Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Tantarantsika

“Iny no Hafatra Tsara Indrindra”

“Iny no Hafatra Tsara Indrindra”

“FA HATAO inona daholo ireo?” hoy i George Naish, nanondro an’ireo antontan-kazo tao amin’ny fitoeran’entan’ny tafika tao Saskatoon, any Saskatchewan, any Kanada. Nohazavaina taminy fa nametahana fitaovana fampitana feo tamin’ny Ady Lehibe I, ireo hazo lava be ireo, izay nirefy 18 metatra. Nieritreritra àry ny Rahalahy Naish hoe azo ampiasaina amin’ny radio ilay izy. Tamin’izay no nipoitra ny hevitra hoe nahoana tokoa raha mampiasa radio mba hitoriana ny vaovao tsara. Herintaona monja taorian’izay, tamin’ny 1924, dia nandeha ny radio CHUC. Anisan’ny radio ara-pivavahana voalohany tany Kanada izy io.

1) Radio tany Edmonton, any Alberta 2) Rahalahy mikirakira ny fitaovana fandefasam-peo tao Toronto, any Ontario

Tena lehibe i Kanada, ka nety tsara ny fitoriana tamin’ny alalan’ny radio. Hoy i Florence Johnson, izay niasa tao amin’ilay radio: “Maro ny olona tsy tratran’ny mpitory, nefa nandre ny fahamarinana noho ny fandaharana natao tamin’ny radio. Mbola zava-baovao koa ny radio tamin’izany, ka may erỳ ny olona hihaino izay nolazaina tao, na inona izany na inona.” Nanana radio tao amin’ny tanàna efatra tany Kanada ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny), tamin’ny 1926. *

3) Radio CHUC any Saskatoon, any Saskatchewan

Inona no nalefa tamin’ireny fandaharana ireny? Nandefa hiran’ilay Fanjakana ireo rahalahy. Ny fiangonana teo an-toerana no nihira, ary narahin’ny mpitendry zavamaneno. Teo koa ny toriteny nataon’ireo rahalahy, sy ny dinidinika ara-baiboly. Hoy i Amy Jones, izay nandray anjara tamin’ireny dinidinika ireny: “Rehefa nilaza ny anarako tamin’ny olona aho teny am-pitoriana, dia nisy nilaza indraindray hoe: ‘Efa henoko tao amin’ny radio ny feonao!’ ”

“Be loatra ny antso, ka tsy voavaly daholo”

Zavatra mbola tsy dia fanaon’ny radio tamin’izany kosa no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly tany Halifax, any Nouvelle-Écosse. Miresaka momba ny foto-kevitra iray izy ireo, ary avy eo mahazo miantso ny mpihaino ka mametraka fanontaniana. Hoy ny rahalahy iray: “Tena nahaliana ny olona ilay fandaharana! Be loatra ny antso, ka tsy voavaly daholo.”

Tsy nitovy ny fomba nandraisan’ny olona ny hafatra, toy ny tamin’ny andron’ny apostoly Paoly ihany. (Asa. 17:1-5) Tena tia an’ilay izy ny olona sasany. Anisan’izany i Hector Marshall. Rehefa reny tamin’ny radio hoe nivoaka ireo boky hoe Fianarana ny Soratra Masina, dia nanafatra an’ireo boky enina nifampitohy izy. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe hanampy ahy hampianatra amin’ny sekoly alahady ireo boky ireo.” Vao nahavita ny boky voalohany anefa izy, dia nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny fiangonany. Lasa mpitory be zotom-po izy, ary tsy nivadika mandra-pahafatiny tamin’ny 1998. Nisy lahateny hoe “Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao” nalefa tamin’ny radio, tany amin’ny faritra atsinanan’i Nouvelle-Écosse. Nilaza toy izao tamin’ny rahalahy iray ny Kolonely J. MacDonald ny ampitson’iny: “Nisy hafatra ren’ny mponina tany amin’ny Nosy Cap-Breton tamin’ny radio omaly, ary iny no hafatra tsara indrindra re tany amin’io faritra io.”

Tezitra kosa anefa ny mpitondra fivavahana. Nandrahona ny handoro ny trano nisy ny radion’ny Mpianatra ny Baiboly ny Katolika sasany tany Halifax. Nampirisihin’ny mpitondra fivavahana koa ny fitondram-panjakana, ka nilaza tamin’ny 1928 hoe tsy hohavaozin’izy ireo intsony ny fahazoan-dalana mandefa fandaharana amin’ny radio, nomena ny Mpianatra ny Baiboly. Tsapan’ireo rahalahy hoe tsy rariny ilay izy, ka namoaka taratasy nozaraina tamin’ny olona izy ireo, nitondra ny lohateny hoe Iza no Tompon’ny Radio? Tsy nanavao an’ilay fahazoan-dalana ihany anefa ny fanjakana.

Nahakivy an’ireo mpanompon’i Jehovah vitsivitsy tany Kanada ve izany? Hoy i Isabel Wainwright: “Toy ny hoe nahazo fandresena lehibe ny fahavalo tamin’izay. Fantatro anefa hoe afaka nisakana an’izany i Jehovah, raha nilaina izany mba hahatanteraka ny fikasany. Nila nitady fomba hafa tsara kokoa àry izahay mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.” Tsy nampiasa radio intsony àry ny Mpianatra ny Baiboly tany Kanada mba hitoriana, fa nitsidika ny olona tany an-tranony. Nandray anjara lehibe tamin’ny fampielezana an’ilay “hafatra tsara indrindra” anefa ny radio tamin’izany fotoana izany.—Avy any amin’ny tahirintsika any Kanada.

^ feh. 4 Nandoa vola tamin’ny radio hafa koa ireo rahalahy tany Kanada, mba handefasana fandaharana tao amin’izy ireny.