotsiny ireny!”