Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hihevitra ny Tenanao ho toy ny “Kely Indrindra”

Aoka Ianao Hihevitra ny Tenanao ho toy ny “Kely Indrindra”

“Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.” —LIOKA 9:48.

1, 2. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy ny apostoliny, ary nahoana?

TAONA 32 tamin’izay, ary tany amin’ny faritr’i Galilia i Jesosy sy ny apostoliny. Nifanditra anefa ny sasany tamin’izy ireo hoe iza no lehibe indrindra. Inona àry no nataon’i Jesosy? Hoy ny Filazantsaran’i Lioka: ‘Fantatr’i Jesosy ny eritreritry ny fon’izy ireo, ka nalainy ny zaza anankiray, ary nataony teo anilany, dia hoy izy: “Izay mandray ity zaza ity amin’ny anarako dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’ilay naniraka ahy. Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.” ’ (Lioka 9:46-48) Hentitra i Jesosy nefa nanam-paharetana, rehefa nanampy ny apostoliny mba hahatakatra hoe ilaina ny manetry tena.

2 Nanao ahoana anefa ny toe-tsain’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany? Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy): ‘Hita teo amin’ny zava-drehetra nataon’ny Jiosy, fa te hisongadina izy ireo, ka nipoitra foana ny fanontaniana hoe iza amin’izy ireo no ambony kokoa. Lasa zava-dehibe àry ny resaka fanomezam-boninahitra.’ Nampirisika ny apostoliny anefa i Jesosy mba tsy hanana toe-tsaina toy izany.

3. a) Inona no dikan’ny hoe mitondra tena toy ny “kely indrindra”, ary nahoana izany no sarotra indraindray? b) Inona no fanontaniana mipoitra momba ny fanetren-tena?

3 Ilay teny grika nadika hoe “kely indrindra” dia midika hoe ambany, tsy misy dikany, tsy hajain’ny olona firy, ary tsy dia manana fahefana loatra. Midika koa izy io hoe manetry tena, ary tsy mihevi-tena ho ambony noho ny hafa. Naka zaza anankiray i Jesosy, mba hampisehoana tamin’ireo apostoliny hoe mila manetry tena izy ireo. Tokony hanetry tena koa isika ankehitriny, ka hitondra tena toy ny “kely indrindra.” Mety ho sarotra anefa izany indraindray. Tsy lavorary mantsy isika ka mety haniry ho ambony noho ny hafa. Tia mifaninana koa ny olona manodidina antsika, ary eo ny toe-tsain’izao tontolo izao, ka mety hahatonga antsika ho tia tena sy tia ady, ary hanery ny hafa an-kolaka mba hanaraka ny sitrapontsika. Inona àry no hanampy antsika hihevitra ny tenantsika ho toy ny “kely indrindra”? Ahoana no hetezan’ny hoe ‘ny kely indrindra no lasa lehibe’? Amin’ny toe-javatra inona avy no ilana fanetren-tena?

“LALINA TOKOA NY HARENAN’ANDRIAMANITRA SY NY FAHENDRENY ARY NY FAHALALANY!”

4, 5. Inona no afaka manampy antsika hanetry tena? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Afaka manampy antsika hanetry tena ny fitadidiana hoe lehibe noho isika i Jehovah. “Tsy takatry ny saina” mihitsy aza ny fahalalany. (Isaia 40:28) Hoy ny apostoly Paoly momba an’i Jehovah: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” (Rom. 11:33) Mbola marina foana io teny io, na dia efa niana-javatra maro aza ny olombelona, hatramin’ny nanoratan’i Paoly azy io, 2 000 taona lasa izay. Na mahalala zavatra betsaka toy inona aza anefa isika, dia mila manetry tena ka miaiky fa mbola be dia be ny zavatra tsy fantatsika momba an’i Jehovah sy ny asany ary ny fomba fisainany.

5 Diniho ny ohatr’i Léon. * Tena tia siansa izy tamin’izy mbola tanora. Nifidy ny taranja mandalina momba ny kintana sy ny planeta àry izy, satria te hahalala zavatra faran’izay betsaka momba azy ireny. Hoy anefa izy: “Tsapako hoe tsy manampy antsika hanana fahalalana feno momba an’izao rehetra izao ny siansa, ka naleoko indray nianatra momba ny lalàna.” Lasa mpisolovava àry i Léon, ary tatỳ aoriana lasa mpitsara. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny vadiny, rehefa nandeha ny fotoana. Nanaiky ny fahamarinana izy ireo, ary nanokan-tena ho an’Andriamanitra. Inona no nanampy an’i Léon hitondra tena toy ny “kely indrindra”, na dia nahita fianarana be aza izy? Tsy nisalasala izy namaly hoe: “Tsapako hoe na dia mahalala zavatra betsaka toy inona momba an’i Jehovah sy izao rehetra izao aza isika, dia mbola be dia be ny zavatra mila fantarintsika.”

Manome voninahitra antsika i Jehovah, ka manome tombontsoa antsika hitory ny vaovao tsara

6, 7. a) Inona no modely omen’i Jehovah momba ny fanetren-tena? b) Nahoana ny fanetren-tenan’i Jehovah no azo lazaina hoe mampisandratra ny olombelona?

6 Afaka manampy antsika hanetry tena koa ny fitadidiana hoe na i Jehovah koa aza manetry tena. Diniho ilay hoe ‘mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika.’ (1 Kor. 3:9) Mba eritrereto ange izany e! I Jehovah, ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, no mihevitra antsika ho mpiara-miasa aminy. Manome voninahitra antsika izy, ka mamela antsika hampiasa ny Teniny mba hanaovantsika ny fanompoantsika. Izy, raha ny marina, no mampitombo ny voan’ny fahamarinana. Omeny tombontsoa be anefa isika hiara-miasa aminy, ka hamboly sy hanondraka an’ilay voa. (1 Kor. 3:6, 7) Tsy hitanao hoe tena mahavariana ve ny fanetren-tenan’i Jehovah? Tokony handrisika antsika tsirairay izany mba hitondra tena toy ny “kely indrindra.”

7 Tena nisy akony teo amin’i Davida mpanao salamo ny fanetren-tenan’i Jehovah. Nihira ho an’i Jehovah izy hoe: “Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao, ary ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.” (2 Sam. 22:36) Niaiky i Davida hoe matoa izy nahazo toerana ambony teo amin’ny Israely, dia satria ‘niondrika’ i Jehovah, izany hoe nanetry tena ka nanampy azy. (Sal. 113:5-7) Tsy toy izany koa ve isika? Na inona na inona toetra tsara, na fahaizana, na tombontsoam-panompoana ananantsika, ‘tsy nomena antsika’ ve izany? Avy amin’i Jehovah daholo izy ireny. (1 Kor. 4:7) Raha mitondra tena toy ny “kely indrindra” àry isika, dia ho lasa “lehibe”, izany hoe lasa sarobidy kokoa amin’i Jehovah. (Lioka 9:48) Ahoana no hetezan’izany?

‘IZAY KELY INDRINDRA AMINAREO NO LEHIBE’

8. Inona no vokany raha manetry tena isika?

8 Nahoana tokoa no hoe lasa sarobidy kokoa ny olona manetry tena? Satria ny olona manetry tena dia faly eo anivon’ny fandaminana, ary manohana ny fandaharana sy fanapahan-kevitra rehetra atao eo anivon’ny fiangonana. Diniho izay nitranga tamin’ny tovovavy iray atao hoe Perla, izay zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Nanjary tsy niaraka tamin’ny fiangonana intsony izy, satria nisy zavatra nifanohitra tamin’ny eritreriny teo anivon’ny fiangonana. Nifandray tamin’ny fiangonana indray anefa izy, taona maro tatỳ aoriana. Faly izy izao hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Mazoto manohana ny fandaharana rehetra eo anivon’ny fiangonana koa izy. Inona no nampiova azy? Nilaza izy hoe tena nila nanetry tena izy, ary nila niaiky fa tsy voatery ho hainy daholo ny zava-drehetra.

9. Ahoana no tokony hiheverantsika ny sakafo ara-panahy raha manetry tena isika? Ary nahoana izany no mahatonga antsika ho sarobidy kokoa?

9 Ny olona manetry tena koa dia mankasitraka an’izay rehetra omen’i Jehovah, anisan’izany ny sakafo ara-panahy. Mianatra tsara ny Baiboly àry izy, ary mazoto mamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Toy ny ataon’ny rahalahy sy anabavy maro tsy mivadika, dia ataony fahazarana ny mamaky ny boky vaovao rehetra mivoaka, fa tsy tonga dia ampiriminy eo amin’ny fitehirizam-bokiny. Hita hoe manetry tena isika, ka mankasitraka ny boky sy gazety omena antsika, raha mamaky sy mianatra azy ireny. Handroso ara-panahy isika raha manao izany, ary ho azon’i Jehovah ampiasaina bebe kokoa.—Heb. 5:13, 14.

10. Ahoana no ampisehoantsika fa mihevi-tena ho toy ny “kely indrindra” isika eo anivon’ny fiangonana?

10 Nahoana koa no lazaina hoe izay mitondra tena ho toy ny “kely indrindra” dia ho lasa lehibe, izany hoe ho lasa sarobidy kokoa amin’i Jehovah? Misy anti-panahy voatendrin’ny fanahy eo anivon’ny fiangonana rehetra. Mandamina fandaharana toy ny hoe fivoriana, fanompoana, ary fiandrasana ondry izy ireny. Hita hoe mihevi-tena ho toy ny “kely indrindra” isika, raha manohana an’ireny fandaharana ireny. Hampisy fifaliana sy fiadanana eo anivon’ny fiangonana izany, ary hampisy firaisan-tsaina koa. (Vakio ny Hebreo 13:7, 17.) Ary ahoana indray raha anti-panahy ianao na mpanampy amin’ny fanompoana? Manetry tena ve ianao, ka velom-pankasitrahana an’i Jehovah satria nomeny an’izany tombontsoa izany?

11, 12. Inona no toetra ilaintsika mba hahatonga antsika ho sarobidy kokoa amin’ny fandaminan’i Jehovah? Ary nahoana io toetra io no mahatonga antsika ho sarobidy kokoa?

11 Lasa sarobidy kokoa amin’ny fandaminan’i Jehovah koa ny olona manetry tena, satria mahafinaritra ny toetrany sady azo ampiasaina tsara izy. Nanahaka ny toe-tsain’ny olona nanodidina azy ny mpianatr’i Jesosy sasany, ka nieritreritra hoe “iza no ho lehibe indrindra tamin’izy rehetra.” (Lioka 9:46) Nampahatsiahy azy ireo àry i Jesosy hoe ilaina ny manetry tena. Ary ahoana ny amintsika? Mihevi-tena ho ambony noho ny mpiara-manompo amintsika na ny olon-kafa ve isika? Manambony tena sy tia tena ny olona maro eto amin’ity tontolo ity, kanefa tokony hiavaka amin’izy ireny isika. Hamelombelona an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, raha manetry tena sy manao ny sitrapon’i Jehovah ho loha laharana.

12 Raha azontsika tsara ny fampirisihan’i Jesosy hoe tokony hitondra tena toy ny “kely indrindra” isika, dia ho vonona isika hanetry tena na inona inona toe-javatra mitranga. Handinika toe-javatra telo isika izao.

MIEZAHA MBA HITONDRA TENA TOY NY “KELY INDRINDRA”

13, 14. Ahoana no tokony hataon’ny mpivady raha mitondra tena toy ny “kely indrindra” izy ireo, ary inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisan’izy ireo?

13 Eo amin’ny mpivady. Maro ny olona ankehitriny no manizingizina ny zony. Mitaky ny zony izy, na dia mety ho voahitsakitsaka aza ny zon’ny hafa, vokatr’izany. Tsy mba toy izany ny olona mitondra tena toy ny “kely indrindra.” Manaraka an’ity tenin’i Paoly ity izy ireo: ‘Aoka isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.’ (Rom. 14:19) Ny olona manetry tena dia miezaka hihavana amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny vady malalany.

14 Mety tsy hitovy, ohatra, ny fialam-boly tian’ny mpivady hatao. Mety ho te hipetrapetraka ao an-trano ny lehilahy, ary hamaky boky. Ny vadiny kosa te handehandeha na hitsidika namana. Tena ilaina ny fanetren-tena amin’izay. Raha manetry tena ny lehilahy ary mihevitra an’izay tian’ny vadiny sy izay tsy tiany, fa tsy izay mahafinaritra ny tenany fotsiny, dia ho mora kokoa amin’ilay vehivavy ny hanaja azy. Toy izany koa fa raha manetry tena ny vehivavy, ka mihevitra izay mahafinaritra ny vadiny, fa tsy misisika hanao izay tiany fotsiny, dia tena ho tia sy hankasitraka azy ny vadiny. Lasa mihamafy ny fifandraisan’ny mpivady, rehefa samy manetry tena izy ireo.—Vakio ny Filipianina 2:1-4.

15, 16. Inona no nampirisihin’i Davida mba hataon’ny Israelita, araka ny Salamo faha-131? Ahoana no azontsika ampiharana izany, eo anivon’ny fiangonana?

15 Eo anivon’ny fiangonana. Maro amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity no tsy tia miandry, fa tiany ho azo eo no ho eo izay iriny. Mijaly izy raha voatery miandry. Raha manetry tena anefa isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hiandry an’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 131:1-3.) Mandray soa isika raha manao izany. Lasa tsy be fanahiana isika fa milamin-tsaina sy afa-po. Tsy mahagaga raha nampirisika an’ireo Israelita i Davida mba hiandry an’i Jehovah!

16 Hilamin-tsaina toa an’i Davida ianao, raha manetry tena ka miandry an’i Jehovah. (Sal. 42:5) Aoka hatao hoe “maniry asa tsara” ianao, ka “miezaka ho tonga mpiandraikitra.” (1 Tim. 3:1-7) Mazava ho azy fa tokony hanaiky ny tari-dalan’ny fanahy masina ianao, ka hiezaka hanana ny toetra ilaina amin’ny mpiandraikitra. Ahoana anefa raha voatery miandry ela kokoa noho ny olon-kafa ianao, vao mahazo andraikitra? Raha mitondra tena toy ny “kely indrindra” ianao, dia hanam-paharetana, ka hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana foana. Hifaly amin’ny andraikitra efa anananao ianao, na inona izany na inona.

17, 18. a) Inona no vokany, raha mangata-pamelana isika rehefa manao fahadisoana, ary vonona hamela heloka rehefa manao fahadisoana ny hafa? b) Inona no ampirisihana hataontsika, araka ny Ohabolana 6:1-5?

17 Eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Sarotra amin’ny olona maro ny miala tsiny. Tsy tokony ho toy izany anefa ny mpanompon’i Jehovah, fa miezaka mba hihevi-tena ho toy ny “kely indrindra.” Tokony hiaiky isika rehefa misy fahadisoana nataontsika tamin’ny olon-kafa, ary hangataka famelana. Tokony ho vonona koa isika hamela ny fahadisoan’ny hafa. Mampisaratsaraka sy mampifanditra ny fiheveran-tena ho ambony. Mahatonga ny fiangonana hifandray tsara kosa ny famelan-keloka.

18 Ahoana anefa raha nifanaraka tamin’ny olona isika hoe hanao zavatra iray, kanefa tsy vitantsika ilay izy noho ny toe-javatra tsy miankina amintsika? Mila ‘manetry tena’ koa isika amin’izay, ka miala tsiny amim-pahatsorana amin’ilay olona. Mila miaiky ny fahadisoantsika tamin’ilay izy isika, na dia olon-kafa aza no tena nahatonga an’ilay olana.—Vakio ny Ohabolana 6:1-5.

Inona no azonao atao raha mitondra tena toy ny “kely indrindra” ianao?

19. Inona avy no antony ankasitrahantsika ny torohevitry ny Baiboly, raha dinihina ny fianarantsika teo?

19 Hitantsika teo àry fa maro ny antony tokony hananantsika fanetren-tena, ka mankasitraka an’io torohevitry ny Baiboly io isika. Marina fa sarotra ny manana an’io toetra tsara io indraindray, kanefa ho vitantsika izany, raha misaintsaina isika hoe manao ahoana ny tenantsika raha oharina amin’ilay Mpamorona antsika. Handrisika antsika hanetry tena koa ny fitadidiana fa na i Jehovah aza manetry tena. Ho sarobidy kokoa aminy isika, raha manana azy io. Enga anie àry isika rehetra mba hitondra tena toy ny “kely indrindra”!

^ feh. 5 Novana ireo anarana.