Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehoy Foana fa “Mpivahiny” Ianao

Asehoy Foana fa “Mpivahiny” Ianao

“Mananatra anareo vahiny sy mpivahiny aho mba hifadianareo hatrany ny fanirian’ny nofo.”—1 PET. 2:11.

1, 2. Iza no tian’i Petera horesahina tamin’ilay hoe “voafidy”, ary nahoana izy ireo no nantsoiny hoe “mpivahiny”?

NANORATRA ho an’ireo Kristianina niely tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia ny apostoly Petera, 30 taona teo ho eo taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. (1 Pet. 1:1) Sady nantsoiny hoe “mpivahiny” izy ireo, no nantsoiny hoe “voafidy.” Nantsoiny hoe “voafidy” izy ireo, satria voahosotry ny fanahy toa azy. ‘Nateraka indray ho amin’ny fanantenana velona’ izy ireo, dia ny fanantenana hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Vakio ny 1 Petera 1:3, 4.) Nahoana anefa i Petera no niantso azy ireo indray hoe “vahiny sy mpivahiny” tatỳ aoriana? (1 Pet. 2:11) Ary nahoana izany no tokony hahaliana antsika, nefa Vavolombelona 1 monja isaky ny Vavolombelona 650 no milaza fa “voafidy”, izany hoe voahosotra?

2 Mety tsara raha nantsoina hoe “mpivahiny” ireo voahosotra tamin’ny taonjato voalohany. Tsy hipetraka eto an-tany mandrakizay mantsy ny voahosotra. Hoy ny apostoly Paoly, izay anisan’ny “ondry vitsy”: “Fa isika kosa dia olom-pirenen’ny lanitra, ary avy any koa no iandrasantsika fatratra ny mpamonjy, dia i Jesosy Kristy Tompo.” (Lioka 12:32; Fil. 3:20) “Olom-pirenen’ny lanitra” ny voahosotra, ka hiala eto an-tany izy ireo rehefa maty, ary hahazo an’ilay fanantenana tsara lavitra, dia fiainana tsy misy fahafatesana any an-danitra. (Vakio ny Filipianina 1:21-23.) Tena “mpivahiny” ara-bakiteny àry izy ireo, eto amin’ity tany fehezin’i Satana ity.

3. Inona no fanontaniana mipetraka momba ny “ondry hafa”?

3 Ahoana kosa ny amin’ny “ondry hafa”? (Jaona 10:16) Milaza ny Soratra Masina hoe hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo. Ho fonenan’izy ireo mandrakizay ny tany. Nahoana anefa izy ireo no lazaina koa hoe mpivahiny?

‘MBOLA MITOLOKO FOANA  NY ZAVABOARY REHETRA’

4. Inona no tsy vitan’ny olona mihitsy ny manafoana azy, na dia miezaka mafy aza izy ireo?

4 Raha mbola misy ity tontolo ratsy ity, dia mbola hijaly noho ny fikomian’i Satana tamin’i Jehovah ny olon-drehetra, anisan’izany ny Kristianina. Hoy ny Romanina 8:22: ‘Fantatsika fa mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.’ Tsy mahavita misakana an’izany ireo mpitondra sy mpahay siansa ary mpanao asa soa, na dia miezaka amin’ny fony manontolo aza.

5. Inona no nataon’ny olona an-tapitrisany nanomboka tamin’ny 1914, ary nahoana?

5 Nanomboka tamin’ny 1914 àry, dia nisy olona an-tapitrisany nifidy ho vahoakan’i Jesosy Kristy, mpanjaka notendren’Andriamanitra. Tsy te ho anisan’ny tontolon’i Satana mihitsy izy ireo, ary tsy manohana azy io. Mampiasa ny fiainany sy ny fananany kosa izy ireo, mba hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra.—Rom. 14:7, 8.

6. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no azo lazaina hoe vahiny, na mpivahiny?

6 Olom-pirenena mankatò lalàna ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 200 mahery. Mitondra tena toy ny vahiny sy mpivahiny foana anefa izy ireo, na aiza na aiza firenena misy azy. Tsy mitsabaka amin’ny adihevitra momba ny politika sy ny fiaraha-monina izy ireo. Efa mihevitra ny tenany ho olom-pirenen’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra izy ireo, na dia amin’izao andro izao aza. Faly izy ireo satria kely sisa dia tsy ho mpivahiny intsony, satria ho ringana ity tontolo tsy lavorary ity.

Tsy miezaka hanavotra ny tontolon’i Satana isika fa mampirisika ny olona hiandrandra ny tontolo vaovao

7. Ahoana no hahafahan’ny mpanompon’i Jehovah hiaina mandrakizay eto an-tany?

7 Tsy ho ela dia handringana ny tontolon’i Satana i Kristy. Tonga lafatra ny fitondrany, ary hanafoana ny fahotana sy ny fijaliana. Haringan’izy io koa izay rehetra mikomy amin’ny fitondran’i Jehovah, ary ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra. (Vakio ny Apokalypsy 21:1-5.) Tsy hisy intsony ireo zavatra rehetra miteraka fijaliana aorian’izay, ka “hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” ny olombelona.—Rom. 8:21.

INONA NO TAKINA AMIN’IREO TENA KRISTIANINA?

8, 9. Inona no tian’i Petera holazaina tamin’ilay hoe ‘mifady ny fanirian’ny nofo’? Hazavao.

8 Hoy i Petera: “Ry malala, mananatra anareo vahiny sy mpivahiny aho mba hifadianareo hatrany ny fanirian’ny nofo. Izany faniriana izany indrindra no misakana anareo tsy hahazo ny fiainana.” (1 Pet. 2:11) Ny Kristianina voahosotra no nomeny an’io torohevitra io voalohany, nefa mihatra amin’ny ondry hafan’i Jesosy koa izy io.

9 Tsy ratsy ny faniriana sasany, raha tanterahina amin’ny fomba ankasitrahan’ny Mpamorona. Mahatonga ny fiainana hahafinaritra aza izy ireny. Efa voajanahary, ohatra, ny hoe maniry hihinana sy hisotro zavatra tsara, na hanao fialam-boly mamelombelona, na koa hiaraka amin’ny namana tiana. Tsy ratsy sady ara-dalàna koa ny faniriana hanao firaisana amin’ny vady. (1 Kor. 7:3-5) Ny “fanirian’ny nofo” misakana antsika “tsy hahazo ny fiainana” anefa no tian’i Petera horesahina. Misy Baiboly hafa mandika azy io hoe ‘filan-dratsy’ (Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara), na koa hoe “fanirian-dratsy” (Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena, anglisy). Mila fehezintsika àry ny faniriana rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah sy mety hanimba ny fifandraisantsika aminy. Mety tsy hahazo ny fiainana isika, raha tsy manao izany.

10. Inona no fomba sasany ampiasain’i Satana mba hahatonga ny Kristianina ho anisan’ity tontolo ity?

10 Ny tanjon’i Satana dia ny hanadinoantsika hoe “mpivahiny” isika eto amin’ity tontolo ity. Manintona tokoa ankehitriny ny faniriana hanan-karena, ny faniriana haloto fitondran-tena, fanirian-daza, ny fitiavan-tena, ary ny fanindrahindram-pirenena. Tokony hataontsika ao an-tsaina anefa fa fandrik’i Satana daholo ireo. Raha miezaka mafy isika hiady amin’ireo fanirian-dratsin’ny nofo ireo, dia ho hita hoe tsy te ho anisan’ny tontolon’i Satana isika, fa mpivahiny fotsiny. Ny tena irintsika sy iezahantsika mafy, dia ny ho lasa “tompon-tany” ao amin’ny tontolo vaovao, ka hipetraka mandrakizay ao amin’ilay tontolo hanjakan’ny fahamarinana.

MILA MANANA FITONDRAN-TENA TSARA ISIKA

11, 12. Ahoana no fiheveran’ny olona ny vahiny indraindray, ary inona no azo lazaina momba ny Vavolombelon’i Jehovah?

11 Notohizin’i Petera eo amin’ny andininy faha-12 hoe inona no takina amin’ny Kristianina, izay “mpivahiny” eto amin’ity tontolo ity. Hoy izy: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao, mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro fanaraha-maso. Hanome voninahitra Azy tokoa izy ireo rehefa mahita ny asa tsara ataonareo, na dia nanendrikendrika anareo ho mpanao ratsy aza.” Kianin’ny olona indraindray ny vahiny, izany hoe ny olona mifindra monina avy any an-tany hafa. Mety hisy hihevitra azy ireny ho mpanao ratsy, satria fotsiny hoe tsy mitovy amin’ny olona eo an-toerana izy ireny. Mety ho hafa ny fiteniny, ny fanaony, ny fitafiany, ary angamba aza ny bika aman’endriny. Voaporofo anefa hoe tsy mitombina ny fanaratsiana azy ireo, rehefa manao zavatra tsara izy ireo, izany hoe rehefa tsara ny fitondran-tenany.

12 Toy izany koa ny tena Kristianina. Misy zavatra sasany tsy itovizantsika amin’ny ankamaroan’ny olona. Anisan’izany ny resaka ataontsika sy ny fialam-boly fidintsika. Mampiavaka antsika amin’ny olona koa matetika ny fitafiantsika sy ny taovolontsika. Vokatr’izany, dia manendrikendrika antsika ho mpanao ratsy ny olona sasany tsy mahalala ny tena zava-misy. Misy olon-kafa kosa anefa midera antsika noho ny fomba fiainantsika, izany hoe ny fitondran-tenantsika tsara.

13, 14. Inona no dikan’ny hoe ny fahendren’ny olona dia ‘hamarinin’ny ataony’? Inona no ohatra mampiseho izany?

13 Miharihary hoe tsy mitombina ny fanaratsiana antsika, rehefa tsara ny fitondran-tenantsika. Diniho ny momba an’i Jesosy. Nisy nanendrikendrika azy ho mpanao ratsy, na dia izy irery ihany aza ny olombelona nankatò tanteraka an’Andriamanitra. Nisy nilaza hoe “olona tendan-kanina sy mpiboboka divay izy, sady naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota.” Hita tamin’ny fitondran-tenan’i Jesosy anefa fa tsy marina izany. Hoy izy: ‘Ny fahendren’ny olona dia hamarinin’izay ataony.’ (Mat. 11:19) Mbola marina izany teny izany ankehitriny. Nilaza, ohatra, ny olona sasany mipetraka eny akaikin’ny Betelan’i Alemaina, any Selters, fa hafahafa ny olona miasa ao amin’ny Betela. Niaro an’ireo Betelita anefa ny ben’ny tanàna, ka niteny hoe: “Marina fa manana ny fomba fiainany manokana izy ireo, kanefa tsy manelingelina ny fiainan’ny hafa mihitsy izany.”

Nampifandray tsara an’ity fianakaviana rosianina ity ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

14 Toy izany koa tany Moscou, any Rosia. Nampangaina ho nanao zava-dratsy maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny hoe mandrava tokantrano, mampirisika ny olona hamono tena, ary tsy mety tsaboina. Nandinika an’ilay raharaha ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, any Strasbourg, any Frantsa, ka nivoaka ny didy tamin’ny Jona 2010 hoe: ‘Tsy rariny ny nataon’ny tanànan’i Moscou, rehefa nanakantsakana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fivoriany. Tsy ampy hanamelohana azy ireo ny porofo nentin’ireo fitsarana tao Rosia, ary tafahoatra ny sazy tian’izy ireo hampiharina.’

MILA MANAIKY NY FITONDRAM-PANJAKANA ISIKA

15. Inona ny toro lalan’ny Baiboly arahin’ny tena Kristianina eran-tany?

15 Misy zavatra hafa koa takina amin’ny Kristianina, izay efa ampiharin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy maneran-tany. Hoy ihany i Petera: “Noho ny Tompo, dia ekeo izay fahefana rehetra najoron’olombelona: Na mpanjaka izany, satria ambony izy, na governora.” (1 Pet. 2:13, 14) Tsy anisan’ity tontolo ratsy ity ny tena Kristianina, kanefa mankatò ny torohevitr’i Paoly, ka manaiky ny mpitondra, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny zavatra angatahin’izy ireo.—Vakio ny Romanina 13:1, 5-7.

16, 17. a) Nahoana no lazaina fa tsy manohitra ny fitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona no eken’ny manam-pahefana sasany?

16 Na dia mitondra tena toy ny “mpivahiny” aza isika Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ity tontolo ity, dia tsy manohitra mangina ny fitondram-panjakana. Tsy manohitra ny hevitry ny olona momba ny politika sy ny fiaraha-monina isika, na manakantsakana azy ireo amin’izany. Tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, tsy toy ny fivavahana sasany. Tsy mibaiko ny manam-pahefana amin’ny tetikasany koa isika. Tsy mitombina mihitsy ny hoe te hanakorontana ny filaminam-bahoaka ny Vavolombelon’i Jehovah, ary te hanongam-panjakana.

17 Mankatò ny manam-pahefana ny Kristianina, satria te hanaja sy hanome voninahitra azy ireo, araka ny torohevitr’i Petera hoe: “Hajao ny mpanjaka.” (1 Pet. 2:17) Nahatsapa izany ny manam-pahefana sasany, ka nilaza fa tsy atahorana hampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany i Steffen Reiche, manam-pahefana tany Alemaina, izay anisan’ny parlemanta tatỳ aoriana. Hoy izy: ‘Nanao ny tsara foana ireo Vavolombelon’i Jehovah nigadra sy tany amin’ny toby fitanana. Tsy niala tamin’ny zavatra ninoany izy ireo, na dia nanenjika azy ireo mafy aza ny miaramila SS. Tsara fanahy tamin’ireo olon-kafa niara-nigadra taminy koa izy ireo. Tena mbola ilaina eto amin’ny firenena ireo toetra ireo, satria miharatsy fanahy amin’ny vahiny ny olona ankehitriny, ary mampijaly an’izay tsy mitovy hevitra aminy eo amin’ny politika sy ny fivavahana.’

TOKONY HO TIA AN’IREO MPIRAY FINOANA ISIKA

18. a) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tonga dia tia an’ireo rahalahy sy anabaviny ao amin’ny finoana? b) Inona no nolazain’ny olona sasany momba antsika?

18 Hoy koa i Petera: “Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana, matahora an’Andriamanitra.” (1 Pet. 2:17) Matahotra ny tsy hampifaly an’Andriamanitra isika Vavolombelon’i Jehovah, ka te hanao ny sitrapony. Faly isika manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviamben’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ka lasa mandeha ho azy amintsika ilay hoe maneho fitiavana amin’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” Mahagaga ny olona izany fifankatiavantsika izany indraindray. Tsy fahita firy mantsy izany eto amin’ity tontolo anjakan’ny fitiavan-tena ity. Tena gaga, ohatra, ny vehivavy iray mpitondra mpizaha tany, rehefa nahita an’ireo Vavolombelona alemà nanampy sy nampiseho fitiavana an’ireo Vavolombelona vahiny, izay tonga hanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 2009. Nilaza izy fa efa ela izy no nitondra mpizaha tany, fa mbola tsy nahita zavatra hoatr’izany hatramin’izay. Nilaza ny rahalahy iray fa “tena talanjona ilay vehivavy, ary nientam-po be niresaka momba antsika.” Efa nandre olona gaga tamin’ny fifankatiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ve ianao, tamin’ny fivoriambe natrehinao?

19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona ianao, ary nahoana?

19 Hitantsika teo àry fa misy fomba maro ampisehoantsika Vavolombelon’i Jehovah fa “mpivahiny” isika eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Faly isika fa “mpivahiny”, ary tapa-kevitra fa hitondra tena toy izany foana. Mafy orina mantsy ny fanantenantsika, dia ny hoe tsy ho ela isika dia hipetraka mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Miandrandra an’izany tontolo vaovao izany koa ve ianao?